Sabado=Sabotsy = midika fa avy amin'io ve ny Sabata ?

21. niryna ( 11/04/2008 14:46)
xxx:
Eny e de marina tokoa nge fa Kristy dia Atra e mbola tsy ary izao tontolo izao dia efa teo izy na de izany aza dia ny didy folo dia mipetraka ihany tsy azo soloana andro voalohany zany ny andro fahafito , famaninona raha Kristy no sabata ka tsy nofidina Sabotsy no ivavahana fa Alahady , Kristy dia tsy tia hampisavoritaka ny sain'ny vahoakany hoatran'izao fa raha sitrany io fanovana andro Alahady hatao adro Sabata io dia tsy maintsy nolazainy mialoha io hoe rehefa mitsangana aho dia mivavaha @ andro nitsanganako ianareo fa tsy @ Sabatan'ny Jehovah intsony, ary tokony ho nididitra ny sinagoga t@ Sabata intsony izy mba hataon'ny olona modely.

Fa za ndray aloha raha omenao toko sy andiny milaza fa tsy ilaina intsony ny
Sabatan'ny Jehovah fa soloana Alahady dia miova finoana izao de izao za ; Ny
Sabata dia Sabatan'ny Jehopvah Fa tsy an'ny Jiosy izany.
22. niryna ( 11/04/2008 14:51)
misaotra anao xxx a >
Ny Sabata voalaza eto dia ny Jiosy no resahina fa tsy isika,ary ny andro sabata dia andro fitsaharana,ho an'ny rehetra,miasa enina andro ary dia maka aina ny fahafito,na dia tsy niteny an'izany aza i kristy ,ny vatanao ihany koa dia mila maka aina,
manaja ny andro sabata hoy ny soratra masina e,ny dikany dia tsy
tokony anao na inona na inona isika amin'io andro io raha manaraka ny lalana ,inona anefa mo mitranga?
miantsena ny olona mahandro sakafo mijery television baolina kitra na inona na inona .
Hoy ity rangahy iray hoe ny sabotsy ihany no andro tokony hiangonana fa tsy ny alahady(Jiosy io a) ary dia hoy ilay pasitera hoe raha tsy tokony hiangona ny alahady izany fa sabotsy izay andro fitsaharana ,maninona hianao no tonga manao raharaha ,manadio ny fiangonana ny sabotsy fa tsy tokony mijanona any an-trano? ha,ha ha.voa lery fa diso nanaraka ny lalana loatra kanefa tsy nanara-dalana
23. niryna ( 11/04/2008 14:58)
Ny hoe hiova indray hianao dia efa manamarina sahady satria tsy misy na iray aza manana ny marina ny fiangonana samy mandray izay mahafaly ny fony sy izay nampianatra azy toy ilay white ... izay nolazain'ny olona fa mpaminaninareo ,naninona tokoa nonaminany ny andro farany izy kanefa mbola tsy tonga foana ilay andro farany mandrak'ity ny androany?Izy indray no maty alohan'ilay faminanina.
Toy ny hoe aza mihinana kisoa,efa voazavako aminao ilay izy,ny fihinana na ny tsy fihinana dia tsy ahavonjy ny olona koa mbola diso ihany koa izany ny fiangonana izay manizingizina an'io.Tsy anjarantsika anefa no hifamaly eto satria isika koa mba nianatra ny nataon'ny olona fa ny fantatro fotsiny aloha na iza iteny amiko ny finoako sy ny hivavahako dia tsy mandaitra amiko izany satria fantatro ny hinoako,fantatro ny toriko ary matoa aho nitory teto dia noho ny voninahin'ilay kristiako izay toriko,tsy afaka ny hitsara ny olona aho hoe diso ny hinoanao na marina,ny baiboly ihany no hitsarako an'izany dia anjarany ny misaina sy mandinika toy izany ihany koa ny tenako.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MARKA&toko=7&andininy=6-18&dika=
24. niryna ( 11/04/2008 15:15)
ikaretsaka:

ireto ary fanontaniana tiako hovaliana anao

1-Kristianina ianoa sa Jiosy? ny fitsanganan'ny kristy no ankalazainao raha Xtianina ianao (andro voalohan'ny herinandro)
odry ,kristiana sa jiosy ? inna ku zany ? i kristy koa anie ka Jiosy e

2-ny didy 10 nao ve exodosy sa le didy vaovao nomen'i kristy @ le hoe "tsy tonga handrava aho fa handavorary"?
ny didy folonay dia tsy mbola miova na efa novain'ny sasany ka tsy toriana ao am-piangonana intsony aza ny hoe aza manana Atra hafa afatsy izaho irery ihany,aza miankohoka na amin'ny sary na sarivongana izay nataon'ny asantanan'ny olona,ary aza manao an'olona ho andriamanitra fa izaho Atra Jehovah Atrao ihany no hiankohonanao,ny dikany tsy hanindrahindra olona mitovy ahy aho ka ho tonga sy hiankohoka azy io ny olona rehetra. izay tsy mino an'i Jehovah ho Atra tokana oops,
.....
3-ianaro ny fanisana andro t@ izany (aza adino koa ilay eclipse solaire nisy t@ io andro io="maizina ny tany sns....) tsara homarihina ny t@ izany rehefa maizina dia mazava de efa mikoty hoe andro 1 izay (tsy nisy tataranandro fahanana t@ izany)
tsy ny calendrier raha tsy tamin'ny andron'i kristy ka izany no nahatonga ilay fanisana hoe .........2008 isika .

4- par religion no tianao hitondrana ilay resaka sa par cultiure?
ka izany indrindra no nahatonga an'i kristy niteny fa ny olona manaja ahy amin'ny molony fotsiny fa tsy ao amin'ny fony,fariseo daholo izay manao an'izany ,ry fariseo mpihatsaravelantsihy hoy Izy ....
6 Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: "Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy.

7 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy"(Isa.29.13).

8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra hianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.

9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! Tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra
Marka 7




25. niryna ( 11/04/2008 15:25)
pissoa:

Raha ny fahazoako ilay resaka dia miombon-kevitra amin'ny hivavahana Alahady i Niryna ! (Ahitsio raha diso). Saingy tsy haiko na io no Sabata na tsia !

Ankoatra izay - izaho aloha tsy mahay an'zany Sabata izany. :-D :-D :-D :-D :-D

yap
Marihiko aloha fa tsy nisy resaka hoe tsy maintsy Sabotsy isika no miangona,novolena io,afaka manantona an'Atra isika amin'ny fotoana izay mampahalalaka antsika ka mivoha ny fiangonana raha misy fandaharana ao,ny fivavahana an'Atra dia tsy andro iray ihany fa isan'andro,isa minitra ,amin'ny fotoana rehetra.
Ilay andro fitsaharana no dikan'ny hoe sabata ary ny jiosy no nomena an'io.
Kristy no antsoina hoe Sabata ankehitriny satria Izy no fitsaharana amin'ny fiainantsika,"Christ is the day of rest"
Ahoana hoy izy? "mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana
Ny olona manana an'i kristy izany dia efa manana fitsaharana amin'izay,manana fiadanantsaina,tsy mitebiteby intsony raha miala ety
Io ilay antony Sabata fa ry zareo manova azy amin'izay tiany.

Ity nisy tantara nahatonga antsika hiangona ny Alahady.
Nisy romana emperor iray izay Constantine ny anarany raha tsy diso ny fitadidiko ary izy io dia niady ary nilaza sy nanambara izy fa nahita ny lanitra nisokatra ary nahita ny hazofijalian''i kristy ary nisy feo nanome hery azy hiady ary dia naresy izy.
Io lehilahy io no nino fa ny herin'Atra no nahatonga azy naharesy tamin'ny ady ary dia nanao lalana hoe manomboka izao dia atao Alahady ny fivavahana,fisaorana ,fiderana an'Atra,ary dia nanaraka an'io koa isika.
26. niryna ( 11/04/2008 15:32)
yonikafopl:

Ny sabata dia avy amin'ny teny arabo hoe sabet, sabotsy no dikany na ny andro fahafito ao amin'ny baiboly.
Ny fotokevitry ny olona manaja ny andro sabata dia satria ny andro fahafito no nitsaharan'Andriamanitra ary nilazany koa mba hitsaharan'ny zanak'isiraely tsy hiasana fa natao hanaterana fanatitra ho Azy.
marina izany,natao an'i Jiosy io izany fa isika kosa dia manana an'i kristy ,izy no fitsaharana.
Noho ny fiainana dia misy miasa ny sabotsy ,ny alahady,raha te tsy asa hianao tsy ho voaroaka ,eny misy lalana kanefa rehefa ho lava ?

Nefa jesosy taty aoriana nanao asa ny andro sabata, nilaza Izy raha raisina tsotsotra we misy ny asa tsy natao hiandrasana ny ampitso ka tsy maintsy natao na dia sabata aza ny andro.
izay indrindra mantsy.

Ny olona manaja ny andro alahady kosa dia ilay Andro voalohany nitsanganan'ny Tompo no hajainy sy hamasininy.Dia ny andro alahady io. Ny alahady dia tsy sabata velively.
izay tokoa ,io no andro nofidiany isaorana an'Atra,hankalazana ny anarany,ka samy maka izay andro tiany ny olona.
Efa misokatra ny fiangonana ka raha miasa ny alahady ny olona dia afaka miangona ny andro hafa,ny aty aminay dia misy programme foana 7/7 ka anjaran'ny tsi11 no mijery ny fiangona afaka manao a'nizany

Maninn nefa no asiana izany hoe andro masina sy andro hajaina zany eee, nga tsy Andriamanitra no nanao ny andro rehetra? de maninn raha hajaina doly ny andro nomeny fa tsy misy avahana hoe ty andro masina eee.
Na mivavaka sabotsy , na mivavaka alahady, na mivavaka Zoma, tsy izany no ilaina, fa ny fanehoanao amin'ny fiainanao ilay voninahitr'Andriamanitra izay hivavahanao.Tsy fanaovana tsianjery maimbo anzao teny sy fombafomba rehetra izao.Raha mino an'Andriamanitra ianao dia asehoy amin'ny fiainanao izany ho tazan'ny olona amin'ny fiainanao isanandro ka hahatonga ny manodidina handray anao ho modely tsara.


=D> =D> ^:^ ^:^
izay andro mampalalaka antsika hiderana azy dia eo foana izy ,izany no antony nanomezany ny zanany ho antsika satria tsy toy ny fahiny intsony hoe amin'ny andro iray ao anatin'ny taona vao manao fanatitra na toy izao sy izao. Mivoha 24/24/ 7/7 ny varavarana ho an'izay te hanatona an'ilay kristy izay andro fitsaharana.
27. niryna ( 11/04/2008 15:34)
Zina:

Ny fanontaniako dia hoe inona io andro sabata io,raha sabotsy ,kristy anefa no antsoina hoe sabata ary nanasitrana olona tamin'ny andra sabata izy


ka raha tsy nisy ny fanasitranana ve tsy ho faty ny olona.. @ izao fianan-tsika ankehitriny izao...Raha ny zavatra ataoanao momban'ny fanampiana ny namanao dia mazava ho azy fa tokony atao, misy olona en panne eny an-dalana dia hojerenao eo ve ilay olona fa oe sabata ny andro ka tsy mahazo miasa ? izay ilay oe tiavo ny namanao... Nataon'i Jesosy example mihitsy io fa ireo fariseo sy panara-dalana dia bornes loatra.

Sabotsy ve izay teny avy amin'ny hoe Sabado no atao hoe Sabata?
ie marina izany. betsaka ny dikany sabata @ teny maro samihafa fa andro fahafito. io lazainao io dia santionany. Jereo ny dictionnaire inona no dikan'ny sabata, jereo ao @ genesisy fa nitsahatra i Jesosy pamorona ny tany t@ andro fahafito, tsy nitsahatra ihany anefa izy fa nanamasina ary nitahy an'ilay androny. Ary i Jesosy ko dia nitsahatra t@ andro sabata na dia t@ fahafatesany ary ary nitsangana izy t@ andro voalohany.

Zay aloha ny sasany afaka mameno



-------------------------------------------------
misaotra aky zina
:-*
28. ikaretsaka ( 11/04/2008 15:37)
toa valivalian'i niryna boraingina ilay izy.. le tena fond an'ilay fanontaniana hoa valiana rehefa te hiady hevitra

1)kristianina sa jiosy=manaraka ny fampianarana nomen'i kristy sa manaraka ny fampianarana t@ andron'i Moizy ka mbola mijanona @ iny?

2) misy didy vaovao nomen'i kristy: arahinao io sa tsia?

3) efa nisy calendrier talohan'io ka fa tsy ilay fampiasantsika izao fotsiny.. efa nahay nanisa andro ny olona nahalala ny alahady sy zoma sy sabata...

4) Ny filazan'i constantine sy ny vision-ny dia voaporofon'ireo filazan'ny evanjely @ hoe "andro voalohan'ny herinandro" moa manaporofo ilay filazanao hoe "christ is the day of rest"


miconnect ny lojika sy ny realite ary ny spiritualite... ireo no toko 3n'ny fanahy sy ny saina maha olombelona
29. niryna ( 11/04/2008 15:54)
ikaretsaka:

toa valivalian'i niryna boraingina ilay izy.. le tena fond an'ilay fanontaniana hoa valiana rehefa te hiady hevitra

1)kristianina sa jiosy=manaraka ny fampianarana nomen'i kristy sa manaraka ny fampianarana t@ andron'i Moizy ka mbola mijanona @ iny?

2) misy didy vaovao nomen'i kristy: arahinao io sa tsia?

3) efa nisy calendrier talohan'io ka fa tsy ilay fampiasantsika izao fotsiny.. efa nahay nanisa andro ny olona nahalala ny alahady sy zoma sy sabata...

4) Ny filazan'i constantine sy ny vision-ny dia voaporofon'ireo filazan'ny evanjely @ hoe "andro voalohan'ny herinandro" moa manaporofo ilay filazanao hoe "christ is the day of rest"


miconnect ny lojika sy ny realite ary ny spiritualite... ireo no toko 3n'ny fanahy sy ny saina maha olombelona

--------------------------------------------------------------
ny an'ika dia ny hoe tsy ho voavaliko sy ny hoe valio foana no asesiny ihany,misy teny tsy mila valiana,ny endry mody voky fa ny adala manesika ihany,misy tsy mila mamaly izao adalana rehetra izao ,izany akory tsy midika fa tsy manan-kavaly ilay olona.Aza izany foana no ataonao fitaovana ato fa mandreraka be ilay izy,sambatra kosa hianao mahavaly ny fanontaninan'ny olona rehetra koa.
na izany aza dia tohizako ihany ny valiny araka izay vitako,taddiio fa samy mianatra isika eto,ary tsy ny hoe tsy mamaly na mamaly no tena votoantin'ny zavatra ny fandraisana izay nomen'ny olona,nandray ahy ve,noraisika antsoratra ve izay mba tsara ka azoko ampiharina amin'ny fiainana sa dia mi-contre na manohitra na mahita marina aza dia manohitra foana,avadibadio toy izany foana ilay izy

30. niryna ( 11/04/2008 15:56)
ikaretsaka:

toa valivalian'i niryna boraingina ilay izy.. le tena fond an'ilay fanontaniana hoa valiana rehefa te hiady hevitra

1)kristianina sa jiosy=manaraka ny fampianarana nomen'i kristy sa manaraka ny fampianarana t@ andron'i Moizy ka mbola mijanona @ iny?

2) misy didy vaovao nomen'i kristy: arahinao io sa tsia?

3) efa nisy calendrier talohan'io ka fa tsy ilay fampiasantsika izao fotsiny.. efa nahay nanisa andro ny olona nahalala ny alahady sy zoma sy sabata...

4) Ny filazan'i constantine sy ny vision-ny dia voaporofon'ireo filazan'ny evanjely @ hoe "andro voalohan'ny herinandro" moa manaporofo ilay filazanao hoe "christ is the day of rest"


miconnect ny lojika sy ny realite ary ny spiritualite... ireo no toko 3n'ny fanahy sy ny saina maha olombelona

dia averiko aminao indray ilay fanontaniana ka dia miandry any valiny any aminao aho amin'ity indray mitoraka ity,raha mametraka fanontaniana ahy mantsy hianao tonga dia mahafantatra ny valiny amin'ireo fanontanianao ireo ka dia miandry aho izany


:D
31. niryna ( 11/04/2008 16:01)
Andao ary anao fanoharana hoe (imagination) no hitondrako azy eto a
Manaova sary boribory ary dia ataovy eo ambony ilay sary ny israely ary izy ireo no nomen'Atra teny andro fitsaharan na day of rest izany ataovy ilay teny hoe sabotsy izany ilay andro.
Tadidio fa ny ora rehetra dia tsy mitovy,ny aty amintsika (Dago ) izao dia mety hoe amin'ny dimy maraina any fa dia miampy adin'ny 1-12 ,,,na tsy fantatro any an-kafa,
Ny olona matory ,ny sasany mifoha,ny sasany vao andeha hiasa,ny sasany vao andeha ihinana sakafo hariva. :arrow: ny dikany dia mety sabotsy tany amin-dry zareo Jiosy izany ilay izy fa mety zoma na alahady tany an-kafa e
32. ikaretsaka ( 11/04/2008 16:41)
tsy nisy resaka fuseau horaire koa t@ iznay ry niryna an.. fa rehefa maisina nyandro sy mazava indray dia andri 1 izay

ary ianao no anontaniako fa raha te hanontany ahy ianoa dia fanontaniaNAO apetraka amiko fa tsy fanontaniaKO
33. niryna ( 11/04/2008 16:59)
ikaretsaka:

tsy nisy resaka fuseau horaire koa t@ iznay ry niryna an.. fa rehefa maisina nyandro sy mazava indray dia andri 1 izay

ary ianao no anontaniako fa raha te hanontany ahy ianoa dia fanontaniaNAO apetraka amiko fa tsy fanontaniaKO


averiko aminao ny fanontanianao satria mba mahaliana anao ny hamaliako azy dia averiko indray hoe valio ireo aloha dia omeko ny ahy,
eny misy dikany daholo ny antony nahatonga ny nanoratana ny andro,fantatrao ? valio koa io
34. Veloo ( 11/04/2008 18:15)
Nahitsin'i Jesosy ny fomba fanajan'i Jiosy ny Sabata fa tsy hoe nofoanany (matio.5:17), ny sabata dia azo anaovana ny asan'Atra na inn zany na inn dia azo atao , ohatra ny mitory @ ireo tsy mahalala mitady ny ondry iray very ao anatin'ny zato azo tao zany , @ maha mpanaradia an'i Kristy antsika dia tsy maisty manao izany nataony tsika wa raha lahady izy nivavaka dia tokony hivavaka alahady zany tsika fa raha sabata kosa dia ao koa isika no tokony hanao izany , jereo anefa ny nataony ia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy,Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. LIOKA 4:16.Ary nanaotoy izany koa i Paoly mapapianatra ny jetilisa voalohany:Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony;ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao. ASA 17:2 .
Zaho dia sahiko ny miteny aminao fa izay kristianina tsy manaja ny didy folo
dia tsy ho eken'Atra mihitsy , ny fanajana ny sabata dia ao anatin'izany didy
folo izany.Volalaza koa fa raha diso amin'ny iray loha dia diso amin'izy
rehetra .Zany akory sty midika fa ny Advantista rehetra dia ho voavonjy tsia miankina @ finoan'ny tsirairay ao io ka na dia manaja ny sabata aza ianao
kanefa tsy mankato ny fitsipika sasany dia ho very ihany .

Fehiny dia raha tehovoavonjy zany ianao dia mikjatsaka izany ao @ Kristy ka ny lalana makany dia ny fanajana ny didy folo , hanampy antsika ho afaka handeha @ izany lalana izany Krsity Amen


marina dia marina mihitsy izany tompoko :-* :-* :-*

Izay te-hanaraka an'i Jesosy dia tokony hanana an'ity verset ity ao an-tsaina foana izay nolazainy:
"Raha tia ahy ianao/ianareo dia tandremo ny didiko"
35. ikaretsaka ( 11/04/2008 18:32)
niryna> afa vaopetako antsefatsefany eny anaty fanontaniana eny ihany ny valiny ..

raha tia ahy ianareo dia mitandrina ny didiko hoy ny Tompo..

fa le didy t@ andron'i moizy io sa le didy efa nataony "lavorary"
36. Veloo ( 11/04/2008 19:34)
io ry ika a... enao mahay tena anglisy
John 14: 15 If ye love me, keep my commandments
37. ikaretsaka ( 11/04/2008 19:50)
ok i agree to keep but... what commandments?
the old or the new ones?

38. Veloo ( 11/04/2008 20:20)
:roll: Ika ko tssssssss there is only one and the ONLY ONE - and you know it. I won't tell
tsy manaiky ho resy mihitsy ela ty an :-D :-D :-D
39. fijo ( 11/04/2008 20:33)
izany hoe le farany izany?????satria i moizy no namoaka ny voalohany,de novain'i lery.ka iza no tena izy???
40. ikaretsaka ( 11/04/2008 20:34)
singulier io sa plirielina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0092