Sabado=Sabotsy = midika fa avy amin'io ve ny Sabata ?
61. cutie
(
13/04/2008 21:32)
. Mpandefa : niryna [ Valio ] 13-04-2008 23:06:20
Lohateny : Re : Sabado=Sabotsy = midika fa avy amin'io ve ny Sabata ?
Hoy i Veloo:
Ika ko tssssssss there is only one and the ONLY ONE - and you know it. I won't tell
tsy manaiky ho resy mihitsy ela ty an
> > tsy hoe tsy manaiky resy lahatra izy fa hafa ny nampianarina azy ka ny azy ihany no ambony fa ny an'ny olona tsy zakan'ny ainy satria miainga ao anaty baiboly ary izy tsy tia ny tsipona na avy ao anaty baiboly,jereo anie fa mitovy ireo olona tsy mino ny kilasy misy azy e .
mila mivavaka ho azy isika veloo a,fa mampalahelo ny olona toa azy io,tsy mety manaiky ny tenin'Atra fa manohitra foana
misy fahamarinany =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
62. pissoa
(
13/04/2008 21:56)
Niryna:
fody a,tsy ny hoe ary i niryna miteny ary izy izao indray ,ilay tenin'Atra mihitsy ve no ao aminao sa ilay izy mihitsy no tsipahinao fa tsy mitovy ny fampianarana natao,jero fotsiny ireo didy folo izay niadinao hevitra ny olona.
Toa tsisy fitsipahana tenin'Andriamanitra ilay lazain'i Fody fa fanazavana ny fitsipatsipahan'ny hevitry Niryna eto amin'ny forum :-D :-D :-D
niryna:
Tsy ny zavatra anontaniana akory dia ho valiako avokoa ,ny antony misy fanontaniana adaladala tsy dia mila andaniana andro ary ny fanomezana ny valiny adaladala dia tsy ahitana tombotsoa na izaho mamaly na ny olona mihaino,ny antony misy ny mody manao adala ka dia tsy andany andro amin'izany ao ary tsy ho voatery hamaly ihany koa,fa dia hialako tsiny.l
Misy moa efa manohitra ny tenin'Atra foana dia tsara ny tsy mandany andro amin'izany
Raha resaka fivavahana ka finoana an'i kristy no resahina dia efa tsy mitovy ny rehetra,ao ny miteny hoe aza miankohoka ka na dia averina impolo aza dia milaza izy fa tsy miankohoka izahay,ao ny hoe tsy mahazo mihinana ny izao tsy izao,ary raha ny ao anatin'ny tt taloha no resahina dia bobaka izy ao
Noho izany dia mila baiboly foana isika hiaingana ka raha tsy mino hianao fa teny avy amin'Atra ny teny ao anaty baiboly dia tsy afaka ny hitsimpona ny teny ao ka hanome anao ,satria lany andro fotsiny amin'ny olona tsy mino izay teny hinoako/
Vakio ary aloha ny Levitikosy 11 ,18,19,23,26 fa feno ny miresaka ny sakafo sy ny sabata ary resaka zanak'israely daholo no resahina ao.
:-w:-w:-w
63. pissoa
(
13/04/2008 21:58)
pissoa:
fanazavana ny fitsipatsipahan'ny hevitry Niryna eto amin'ny forum
fifanipahana no tiako nambara teo fa tsy fitsipatsipahana.
=)) =)) =))
64. niryna
(
13/04/2008 22:16)
marina izany,natao an'i Jiosy io izany fa isika kosa dia manana an'i kristy ,izy no fitsaharana. Noho ny fiainana dia misy miasa ny sabotsy ,ny alahady,raha te tsy asa hianao tsy ho voaroaka ,eny misy lalana kanefa rehefa ho lava ?
mila mamaky baiboly hianao fa raha tsy tia ny tsimpona dia tsy afaka ny hitsimpona ho anao ahy hi,hi,
Aiza ao amin'ny Baiboly no misy milaza an'io ? Mba valio azafady!
izay tokoa ,io no andro nofidiany isaorana an'Atra,hankalazana ny anarany,ka samy maka izay andro tiany ny olona.
Angaha tsy hoe: fanajana ny andro sabata no voasoratra ao amin'ny didy ?
Tsy manova ny voasoratra ve ianao zao? Sa manampy izay voasoratra ? Sa ahoana ?
Misaotra betsaka!
--------------------------------------------------------------------------
tsy any ny fanontaniana fa ny hoe maninona ny olona sasany no sabotsy no miangona ary ny sasany ny alahady?
mila mamaky baiboly amin'izay i fody fa tsy izaho ny hitsimpona ho anao.
Na izany aza aleo omeko ihany dia ataovy ao anaty cahier amin'izay
Lev 26
oops ,mitady i fody ka dia hitsimponako
1 AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny tarnnareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo
1 Ye shall make you no idols, neither shall ye rear you up a graven image, or a pillar, neither shall ye place any figured stone in your land, to bow down unto it: for I am Jehovah your God.2 Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah
2 Ye shall keep my sabbaths, and reverence my sanctuary: I am Jehovah.
13 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony hianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
14 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa hianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
15 ary hamavoinareo ny didiko, na halan'ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
http://baiboly.org/toko.asp?boky=LEVITIKOSY&toko=26&andininy=16-25&dika=asv
27 Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin'izany indray hianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
28 dia hamely anareo amin'ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
Iza ireo ? mbola mitohy ao amin'ny Lev 26 ihany ny tantara
46 lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon'i Jehovah ho aminy sy amin'ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an'i Mosesy.
46 These are the statutes and ordinances and laws, which Jehovah made between him and the children of Israel in mount Sinai by Moses
16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
16 Let no man therefore judge you in meat, or in drink, or in respect of a feast day or a new moon or a sabbath day: Colosiana 2:16
65. Fody
(
13/04/2008 22:21)
nyrina: tsy hoe tsy manaiky izay lazainao dia midika fa tsy manaiky izay voalazan'Andrimanitra, na koa hoe: manda ny Baiboly. Sa ve ianao Andriamanitra?
Ny zavatra tiako marihana aminao aloha dia izao:
1 - Ny Andriamanitra inoako dia tsy Baiboly, fa ilay Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly.
Ny Andriamanitra inoako dia tsy voafehy ao anatin'ny boky (na baiboly io na inona), ilay Andriamanitra inoako dia lehibe mihotra izao tontolo izao ka tsy voafaritra amin'ny Boky iray manontolo ny momba azy, fa raha voafaritra amin'ny Boky iray ny momba azy dia tsy mba ny Zanany (Izay iray aminy ihany) no nirahiny teto an-tany fa Boky no nosoratany dia ampy... Tsy izany anefa no izy. Ary na dia i Jesoa aza dia tsy mba nanoratra na dia an-dalan-tsoratra Masina iray aza.
2 - Tsara raha mba fantarinao hoe:
Ahoana no fomba nanoratana an'iny Baiboly an-tananao iny?
Inona avy ny dingana nandalovan'izy iny vao tonga ohatran'iny?
Ho an'iza no nanoratan'ilay nanoratra azy voalohany ?
Tontolo manao ahoana ny tontolo nahatonga ilay mpanoratra ningain'ny Fanahin'Andriamanitra hanortara azy?
Kolon-tsaina toy ny ahoana ny kolon-tsain'ilay mpanoratra sy ny olona nanoratana azy mivantana?.....
3 - Tokony ho fantatrao koa fa:
Iny baiboly an-tananao iny dia efa nandalo dikan-teny maro. Ary hatramin'izao isika miteny izao dia mbola tsy nisy ny tena hoe: dikan-teny tena izy. Porofon'izany ny tsy fitsaharan'ny fikarohana sy ny famohahana edition vaovao. Izay tiako ny manamarika fa tsy resaka varotra velively no antony. Noho izany mba fidio ihany ny teny atao amin'ny hafa, ary aza mitoky teny fatratra ho tompon'ny marina mandrakariva.
Misaotra!
66. niryna
(
13/04/2008 22:22)
Rground:
Misy fomba iray hahafahana mahafantatra ny tantara tena nisy sy ny nandraisan'ny isan'antokom-pivavahana izany ka nitazaina ny olona rehetra indrindra ny isika izay tsy nahalala afa-tsy izay henontsika isak'Alahady tany am-piangonana ihany.... Mampiasa internet isika, noho izany alohan'ny hietenenana ny hevitra raha misy fisalasalàna kely dia tsara angamba mikaroka ny tantara tena nisy...
- Izaho izao vao haingana vao nahalala fa "CONVENTION" izany hoe nifanarahana no nahatonga ny 25 décembre ho daty nahaterahan'i Kristy
- 31 Décembre sy ny taom-baovao niainga tamin'ny tantara hafa ihany koa.
Samy tsy misy voasoratra anaty Baiboly fa ny mpandinika sy ny historiens maro no miara manaiky.
marina izany
Ny fanontaniana dia hoe :
SANATRIA METY HANOZONGOZONA NY FINOAN'NY MPINO VE NY FAHAFANTARANA NY TANTARA SA METY HANAMPY ?
tsara tokoa ny ahalalana azy indrindra raha mamaky ilay tantara isika fa ny hita dia manohitra kanefa maka ny ao anaty baiboly hanoherany ny ao dia avy eo indray hoe tadiavo ao anaty baiboly hoe izany ,hi,hi dia lany eo ny andro satria mivoana any amin'ny tsy izy ireo mpanao an'izany ary toa izay ny tanjona tiany ,tsy tiany hitory ny tenin'Atra ny hafa kanefa too bad,very eo izy fa izany tsy ahasakana fa amiko vao maika tiako fa mampitombo ny fahalalako
67. niryna
(
13/04/2008 23:11)
Fody:hianao ihany dia afaka mamaly an'izany ,tsy izaho no tsipahinao fa ny tenin'Atra omeko ka dia izay izy izany satria hianao moa tsy tia pli-vava fa matahotra ny ahita ny marina angamba sa anisany tsy mamaky ny baiboly koa na asa,fandavana tsotra izao(jereo ny didy folo nalefanao , taratra ny sain'ny olona fa tsy ny teny nomen'Atra)oops,miankina ny fahalalana,raha mangetaheta anefa hianao dia ahiratr'Atra amin'izay ny masonao ka dia ampianatra ny marina ny hafa .
nyrina: tsy hoe tsy manaiky izay lazainao dia midika fa tsy manaiky izay voalazan'Andrimanitra, na koa hoe: manda ny Baiboly. Sa ve ianao Andriamanitra?
['quote]
Ny zavatra tiako marihana aminao aloha dia izao:
Ny Andriamanitra inoako dia tsy Baiboly, fa ilay Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly.,mivadika indray izy ity izany,inona koa izany hoe ny Atra inoako dia tsy ny baiboly? ie,dia aza miady hevitra amiko izany hianao fa lany andro eo satria raha tsy mino ny baiboly hianao dia aza manantena ny ahita ny valiny satria....efa noresahiko io ka tsy ho valiko intsony
hay va re e, io izany ilay hoe manana andriamanitra hafa k'ty aleo aho angina fa izaho no reraka hiady ny olona tsy mino ny Atra ao anatin'ilay baiboly,tsy mba valintemin'a kristiana izany,(manana didy folo nomen'ny olona )ny ahy ny baiboly irery no ampinkga ilaiko raha mandroaka devooly aho ,matahotra ny herin'ny baiboly satana,mively baiboly ny olona raha miakatra fitsarana,sns...manana ny hasiny io fa tsy toy ny boky hafa,na inona valinteny tianao ho hita dia ao daholo,ny tantara amin'ny fiainana,saingy indrisy tsy mahaliana anao ka dia tsy mahaliana ahy koa ny fanontanianao fa aleoko mangina
Ny Andriamanitra inoako dia tsy voafehy ao anatin'ny boky (na baiboly io na inona),
ilay Andriamanitra inoako dia lehibe mihotra izao tontolo izao ka tsy voafaritra amin'ny Boky iray manontolo ny momba azy, fa raha voafaritra amin'ny Boky iray ny momba azy dia tsy mba ny Zanany (Izay iray aminy ihany) no nirahiny teto an-tany fa Boky no nosoratany dia ampy..hi,hi, ka manana lalankafa tokoa hianareo e,manana olona hafa inoana sy ivavahana,hay moa ireny karazany fotsiny,teny hiaianana tokoa mantsy an
. Tsy izany anefa no izy. Ary na dia i Jesoa aza dia tsy mba nanoratra na dia an-dalan-tsoratra Masina iray aza
vita tompoko io fotsiny no ilaiko dia fantatro ny finoana ,hay ve ,itkoa tokoa hianareo tsy miresaka famonjena mihitsy ,
ny ankizy izao asiana manao cotisation,manambomgombola fa andeha hijery ilay andrimanitry ny olombelona ,hi,hi marina ny anao,andeha lavitra be ary ny sasany ary miteny hoe nalahelo aho fa tsy nahita an''i ....... hay manana andriman'izao tontolo izao tokoa hianao,tsy diso ilay izy
Izay dia efa tsy afaka hiady hevitra anao aho satria ny ahy dia ao anaty baiboly ny fahalalako ny marina rehetra izao nomen'Atra ny olona ,ny anao dia mbola mivoaka ny vala ha,ha.[quoter]2 - Tsara raha mba fantarinao hoe:
Ahoana no fomba nanoratana an'iny Baiboly an-tananao iny?
Inona avy ny dingana nandalovan'izy iny vao tonga ohatran'iny?
[/quote] mandehana manao rechereche fa tsy afaka ny hanome aho efa injatompoloekly io no nolazaina teto saingy tsy mety mandray hianao ka hialako tsiny ny hamaly azy ,raha nandray mantsy hianao tsy amerina an'io intsony,dia vereno vakio indray ny baiboly fa mbola mampianatra an'izany izy ,na ataovy kopia ny hafatra nomen'ny olona dia halalino ka mivavaha fa raha tena mangetaheta amin'izay hianao dia fantatrao ny valiny efa nomen'ny olona teto sorry,
Raha tsy nahatsampa ny fahasoavany ,ny asa nataony teo amin'ny fiaianana dia mazava hoa azy fa tsy afaka ny izara izany koa dia hialako tsiny .
ahoana no fomba niresahin'Atra antsika,ahoana no ahalalantsika fa Atra no miresaka antsika,tamin'ny fomba ahoana no niresahin'Atra antsika,efa nandalo teto daholo izany ary free ,nomena maimaimpoana ,ny fanontaniana fotsiny dia hoe nandray izay teny nomeny ny olona ve hianao sa dia faly ny hanontany foana? valio ho anao irery na eny na tsia fa tsy ho ahy
a
ie,ie, dia anjaranao irery ihany no mikaroka an'izany fa tsy afaka ny hanome aho fa hialako tsiny raha mangetaheta ny tenin'ATra hianao dia azoko atao tokoa ny manome izay kely fatantro fa raha toy izao mbola sorry again
Ho an'iza no nanoratan'ilay nanoratra azy voalohany ?
Tontolo manao ahoana ny tontolo nahatonga ilay mpanoratra ningain'ny Fanahin'Andriamanitra hanortara azy?
Kolon-tsaina toy ny ahoana ny kolon-tsain'ilay mpanoratra sy ny olona nanoratana azy mivantana?.....
marobe ny tokony ho fantatra fa ny hoe efa nandray izay efa fantatra ve hianao no valiny. io aza iray tsy tafavoakanao ka vao maika raha niampy tsy ho loza?
3 - Tokony ho fantatrao koa fa:
Iny baiboly an-tananao iny dia efa nandalo dikan-teny maro. Ary hatramin'izao isika miteny izao dia mbola tsy nisy ny tena hoe: dikan-teny tena izy. Porofon'izany ny tsy fitsaharan'ny fikarohana sy ny famohahana edition vaovao. Izay tiako ny manamarika fa tsy resaka varotra velively no antony. Noho izany mba fidio ihany ny teny atao amin'ny hafa, ary aza mitoky teny fatratra ho tompon'ny marina mandrakariva.
Misaotra!
dia mbola miverina indray ny valiny ka izany no nahatonga azy nanao ilay didy folo ary ambadika ary izay tsy nampidirin'ny hafa raha izany k'ty,itanao amin'izay,ary io fanontaniana farany io dia fanontanaina sy resaky ny olona tsy mino an'i kristy ka dia miala tsiny ihany koa aho fa tsy afaka ny hamaly satria izay izy izany dia izay no valiny avereno ny fanontanianao sy ny fahafanataranaoa azy fa izay izy amianao dia izay
dia mbola averiko indray fa raha tsy mino ny teny nosoratana hianao dia tsy ho tonga amin'izay tianao ihany koa
aleo omeko na izany aza ary aleo aho hiverina any amin'ny sujet-ko amin'izay fa mivoana ,manaova fandalinana fa efa feno ny internet,raiso izay marina ary baseo amin'ny baiboly raha tena tia andalina ny tenin'Atra hianao,raha hanontanintany foana anefa dia tsy ahita valiny fa ny aretin'andoha sy ny fotoana very fotsiny no mahazo anao,
hoy ny tompo :Matio 12:30
30 Izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
30 Celui qui n`est pas avec moi est contre moi, et celui qui n`assemble pas avec moi disperse
31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
31 C`est pourquoi je vous dis: Tout péché et tout blasphème sera pardonné aux hommes, mais le blasphème contre l`Esprit ne sera point pardonné
32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
32 Quiconque parlera contre le Fils de l`homme, il lui sera pardonné; mais quiconque parlera contre le Saint Esprit, il ne lui sera pardonné ni dans ce siècle ni dans le siècle à venir.
33 Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
33 Ou dites que l`arbre est bon et que son fruit est bon, ou dites que l`arbre est mauvais et que son fruit est mauvais; car on connaît l`arbre par le fruit.
68. ikaretsaka
(
14/04/2008 01:28)
ireto no tsy mety azon'i niryna mihitsy raha ny fahitako azy
1)
,2)
3)
4)
ireo aloha eritreretina tsara.. na anontanio pasiteranareo!
:-D :-D
1)
Ny Andriamanitra inoako dia tsy voafehy ao anatin'ny boky (na baiboly io na inona)
,2)
Ilay Andriamanitra inoako dia lehibe mihotra izao tontolo izao ka tsy voafaritra amin'ny Boky iray manontolo ny momba azy,
3)
raha voafaritra amin'ny Boky iray ny momba azy dia tsy mba ny Zanany (Izay iray aminy ihany) no nirahiny teto an-tany fa Boky no nosoratany dia ampy...
4)
tsy izany anefa no izy. Ary na dia i Jesoa aza dia tsy mba nanoratra na dia an-dalan-tsoratra Masina iray aza.
ireo aloha eritreretina tsara.. na anontanio pasiteranareo!
:-D :-D
69. niryna
(
14/04/2008 01:31)
ikaretsaka:
ireto no tsy mety azon'i niryna mihitsy raha ny fahitako azy
1)Ny Andriamanitra inoako dia tsy voafehy ao anatin'ny boky (na baiboly io na inona)
,2)Ilay Andriamanitra inoako dia lehibe mihotra izao tontolo izao ka tsy voafaritra amin'ny Boky iray manontolo ny momba azy,
3)raha voafaritra amin'ny Boky iray ny momba azy dia tsy mba ny Zanany (Izay iray aminy ihany) no nirahiny teto an-tany fa Boky no nosoratany dia ampy...
4)tsy izany anefa no izy. Ary na dia i Jesoa aza dia tsy mba nanoratra na dia an-dalan-tsoratra Masina iray aza.
ireo aloha eritreretina tsara.. na anontanio pasiteranareo!
:-D :-D
=)) =)) misy mpisolo vavabe ao ambaka ao izany =)) =)) =))
70. ikaretsaka
(
14/04/2008 01:35)
inona @ io point io no tsy mbola azon'i niryna
ny hevitra ampiadiana fa tsy ny maha mpisolo vava ahy na ny lokon'atin'akanjonao na ny isan'ny pejim-baibolinao
ny hevitra ampiadiana fa tsy ny maha mpisolo vava ahy na ny lokon'atin'akanjonao na ny isan'ny pejim-baibolinao
71. niryna
(
14/04/2008 01:39)
ikaretsaka:
inona @ io point io no tsy mbola azon'i niryna
ny hevitra ampiadiana fa tsy ny maha mpisolo vava ahy na ny lokon'atin'akanjonao na ny isan'ny pejim-baibolinao
niryna:
Ny fanontaniako dia hoe inona io andro sabata io,raha sabotsy ,kristy anefa no antsoina hoe sabata ary nanasitrana olona tamin'ny andra sabata izy.
Sabotsy ve izay teny avy amin'ny hoe Sabado no atao hoe Sabata?
Ary raha sabotsy ilay izy naninona ny fiangonana no lasa niangona Alahady?
Novolena taty aoriana ve ilay niangona andro alahady?
Inona i kristy no nifatsihana dia telo andro tao aorian'izay izy no nitsangana ?
Raha atao hoe alakamisy dia ampiana telo dia lasa Alahady ?
sa Zoma dia lasa alatsinainy ?
Dia hoy indray izy hoe raha hitanao ao anatin'ny baiboly hoe alahady ny fiangonana dia mivadika alahady aho,moa ve ny andro no tena mikaonty amin'i finoana an'i kristy ,ary izany andro sabata izany dia tena mino ve nareo fa tena tsy manao na inona na inona ireo olona miangona Sabotsy ireo?
asa aloha fa dia miandry ny fanazavana any aminidry zareo aho sy izay mahalala
io no sujet ry ika fa aza ovaina fa tsy mba reraka ve hianao mamadi-dresaka e,
:roll: :roll: :D :D
72. ikaretsaka
(
14/04/2008 01:40)
dia averiko amin'i niryna indray mandeha koa.
mamaky baiboly izahay (katolika) fa tsy mihonona @ izay fotsiny hanovozanay ny momban'Andriamanitra sy ny hafany aminay...
eo le nuance...
avereno..
mamaky baiboly izahay (katolika) saingy tsy mihonona amin'izay fotsiny ihany hanovozanay ny momban'Andriamanitra sy ny hafany aminay
avereno
mamaky baiboly izahay (katolika) saingy tsy mihonona amin'izay fotsiny ihany hanovozanay ny momban'Andriamanitra sy ny hafany aminay
in 200 aho izay no namerina izay aminao! and counting :wink:

73. niryna
(
14/04/2008 01:42)
ika ity ve tsy mba menatr'olona e, tsy tiany ho tonga any amin'ny tanjona indray ny hafatro dia ovainy toy ny fanaony foana ,maty aho ikaky sy neny o
=)) =)) =))
=)) =)) =))
74. ikaretsaka
(
14/04/2008 01:44)
efa voazava le sujet...
dia vakio @ izay hoe iza no namadika azy manomboka eo @ hafatra #50?
hmm?
ianao anie mi flip flop be e lazaivo fa izaho indray
dia vakio @ izay hoe iza no namadika azy manomboka eo @ hafatra #50?
hmm?
ianao anie mi flip flop be e lazaivo fa izaho indray
75. ikaretsaka
(
14/04/2008 01:47)
eo @ # 57 dia nohazavain'i fody ny mampi degobe anao..
ooooops dia iza @ zay ny mivaralila e??
ooooops dia iza @ zay ny mivaralila e??
76. ikaretsaka
(
14/04/2008 01:49)
ny tenanao ihany no nanova ny sujet anao ho HS fa jereo tsara
misy roller eo anelanelan'ny boutons an'ny mouse nao dia scroll up...
misy roller eo anelanelan'ny boutons an'ny mouse nao dia scroll up...
77. niryna
(
14/04/2008 02:42)
ikaretsaka:
efa voazava le sujet...
dia vakio @ izay hoe iza no namadika azy manomboka eo @ hafatra #50?
hmm?
ianao anie mi flip flop be e lazaivo fa izaho indray
16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; Kol 2:16
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=12&dika=
5 Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
7 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: "Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra" (Hos.6.6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo.
8 Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
35 Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
ataon'ny olona tsy mino an'Atra ahoana tokoa moa no ahazahoany ny tenin'Atra raha tsy miezaka sy mino an'izay voalazan'Atra izy ?
78. ikaretsaka
(
14/04/2008 03:06)
ataon'ny olona tsy mino an'Atra ahoana tokoa moa no ahazahoany ny tenin'Atra raha tsy miezaka sy mino an'izay voalazan'Atra izy ?
ianaro koa ny manavaka ny atao hoe teny sy ny atao hoe soratra!
ianaro koa ny manavaka ny atao hoe teny sy ny atao hoe soratra!
79. Fody
(
14/04/2008 08:55)
nyrina:
mba makà fotoana kely dia ivereno vakina izay voalazako eo amin'ny n°64, sy izay navalinao azy eo amin'ny n°66.
Rehefa izany dia tsakotsakoy sy diniho ity andalan-tsoratra masina ity: "Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra" (Ohabolana 18:12).
Misaotra!
80. bichette
(
14/04/2008 09:34)
Misy tsy arako tsara ny fandehan'ny resaka fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy miova omaly anio ary mandrakizay.
Ny momba ny sabata, ny jiosy hatramin'izay hatramin'izay dia nanaja ny andro sabata ary dia mitohy izany hatramin'izao. Tsy nisy mihitsy hoe nisy periode nikorontana sy nivadibadika ny andro, ny calendrier ka hoe tsy hay intsony na andro inona marina ny andro sabata fa jereo fotsiny ireo jiosy izay nanaja hatrany hatrany sans interruption dia izay angamba dia ampy hamaritana hoe andro inona marina ilay andro faha 7.
Ny momba ny hoe fanajana azy indray, nomen'Andriamanitra andro 7 isika izay natao hoe "herinandro", mangataka amintsika Andriamanitra ny hanajantsika ilay andro faha 7 hahatsiarovantsika azy. Jour du repos ihany koa io. Asain'Andriamanitra isika miala sasatra kely ary mahatsiaro azy. Mandinika ny zava-bitany, manovo aina indray, maka hery ao Aminy sns. Eritreretinareo fa raha tsy nisy ny andro iray tsy hiasana, lasa miasa be foana foana tsy ankijanona isika dia amin'ny fotoana inona no hahatsiarovantsika an'Andriamanitra ? tsy ho hisy mihitsy ; tsy ho hisy ary ho hadinontsika Andriamanitra sady hanimba fahasalamantsika isika satria tsy hijanona hiasa mihitsy.
Isika olombelona dia te hanambe amin'ny fiainana ka raha tsy napetraka ny andro iray hitsaharana, hiasa foana foana isika. Moa tsy ho reraka ve ? moa tsy ho stress sy depressif no hiafarantsika ? amin'ny fotoana inona no hahatsiarovantsika an'Andriamanitra sy handinihantsika ny teniny ? amin'ny andavan'andro aza isika indraindray tsy manana na dia 5mn aza natokana ho an'Andriamanitra, ka izany no nametrahana ny andro sabata. Moa tsy fitiavana ve izany ?
vakio http://64.233.183.104/search?q=cache:hDyw0PGKKZIJ:www.thercg.org/fr/brochures/tsosw-fr.html+sabbat+dimanche+%3F&hl=fr&ct=clnk&cd=4&gl=fr
Concile de Laodice, en 364 jereo amin'ny interneto