MPIVAVAKA KARAZANY ROA !!!

1. majesty ( 31/03/2008 09:05)
Azo sokajiana ho antoko anankiroa ny finoana misy eto @ izao tontolo izao,ny antoko voalohany dia ny finoana Kristiana,ary ny faharoa dia ny mifanohitra amin'izay.Ny mampiavaka an'ireo finoana roa ireo dia izao,ny an'ilay antoko faharoa dia mino izy fa manana fanahy ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany na inona io na inona,na vato io na hazo (misy ny olona sasany mino fa ny hazo dia misy fanahy ka tsy azo atao ny mikapa2 azy ireny fa manjary malahelo izy ireny na mety ho tezitra ka ahatonga loza) ka na ireo olona tsy mino ny fisian'Atra aza dia milaza fa misy fanahy na hery lehibe iray mifehy an'izao tontolo izao,ho an'ny olona hafa indray dia mino izy ireo fa hoe misy andro ratsy dia misy andro tsara,ka rehefa hanao trano na fasana dia tsy maintsy jerena aloha izay andro mety fa sao ahitan-doza,na hoe tsy mivoaka ny trano na tsy manomboka asa aloha raha tsy mijery ny tonombitana @ alalan'ny horoscope sns (ka miainga @ zany na ny lokon'ny akanjo hanaovana na ny isa manavanana na ny sakafo tokony hohanina ...);misy koa ohatra hoe rehefa manofy ratsy dia asiana baiboly ao ambany ondana dia amin'zay tsy maninona.Endrika isehoany avokoa ireo ka tiako hampitaina sao mbola misy Kristiana tafiditra amin'izay.
Misy anarana fiantsoana azy io antoko faharoa io fa mbola jerena tsara ny fanoratana azy aloha fa sao manjary manoratsora-poana eto :D
2. Jeankely ( 31/03/2008 09:38)
Ny Mpivavaka indray amiko tsy mizara roa sahala ny fahitanao azy. Satria amiko ny Mpivavaka misy ny TENA MIVAVAKA ary HARAHANY ASA AMIN'NY FIAINANY, io no voalohany. Ary misy ny MAPNARADAVAHANY ary mila ho CHRISTIAN na HAFA ary TSY HIAINANY ILAY VAVAKA, io no faharoa. Raha tena mpivavaka na karazany inona na inona dia tsy mila ny ratsy ary tsy manaraka ny sain-demony. Tsy misy resaka Christiana sy hafa fa na miseho Christian Mpiantsara ivelantsihy dia tsisy dikany. Io no fototry ny tsy fahombiazan'ny Malagasy @ lafiny rehetra. Ny Baiboly hay ny ao anatiny ary hay tsinjery saingy tsy hiainana fa fombafomba ihany. Rehefa tsy miresaka Baiboly dia tsy olombelona. Rehefa mitanisa laha-teny anaty Baiboly dia hekena nefa mpandainga hany ka manenina daholo avy eo. Hita amin'ny Fikambanana rehetra izany. Hatrany ampiangonana lasa mivadika resaka hafa. Tsy mandany andro manohitra ny Christian ny tena mpanaraka ny hafa fa ny manao ny mety no hataony. Porofon'izany misy tafavoaka ny firenena tsy Christian.
3. pissoa ( 31/03/2008 14:43)
Amiko koa dia misy "karazany" mpivavaka roa, na Kristianina izy na tsia dia

1 - Ao ireo mivavaka ao "anaty" fotsiny ihany. Tiako ao anaty Jesosy, tiako ao anatiko ratapakazo. Ao ampoko ihany aho no mivavaka amin'i Jesosy na ratapakazo. Exclusive be hoe amin'ny alalan'ny mazi mazi ihany Jesosy sy ratapakazo no miasa. Raha atao teny tsotra dia vavaka = sentosento ho azy ireny.

2 - Ao ireo mivavaka amin'ny "izy iray maontolo" izany hoe any anatiny ka hatrety ivelany ! Tsy hoe ao ampoko aho no tia an'i Jesosy na ratapakazo, na hoe ao ampoko aho no mivavaka amin'i Jesosy na ratapakazo ... fa hatreny ivelany - maniteraka ny fiainana. Raha atao teny tsotra dia vavaka = fiainana sy tolona ho azy ireny.
4. ikaretsaka ( 31/03/2008 14:56)
vavaka=tolona fa tsy sento ho'zy ilay zezoita 1 izay e :wink:
5. niryna ( 31/03/2008 17:08)
majesty:

Azo sokajiana ho antoko anankiroa ny finoana misy eto @ izao tontolo izao,ny antoko voalohany dia ny finoana Kristiana,ary ny faharoa dia ny mifanohitra amin'izay.
io ilay notenen'i kristy fa tsy misy mahay manompo tompo roa fa na ny iray ho tiany ary na ny iray ho halany.ary hoy izy na isika miaraka aminy na isika tsy miaraka aminy,dia izay, anjaran'ny tsirairay no mandray izany tenin'ny tompo izany fa voasoratra io ,ka raha tsy mino ny soratra masina moa izany dia miala ny soratra masina ,dia tsy miaraka aminy koa izany simple as it is,tsotra izay na miaraka aminy na tsia.tsy misy ny eo ampovoany.
misaotra majesty a :-* :-*
6. ikaretsaka ( 31/03/2008 17:21)
fa tsy maintsy centre @ izay foana ve izany le fijery hoe
mpivavaka=kristianina
tsy mpivavaka= ireo sisa rehetra?
7. xxx ( 31/03/2008 18:03)
Jeankely:

Ny Mpivavaka indray amiko tsy mizara roa sahala ny fahitanao azy. Satria amiko ny Mpivavaka misy ny TENA MIVAVAKA ary HARAHANY ASA AMIN'NY FIAINANY, io no voalohany. Ary misy ny MAPNARADAVAHANY ary mila ho CHRISTIAN na HAFA ary TSY HIAINANY ILAY VAVAKA, io no faharoa. Raha tena mpivavaka na karazany inona na inona dia tsy mila ny ratsy ary tsy manaraka ny sain-demony. Tsy misy resaka Christiana sy hafa fa na miseho Christian Mpiantsara ivelantsihy dia tsisy dikany. Io no fototry ny tsy fahombiazan'ny Malagasy @ lafiny rehetra. Ny Baiboly hay ny ao anatiny ary hay tsinjery saingy tsy hiainana fa fombafomba ihany. Rehefa tsy miresaka Baiboly dia tsy olombelona. Rehefa mitanisa laha-teny anaty Baiboly dia hekena nefa mpandainga hany ka manenina daholo avy eo. Hita amin'ny Fikambanana rehetra izany. Hatrany ampiangonana lasa mivadika resaka hafa. Tsy mandany andro manohitra ny Christian ny tena mpanaraka ny hafa fa ny manao ny mety no hataony. Porofon'izany misy tafavoaka ny firenena tsy Christian.



mba ekeko ny voalzan'i jeankely


;-)
8. xxx ( 31/03/2008 18:17)
majesty:

Azo sokajiana ho antoko anankiroa ny finoana misy eto @ izao tontolo izao,ny antoko voalohany dia ny finoana Kristiana,ary ny faharoa dia ny mifanohitra amin'izay.Ny mampiavaka an'ireo finoana roa ireo dia izao,ny an'ilay antoko faharoa dia mino izy fa manana fanahy ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany na inona io na inona,na vato io na hazo (misy ny olona sasany mino fa ny hazo dia misy fanahy ka tsy azo atao ny mikapa2 azy ireny fa manjary malahelo izy ireny na mety ho tezitra ka ahatonga loza) ka na ireo olona tsy mino ny fisian'Atra aza dia milaza fa misy fanahy na hery lehibe iray mifehy an'izao tontolo izao,ho an'ny olona hafa indray dia mino izy ireo fa hoe misy andro ratsy dia misy andro tsara,ka rehefa hanao trano na fasana dia tsy maintsy jerena aloha izay andro mety fa sao ahitan-doza,na hoe tsy mivoaka ny trano na tsy manomboka asa aloha raha tsy mijery ny tonombitana @ alalan'ny horoscope sns (ka miainga @ zany na ny lokon'ny akanjo hanaovana na ny isa manavanana na ny sakafo tokony hohanina ...);misy koa ohatra hoe rehefa manofy ratsy dia asiana baiboly ao ambany ondana dia amin'zay tsy maninona.Endrika isehoany avokoa ireo ka tiako hampitaina sao mbola misy Kristiana tafiditra amin'izay.
Misy anarana fiantsoana azy io antoko faharoa io fa mbola jerena tsara ny fanoratana azy aloha fa sao manjary manoratsora-poana eto :D


diso io satria ny silamo dia tsy mino fa manana fanahy ny zavatra rehetra.
Ny fijeriko an'ity lahatsoratrao ity dia mampiseho fa "égocentrique" ianao. Toy ny milaza 'tsinona ianao fa : "azo zaraina ho roa izao tontolo izao" : izaho sy ny hafa. Ilay hafa izay tsy fantatrao daholo anefa dia ampitovianao daholo. Mety hoe : mahafantatra olona roa na telo tsy mitovy aminao ianao dia heverinao ho toy ireny daholo ny "hafa".
9. Veloo ( 31/03/2008 20:18)
io ilay notenen'i kristy fa tsy misy mahay manompo tompo roa fa na ny iray ho tiany ary na ny iray ho halany

matio 6: 24 na lioka 16:13
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy afaka sady manompo an'Andriamanitra sy Mamona hianareo.

ie zay mihitsy ka :-*
10. kiadi ( 31/03/2008 21:14)
Azo sokajiana ho antoko anankiroa ny finoana misy eto @ izao tontolo izao,ny antoko voalohany dia ny finoana Kristiana,ary ny faharoa dia ny mifanohitra amin'izay

gravy kosa zany filozafianao zany an! ze tsy kristianina zany de pivavaka @ zavatra afa?
de ahona ny jiosy? de ahona ny slamo? de ahona ny boudiste?sns........
zany ve ny oe karazan'ny roa fotsiny?
sa zah ve no tsy mahazo tsara ilay sizé?
11. ikaretsaka ( 31/03/2008 21:19)
f'hita ho'a
12. kiadi ( 31/03/2008 21:49)
ika>tena tsy diso sizé zany zah ny marina eh? tena hotran'ny tsay azoko mantsy le filozofia !
13. cutie ( 31/03/2008 23:22)
Hoy i Jeankely:

Ny Mpivavaka indray amiko tsy mizara roa sahala ny fahitanao azy. Satria amiko ny Mpivavaka misy ny TENA MIVAVAKA ary HARAHANY ASA AMIN'NY FIAINANY, io no voalohany. Ary misy ny MAPNARADAVAHANY ary mila ho CHRISTIAN na HAFA ary TSY HIAINANY ILAY VAVAKA, io no faharoa. Raha tena mpivavaka na karazany inona na inona dia tsy mila ny ratsy ary tsy manaraka ny sain-demony. Tsy misy resaka Christiana sy hafa fa na miseho Christian Mpiantsara ivelantsihy dia tsisy dikany. Io no fototry ny tsy fahombiazan'ny Malagasy @ lafiny rehetra. Ny Baiboly hay ny ao anatiny ary hay tsinjery saingy tsy hiainana fa fombafomba ihany. Rehefa tsy miresaka Baiboly dia tsy olombelona. Rehefa mitanisa laha-teny anaty Baiboly dia hekena nefa mpandainga hany ka manenina daholo avy eo. Hita amin'ny Fikambanana rehetra izany. Hatrany ampiangonana lasa mivadika resaka hafa. Tsy mandany andro manohitra ny Christian ny tena mpanaraka ny hafa fa ny manao ny mety no hataony. Porofon'izany misy tafavoaka ny firenena tsy Christian.

ekena tanteraka :)
14. Jeankely ( 01/04/2008 00:07)
Misaotra anireo mifanaraka sy mifanojo hevitra.
Mpivavaka = Mahay miaina ary tia ny mpiarabelona rehetra tsy manavaka. Mpivavaka tsy midika Christian irery ary tsy mifanenjika.
Tena manao ary mahavita soa ny Christian ary hisaorana saingy ny mpanaradavahany tsy mahafantatra ny tena izy fa ny laha-tsoratra no ataony tsianjery. Fanavotana an'izao tontolo izao tsy midika Christian irery ihany.
Izay rehetra miendrika asan-demony dia hialana ka ny sasany aza izany fihetsika izany indray no lasa hanenjehana azy ary mitohy tsisy farany ny ady.
Mahita ny Muslim aho hoe any aoriana ny vehivavy ary ny lehilahy eny aloha. Ny fijery mahazatra antsiaka dia disobe io fa ny vehivavy any aloha hajaina saingy aminy raha hitsongolika eny aloha ny vehivavy dia mety tsy hitombona ny fivavahana fa sarihan'ny demony hijery sokatry :-D :-D :-D .
Mialatsiny fa nampihomehy kely. Raha misalovana eny aloha ny vehivavy dia manakorontana atidoha ary mitarika hevitra hafa(saindemony). Nefa ny andehanan'ny sasany mivavaka dia tena ampiseho ny haingony sy fahamanjany tokoa @'ny Christian sasany. Ao ny manao jupe fohy na pataloha terikely.
15. ikaretsaka ( 01/04/2008 00:21)
kiadi> tsy diso size isika mitsam hatramin'izao aloha ka
mandra pahatongan'ny counter argu indray
16. majesty ( 01/04/2008 05:22)
hoy ika:
fa tsy maintsy centre @ izay foana ve izany le fijery hoe
mpivavaka=kristianina
tsy mpivavaka= ireo sisa rehetra?


dia hoy aho hoe :
Azo sokajiana ho antoko anankiroa ny finoana misy eto @ izao tontolo izao,ny antoko voalohany dia ny finoana Kristiana,ary ny faharoa dia ny mifanohitra amin'izay


resaka finoana no nitondrako azy fa tsy hoe mpivavaka (satria misy ireo mpivavaka silamo ....)

Hoy jeankely:
Ny Mpivavaka indray amiko tsy mizara roa sahala ny fahitanao azy. Satria amiko ny Mpivavaka misy ny TENA MIVAVAKA ary HARAHANY ASA AMIN'NY FIAINANY, io no voalohany. Ary misy ny MAPNARADAVAHANY ary mila ho CHRISTIAN na HAFA ary TSY HIAINANY ILAY VAVAKA, io no faharoa.


ôtran'ny hoe mizara 2 ihany io mpivavaka lazain'isé io sa za ve no tsy mahazo resaka :D

hoy kiady:
gravy kosa zany filozafianao zany an! ze tsy kristianina zany de pivavaka @ zavatra afa?
de ahona ny jiosy? de ahona ny slamo? de ahona ny boudiste?sns........
zany ve ny oe karazan'ny roa fotsiny?
sa zah ve no tsy mahazo tsara ilay sizé?


Finoana no resahako raha mitaha amin'ny finoana Kristiana fa tsy ny mpivavaka (samihafa ireo),

Nareo ve ohatra teo aloha tsy efa naheno hoe: raha mamono maroan-davaka hono dia tongavan'ny bibilava bdb any an-trano amin'ny alina,na hoe rehefa mamono tanalahy dia tsy maintsy roraina ny ankanjo fa raha tsy izany tongavany @ alina,dia ilay finoana tahaka io no lazaiko ato amin'ity adi-hevitra ity.
17. Rasiligaoma ( 01/04/2008 05:23)
angaha tsy finoana ny silamo sy ny jiosy sy ny sisa?

18. majesty ( 01/04/2008 05:31)
azo sokajiana ho iray ireo satria mifanohitra @ Kristiana :D
19. Rasiligaoma ( 01/04/2008 05:35)
dia aminy koa izany ange 2 ny sokajy e
raha silamo dia "ireo silamo sy ireo tsy silamo"
raha jiosy dia "ireo jiosy sy ireo goy"
20. Rasiligaoma ( 01/04/2008 05:37)
dia ireo katolika sy tsy ireo katolika.
dia mihakely mihakely dia..na ianareo mivady aza lasa hoe "I majesty sy tsy i majesty"

Globaliser-o lehiroa ity fisainana fa efa taonjato faha 21 izao a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1559