MASINA- Ny fahamasinana

21. soanja ( 17/04/2008 22:41)
Ireto avy ny zavatra tadidiko nohamasinina tany ampiangonanay vao Masina:

-Ny lavenona
-Ny eokaristia fa raha vao vita izy dia toy ny mofo ihany, de sady mangalam-pihinana le servitera no sady mangalatra rakitra koa raha ny hitako tsy indraindray, tena mampalahelo tokoa fa lany hasina ny zavatra amin'izany amiko.
-Ny sary vongana isan-karazany alohan'ny hametrahana azy amin'ny toerany.
-Ny rano mba ho rano voahasina
-Ny tanora lahy sy vavy hanao relijiozy dia mila hamasinina vao lasa pretra sy masera sns...
sns sns...

Izany hoe tsy misy fombafomba arahina , mifangaro tso-drano fanamasinana sns dia rehefa vita ireo dia azo lazaina fa manomboka masina ilay zavatra.

Ka raha ireo amiko dia tsy voatery ho Andriamanitra akory ireo raha nohamasinina fa saingy kosa manana ny hajany sy ny voninahiny ary ny fombafomba arahina hitazomana izany fahamasinana izany. FIFANDRAISANA, FINOANA. FINOANA, FIFANDRAISANA.

Tsy voatery anefa hoe izay nohamasinina sy heverina fa masina dia Andriamanitra. Izany hoe raha manamasina sy mifandray amin'ny zavatra iray ianao ka mihevitra fa mandaitra ilay izy na olona iray ka mifandray sy manaja azy sy manome voninahitra= hasina azy TSY MIDIKA IZABT FA MANOMPO, ARY TSY MIDIKA IZANY FA IO NO ANDRIAMANITRA.

Hafa ny fanompoana...... Tsy mitovy amin'ny fanamasinana. NOHO IZANY TSY SAMPY NY ZAVAMASINA, FA MASINA SATRIA MANDAITRA NY FIFANDRAISANA.


22. zoky ( 18/04/2008 05:38)
so de mba manampy @ le fanazavan-kevitra koa aloha tony teny itony e!
http://fr.wikipedia.org/wiki/B%C3%A9n%C3%A9diction
23. bilakarenjy ( 18/04/2008 07:13)
salut ra-fijo
Ho an'ny olona tsy manana fanajana olon-dehibe sy ratsy taiza dia tsy asiany sira mihitsy na ny ray aman-dreniny na ny olon-kafa . Fa ho an'ny olona mahafantatra ny tokony ho hajaina dia mametraka izany @ tokony ho izy na dia tsy an'ny tenany aza .

Ty resaka fanamasinana ity aloha dia ahitana sampona ihany indraindray e! . Matetika ny fahatokisana sy finoana no tena mibahana be @ ilay fanamasinana ,ka mahatonga ny olona lasa manompo sy manaja ary mametraka ny fiainany @ ilay zavatra hasininy .

Ao ny fivavahana izay mampitombo ny filaminan-tsaina ,dia ao koa ireo zavatra nahitan-tsoa sy nahazahoana fahombiazana teo @ fiainana ,dia ao koa ny zavatra nanavotra anao t@ fahoriana sy fahasahiranana ary fijaliana . SNS ....

24. fijo ( 18/04/2008 20:16)
ka izay mantsy.arakaraky ny fandraisana azy ihany io.raha hajaina izy dia masina,raha tsy hajaina dia tsy masina.
ny coran izao masina amin'ny mpino azy,fa amin'ny tsy mpino azy dia azo itsahana io.
25. Fody ( 18/04/2008 23:33)




Soanja:
Ao amin'ilay ohatra noraisiko ery ambony dia tsy Ray aman-dreny (olona niteraka: Dada sy neny) no noresahako, fa Raiamandreny (olom-be, olon-dehibe). Izany hoe olona heverina ho manana Fahendrena.

Averiko fa tsy miankina velively amin'izay hasina omena azy ny maha masina an'Andriamanitra. Fa miankina amin'ny Tenany manokana. Mamaritra ny maha izy azy io.

Ilay ohatra noraisiko dia hoe: Misy raiamandreny iray eo anivon'ny tanora mpamingavinga, izay tsy mba nanaja azy, moa very ny hasin'io Raiamandreny io na ny hajany? Tsia hoy aho aminao. Amin'ireo tanora ireo izy, no tsy voahaja, angamba noho tsy fahalalan'izy ireo.... fa ny Hasiny kosa dia mitoetra foana, raha tsy izy tenany no manala izany aminy.

Raha raisina amin'Andriamanitra dia izao:

1 - Ho an'ny tsy mpino dia tsy afaka milaza mihitsy hoe: Masina izy Andriamanitra, na tsia satria ny fisiany aza dia efa laviny. Donc manohitra ny tenany ry zareo raha milaza fa tsy Masina Andriamanitra, satria ny tsy misy tsy azo faritana ny momba azy.

2 - Ho an'ny mino kosa, dia tsy miankina velively amin'ny tenantsika mpino ny mahamasina an'Andriamanitra. Toetra ao aminy io, ary hita sy tsapa ka izay no nilazana fa Masina izy. Tsy izaho no nanome azy ny Toetra ilazana fa masina izy, fa izy no naneho izay toetrany izay tamiko ka afahako milaza fa masina izy. Donc tsy miankina amiko izany fa miankina aminy.

Ohatra: Masina ity teny ity: "Tiavo na dia ny fahavalonao aza". Moa izaho ve no manamasina an'io teny io sa ao amin'io teny io no mirakitra fahamasinana?
Ao amin'io teny io no misy ilay Fahamasinana satria izy ilay niteny azy dia Masina, ary ao amin'io teny io. Ny fandraisako an'io teny io dia maha masina ny tenako koa. Izany hoe: raha miaina io teny io aho dia manaiky ny fahamasinany ho ato amiko, mba hanamasina ahy.
Raha tsy raisiko sy tsy asiko dikany io teny io, dia tsy manafoana velively ny hasiny izany, fa izaho ilay tsy mandray azy kosa dia tsy handray ny fahamasinana avy aminy.

3 - Ny resaka sakramenta sy ny sisa dia tsy hafa fa toy izany. Masina ireny tsy noho ny herin'olombelona fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra.
Ohatra ny Eokaristia: masina iny satria Izy Kristy no nilaza fa Tenany sy rany ny Mofo sy ny Divay. Azonao vakina ny momba ny ex opere operato http://en.wikipedia.org/wiki/Ex_opere_operato




fijo
tsy manery mivantana,fa ny filazana fa masina io na mino nareo na tsia dia efa tery izay.

Ka manery ny hafa ve rafijo milaza hoe: ray aman-dreny ireo na hajainareo na tsia, na hino nareo na tsia?

Misaotra
26. pissoa ( 19/04/2008 11:36)
Azafady ... efa nisy namaly nga moa za ? :oops:
pissoa:

Raha tsisy olona "mino" an'Andriamanitra ve izany dia tsy "masina" Izy (= Andriamanitra) ? :-D :-D :-D


27. pissoa ( 19/04/2008 11:44)
Fody:


tsy manery mivantana,fa ny filazana fa masina io na mino nareo na tsia dia efa tery izay.

Ka manery ny hafa ve rafijo milaza hoe: ray aman-dreny ireo na hajainareo na tsia, na hino nareo na tsia?


Raha vao misy hoe "tery" hoa dia misy te hitsambikina eny amin'ny plafond foana ... na dia tsisy fantany aza hoe iza no terena - dia terena hanao inona - dia iza no manery - sns =))

Mba anontaniako indray i Fijo hoe iza no terena - dia terena hanao inona ? Ny zavatra misy mantsy dia hoe mahazo miteny foana i Fijo hoe tsy Masina Izy - mahazo mino hoe tsy Masina Izy ary mahazo tsy mino hoe Masina Izy ... Fehiny : malalaka be i Fijo !


:-D :-D :-D
28. ikaretsaka ( 19/04/2008 13:14)
[size=10px]globale be eo indray fijo de ho voan'ny rivotra fa hmmmm[/size]
29. soanja ( 19/04/2008 16:28)
Fody:





Soanja:
Ao amin'ilay ohatra noraisiko ery ambony dia tsy Ray aman-dreny (olona niteraka: Dada sy neny) no noresahako, fa Raiamandreny (olom-be, olon-dehibe). Izany hoe olona heverina ho manana Fahendrena.




Ka ianao tsy nanazava izany tany amboalohany fa ny ray amandrenibe ny tanana no tianao resahinao eto.

Hilaza aminao anefa aho fa tsy tonga tamin'izay toerana zay ny olondehibe iray raha tsy nisy ezaka nataony teo amin'ny fierahamonina niainany na ny firenana. Ireo matetika dia olona azo antsoina hoe hendry, mandala, manaja ny fiarahamonina ary manisy soa ny manodidina azy. Ireo asa ireo no hitan'ny hafa dia miantso hoe Ray amandreny izy. Raha mandinika ianao any amintsika dia antsoin'ny olona ray amandreny ireny mamo lava mpisotro toaka mandry antatatra ireny, ny mahantrahantra tsy manan-katoraka ka malotoloto izay heverin'ny hafa fa tsy maranitra nefa ny fiainana no mety miangatra aminy ary indrindra moa ny olona efa nigadra sns. Ny olona somary mpanana, manam-pahefana sns no antsoina hoe ray amndreny. Iza anefa no nahatonga azy ireo ho ray amandreny fa tsy ny olona mahita sy miaina ary mahazo tombotsoa amin'izany fahendreny sy fahaizany ary ny fananany.

Zany hoe ny haja, ny voninahitra atolotra azy no manome ny hasina amin'izany.

Amiko, omena ny hasina, mifandray ny fiasana ary ezaka ny fitazomana ny fahamasinana raha eo amin'ny fiarahamonina no resahina.


30. soanja ( 19/04/2008 16:44)
Amiko Mpino dia masina Andriamanitra ary ny fandairany amiko no mahamasina azy, ny fiasany ary ny fitiavany.

Efa masina hatrany amboalohany Izy amiko satria Izy no nanolotra ny aiko, nitandrina ny ray amandreniko ary nampisy ny fianakaviako ary ny tontolo iainako ho tomombana handray ahy. Manan-kasina izy eo anatrehako noho izany dia manampy sy mampitombo hasina azy aho satria izay no adidiko no sady mitazona ny fanompoako ho azy satria Masina izy.

Maty kosa ny hasiny raha ny fahitako azy eo anatrehan'i tsy mpino satria tsy manompo azy izy ireo.

Fa Andriamanitra irery ihany anefa izany manan-kasina amboalohany izany fa ny sary vongana sy ry Masina Maria sy ny tariny dia novoleko ny hasina eny aminy noho ny zavabitany sy ny fandairan'ny asany eo amiko izay azoko antsoina hoe Finoana novolena avy amin'ny alalan'ny atidohako. Mila manaiky aloha aho fa handraitra ny fiasany ka na vato kilonjo aza no anaovako izany fa tsy sary vongana eny amin'ny rindrim-piangonana dia handaitra tokoa satria izay ny asan'ny mahaolombelona ara-panahy antsika.

Finoana mitarika vokatra!

31. ikaretsaka ( 19/04/2008 16:46)
fa Andriamanitra ange tsy mila hamasinina ry soanja e
32. pissoa ( 19/04/2008 17:31)
Ika :-D :-D :-D :-D :-D

33. Fody ( 19/04/2008 19:28)




Soanja
Ka ianao tsy nanazava izany tany amboalohany fa ny ray amandrenibe ny tanana no tianao resahinao eto.

Azafady raha tsy nazava izay nolazaiko, satria noheveriko fa mahay teny malagasy tsara izay mamaky.
Samy hafa mantsy ny atao hoe: "Ray aman-dReny" misaraka ny fanoratra azy, izay midika hoe: Ray sy Reny. Sy ny hoe: Raiamandreny mitambatra ny fanoratra azy: ity farany ity dia ilazana ireo olom-be, olon-kendry sns... Dia jereo ery ambony fa tsy nanoratra hoe "Ray aman-dReny" aho fa Raiamandreny no nosoratako
Hilaza aminao anefa aho fa tsy tonga tamin'izay toerana zay ny olondehibe iray raha tsy nisy ezaka nataony teo amin'ny fierahamonina niainany na ny firenana. Ireo matetika dia olona azo antsoina hoe hendry, mandala, manaja ny fiarahamonina ary manisy soa ny manodidina azy. Ireo asa ireo no hitan'ny hafa dia miantso hoe Ray amandreny izy.

Ka moa ve miankina amin'ny hafa ny maha Raiamandreny azy ? Moa tsy miankina aminy ihany ?
Moa tsy noho ny fahendrena nasehony ka hita sy tsapa ve no nilazana fa hendry izy, ary mendrika ny anarana hoe: raiamandreny ? Ary io fahendreny io, moa tsy miankina amin'izy tenany ihany ve ny fahendreny ?

>>>>Avy amin'ny toetra nasehony no ilazana fa olon-kendry izy, olona manana fahamasinana ao aminy, izany hoe: olo-masina, fa tsy avy amin'ny hafa akory.
Ary nolazaiko ery ambony fa: tsy misy afaka hanala ny hasin'ny olona iray aminy, fa ny tenany ihany no afaka manala an'izany aminy.

Somary ovaina kely ny ohatra mba hampazava azy bebe kokoa: Raisina ohatra i Kristy. Teo anatrehan'ireo miaramila Romana, izay nikapoka sy namingavinga azy, moa ve very ny Hasin'i Jesoa sa tsia? Moa ve tsy Masina intsony izy sa mbola masina ? Moa very ve ny Fahamasinany sa tsia ?

Raha ny lojikanao no raisina dia milaza fa: I Jesoa teo anatrehan'ny miaramila Romanina dia tsy masina intsony satria ireo olona nanodidina azy dia tsy nanome hasina azy. Nefa mbola masina ve izy teo sa tsia ?
Tsoriko aminao fa mbola masina foana izy. Io fahamasinana io dia TOETRA ao aminy, ary raha tsy izy tenany no manala azy tsy afaka io. Tsy ny hafa mihitsy no afaka hanala an'io, na mampitombo an'io. Miankina aminy manokana io.

Hoy aho ery ambony ery:
Ho an'ny mino kosa, dia tsy miankina velively amin'ny tenantsika mpino ny mahamasina an'Andriamanitra. Toetra ao aminy io, ary hita sy tsapa ka izay no nilazana fa Masina izy. Tsy izaho no nanome azy ny Toetra ilazana fa masina izy, fa izy no naneho izay toetrany izay tamiko ka afahako milaza fa masina izy. Donc tsy miankina amiko izany fa miankina aminy.
Zany hoe ny haja, ny voninahitra atolotra azy no manome ny hasina amin'izany.

Ny fanomezana haja sy voninahitra dia tsy mampitombo velively ny hasin'ny olona iray. Tsy mampitombo na mampihena ny fahamasinan'Andriamanitra koa ny haja sy ny voninahitra atolotsika azy.
Fa inona no dikan'ny fanomezana haja sy voninahitra ? Ny dikan'io dia fanekena ny Hasin'ny olona iray. Ary raha atolotra ho an'Andriamanitra, dia fanekena izay Fahamasinan'Andriamanitra izay.
Donc, tsy miankina amin'ny fanomezantsika haja sy voninahitra azy ny fahamasinan'Andriamanitra. Fa raha nahatsapa ny soa sy ny tsara avy aminy isika ka nidera sy nanome voninahitra azy, io acte io dia dia Fanekena na Fanehoana ny Fahamasin'Andriamanitra, fa tsy Fanomezana azy ny Fahamasinana akory. Ny fahamasinana dia ao aminy, ary asehony amintsika rehetra.
Efa masina hatrany amboalohany Izy amiko satria Izy no nanolotra ny aiko, nitandrina ny ray amandreniko ary nampisy ny fianakaviako ary ny tontolo iainako ho tomombana handray ahy. Manan-kasina izy eo anatrehako noho izany

Eto dia manaiky ny Fahamasinan'Andriamanitra ianao satria mahatsapa izany. Fahatsapana ny anao, fa ny Tompon'ny fahamasinana kosa dia Izy Andriamanitra. Tsy ianao no namorona hoe: Masina izy, fa ny asa nataony tsapanao no nahatonga anao HANAIKY FA MASINA IZY. Donc tsy avy aminao izany ny Fahamasinany (ny hasiny) fa avy aminy ihany. Ianao dia nanaiky fotsiny an'izay fahamasinany izay satria nahatsapa an'izany.
Maty kosa ny hasiny raha ny fahitako azy eo anatrehan'i tsy mpino satria tsy manompo azy izy ireo.

Ho an'ny tsy mpino, hoy aho tery ambony, dia tsy afaka hilaza mihitsy izy hoe: Masina na tsy Masina izy Andriamanitra satria manohitra ny tenany ry zareo raha milaza izany. Ny antony dia satria hadisoana be ny mamaritra ny Toetran'izay lazaina fa "tsy misy".
Ho an'ny tsy mpino izany, tsy hoe tsy manome hasina an'Andriamanitra izy, fa tsy mety aminy ny manaiky ny "Fahamasin'Andriamanitra" satria tsy misy Izy Andriamanitra aminy. Izay anefa dia tsy midika fa very ny hasin'Andriamanitra eo anatrehen'izy ireo. Eo foana ny hasiny, fa saingy ry zareo no tsy mahalala azy, satria efa nandà na tsy mahalala ny fisiany.
Ohatra: I P. Pedro Arrupe dia nanana fahamasinana tokoa. Miara-manaiky izany ireo olona nifanerasera taminy sy ireo namaky ny sangan'asa sns... Fa moa ve mihena izay fahamasinany izay raha ohatra ka misy olona milaza fa tsy mahalala azy, na tsy mahalala akory ny fisiany ? Tsia dia tsia hoy aho aminao.

Manan-kasina izy eo anatrehako noho izany dia manampy sy mampitombo hasina azy aho satria izay no adidiko no sady mitazona ny fanompoako ho azy satria Masina izy.

Tsy ianao, tsy izaho, tsy isika olombelona no hampitombo ny Hasin'Andriamanitra. Ny ataontsika dia ny manaiky fa manana izay hasina izay izy. Ary ny asa sy fihetsika ataontsika: Midera azy, mankalaza azy sns... dia FANEKENA SY FANEHOANA IZAY HASINY IZAY fa tsy hampitombo na hampihena izany akory.

Fa Andriamanitra irery ihany anefa izany manan-kasina amboalohany izany fa ny sary vongana sy ry Masina Maria sy ny tariny dia novoleko ny hasina eny aminy noho ny zavabitany sy ny fandairan'ny asany eo amiko izay azoko antsoina hoe Finoana novolena avy amin'ny alalan'ny atidohako. Mila manaiky aloha aho fa handraitra ny fiasany ka na vato kilonjo aza no anaovako izany fa tsy sary vongana eny amin'ny rindrim-piangonana dia handaitra tokoa satria izay ny asan'ny mahaolombelona ara-panahy antsika.

Mizara roa miavaka tsara indray ny zavatra holazaiko aminao mikasika an'ity zavatra voalazanao ity:

1 - Ny olo-masina:
Tsy novolena araka ny filazanao ny filazana fa: Olo-masina ny olona iray. Ohatra Masina Maria, Md Joseph, sns...
Fa ahoana no lazaina hoe: olo-masina ireo ? Ary tsy ireo ihany no olo-masina fa mbola betsaka, ary na isika koa aza dia afaka ho tonga olo-masina.

Lazaina fa olo-masina ireo satria nanaiky ilay Tompon'ny Fahamasinana ho ao aminy, ka zary lasa tena iray aminy.
Hazavaiko: Ny Tenin'Andriamanitra dia mirakitra ny Tenany, izany hoe: izy Andriamanitra ilay Masina dia ao amin'ny teniny. Ny fandraisako io tenin'Andriamanitra io dia manamasina ahy. Izay fandraisana ny Tenin'Andriamanitra izay anefa dia midika hoe: FIAINANA io Teniny io.

Noho izany: tsy zavatra novolen'ny sain'olombelona ny filazana fa masina ny olona iray, fa Masina izy satria nanaiky ilay Fahamasinan'Andriamanitra ho ao aminy ka zary lasa tena iray aminy. Izany hoe: miseho amin'izay nataony rehetra sy izay nolazainy rehetra io fahamasinany io, ka tsapa sy hitan'ireo olona mifanerasera aminy.
Fitenintsika mazàna ny hoe: Tena olo-masina iny lehilahy iny, tena olon'Andriamanitra iny olona iny sns...

2 - Ny resaka sary masina:
Afangaronao moa ny atao hoe sary masina sy ny olo-masina eto. Tiako anefa ny milaza aminao fa tena samihafa ireo. Ny olo-masina dia entina ilazana ireo olona nanaiky (na mamanaiky) ny hiray aina amin'Andriamanitra tanteraka. Ny sary masina kosa dia sary mampiseho ny endrik'ireo olo-masina na ny Endrik'Izy Andriamanitra. Izany hoe: tsy ny sary no masina fa ilay olona asehony no manana fahamasinana na Masina.


Misaotra!

34. cutie ( 20/04/2008 16:47)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 18-04-2008 00:31:30
Lohateny : Re : MASINA- Ny fahamasinana
Cutie> Bisous injy.

bisous koa njy
omeo ahy ny adiresin-jy de andefasako carte avy any NZ e :) :-*
35. soanja ( 21/04/2008 14:49)
Ika> Mila mamaky tsara ianao. Amiko Masina Andriamanitra. Tsy namasiniko fa masina amin'ny mahaIzy azy.
Ho an'ny tsy mpino tsy masina izy matoa ry zareo tsy mino. Fa raha hitany hoe masina dia mino aho fa nino izy. Tsy misy dikany aminy izany Andriamanitra inoantsika izany satria nahoana tsy miasa aminy ary tsy milaza n'inona n'inona aminy.

NY FAHATSAPANA AVY AMIN'NY TSIRAIDRAY NO MAHAMASINA NY OLONA IRAY, ZAVATRA IRAY ARY NY TENY sns... IRAY.

Raha ny tena izy mantsy raha ny fihevitro dia masina ny zava-drehetra misy, iainana, ifandraisana ka azahoana ny soa. TSAPA, FINOANA, FANAMASINANA bebe kokoa fifandraisana mampaharitra izany. Ny fampiasana azy ho zavatsoa an'ny tsiraidray no manome hasina azy bebe kokoa.

Fody> Inona zany no ilana ny sary vongana raha ny endrika ambadik'iny no hinoana fa tsy io sary manoloana anao io? Na ilay endrika na ilay sary amiko dia tsy manahy akory. Ny sainao ny manamasina izay hinoana fa masina rehefa nazavaina taminao ny fanamasinany. Fa mino aho fa raha miditra ao ampiangonanareo ny silamo iray dia devoly ohatra... no hitany manoloana azy fa tsy ny masina satria nahoana tsy fantany ny famasinan'io ary tsy misy dikany aminy.
36. cutie ( 21/04/2008 15:42)
Ny sainao ny manamasina izay hinoana fa masina rehefa nazavaina taminao ny fanamasinany.

tena marina :wink:
37. pissoa ( 21/04/2008 15:43)
Toa misy mifanipaka le tenin'i Soanja ! Sa izaho no tsy mahazo resaka :

Ika> Mila mamaky tsara ianao. Amiko Masina Andriamanitra. Tsy namasiniko fa masina amin'ny mahaIzy azy.


NY FAHATSAPANA AVY AMIN'NY TSIRAIDRAY NO MAHAMASINA NY OLONA IRAY, ZAVATRA IRAY ARY NY TENY sns... IRAY.


38. cutie ( 21/04/2008 15:45)
Sa izaho no tsy mahazo resaka :

hita fa tena tsy mahazo mitsy :-D :-D :-D :-D :-D
39. pissoa ( 21/04/2008 15:49)
Hazavao ary e ! :wink:
40. ikaretsaka ( 21/04/2008 18:20)
soanja:

Ika> Mila mamaky tsara ianao. Amiko Masina Andriamanitra. Tsy namasiniko fa masina amin'ny mahaIzy azy.
Ho an'ny tsy mpino tsy masina izy matoa ry zareo tsy mino. Fa raha hitany hoe masina dia mino aho fa nino izy. Tsy misy dikany aminy izany Andriamanitra inoantsika izany satria nahoana tsy miasa aminy ary tsy milaza n'inona n'inona aminy.

NY FAHATSAPANA AVY AMIN'NY TSIRAIDRAY NO MAHAMASINA NY OLONA IRAY, ZAVATRA IRAY ARY NY TENY sns... IRAY.

Raha ny tena izy mantsy raha ny fihevitro dia masina ny zava-drehetra misy, iainana, ifandraisana ka azahoana ny soa. TSAPA, FINOANA, FANAMASINANA bebe kokoa fifandraisana mampaharitra izany. Ny fampiasana azy ho zavatsoa an'ny tsiraidray no manome hasina azy bebe kokoa.

Fody> Inona zany no ilana ny sary vongana raha ny endrika ambadik'iny no hinoana fa tsy io sary manoloana anao io? Na ilay endrika na ilay sary amiko dia tsy manahy akory. Ny sainao ny manamasina izay hinoana fa masina rehefa nazavaina taminao ny fanamasinany. Fa mino aho fa raha miditra ao ampiangonanareo ny silamo iray dia devoly ohatra... no hitany manoloana azy fa tsy ny masina satria nahoana tsy fantany ny famasinan'io ary tsy misy dikany aminy.



1) Za anie tsy manfahany fahamasinan'Atra fa hoe tsy mila antsika miteny iznay ho'a isikka dia efa masina izy, amiko koa raha mino izy na tsy mino dia tsy manakana ny fahamasinan'Andriamanitra izany

2) Ny zavatra hafa ankoatran'Atra no manana io toetra lazainao io hoe NY FAHATSAPANA AVY AMIN'NY TSIRAIDRAY NO MAHAMASINA NY OLONA IRAY, ZAVATRA IRAY ARY NY TENY sns... IRAY.

3) Ny ilaina ny sarivongana raha ny endrika ao ambadik'iny no lazainao hoe masina?
diniho ity ary
inona no ilavanao mamaky boky.. tsy ny idee ao ambadik'ilay boky ve no interessant aminao? sa le boky hoe ity misy taratasy papier canson dia natonta tany ananona dia natao reliure tany ananona?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0675