MASINA- Ny fahamasinana
101. cutie
(
23/04/2008 23:00)
Ho an'i fijo ihany:
Tamin'ny andron'ny tsy fahalalana dia samy nanaiky ny olona fa ny masoandro no mihodina manodidina ny tany.
Ka tamin'izay fotoana izay moa ny masoandro ve no nihodina nanodidina ny tany sa ny tany no efa nihodina nanodidina ny masoandro?
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
102. soanja
(
24/04/2008 00:08)
[quote=Fody]
Soanja: Ianao ihany dia efa manohitra izay zavatra lazainao:
1 - Jereo any amin'ilay lohahevitra hoe: "vatana". Any ianao dia milaza fa tsy ianao no vatanao, ary tsy anao koa y vatanao. Eto anea ianao manambara fa fitambaran'ny sela maro no manome anao. Donc ianao indray izany ny vatanao. Ary tsy izay ihany fa lazainao koa fa Ianao koa ny dikinao.
2 - Ianao milaza fa avy amin'ny herin'ny atidoha no mahamasina, eny fa na dia ny mahamasina an'ireo olomasina aza (toa an'i Masina Maria), ary mbola nambaranao koa fa na dia ny mahamasina an'Andriamanitra aza.
Nefa mba jereo sy diniho ny andalan-tsoratra Masina raisinao hanamarinana izany hevitrao izany raha tsy manohitra izany zavatra lazainao izany.
[i]

103. cutie
(
24/04/2008 00:18)
Tsy izaho velvely akory no milaza zavatra mifandiso fa ianao no tsy mahazo ny tiako resahina satria ny sainao efa vonona ny handiso izay resahiko.
hita be mitsy zany :-D :-D :-D :-D :-D
104. Fody
(
24/04/2008 13:54)
Satria mbola manam-potoana kely aho dia aleo valiako i Fody
Misaotra anao.
Tsy izaho velvely akory no milaza zavatra mifandiso fa ianao no tsy mahazo ny tiako resahina satria ny sainao efa vonona ny handiso izay resahiko.
Raha lazaina fa efa te handiso izay tianao ho resahana aho dia zavatra hafa no nolazaiko fa tsy izay zavatra nolazainao no naveriko.
Ary tsoriko fa tsy fanahiniko (tsy sitrapoko) mihitsy ny milaza fa mifanohitra be ihany ny zavatra lazainao, fa ilay izy mihitsy no mifanohitra ary tsy takona afenina fa miharihary loatra.
Andriamanitra dia masina hatramin'ny voalohany. Tsapako io ary manaiky aho. Holy hozy ny vazaha. .
Dia ivereno vakina ery ambony ery fa tsy olon-kafa fa ianao, soanja, no naneho fa: ny fanomezanao hasina an'Andriamanitra no mahamasina azy sy mampitombo ny fahamasinany.
Ary eo anatrehan'ny tsy mpino dia tsy masina izy satria tsy manome hasina azy ny tsy mpino.
Tsy ny baiboly velively no masina fa Andriamanitra izay resahiny ao anatin'ilay boky.
Dia ivereno vakina izay nolazaiko mikasika ny soratra Masina ireo ambony ireo, fa be dia be. Dia lazao hoe: aiza aho no manohitra an'io voalazanao io. Fa ianao ihany no manohitra an'io amin'ny filazanao fa tsy masina io rehefa tsy mandaitra amin'ny fiainana. Donc relative be ny hevitrao. Izay hoe: tsy tena mari-pototra ka "ENY" rehefa izao... "TSIA" indray rehefa izao...
Ny zavatra rehetra kosa namboarany na ny zavaboariny dia masina avokoa na sacred. Izay tsy mitovy lenta amin'ilay holy saingy kosa masina satria asa-tanan'ilay Masina indrindra: Tafiditra ao anatin'io ny tany, ny rivotra, ny rano ary ny rehetra momba ity tontolo misy antsika ity Universe.
Dia ivereno vakina kely ny eo amin'ny n°44 fa tsy izahay no manafangaro zavatra toy ny hoe: Sacré sy Saint, sns... fa ianao. Ohatra iray moa io fa sao lazaina mitsipona eo indray.
Isika olombelona dia zavaboarina noho izany masina saingy kosa manana adidy isika satria tonga eto dia manana ny antso napetrany amin'ny tsirairay avy. Manamasina izany hasina ananantsika izany ny asa ataontsika na amin'ny tenantsika na amin'ny mpiara-belona na amin'ny tontolo iainana ary indrindra aminy Andriamanitra.
Dia Masina inona izany no lazainao eto: Saint ve Sacré. Raha lazaina fa amin'ny maha zava-boaary mantsy no maha masina antsika dia Sacré izany fa tsy Saint.
Raha lazainao fa "Saint" kosa: dia manohitra izay nolazainao tery ambony ianao izay milaza fa: NY FAHATSAPANA AVY AMIN'NY TSIRAIDRAY NO MAHAMASINA NY OLONA IRAY, ZAVATRA IRAY ARY NY TENY sns... IRAY. Io mantsy dia midika fa tsy miankina amin'ilay olona mivantana ny mahamasina azy, fa miankina amin'ny manodidina azy.
Izaho Soanja dia tsy hoe zavatra iray ka hoe inty aho Soanja toy ny mahazatra raha ny misy sy fantatr'olona fa fitambaran'ireo sela be dia be izy manjary taova ao amiko, ka tafiditra ao anatin'izany ny atidohako sy ny fisainako ary ny fanahiko: noho izany Soanja daholo na ny tongotro, na ny lohako ka mbamin'ny ao anaty tsinaiko. Ireo no teny nomen'Andriamanitra momba izany hoe tsy tena iray fa maro.
Dia tsy lavitra fa mandehana jereo any amin'ilay adi-hvitra mikasika ny "vatana" izay ilazanao fa tsy ianao no vatanao. Eto anefa dia ambaranao fa ianao ny tananao, ianao ny tongotrao, sns.... Ka moa tsy mifanohitra ve izany?
Ireo no teny nomen'Andriamanitra momba izany hoe tsy tena iray fa maro.
Ka na sarin-teny no hakanao an'io na teny ara-bakiteny dia izay no misy ary io no fandraisako azy. Ianao tsinona anie ka tsy mpaminany ka hahalala fa sarinteny io na tena ilay teny
Tsy mila tonga ho mpaminany vao afaka mahalala an'io hoe sarin-teny io. Aza adino fa taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny Kristiana tany Korinto io. Ary ny taratasy dia tsy ho an'ny olon-tokana fa ho an'ny Fiangonana (izany hoe ho an'ireo olona maro mivondrona ho Fiangonana iray). Ireo olona ireo dia samy manana ny asa avy, samy manana ny andraikiny avy, sns... nefa iray izy ireo amin'ny Fiangonana, izay Tena iray amin'i Kristy.
fa ny fahatsapan'ny tsirairay ny zava-boalaza ao anaty baiboly ka mandaitra aminy ary iasany amin'ny fiodinan'ny fiainany no zava-dehibe ary io asan'ny fanahiny manompo izany Andriamanitra izany.
Fa ny teny raisina amin'ny maha izy azy anefa no tena mandaitra fa tsy ny fandraisana azy amin'izay mahadiavolana ny saina. Ary ny tenin'Andriamanitra dia tsy fitaovana entina hanamarinana izay natao, sy izay lazaina fotsiny.
Ny mandaitra aminao tsy mandaitra amiko ohatra satria tsy mitovy isika. Samy manana ny hanitra ho azy ary samy manana ny adidy napetraka amintsika avy.
Ny tsy fitoviana misy eo amintsika dia tsy milaza velively fa relatif koa ny Tenin'Andriamanitra.
Ohatra: raha miteny izy amiko hoe: "Tiavo na dia ny fahavalonao aza". Dia arahako sy iainako izay, ary izaho mahita fa masina io teny io. Ho anao, kosa etsy ankilany, mahita fa tsy miady aminao io teny io, dia avelanao.
Tsy izany ve no tonga amin'ilay lazain'i ikaretsaka hoe: izay tiatianao ihany no raisinao ?
Raha ny resaka Atidoha indray dia tsy azonao izany ny tiako havoitra. Raha hendry ny olona iray ary manan-tsaina dia avy amin'ny asan'ny Fanahy io zany hoe Andriamanitra no nanome io fanomezana io ka matoa omeny dia ankasitrahany.
Dia ivereno vakina koa izay voalazanao eo ambony eo, izay ilazanao fa ny atidoha no miasa, ary asan'olombelona ny mahamasina azy, ny maha hendry azy, sns.... Eto anefa dia ambaranao indray fa don io.
Ka tsy azoko raha ny tenin'i JESOA ery no hilaza fa hoe ny tso-po sy ny madinika no nomena fa ny hendry sy ny be saina nanafenana.
Amiko matoa mahalala ny olona iray ary feno fahendrena mandamina izany fahalalany izany dia vokatry ny asan'ny Fanahy miasa ao aminy. Manana an'Andriamanitra izy ao anatiny manampy azy manoro lalana azy ary mitarika azy. Tsapa ny fananan'olona iray izany asan'ny fanahy izany ka ny manodidina azy no mahatsapa izany satria hita taratra ny asany sy ny famirapiratany.
Ny zavatra nolazainao eo ambony eo dia tsy misy resaka fanahy na kely aza..Resaka atidoha miasa foana no nolazainao eo ambony eo.
Hoy ianao: MILA MAHATSAPA IANAO. MILA MANAIKY. Ireo rehetra ireo dia vokatry ny mahaolombelona antsika avokoa. Ny atidoha no miasa rahefa mahatsapa ianao ary ny atidoha no miasa rehefa manaiky ianao. Raha tsy misy ireo tsy misy ny fahitanao ny fahamasinany.
Eo matetika no mitranga ilay fanamasinana ataonareo Katolika izay mihoatra ny efa hasina ananan'ilay olona manokana noho ireo asan'ny fanahy ireo. .
Ny Katolika dia tsy manamasina, fa manaiky sy maneho ny Fahamasinan'ny olona iray. Izany hoe: Temoinage ny finoana velona (finoana niainana) ny fanandratana ho olontsabatra, na ho olo-masina sns...
Eo ilay fanompoana zary lasa fanomponatsampy ka ilazan'ny sasany hoe Antikristy ity sy ny hoe mivavaka amin'ny sary vongana sns... Ny atidohanareo no mahita ny hatsaran'ilay olona dia hilaza ianareo fa masina izy. Misy fifandraisany izany amin'ny mahaolombelona antsika. Ireo tsapa ananantsika no miasa.
Tsy misy mampiasa ati-doha mihitsy mba hahitana ny fahamasinan'ny olona iray. Zavatra miseho amin'ny fiainan'ilay olona izany ka tsy mila tadidiavina hampiasaina ati-doha.
Raha zavatra foronina mantsy dia tsy izy izany fa sandoka.
Ny tiako resahina momba ny atidoha izany dia misy tsapa ao amin'ny atidoha izay mitakatra io Fanahy io. Io dia hita sy azo refesina aratsiansa rehefa mino zavatra iray ny olona ka mahatsapa fahatoniana izy sy fifandraisana.
Aiza ao anaty atidoha hono io ry soanja?
Dia ahoana no andrefesana azy?
Io no ampiasaina rehefa mivavaka sy mifandray amin'Andriamanitra ary io koa no ampiasain'ny bodista sy ny hafa mino ny zavatra tsy azo tsapain-tanana. Ao anaty atidoha io ary io no mifandray amin'ilay Fanahy izay manome ny fanomezan'ny asan'ny fanahy amin'olona iray.
Dia aiza ao anaty atidoha io ry soanja?
Efa nanana an'io aby na ny olona taloha na ny avaizo. Isan'ny zavatra ao anaty vatantsika io ary mitaky fifandraisana. Izay no mahatonga ny Ntaolo na manosika azy ireo hijery ny efa lasana sy ny finoana ny razana sns... mitaky io hery mihoatra amin'ny izay misy eto hita maso.
Aiza ao anaty vatantsika izany? Dia inona no anarany?
Azoko omena refa malalaka io resaka atidoha io. Zany hoe ny fisian'io eo amintsika dia efa misy any amboalohany rehefa nentina nivavaka ny zaza mbola kely sns... fa ny fikolokolona azy no mampandrombona azy ho olon'ny fanahy sy manamasina ilay olona raha resaka Finoana no resahina.
Tsy hoe te hanohitra sanatria fa tsy misy ifandraisany intsony ilay resaka. Ny tena marina dia hoe: ny eo tsy tafavoakanao ny manazava azy, ny hafa asesikao indray.
Ok mila mandeha zah.
Mahavita ny atao dia miverena amin'ny manaraka e!
Misaotra!
106. fijo
(
24/04/2008 21:11)
ny fanomezanao hasina an'Andriamanitra no mahamasina azy sy mampitombo ny fahamasinany."
Andriamanitra dia masina hatramin'ny voalohany. Tsapako io ary manaiky aho. Holy hozy ny vazaha. ."
fody an,amiko ireo dia tsy mifanohitra fa mifameno.
azavaiko:
satria ny olona iray efa mino ,na resy lahatra fa masinany zavatra iray,dia izay no hanomezany hasina ilay zavatra,ary io dia vao miha manaporofo (aminy)fa tena masina ilay zavatra.
ohatra:"tena zavatra nisy ity,tao antsohihy tao nisy ankizy narary nisy,dia nitalao teo amin'ny stationema teo lery hoe "izay manana fanafody nify dia homeo aho fa tena marary"
dia nisy akamanay sofera izay ,nanana nivaquine,de io no nomeny ilay boay kely.fa ny aprem niverina lery sady faly ery no nilaza hoe "tena masina fanafody iny zoky jean,fa misaotra"satria tao an tsainy dia efa masina le izy.
le masina eo amin'ny hevitra avy any no andraisana azy
hoy i fody:"Ny Katolika dia tsy manamasina, fa manaiky sy maneho ny Fahamasinan'ny olona iray. Izany hoe:"
ka io fanekana azy io anie ry fody no manamasina azy e.
oalaza teo :
Eo ilay fanompoana zary lasa fanomponatsampy ka ilazan'ny sasany hoe Antikristy ity sy ny hoe mivavaka amin'ny sary vongana sns... Ny atidohanareo no mahita ny hatsaran'ilay olona dia hilaza ianareo fa masina izy. Misy fifandraisany izany amin'ny mahaolombelona antsika. Ireo tsapa ananantsika no miasa.
Tsy misy mampiasa ati-doha mihitsy mba hahitana ny fahamasinan'ny olona iray. Zavatra miseho amin'ny fiainan'ilay olona izany ka tsy mila tadidiavina hampiasaina ati-doha.
Raha zavatra foronina mantsy dia tsy izy izany fa sandoka.
eto dia tsy azon'i fody ilay tian'i soanja lazaina.ilay zavatra miseo anie ry akama ,ka ny saina na ny atidoha no mahatsapa azy e.

107. fijo
(
24/04/2008 21:15)
oalaza teo :
Ny tiako resahina momba ny atidoha izany dia misy tsapa ao amin'ny atidoha izay mitakatra io Fanahy io. Io dia hita sy azo refesina aratsiansa rehefa mino zavatra iray ny olona ka mahatsapa fahatoniana izy sy fifandraisana.
Aiza ao anaty atidoha hono io ry soanja?
Dia ahoana no andrefesana azy?
kay kay kay ,aoka re rafody,efa nazavaiko teo ambony teo,fa ny atidoha no mahatsapa,ary io koa no mampihetsika ilay fahany (raha misy io)
le fanontanian'i fody indraindray ohatry ny manadala fotsiny.fa hialako tsiny.

108. Fody
(
25/04/2008 21:43)
Fijo:
Ataoko fa mahalala tsara rafijo hoe ny Absolu (tsy miova) dia mifanohitra amin'ny hoe : Relatif (anankina, miovaova). Tsy mifameno izany ireo.
fijo:
le fanontanian'i fody indraindray ohatry ny manadala fotsiny.fa hialako tsiny.
Dia mba valio aloha ity fanontaniako ity hahitana raha manadala aho na ny zavatra lazainareo no tsy mitohaka:
aho eo amin'ny n°99:
Tamin'ny andron'ny tsy fahalalana dia samy nanaiky ny olona fa ny masoandro no mihodina manodidina ny tany.
Ka tamin'izay fotoana izay moa ny masoandro ve no nihodina nanodidina ny tany sa ny tany no efa nihodina nanodidina ny masoandro?
satria raha ny lojikanao mantsy no raisina dia hoe: rehefa ny boboka no manaiky dia izay no izy, fa raha tokana kosa dia tsy izy.
Nefa rehefa nohelohina ilay olon-tokana nahalala voalohany ny marina toa isan'ireo mba tsy faly ihany ianao.
Pissoa: Efa nataoko fohy kely!
Misaotra!
109. pissoa
(
25/04/2008 21:53)
:-D :-D :-D :-D :-D
Tsy Fody no teneniko amin'ilay soratra lava be eto fa i Soanja satria zaho koa mahita hoe misy somary mifandipatra any anatiny any, na amin'ny lohahevitra sasany !
:-D :-D :-D
Tsy Fody no teneniko amin'ilay soratra lava be eto fa i Soanja satria zaho koa mahita hoe misy somary mifandipatra any anatiny any, na amin'ny lohahevitra sasany !
:-D :-D :-D
110. ikaretsaka
(
25/04/2008 22:14)
le an'i zoky soanja aloha misy mifandipatra be dia tsy hita intsony heo aia ro tiana hahatongavana e