MASINA- Ny fahamasinana
61. ikaretsaka
(
22/04/2008 14:25)
tsy resaka saina ireo fa tonga de mandeha ho azy fotsiny ary na zazakely 2 taona aza no asianao sarin'i mamany manao ilay paozy tadidiny iny dia tafita foana ny hafatra ka
63. ikaretsaka
(
22/04/2008 14:53)
finoana izany ka...
ny ilaina ny sary no resaka eto..
raha ny ilaina ny sary "miresaka ny ara pinoana" dia hampita hafatra "miresaka ny ara -pinoana"
ny ilaina ny sary no resaka eto..
raha ny ilaina ny sary "miresaka ny ara pinoana" dia hampita hafatra "miresaka ny ara -pinoana"
64. cutie
(
22/04/2008 15:57)
what do I see @ sary iray de art zay
ny manodina azy ho baikon'ny saina no lasa finoana :-D
ny manodina azy ho baikon'ny saina no lasa finoana :-D
65. Fody
(
22/04/2008 16:21)
cutie: angaha moa tsy endrika iray isehoan'i cutie ny ps cutie.
Toy ny sary io, fa tsy i cutie akory. Toy ny ahy hoe: fody. Sary isehoko io fa tsy hoe fody aho.
Toy izany koa: ny sarin'i Maria hitantsika eny dia tsy i Masina Maria fa endrika iray hanehona azy.
Ohatra: Tsy misy (na raha misy vitsy) ny sarin'i Masina Maria mitsiky izany, nefa dia hita lalandava fa tsara izy. Izay dia ilazana fa ny Hatsara ao anaty dia hita ety ivelany, ary ny hatsarany dia tsy superficiel fa mifototra amin'ny fiainany anaty (miaraka amin'Andriamanitra).
Misaotra
66. soanja
(
22/04/2008 16:24)
ikaretsaka:
ka madio ve ary ny T matoa navoaka sy ariana fa tsy notehirizina?
Ny hahazoanao fahafinaretana ve tsy mamoaka ilay mahaporitra? tsy iny va no azahoana ny fitoniana?
tsy ny mahamasina ny tain-gidro sy ny tain'omby anie no antony hitsimponanao azy t@ iznay ry soanja e... fa ny hianaranao sy ny maha important an'ilay namoaka azy! eo no mampivaralila ilay resaka..
Raha nitsimpona taingidro ianao dia le gidro no tiana hadihadiana @ alalan'ny zavatra navoakany fa tsy ny zavatra navoakany no jerena mitokana dia avela ary ragidro!
Miara-miasa ampirindrana ny zavaboary. Mety tsy takary ny sain'olombelona izany saingy kosa matoa misy dia misy antony AVOKOA ary izay no isian'y siansa hitadiavana izay fifandraisana izay ary ny hatsarana azo avy amin'ny tsirairay. Io no fahamasinana ary tsy voatery hitovy lenta saingy manana ny mahaizy azy avy ka na ny bitika kely any anaty ranomasina aza dia hisy fifandraisany amin'ny planeta be eny an-tampondoha.
Raisiko ny resaka kaka. Raha mangery aho dia miara-miasa amin'izany ny hozatry ny vatako, ny fifantohan'ny saiko ary ny tsapa rehetra mampifandray ny fiainako sy ny manodidina azy; ny tery avy any anaty, ny mivoaka, ny miaina, ny mandray dia mifandray am-pirindrana avokoa ary io no mamoaka ny fahafinaretana azoko. Tsy mandeha ila ireo ary miara miasa tanteraka tsy misy hoe ireto ilaiko ireto tsy ilaiko. Sambatra aho manana an'ireo misy ary manome ahy fahafaham-po namita izany. Isaorako n Avo nanolotra ahy izany fahatsapna izany.
Betsaka ny ilana ny kaka, raha misy zazakely atahorana hisy kankana dia iny no asain'ny dokotera entinao hojerena. Ao anatin'iny no ahitana ny zavatra mamparary any anaty indraindray sy ny sakafo tsy ampy, ny zavatra nohanina ary ny fotoana nihinanana azy. Misy ilana azy tanteraka ny tay ary tsy voatery ny hoe ny zavamasina rehetra dia hotahirizina. Mila fahaizana ny mamela ny zavatra tiana indray indray havela handeha satria misy lalany ny zava-drehetra ary efa misy asany avokoa.
Ny tay dia isan'ny zezika mahomby indrindra raha resaka komposta fa ny fisain'olombelona no voa amin'ny tsy fampiasana azy.
Azoko lazaina fa madio noho ny rano amoron-drano ny pipy ary betsaka ny mampiasa an'io ho fanafody sy aodina ho rano fisotro rehefa misy fotoana tena ilana ny fisian'ny rano.
Ifalio izay miasa aminao ary isaory izay nahatonga izany teo aminao! Masina ny tontolo iainantsika misy fifandraisana maharitra sy mahavelona.
67. soanja
(
22/04/2008 16:31)
Fody:
Fa ny fahatsapako miainga avy amin'ny fanazavana sy ny experience niainako no mahatonga ahy HANAIKY fa masina tokoa izy, ka mendrika ny hajaina.
Ny fanajako azy, ny fanomezako vonnahitra azy, dia fomba hanehoko ny fanekeko ny fahamasinany.
Raha misy hevitra manohitra an'izay tianao ambara dia lazao!
Misaotra!
Tsy mandeha lavitra isika fa ireo notsoahiko eo ambony voalazanao ireo no fanazavana nomeko ery ambony.
MILA MAHATSAPA IANAO. MILA MANAIKY. Ireo rehetra ireo dia vokatry ny mahaolombelona antsika avokoa. Ny atidoha no miasa rahefa mahatsapa ianao ary ny atidoha no miasa rehefa manaiky ianao. Raha tsy misy ireo tsy misy ny fahitanao ny fahamasinany.
Koa ny fahamasinana dia avy amin'ny fahatsapana sy ny fahafantarana ary ny fanekena. Aza forcer-na hilaza ny tsy mpino fa masina i Masina Maria nefa izy sady tsy mahatsapa no tsy manaiky ary tsy mahalala satria tsy mandaitra aminy ilay izy.
Samy manana ny fahamasinany ny rehetra. Ny mampivoitra azy amin'ny mahaizy azy no anjaran'ny tsirairay.
68. soanja
(
22/04/2008 16:33)
cutie:
Voalaza teo :
Na ilay endrika na ilay sary amiko dia tsy manahy akory. Ny sainao ny manamasina izay hinoana fa masina rehefa nazavaina taminao ny fanamasinany.
Ny sainao no manaiky fa masina le zavatra.
Voalazandry tanteraka ry Cutie!
69. soanja
(
22/04/2008 16:43)
Fody:
Fanamarihana:
soanja: Aza dia afangaro daholo aloha ny resaka rehetra e! Fa tsy hoe rehefa mahita hoe: Masina dia mitovy daholo izay. Efa misy fanamarihan'i Ika io ambony io.
Manaraka: Marina ny fanamarihana fa tsy mitovy mihitsy ny Fahamasin'Andriamanitra sy ny olombelona. Ary na dia fahamasinan'ny samy oombelona koa aza dia tsy mitovy.
Fa ity ny fanontaniana mba hapetrako amin'i soanja:
Iza ry soanja no nahatsapa ny fahamasinan'Andriamanitra ny olombelona ve sa izy Andriamanitra ?
Misaotra!
Ekoko daholo ireo voalaza ireo ka. Tsy mitovy lenta hoa ny fahamasinana. Sao dia ianareo no tsy mamaky tsara aza. Fa kosa masina aby ny zavaboary.
Eo ilay fanakena tsy fanekana izao no resaka dia manaja ny hevitry Ika aho hoe tsy masina aminy ny kakany, amiko masina ny kakako. Isaky ny mikaka aho dia misaotra an'Andriamanitra fa salama tsara ary miodina araky ny nanamboaran'Andraimanitra ahy ny vatako. Miara miasa, miodina ho ahy ary manome ahy aza fahafinaretana. Betsaka ny olona tsy afaka mamoaka na mamorona akory io zavatra iraika io noho ny tsy fahasalamana. Isaorako ny fahafahako.
Fanontanianao:
Raha ny fahamasinana dia samy manana ny fahatsapany ny rehetra na Olombelona na Andriamanitra. Tamin'ny Andriamanitra niseho tamin'ny Moizy teny antendrombohitra dia niteny izy hoe esory ny kapanao fa tany masina io itsahanao io. Matoa Andriamanitra niteny an'izany dia mahatsapa fahamasinana koa izy.
Izy Andriamantra mino aho fa mahatsapa ny fahamasinany. Ny tenako aza mahatsapa ny fahafahako sy ny tsy fahafahako ka izy indray ve tsy hahalala bebe kokoa ny fahefany ny hajany ary ny voninahiny. Ary io rehetra io no antony nadefasany ny zanany taty ny hilaza io fahefany io, ny fahamasinany io ary ny voninahiny sy ny fitiavany antsika. Noho izany Izy Andriamanitra mahalala ny fahamasinany ary mampita azy amintsika. Isika no tokony hahatsapa izany fahamasinany izany. Ary mila manaiky vao hoe hanompo azy. Eo no olana satria betsaka ny tsy mahalala sy tsy mahatsapa ary tsy miraharaha izany fahamasinany izany. Satria nahoana? miasa aminao mikaroka Azy Andriamanitra!
70. cutie
(
22/04/2008 17:21)
Toy izany koa: ny sarin'i Maria hitantsika eny dia tsy i Masina Maria fa endrika iray hanehona azy.
Ohatra: Tsy misy (na raha misy vitsy) ny sarin'i Masina Maria mitsiky izany, nefa dia hita lalandava fa tsara izy. Izay dia ilazana fa ny Hatsara ao anaty dia hita ety ivelany, ary ny hatsarany dia tsy superficiel fa mifototra amin'ny fiainany anaty (miaraka amin'Andriamanitra).
hay ve koa za ve nahalala fa tsy voalazanareo hatramizay io we tsy i masina maria iny e :-D
71. cutie
(
22/04/2008 17:23)
za nefa efa saika handehandeha hijery ny sarin'i masina maria we in mitsy aza no tian'i masina marina lazaina amiko :-D :-D :-D :-D
72. bilakarenjy
(
22/04/2008 17:41)
ka marina anie io lazain'i soanja io e!,matoa izy mamoaka maloto dia miasa ny vatany sy ny zavatra ao anatiny ary masina izay satria milaza fa olona ianao ary manao ny asa ara-voanjanahary tsara ,dia izay le fototra .Miainga @ io fototra io no maha-masina sy tsy maha-masina .
Ohatra zao ny lali-manga : tsy masina izy satria mipetraka eny ireny maloto sy fako ireny ,nefa kosa masina izy satria manambara fa misy maloto ao . Dia izay le fototra iaingana . Tsy afaka ny hanaratsy ny lali-manga mihitsy ianao satria manana ny fahamasinany koa izy @ zavaboary .

73. Fody
(
22/04/2008 18:33)
MILA MAHATSAPA IANAO. MILA MANAIKY. Ireo rehetra ireo dia vokatry ny mahaolombelona antsika avokoa. Ny atidoha no miasa rahefa mahatsapa ianao ary ny atidoha no miasa rehefa manaiky ianao. Raha tsy misy ireo tsy misy ny fahitanao ny fahamasinany.
Dia ny tsy mpino ve izany olona tsy mba mampiasa atidoha satria tsy mahatsapa ny fahamasinan'Andriamanitra?
Ny mpino ve izany koa dia olona be atidoha daholo?
Dia ahoana ilay nolazain'i Jesoa hoe: "Misaotra anao aho Raiko Tompon'ny lanitra sy ny tany fa nanafina izany rehetra izany tamin'ny hendry sy ny be saina fa nanambara azy kosa tamin'ny madinika sy ny tso-po" ?
Koa ny fahamasinana dia avy amin'ny fahatsapana sy ny fahafantarana ary ny fanekena. Aza forcer-na hilaza ny tsy mpino fa masina i Masina Maria nefa izy sady tsy mahatsapa no tsy manaiky ary tsy mahalala satria tsy mandaitra aminy ilay izy.
Ny Fahamasinana dia averiko indray fa TOETRA ao amin'ny olona sy ao amin'Andriamanitra. Izay manana izay toetra izay no atao hoe: MASINA. Masina Andriamanitra satria manana izay toetra izay izy. Ary io toetrany io dia asehony amintsika, ka tsapantsika dia izay no mahatonga antsika hilaza fa masina izy.
Raha misy ny tsy mahatsapa izay, satria tsy mahalala ny fisian'Andriamanitra, na mandà ny fisiany, dia tsy midika akory izany fa tsy Masina izy. Omeo raha misy hevitra afahanao manohitra an'io.
Samy manana ny fahamasinany ny rehetra. Ny mampivoitra azy amin'ny mahaizy azy no anjaran'ny tsirairay.
Eto dia mitsipaka izay nolazainao rehetra tery ambony ianao, ary manaiky kosa ny hevitra nolazaiko, dia ny hoe: Toetra ny FAHAMASINANA.
Misaotra!
74. Fody
(
22/04/2008 18:41)
Raha ny fahamasinana dia samy manana ny fahatsapany ny rehetra na Olombelona na Andriamanitra. Tamin'ny Andriamanitra niseho tamin'ny Moizy teny antendrombohitra dia niteny izy hoe esory ny kapanao fa tany masina io itsahanao io. Matoa Andriamanitra niteny an'izany dia mahatsapa fahamasinana koa izy.
Eto dia mazava ny hevitrao. Ary io dia milaza fa izay manana FAHAFAHANA hifidy sy afaka manao acte ihany no manana FAHAMASINANA satria toetra io. Ary ny mihetsika sy ny manana "volonté" ihany no afaka ho masina.
Ny toerana iray nolazaina fa Masina satria Izy Andriamanitra no mitoetra eo ka manjary masina ilay toerana.
Ny Soratra Masina lazaina fa Masina satria Izy Andramanitra no ao amin'ny teny izay noraketina an-tsoratra.
Diso ary tena diso be kosa ny fiazanao fa masina ny diky satria: tsy manana volonté iny, no sady tsy itoeran'ilay olona manana fahamasinana. Sa ve ny dikin'i soanja misy an'i Soanja koa.
Fanamarihana: Ilay lazainao hoe: fahatoniana, raha ny hamaritanao azy eto dia tsy misy ifandraisany velively amin'izay antsoin'i Jesoa hoe: Fiadanana.
Misaotra!
75. cutie
(
22/04/2008 19:00)
Toy izany koa: ny sarin'i Maria hitantsika eny dia tsy i Masina Maria fa endrika iray hanehona azy.
Ohatra: Tsy misy (na raha misy vitsy) ny sarin'i Masina Maria mitsiky izany, nefa dia hita lalandava fa tsara izy. Izay dia ilazana fa ny Hatsara ao anaty dia hita ety ivelany, ary ny hatsarany dia tsy superficiel fa mifototra amin'ny fiainany anaty (miaraka amin'Andriamanitra).
resaka art be zany :-D
76. soanja
(
22/04/2008 19:33)
ikaretsaka:
soanja:
Nahoana izy tamin'izy mbola arseveka, moseniera sns tsy natao hoe Papa Ray Masina fa rehefa maty ilay raika teo aloha vao masina izy???
soanja> samihafa aloha ny titre sy ny sacre...
tsara aloha raah hay ny manavaka ireo
Azoko tsara ny manavaka an'ireo saingy ny teny gasy no tsy mampandeha azy aiza satria iray ihany ny teny ampiasaina befa samihafa ny resaka.
Fa ho anao Ika mba valio ange azafady raha vonona ianao: Masina aminao ve i Papa Ray Masina?
Raha ny fahalalako hatramin'izay dia Masina eo anatrehan'i Katolika i Papa Ray Masina fa asa efa niova le izy taty aoriana. Tadidiko ny tenako nanoroka ny ankanjon'i Papa Joany Paoly faha-2. Tamin'izay dia nihevitra aho fa Masina izy.
77. soanja
(
22/04/2008 19:34)
Cutie> Misoatra aky amin'ny carte. Ho any Afrika Atsimo aho ato ho ato fa alefako any ihany ny adiresiko de rehefa tonga zah mamaly andry. :-* :-*
78. soanja
(
22/04/2008 19:38)
bilakarenjy:
ka marina anie io lazain'i soanja io e!,matoa izy mamoaka maloto dia miasa ny vatany sy ny zavatra ao anatiny ary masina izay satria milaza fa olona ianao ary manao ny asa ara-voanjanahary tsara ,dia izay le fototra .Miainga @ io fototra io no maha-masina sy tsy maha-masina .
Ohatra zao ny lali-manga : tsy masina izy satria mipetraka eny ireny maloto sy fako ireny ,nefa kosa masina izy satria manambara fa misy maloto ao . Dia izay le fototra iaingana . Tsy afaka ny hanaratsy ny lali-manga mihitsy ianao satria manana ny fahamasinany koa izy @ zavaboary .
Izay indrindra manko ry Bila: ny fiainana dia misy + sy - daholo ary ao amin'io no iasan'Andriamanitra hanatratrarana ny lafatra izay sarotra saingy io no adidy no nomeny antsika. Hikaroka azy ao anaty hatsarana, n'aiza n'aiza ary na amin'ny tsara na ratsy eo anatrehantsika.
Raha maimbo ny diky de mety maimbo amin'ny olombelona nefa raha tonga manao zavatra eo ny dung beetle na voangory tay dia mino aho fa manintona azy io fofona ary mety ranomanitra eo anatrehany. Inona anefa ny asan'ny voangory? misy asany io eo amin'ny tany itsahantsika sy hanirian'ny sakafo hohanintsika dia miodina sy mifandray eo ny zavadrehetra.
79. soanja
(
22/04/2008 19:48)
Fody:
MILA MAHATSAPA IANAO. MILA MANAIKY. Ireo rehetra ireo dia vokatry ny mahaolombelona antsika avokoa. Ny atidoha no miasa rahefa mahatsapa ianao ary ny atidoha no miasa rehefa manaiky ianao. Raha tsy misy ireo tsy misy ny fahitanao ny fahamasinany.
Dia ny tsy mpino ve izany olona tsy mba mampiasa atidoha satria tsy mahatsapa ny fahamasinan'Andriamanitra?
Ny mpino ve izany koa dia olona be atidoha daholo?
Valiny: samy manana ny asany ny neurons rehetra ao anaty atidoha ary samy manana ny tandrify azy avy. Azoko hazavaina amin'ny manaraka hoe aiza ho aiza ao amin;ny atidohan'olombelona ny fampiasana ireo zavatra nazavaiko ireo. Betsaka amintsika olombelona no tsy mampiasa an'ireo satria mety tsy zavadehibe aminy izany. Mampiasa atidoha izy fa resaka hafa fa tsy finoana no ampiasaina izany. Tsy nisy resaka be atidoha na kely atidoha velively no zavamisy fa mampiasa max ny atidohanao ve ianao sa tsia????
Koa ny fahamasinana dia avy amin'ny fahatsapana sy ny fahafantarana ary ny fanekena. Aza forcer-na hilaza ny tsy mpino fa masina i Masina Maria nefa izy sady tsy mahatsapa no tsy manaiky ary tsy mahalala satria tsy mandaitra aminy ilay izy.
Ny Fahamasinana dia averiko indray fa TOETRA ao amin'ny olona sy ao amin'Andriamanitra. Izay manana izay toetra izay no atao hoe: MASINA. Masina Andriamanitra satria manana izay toetra izay izy. Ary io toetrany io dia asehony amintsika, ka tsapantsika dia izay no mahatonga antsika hilaza fa masina izy.
Valiny: Afaka omeko anao manaraka koa ny filahatry ny lentan'ny olombelona eto ambonin'ny tany. Raha karohinao ao io dia misy tokoa fa andraso tadiaviko raha vao malalaka aho. Ny tiako lazaina dia masina ny zavadrehetra namboarin'Andriamanitra ary misy lentany ny fahamasinana sy ny hatsarana. Saibgy kosa ny fametrahana FAHAMASINANA MIHOATRA noho ny hafa no navoitrako hatramin';izay. Izay avy amin'ny alalan'ny fifandraisana, finoana ary fanomezana hasina misimisy na fanompoana na asa kokoa amin'ilay heverina fa masina kokoa.
Raha misy ny tsy mahatsapa izay, satria tsy mahalala ny fisian'Andriamanitra, na mandà ny fisiany, dia tsy midika akory izany fa tsy Masina izy. Omeo raha misy hevitra afahanao manohitra an'io.
Samy manana ny fahamasinany ny rehetra. Ny mampivoitra azy amin'ny mahaizy azy no anjaran'ny tsirairay.
Eto dia mitsipaka izay nolazainao rehetra tery ambony ianao, ary manaiky kosa ny hevitra nolazaiko, dia ny hoe: Toetra ny FAHAMASINANA.
Misaotra!
Tsia tsy mitsipaka aho fa manamafy ny tiako resahina momban'ny fahamasinana ny voary manontolo.
hoy aho:Raha ny tena izy mantsy raha ny fihevitro dia masina ny zava-drehetra misy, iainana, ifandraisana ka azahoana ny soa. TSAPA, FINOANA, FANAMASINANA bebe kokoa fifandraisana mampaharitra izany. Ny fampiasana azy ho zavatsoa an'ny tsiraidray no manome hasina azy bebe kokoa.
80. cutie
(
22/04/2008 19:59)
76. Mpandefa : soanja [ Valio ] 22-04-2008 21:34:24
Lohateny : Re : MASINA- Ny fahamasinana
Cutie> Misoatra aky amin'ny carte. Ho any Afrika Atsimo aho ato ho ato fa alefako any ihany ny adiresiko de rehefa tonga zah mamaly andry.
ok akia
bon voyage njy :-*