MASINA- Ny fahamasinana

81. fijo ( 22/04/2008 21:03)
fijo

Voalaza teo :
tsy manery mivantana,fa ny filazana fa masina io na mino nareo na tsia dia efa tery izay.


Ka manery ny hafa ve rafijo milaza hoe: ray aman-dreny ireo na hajainareo na tsia, na hino nareo na tsia?

Misaotra

tsy azon'i fody ny resaka,raha milaza aho hoe"ray amandreniko ireo"dia tsy manrery ny hafa mihintsy aho.
fa raha milaza aho hoe "ray amandreny ireo"na ekenareo na tsia dia misy fanerena izay.

hoy pissoa:" 25. Mpandefa : pissoa [ Valio ] 19-04-2008 13:36:33
Lohateny : Re : MASINA- Ny fahamasinana
Azafady ... efa nisy namaly nga moa za ?

Hoy i pissoa:

Raha tsisy olona "mino" an'Andriamanitra ve izany dia tsy "masina" Izy (= Andriamanitra) ?
mazava hoazy,fa tsy misy hasiny izany zavatra tsy misy mpino izany.matoa masina ny zavatra iray dia satria niaraha niaiky ny hasiny,(ny heriny ny hajany sns)fa rah atsy misy mino azy tsssssss resake sisa ny aminy
82. pissoa ( 22/04/2008 21:58)
Fijo:
mazava hoazy,fa tsy misy hasiny izany zavatra tsy misy mpino izany.matoa masina ny zavatra iray dia satria niaraha niaiky ny hasiny,(ny heriny ny hajany sns)fa rah atsy misy mino azy tsssssss resake sisa ny aminy

1 - I Fijo ve izany mety olona tsisy hasiny, tsisy lanjany, tsisy dikany sns satria tsy eken'i Pissoa ny hasina mba hananan'i Fijo, izany hoe tsy niaraha-nanaiky ?

2 - Raha nisy zavatra nataon'ny "olona" iray ve, saingy tsisy mahafantatra ny hafa - na tsisy mino hoe mba nanao izany izy ... dia mivadika "asa ratsy" ilay izy, na hoe "tsy nanao" izany izy ?

:-D :-D :-D :-D :-D

Pissoa:
Mba anontaniako indray i Fijo hoe iza no terena - dia terena hanao inona ? Ny zavatra misy mantsy dia hoe mahazo miteny foana i Fijo hoe tsy Masina Izy - mahazo mino hoe tsy Masina Izy ary mahazo tsy mino hoe Masina Izy ... Fehiny : malalaka be i Fijo !

83. soanja ( 23/04/2008 00:41)
Fody:

Diso ary tena diso be kosa ny fiazanao fa masina ny diky satria: tsy manana volonté iny, no sady tsy itoeran'ilay olona manana fahamasinana. Sa ve ny dikin'i soanja misy an'i Soanja koa.


Fanamarihana: Ilay lazainao hoe: fahatoniana, raha ny hamaritanao azy eto dia tsy misy ifandraisany velively amin'izay antsoin'i Jesoa hoe: Fiadanana.

Misaotra!


Raha amin'ny famaritanao ny Fahamasinana dia diso tokoa ny hoe ny diky dia masina fa raha toa kosa ny famaritako ny fahamasinana amiko amin'ny alalan'ny ambaratongany dia tsy misy mahadiso an'io velively. Ny fijerintsika anie tsy mitovy ary tsy hitovy mihitsy.

Ndeha ary horesahiko anao indray ny famaritana ny olona iray na ny zavatra iray. Iza moa aho Soanja olombelona ity?

Tsy iza akory aho fa ny fitambaran'ny sela be dia be mifandray ato anatiko sy ety ivelany ary ny zavatra rehetra fifandrasaiko amin'ny manodidina ahy. Noho izany tsy misy hoe izaho no izaho akory fa ny fikambanan'ireo rehetra momba ahy no manome an'i Soanja. Raha ny vongamasoko no raisina dia tapako iny ary misy ny DNA-ko iny dia toy izay koa ny dikiko. Mamaritra ny momba ahy iny mivoaka amiko iny, raha mankany amin'ny dokotera aho ka hanao analyse na kaka dia misoratra amin'iny ny anarako. Noho izany zah iny na dia miala amiko aza. Rehefa mifangaro amin'ny hafa izy ka tsy mifandray ny rano sy ny rivotra ary ny zavaboary hafa dia any aho vao hilaza fa tsy ahy intsony iny ary tsy izaho.

Koa raha hoy aho hoe masina ny tenako satria nateraka ary namboarin'Andriamanitra avy tamin'ireo selan'ny ray sy reniko dia masina mifandray amiko avokoa izay momba ahy rehetra. Izay fahamasinako izay anefa tsy hitovizako lenta amin'Andriamanitra velively fa hiavahako aminao sy ny hafa ary ireo izay manodidina ahy. Ny fifandraisako amin'ny hafa ary iasako eo anivony ka hanatsarako ny momba ahy sy ny tontolo iainako ary ny mpiarabelona amiko no entiko hilaza ny fahamasinako. Raha sanatria ka tsy nahavita izany aho fa nanary ireo fahafahako ireo dia tsy isan'ny masina aho satria tsy nanodina ny zavatra takian'Andriamanitra amiko ary tsy nizara ilay fitiavana izay mamaritra betsaka ny momba Azy.

Marina tokoa ny voalazanao, tsy ny FIADANANA resahin'i Kristy ilay fitoniana resahiko fa lalana kosa mankany hahatratrarana izany.
Miatomboka ao aminao ny fitoniana vao afaka mampita izany amin'ny hafa ianao. Io no azoko lazaina fa zavamisy azo tsapain-tanana amin'ny olona iray izay te hanana ny filaminan-tsaina ka hifaly amin'i Tompo satria sady azo refesina ara-tsiansa no azo refesina amin'ny asa vitany ilay olona manana azy.

Misaotra!




84. soanja ( 23/04/2008 01:37)
Fody:



Dia ahoana ilay nolazain'i Jesoa hoe: "Misaotra anao aho Raiko Tompon'ny lanitra sy ny tany fa nanafina izany rehetra izany tamin'ny hendry sy ny be saina fa nanambara azy kosa tamin'ny madinika sy ny tso-po" ?




Nefa ao amin'i 1 Cor 12:8

Dia hoe:

8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,

Mifanipaka izany ny tiany ambara eo satria ny Fanahy manolotra na manome an'ireo fahendrena sy ny fahalalana.

85. soanja ( 23/04/2008 01:41)
Tohiny momba ny fahendrena ihany sy ireo fanomezana avy amin'ny Fanahy.

Isaia 11: 2

2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah;
86. soanja ( 23/04/2008 01:48)
1 Cor 12: 13- 18

13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.

14 Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.

15 Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tànana aho, dia tsy mba momba ny tena,-amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?

16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,-koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?

17 Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?

18 Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony.
87. soanja ( 23/04/2008 03:13)
Ary hamaranako ny hevitro dia ity teny nolazain'i Patrick O'Neill ity hoe:

"My own concept of the sacred these days is less concerned with divine mysteries and Latin definitions than with a simple recognition of the relatedness of all life and our place within the web of existence. For me, the sacred is that which binds us to all other living things and to the Earth which is our home.

Even if no divinity exists, for me the relationship of all living things, each to the other and to the world which sustains us, is sacred. Whatever violates that relation violates the sacred. Whatever nourishes that relation increases it. Whatever calls us to an appreciation of that relation, calls us to holiness, invites us to the sacred.

Finally, this may be the truth of the matter: The things that are holy and sacred in this life are neither stored away on mountaintops nor locked away in arcane secrets of the saints. I doubt that any church has a monopoly on them either. What holiness there is in this world resides in the ordinary bonds between us and in whatever bonds we manage to create between ourselves and the divine.

We act as agents of the sacred by our choice to view this world in a religious way. We are co-creators and preservers of God’s beauty in the world, in our art, in our science, in our service to high ideals, and not least in our devotion to the good and the just."

Mahafehy tanteraka ny hevitra nivoitra avy amiko. Misaotra anareo nanaraka. Mazotoa mi-forum! Soanja

88. cutie ( 23/04/2008 12:25)
For me, the sacred is that which binds us to all other living things and to the Earth which is our home.


We act as agents of the sacred by our choice to view this world in a religious way. We are co-creators and preservers of God’s beauty in the world, in our art, in our science, in our service to high ideals, and not least in our devotion to the good and the just."

=D> =D> =D> =D> =D> =D>
89. Fody ( 23/04/2008 12:43)


Soanja: Ianao ihany dia efa manohitra izay zavatra lazainao:

1 - Jereo any amin'ilay lohahevitra hoe: "vatana". Any ianao dia milaza fa tsy ianao no vatanao, ary tsy anao koa y vatanao. Eto anea ianao manambara fa fitambaran'ny sela maro no manome anao. Donc ianao indray izany ny vatanao. Ary tsy izay ihany fa lazainao koa fa Ianao koa ny dikinao.

2 - Ianao milaza fa avy amin'ny herin'ny atidoha no mahamasina, eny fa na dia ny mahamasina an'ireo olomasina aza (toa an'i Masina Maria), ary mbola nambaranao koa fa na dia ny mahamasina an'Andriamanitra aza.
Nefa mba jereo sy diniho ny andalan-tsoratra Masina raisinao hanamarinana izany hevitrao izany raha tsy manohitra izany zavatra lazainao izany.
[i]
90. Fody ( 23/04/2008 12:46)


fijo:

Moa ve mbola ray aman-drenin'i Fijo ny ray aman-drenin'i fijo, sa tsy ray aman-drenin'i fijo intsony, raha milaza aho (na olona maromaro) hoe: tsy ray aman-drenin'i fijo ireo?


Misaotra!
91. cutie ( 23/04/2008 13:47)
nataoko ihany ny tsy himehy :-D :-D :-D :-D
92. rabilabila ( 23/04/2008 17:37)
Ka tsy misy sens ilay fitenenana hoe tsy ray amandrenin'i Fijo ( na betsaka aza ny olona milaza izany ) satria manao test ADN fotsiny i Fijo sy ny RAD dia afaka manaporofo hoe RAD ireo na tsia ka!!
93. xxx ( 23/04/2008 18:24)
Dia rehefa any amin'ny tany mahantra ve izany, lasa misy "sens" ilay fitenenana, mety hivadika ve hoe tsy ray aman-dreny ilay ray aman-dreny satria tsy afaka mi-afford an'ilay test !
94. pissoa ( 23/04/2008 18:31)
tssss - hadino njay ny nanala xxx :-D :-D :-D :-D :-D

Fody:
1 - Jereo any amin'ilay lohahevitra hoe: "vatana". Any ianao dia milaza fa tsy ianao no vatanao, ary tsy anao koa y vatanao. Eto anea ianao manambara fa fitambaran'ny sela maro no manome anao. Donc ianao indray izany ny vatanao. Ary tsy izay ihany fa lazainao koa fa Ianao koa ny dikinao.

manapaka tsinay be =))=))=))
95. fijo ( 23/04/2008 20:17)
hoy i pissoa:"- I Fijo ve izany mety olona tsisy hasiny, tsisy lanjany, tsisy dikany sns satria tsy eken'i Pissoa ny hasina mba hananan'i Fijo, izany hoe tsy niaraha-nanaiky ?"

raha i pissoa irery no tsy manaiky di atsia ny valiny ,fa raha olona maro dia eny ny valiny.

ohatra.i dalay lama dia manana ny hasiny satria eken'ny maro izay hasiny izay.
fa alefaso any amin'ny tanin'ny bushman izy,fa dia hitovy amin'i pissoa no handraisan'ny olona azy.i pissoa aza mety hisy hasiny kokoa satria vavy.

hoy i fody:"
Moa ve mbola ray aman-drenin'i Fijo ny ray aman-drenin'i fijo, sa tsy ray aman-drenin'i fijo intsony, raha milaza aho (na olona maromaro) hoe: tsy ray aman-drenin'i fijo ireo?
raha olon airay no manda tsy mety,olona maro wa no miara manaiky vao misy ny "hasina"
jereo fa ohatra roa ireo nataoko ireo ,dia jereo ny maha samy hafa azy.

raha misy zaza natsangana ,ka any aorian aany,milaza ny vahoak ahoe tsy ireo anie no tena ray amandeny niteraka anao fa i rabe.moa va mbola tsiamintsy ho raisiny ihany hoe ireo no niteraka azy????
96. rabilabila ( 23/04/2008 21:07)
xxx:

Dia rehefa any amin'ny tany mahantra ve izany, lasa misy "sens" ilay fitenenana, mety hivadika ve hoe tsy ray aman-dreny ilay ray aman-dreny satria tsy afaka mi-afford an'ilay test !

Ka eo indrindra isika xxxPissoa !! rehefa tsy afaka mi-afford an'ilay test ny any amin'ny tany mahantra dia lazaina hoe io 'zany ny RAD dia tsy misy alaharo alaharo fa dia efa izay izany !!Koa efa bediabe no nilaza koa!! Matoa bediabe no nilaza dia izay izany no fahamarinana!!
Koa tsy aleo ve izy ampiana mi-afford an'ilay test dia amin'izay dia siora ?
Marihiko dieny mialoha fa ny tsy maha-RAD niteraka azy akory tsy manàla ny fanajàna azy ,raha toa izy ka nitinaiza tamim-pahendrena ,fa tsy ilay lazain'i Soanja hoe matory any an-tatatra!!Amin'izay indray izy entina mi-afford test alcoolisme dia tsaboina .

97. pissoa ( 23/04/2008 21:13)
rabilabila:

Ka eo indrindra isika xxxPissoa !! rehefa tsy afaka mi-afford an'ilay test ny any amin'ny tany mahantra dia lazaina hoe io 'zany ny RAD dia tsy misy alaharo alaharo fa dia efa izay izany !!Koa efa bediabe no nilaza koa!! Matoa bediabe no nilaza dia izay izany no fahamarinana!!

Fa na dia be dia be aza no nilaza dia tsy mampiova ny mahaRAD azy izany ka :) Ny olona fotsiny no tsy mahafantatra - na tsy te hahalala mihitsy :-D :-D :-D

Fijo:

raha i pissoa irery no tsy manaiky di atsia ny valiny ,fa raha olona maro dia eny ny valiny.

ohatra.i dalay lama dia manana ny hasiny satria eken'ny maro izay hasiny izay.
fa alefaso any amin'ny tanin'ny bushman izy,fa dia hitovy amin'i pissoa no handraisan'ny olona azy.i pissoa aza mety hisy hasiny kokoa satria vavy.

Izany hoe manana ny hasiny izany izy na dia misy tsy manaiky ny hasiny aza ! :-D :-D :-D :-D :-D
98. fijo ( 23/04/2008 21:17)
hihi i mazava io,hafa tsy hoan'ny tsy te ahazo azy.
99. pissoa ( 23/04/2008 21:40)
Mazava mihitsy ka ! (Tsy fanontaniana ohatra io nataoko io fa affirmation avy amin'ny tenin'i Fijo) :-D :-D :-D :-D :-D
100. Fody ( 23/04/2008 22:48)


Ho an'i fijo ihany:
Tamin'ny andron'ny tsy fahalalana dia samy nanaiky ny olona fa ny masoandro no mihodina manodidina ny tany.
Ka tamin'izay fotoana izay moa ny masoandro ve no nihodina nanodidina ny tany sa ny tany no efa nihodina nanodidina ny masoandro?

satria raha ny lojikanao mantsy no raisina dia hoe: rehefa ny boboka no manaiky dia izay no izy, fa raha tokana kosa dia tsy izy.
Nefa rehefa nohelohina ilay olon-tokana nahalala voalohany ny marina toa isan'ireo mba tsy faly ihany ianao.

Hatreo aloha!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0691