Sabado=Sabotsy = midika fa avy amin'io ve ny Sabata ?

81. booboo ( 14/04/2008 09:43)
=)) =)) =)) =)) =))

82. bichette ( 14/04/2008 09:53)
inn no maha =)) an'i booboo
83. booboo ( 14/04/2008 13:50)
Rehefa izany dia tsakotsakoy sy diniho ity andalan-tsoratra masina ity: "Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra" (Ohabolana 18:12).


Bichette > io nosoratan'i Fody io no nampihomehy anà fa lasa ela vao nipoitra lé nosoratako kay hihihihihihihihihihi
84. majesty ( 14/04/2008 15:46)
tara kely ndray vao nahita an\'ity dinika ity kanefa aleo handray anjara kely na dia izany aza.

Voalazan\'i Ika teo:
ireto ary fanontaniana tiako hovaliana anao

1-Kristianina ianoa sa Jiosy? ny fitsanganan\'ny kristy no ankalazainao raha Xtianina ianao (andro voalohan\'ny herinandro)

2-ny didy 10 nao ve exodosy sa le didy vaovao nomen\'i kristy @ le hoe \"tsy tonga handrava aho fa handavorary\"?

3-ianaro ny fanisana andro t@ izany (aza adino koa ilay eclipse solaire nisy t@ io andro io=\"maizina ny tany sns....) tsara homarihina ny t@ izany rehefa maizina dia mazava de efa mikoty hoe andro 1 izay (tsy nisy tataranandro fahanana t@ izany)

4- par religion no tianao hitondrana ilay resaka sa par cultiure?

misaotra!



1) ôtran\'ny miteny hoe Kristiana = mivavaka alahady,dia ny Jiosy = mivavaka Sabata,kanefa ilay Kristy arahan\'ny Kristiana aza nanaja ny andro sabata,ireo apostoly ihany koa dia nanaja ny andro sabata.Andro sabata no notanan\'ny Isiraely hivavahany,andro sabata t@ testamenta vaovao,ary hatrany an-danitra aza dia mbola hajaina foana ny sabata araka ny faminaniana hitan\'i Isaia 66:23
2)Ilay didy vaovao dia mamintina ny didy folo:ny didy 4 voalohany dia miresaka ny @ fifandraisan\'Atra sy ny olona,ary ny 6 ambiny dia miresaka ny fifandraisan\'ny olona samy olona ary mbola nohamafisin\'i Lioka 16:17 \"Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan\'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan\'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin\'ny lalàna.\"
3) ara-tsoratra masina raha jerena ny toko voalohany ao @ genesisy miresaka ny @ famoronana dia \" Nisy hariva,ary nisy maraina andro voalohany izay\"and 5.\"Nisy hariva,ary nisy maraina andro faharoa izay\" and 8 ...sns izany hoe ny andro iray dia miandoha maty masoandro ary mifarana maty masoandro (ka na misy eclipse na tsisy eclipse,dia tsy miova mihitsy io fomba fanisana andro io)
4) Atra mihitsy no nametraka sy nanokana an\'io andro io ho masina fa tsy ny olona akory,noho izany raha culture no resahana dia culturen\'Atra io,ary raha religion dia vao maika manohana ny tiana ho ambara.

Farany: Mety hipetraka ny fanontaniana hoe mbola ilaina tandremana ve izany ankehitriny sa tsia,dia hoy ny hebreo 4:9 \"Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an\'ny olon\'Atra\"

Misaotra e!
85. Mandefitra ( 15/04/2008 06:12)
Majesty> Meloka aby zany zao ny mpiasan'ny zone franche miasa sabotsy ve? 8)
86. bichette ( 15/04/2008 07:19)
momba ny sabata nivadika alahady vakio Concile de Laodice, en 364

87. Fody ( 15/04/2008 09:24)

Azafady e! Mba misy zavatra tsy aritra kely!

Tena azo ampiasaina amin'izay itiavana azy tokoa ve ny Tenin'Andriamanitra? Mba jereo kely anie ity zavatra nataon'i nyrina ity e:

Rehefa avy nanao teny tsy am-piheverana tamiko izy (jereo eo amin'ny n°66), dia nilaza an'ireto andalan-tsoratra Masina ireto:
31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
31 C`est pourquoi je vous dis: Tout péché et tout blasphème sera pardonné aux hommes, mais le blasphème contre l`Esprit ne sera point pardonné
32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
32 Quiconque parlera contre le Fils de l`homme, il lui sera pardonné; mais quiconque parlera contre le Saint Esprit, il ne lui sera pardonné ni dans ce siècle ni dans le siècle à venir.



Misaotra betsaka anao!
88. Llino ( 15/04/2008 10:24)
jereo nareo rehetra indrindra fa i niryna ny voalazan\'i majesty @ n°83 ery ambony fa io no tena marina , ny Didy vao2 nomen\'i Jesosy dia famintinana ny Didy folo ihany fa tsy hafa akory Atra dia tsy manao zavatra mifanohitra zany , mbola ny Sabata ihany no famantarana eo @ Atra sy ny olony:Ezek.20:20(Ary manamàsina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo).Noho izany dia izay mitandrina ny Sabata no eken\'Atra ho olony ary asian\'ny anjely tombokase : Apok.7:2,3 ( 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin\'ny fiposahan\'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen\'Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin\'ny feo mahery nanao hoe:
3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin\'ny handrin\'ny mpanompon\'Andriamanintsika.)
Aza manamafy fo niryna a.Mbola tsy tara nge @ fiovan-kevitra e satria minia tsy mùijery ny andron\'ny tsy fahalalana Atra:Asa.17.:30
89. Llino ( 15/04/2008 10:49)
Ny fitaran'Atra dia mitovy @ fitsara reheta ihany izany hoe tsy maitsy misy fitsipika itsarana ny olona ihany ka ny an'Atra dia ny DIDY folo no hitsarany ny olona rehefa tonga ny andro fitsarany ary ny Didy folo tsy nisy fanovana dia izay mbola ahitana ny Sabata tsy maitsy ho hajain'ny olona rehetra ka izay tsy nanaja izany dia ho voaheloka satria mpandika lalàna , zavatra efa nambara tany amin'ny andron'i Daniel tany ange fa hisy hanova lalàna e hoy ny voalaza:" Ary hanohitra ny Avo indrindra izy ary hitady hanova fotoana sy lalàna "Dan.7:25 .Ny fahafatarana fa Kristianina ny olona iray dia izao voalaza ao @ Apok.izao :"Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny Didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy."Apok.14:12.Raha vao mivaona amin'ireo dia mpiray petsapetsa @ kristy sandoka zay .
Mialatsiny fa somary mivantambatana be fa ny tena izy no lazaiko fa tsy hanao resabe toy ny ataondr' i niryna ireo
90. ikaretsaka ( 15/04/2008 11:16)
1) ôtran'ny miteny hoe Kristiana = mivavaka alahady,dia ny Jiosy = mivavaka Sabata,kanefa ilay Kristy arahan'ny Kristiana aza nanaja ny andro sabata,ireo apostoly ihany koa dia nanaja ny andro sabata.Andro sabata no notanan'ny Isiraely hivavahany,andro sabata t@ testamenta vaovao,ary hatrany an-danitra aza dia mbola hajaina foana ny sabata araka ny faminaniana hitan'i Isaia 66:23


t@ fomba ahoana moa no nanarahany ny sabata ry majesty raha tsy nahadiso... t@ fanaovana asa: manasitrana, manao fahagagana, mitady ny sakafonyny mpianatra (Marka 2:23-28) (Mark 3:1-5) :... (aiza le hoe aza miasa fa mitsahara nefa eo indrindra aza ny Tompo no miasa)

jereo koa ny Joany 20:1, Joany 20: 19, asa 20:17 fa ny andro voalohan'ny herinandro aby no nisehoan'ny zava mahagaga rehetra sy ny fanaovana ny zavatra ataon'ny kristianina (Nizara ny mofo sns...)

ny hafatr'i Paoly Kolosianina 2:16-17
91. tsiafoi1 ( 15/04/2008 12:54)
moa ve ny andro no tena mikaonty amin'i finoana an'i kristy

Andriamanitra no nanokana io andro fahafito io fa tsy olombelona. Ary tsy vitany we NATOKANY fa NOHAMASININY sy NOTAHINY koa. Tsy mbola nisy Jiosy sy tsy jiosy tamin'izany fa vao Adama sy Eva no teo. Jereo Genèse 2:1-4
"(1)Ainsi furent achevés les cieux et la terre, et toute leur armée. Dieu acheva au septième jour son oeuvre, qu'il avait faite: et il se reposa au septième jour de toute son oeuvre, qu'il avait faite. (2) Dieu bénit le septième jour, et il le sanctifia, (3) parce qu'en ce jour il se reposa de toute son oeuvre qu'il avait créée en la faisant. (4) Voici les origines des cieux et de la terre, quand ils furent créés".

Ka ny rano aza rehefa atokana sy hamasinin'ny pretra, toa manan-danja sy manan-kasina ery amintsika olombelona mino izany, toy izany koa ireny sakramenta samihafa ireny... Moa tsy tokony ho mihoatra noho izany ve Andriamanitra. Izy Andriamanitra Mpahary no nanokana sy nanamasina ilay andro, Tsy tokony hisy hasiny sy lanjany lehibe amintsika ve izany. Koa asakasak'izay sahy hanao tsinontsinona azy ihany, fa rehefa MASINA SY VOATAHY dia tsy miova izay.

Ny andro fahafito tsy hiadian-kevitra io, fa ny we Sabotsy ve sa Alahady, any angamba no tokony hodinihina lalin-dalina kokoa.
92. Fody ( 15/04/2008 17:05)


tsiafoi1
Ny andro fahafito tsy hiadian-kevitra io

Ny isa fito dia milaza fahafenoana, fahatotosana, sns... Milaza io fa rehefa lavorary ny zavatra rehetra izay Andriamanitra vao hijanona tsy hiasa intsony, izay vao hisy ny fitsaharana. I Kristy anefa ao amin'ny Evanjely dia milaza fa: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa miasa. (Joany 5: 17). Milaza io fa tsy mbola tonga ny fotoana hitsaharany amin'ny asa satria tsy mbola lavorary ny olona.
Inona àry no tiana holazaina: Tsy misy ifandraisany ny Sabata lazainao sy ny andro fahafito voalaza ao amin'ny Jenezy.

Ny Sabata dia lalana: nomena an'i Moizy.
I Kristy anefa dia lehibe noho ny lalan'i Moizy. Ary ny Kristiana dia tsy mifototra amin'ny Soratra (lalana) fa amin'i Kristy (LOGOS).

- Tsy sabata ihany no nitorian'i Kristy ny Fitiavan'Andriamanitra fa isan'andro.
- Tsy Sabata no namohasan'i Jesoa ny tenin'Andriamanitra tamin'ny mpianany sy nanomezany azy ireo ny Eokaristia, fa ny ampitson'ny Sabata sy andro hafa.
- Tsy sabata no nandresen'i Kristy ny fahafatesana fa ny ampittson'ny sabata.

Donc ho anay manara-dia an'i Kristy dia tsy ny Sabata ihany no ivorianay henona ny Tenin'Andriamanitra sy izarana ny eokaristia fa isan'andro. Ary ny andro alahady apitson'ny sabata kosa no hankalazanay azy Paka ho anay.
93. ikaretsaka ( 15/04/2008 19:04)
izay ilay nolazaiko tary hoe kristianina ianao sa jiosy
94. fijo ( 15/04/2008 22:15)
hoy i fody mantsy an'i niryna:"ary aza mitoky teny fatratra ho tompon'ny marina mandrakariva."

mitovy ianareo mianadhy amin'io,saingy ;i niryna dia mifototra amin'ny baiboly tokana, i fody mivelatra amin'izay azony hanazavana azy rehetra.
95. ikaretsaka ( 15/04/2008 22:39)
fijo:

hoy i fody mantsy an'i niryna:"ary aza mitoky teny fatratra ho tompon'ny marina mandrakariva."

mitovy ianareo mianadhy amin'io,saingy ;i niryna dia mifototra amin'ny baiboly tokana, i fody mivelatra amin'izay azony hanazavana azy rehetra.


de mazava ho azy hoe iza no bornEe sy tsy bornE
96. bichette ( 16/04/2008 15:57)
(mila mihinana parasetamola mamaky ny resaka eto)
97. niryna ( 16/04/2008 16:07)
fijo:

hoy i fody mantsy an'i niryna:"ary aza mitoky teny fatratra ho tompon'ny marina mandrakariva."

mitovy ianareo mianadhy amin'io,saingy ;i niryna dia mifototra amin'ny baiboly tokana, i fody mivelatra amin'izay azony hanazavana azy rehetra.

asa aloha ry fijo fa ny ahy dia miankina ny tenin'Atra no hitondrako ny valiny ,tsy tompony aho fa mpihindrana ,nirahina aho izara ka maro ireo nihaino ny tenin'Atra ,ary tsy izaho koa no ahatonga azy ireo ho voavonjy ,ny mamafy ny voa no ataoko.
"Aza miantehitra amin'ny herin'ny tenanao ihany satria ny fiainana dia tsy tonga lafatra raha tsy misy an'Atra ary ny olona tsy manana an'Atra dia tsy miraharaha ny famonjena ary manda ny teniny hatrany aleo tsy miteny toy izay hanenenana rehefa hatrizay,izay no mpisolo vava azy any?
Dia aleo ary ho tsimponiko ny teny mamy indray ary mba ho fantatra fa izay rehetra ataontsiika dia efa voasorata daholo,koa anjarantsika no mandray na tsika
Ohabolana 3
5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao,




:-* :-*
98. niryna ( 16/04/2008 16:12)
ikaretsaka:

efa voazava le sujet...
dia vakio @ izay hoe iza no namadika azy manomboka eo @ hafatra #50?
hmm?
ianao anie mi flip flop be e lazaivo fa izaho indray

Ohabolana 11
8 Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.

9 Ny vavan'ny mpihatsaravela-tsihy [Na: ratsy fanahy.] no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. [Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany.]


99. ikaretsaka ( 16/04/2008 16:31)
tsy ohabolana 11 ny resaka eto fa ianao mi flip flop

mandiniha tena de jereo ilay hafatra faha 50 namilananao ilay sujet tanteraka
100. niryna ( 16/04/2008 16:50)
cutie:

. Mpandefa : niryna [ Valio ] 13-04-2008 23:06:20
Lohateny : Re : Sabado=Sabotsy = midika fa avy amin'io ve ny Sabata ?
Hoy i Veloo:

Ika ko tssssssss there is only one and the ONLY ONE - and you know it. I won't tell
tsy manaiky ho resy mihitsy ela ty an




> > tsy hoe tsy manaiky resy lahatra izy fa hafa ny nampianarina azy ka ny azy ihany no ambony fa ny an'ny olona tsy zakan'ny ainy satria miainga ao anaty baiboly ary izy tsy tia ny tsipona na avy ao anaty baiboly,jereo anie fa mitovy ireo olona tsy mino ny kilasy misy azy e .
mila mivavaka ho azy isika veloo a,fa mampalahelo ny olona toa azy io,tsy mety manaiky ny tenin'Atra fa manohitra foana

misy fahamarinany =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))


-------------------------------------------

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086