MPIVAVAKA KARAZANY ROA !!!

41. niryna ( 02/04/2008 15:02)
Omeko fotsiny ny fanazavana ka anjaranareo no mandray izay mifanaraka ny sainareo ary mangataha ny fanahy masina mba hanazava izany tenin'Atra izany satria raha mangetaheta ahalala ny marina isika na tsy mino aza fa mino ny asa izay nataony dia ho fantantsika ilay teny voasoratra,raha ohatra kosa ka ny herin'ny tenantsika no hitondrana sy andraisana ny tenin'Atra dia tsy ho fantatra fa ho lavina avokoa ary ho toherina avokoa izay voasoratra.

1 kor 2:15

15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.
araky ny teny ao amin'ny soratra masina izany dia mizara roa ny olona dia ny iray izay mino an'i kristy ary ny iray izay tsy mino azy.
Iza amin'ireo no misy antsika ?

Mino an'i kristy amin'ny inona? Amin'ny famonjena ,ny fiainana mandrakizay miaraka aminy,izay namonjy ahy sy hianao teo amin'ny fahotana sns
Ny famonjena:dia ny famelana ny heloka izay nomen'Atra ny zanany mba hamonjy izay mino Azy,izay Izy no nisolo ny helok'izao tontolo izao.Ary ny fahafantarana fa ny fahotantsika dia voavela noho ny finoana Azy ary vonona ny hiaraka aminy rahatrizay......
Ny iray dia izay tsy mino an'izay noteneniko izay dia tsy miaraka amin'ilay mpamonjy izany,ao anaty soratra masina ireo ka izay no nahatonga azy hiteny hoe mizara roa ny olona...

Ny voalohany dia izay tsy miaraka aminy ny fanahy masina satria avy amin'i kristy io fanahy io

12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan-aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany 2 Pet 2:12,

Izay mifanohitra an'ity teny ity
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. Rom 8:9

Misy ireo izay ao ambanin'ny fiadidian'i satana ,dia hisy hiteny indray hoe izay tsy miaraka an'i kristy izany dia eo ambany fiadidian'i satana?
dia omeko indray ny teny ao amin'ny soratra masina
hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin' Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.Asa 26:18
ary dia teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.Efe 2:3

Farany satria ity tany ity dia tany fandalovana ho an'i kristiana satria mbola misy fiainana aorian'ny fahafatesana koa dia mpivahiny no hilazana antsika eto fa ho an'ireo izay miantehitra ny fiainana eto amin'izao tontolo izao dia
Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao?[ Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.Jakoba 4:4

ary dia toheriny ny lalan'ny fahamarinana izay avy amin'ny Fanahy Masina

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 1 kor 2:14

vita tompoko
mahereza mikatsaka ny marina mandrakariva
Ny herin'ny Fanahy masina anie hiaro antsika,hanampy antsika ahalala ny marina ,ary hanoro sy hanitsy antsika mba tsy ho very fa hanana fiainana mandrakizay .


42. Zina ( 02/04/2008 15:09)
prime [ Valio ] 02-04-2008 13:51:48
Lohateny : Re : MPIVAVAKA KARAZANY ROA !!!
Mazava ny fitarihan'i majesty ny lohahevitra eto satria tsy heviny tsy akory io nanaovany fanamarihana io fa ny fampianaran'i Kristy mikasika ny amin'ny toerana misy ny olombelona tsirairay eto amin'izao tontolo izao manoloana ny finoana tena "mahavonjy"... hoe tsy afaka manompo tompo roa ny olona...

=D> =D> =D>
43. majesty ( 02/04/2008 17:01)
:D :D :D
hono ho ah;rasily angah tsy Kristiana,satria @ Kristiana dia tsy misy Atra lehibe noho Jehovah izay ivavahany,dia raha iverenana kely ilay tantara taloha izay tsy hita izay maharatsy azy dia ilay tenin'i Elia hoe "fidionareo anio ary izay Atra tompoinareo,na ny andriamanitra ny Amorita ...fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an'i Jehovah izahay".Fa raha toa ka mbola misy Atra lehibe noho Jehovah any ho any mba lazao ihany fa sao dia mahasoa ny namana satria nareo toa misalasala be izany
:D

fijo:marina ilay lazainareo @ ilay mijery horoscope hoe tsy ny Kristiana ihany fa na ny tsi Xana aza,fa raha ny tokony ho izy efa nilaozan'ny Xana lavitra b izany.

Kiady: na tsy miombon-kevitra amin'io loha-hevitra io aza isé dia tadidio fa ilay soratra masina vakian'isé ao an-trano ao io angé no milaza an'izany e,tsy misy afa tsy antokon'olona roa ihany eto an-tany hozy Jesoa :D
44. lizabeth ( 02/04/2008 18:39)
kiadi:

prime:

Mazava ny fitarihan\'i majesty ny lohahevitra eto satria tsy heviny tsy akory io nanaovany fanamarihana io fa ny fampianaran\'i Kristy mikasika ny amin\'ny toerana misy ny olombelona tsirairay eto amin\'izao tontolo izao manoloana ny finoana tena \"mahavonjy\"... hoe tsy afaka manompo tompo roa ny olona...



tsy mety io lohahevitra io amiko! mandah an\'io zah!
tsy ny kristianina reny no mino an\'andriamanitra! nefa de zay sty kristianina de tonga de natambany t@ sokajy faharoa!
de ny jiosy zany ahona? ny slamo zany ahona? ataombatra @ sokajy faharoa miaraka @ mpanompy sampy ve reo?


Ny atao hoe kristiana nge dia izay mino fa nomen\'Andriamanitra famonjena amin\'ny alalan\'i Jesosy sy ny manaiky resen\'ny Fanahy Masina lahatra e ! ka izay mino an\'Andriamanitra fa tsy mino ny famonjena amin\'ny alalan\'i Jesosy dia mazava ho azy fa tsy kristiana : ohatra ny jiosy. Ireo izay tsy mino io izany dia azo sokajiana tsy kristiana fotsiny izao! ary raha tsy diso aho dia miantefa amin\'ireo izay mihevitra ny tenany ho kristiana ny hafatra. Amiko ilay hafatra mitombina fa ilay lohateny no tsy mety.
Na izany aza, raha hilaza hoe \"ny silamo sy ny tsy silamo\" ve : tsy mazava ho azy ve fa hanasokajy ny tenany ao anatin\'ny tsy silamo ny kristiana. Tsy midika izany fa mitovy ny jiosy sy ny bodista ny kristiana na samy tsy silamo aza.
45. kiadi ( 02/04/2008 22:14)
lizabeth>ka zay no tokony navahana satria ilay dinika de oe misy sokajy roa !eo ny kristianina de ny tsy kristianina!
tadidio fa tsy ny kristianina no betsaka indrindra eto antany!na jiosy enao na silamo na kristianina de andriamanitra ray ihany! fa aza atao oe kristianina sy ny non kristianina!
zah kristiania miresaka zao!
46. Jeankely ( 03/04/2008 02:21)
Na mizara roa io, na Jesosy, na Silamo na inona ny fanontaniana tokony hisainanao dia hoe: nitondra nankaiza ny firenena ny fitoriana filazantsara? Tsy ny filazantsara no disoako fa hoy aho hoe: NY TSY TOKONY HITORY SY HAMELABELATRA NY FIVAVAHANA NO MIVENTY AZY HANY KA SIMBA ILAY IZY ARY LASA TSISY VOKANY HO AN'NY FIRENENA.
Mandany roandoha amin'ny zavatra tsisy vokany.
47. majesty ( 03/04/2008 05:28)
Mahafinaritra mintsy le dinika, fa hono wa ireo finoana hafa ireo ve mino an'i Kristy e,(izay tsy finoany an'i Kristy izay no nampiarahana azy ho iray fa tsy misy antony hafa akory),dia ireo nino an'i Kristy ireo no nantsoiko hoe Kristiana;koa inn ndray ary no tsy mbola mazava amin'izany :D
48. Jeankely ( 03/04/2008 05:50)
Izay ilay izy ra-majesty. Mba filamatra sy modely daholo ve ny milaza ho Christian? Jereo fa na ny Pastor aza be no mivaralila. Tsy manenjika ny christiana aho fa ny tiana hambara dia na inona ianao na inona mitondra soa ny mpiarabelona ve? Io Pedro io ve vavaka foana no ataony ny mahantra ao sa Baiboly hatrany? Aiza ny anjara-birikina sa mino an'i Christ dia izay?
49. Fody ( 03/04/2008 12:07)
Azo sokajiana ho antoko anankiroa ny finoana misy eto @ izao tontolo izao,ny antoko voalohany dia ny finoana Kristiana,ary ny faharoa dia ny mifanohitra amin'izay.

Rehefa tsy Kristiana ve dia mifanohitra amin'ny Kristiana?
Mifanohitra ve izany ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta vaovao?
Ny mampiavaka an'ireo finoana roa ireo dia izao,ny an'ilay antoko faharoa dia mino izy fa manana fanahy ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany na inona io na inona,na vato io na hazo (misy ny olona sasany mino fa ny hazo dia misy fanahy ka tsy azo atao ny mikapa2 azy ireny fa manjary malahelo izy ireny na mety ho tezitra ka ahatonga loza) ka na ireo olona tsy mino ny fisian'Atra aza dia milaza fa misy fanahy na hery lehibe iray mifehy an'izao tontolo izao,ho an'ny olona hafa indray dia mino izy ireo fa hoe misy andro ratsy dia misy andro tsara,ka rehefa hanao trano na fasana dia tsy maintsy jerena aloha izay andro mety fa sao ahitan-doza,na hoe tsy mivoaka ny trano na tsy manomboka asa aloha raha tsy mijery ny tonombitana @ alalan'ny horoscope sns (ka miainga @ zany na ny lokon'ny akanjo hanaovana na ny isa manavanana na ny sakafo tokony hohanina ...);misy koa ohatra hoe rehefa manofy ratsy dia asiana baiboly ao ambany ondana dia amin'zay tsy maninona.Endrika isehoany avokoa ireo ka tiako hampitaina sao mbola misy Kristiana tafiditra amin'izay.
Misy anarana fiantsoana azy io antoko faharoa io fa mbola jerena tsara ny fanoratana azy aloha fa sao manjary manoratsora-poana eto.

Dia averiko eto indray ity: diso io satria ny silamo dia tsy mino fa manana fanahy ny zavatra rehetra.
Ny fijeriko an'ity lahatsoratrao ity dia mampiseho fa "égocentrique" ianao. Toy ny milaza 'tsinona ianao fa : "azo zaraina ho roa izao tontolo izao" : izaho sy ny hafa. Ilay hafa izay tsy fantatrao daholo anefa dia ampitovianao daholo. Mety hoe : mahafantatra olona roa na telo tsy mitovy aminao ianao dia heverinao ho toy ireny daholo ny "hafa"
.

Dia mba misokafa kely amin'ny tontolo ry ramana fa mikombona loatra ka voafetra be ilay fomba fijery sy fomba fihevitra.

MIsaotra!
50. pissoa ( 03/04/2008 15:00)
majesty:

Mahafinaritra mintsy le dinika, fa hono wa ireo finoana hafa ireo ve mino an'i Kristy e,(izay tsy finoany an'i Kristy izay no nampiarahana azy ho iray fa tsy misy antony hafa akory),dia ireo nino an'i Kristy ireo no nantsoiko hoe Kristiana;koa inn ndray ary no tsy mbola mazava amin'izany :D

Oadray kosa izany Majesty kle :-w :-w :-w Jereo fa mbola io ambony io ny nanavahanao ny Kristianina sy ny "Mifanohitra aminy" ! Toa tsisy resaka hoe mino an'i Kristy na tsia, tsisy resaka Kristy na Jesosy akory aza !!!
Majesty:
Ny mampiavaka an'ireo finoana roa ireo dia izao,ny an'ilay antoko faharoa dia mino izy fa manana fanahy ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany na inona io na inona,na vato io na hazo (misy ny olona sasany mino fa ny hazo dia misy fanahy ka tsy azo atao ny mikapa2 azy ireny fa manjary malahelo izy ireny na mety ho tezitra ka ahatonga loza) ka na ireo olona tsy mino ny fisian'Atra aza dia milaza fa misy fanahy na hery lehibe iray mifehy an'izao tontolo izao,ho an'ny olona hafa indray dia mino izy ireo fa hoe misy andro ratsy dia misy andro tsara,ka rehefa hanao trano na fasana dia tsy maintsy jerena aloha izay andro mety fa sao ahitan-doza,na hoe tsy mivoaka ny trano na tsy manomboka asa aloha raha tsy mijery ny tonombitana @ alalan'ny horoscope sns (ka miainga @ zany na ny lokon'ny akanjo hanaovana na ny isa manavanana na ny sakafo tokony hohanina ...);misy koa ohatra hoe rehefa manofy ratsy dia asiana baiboly ao ambany ondana dia amin'zay tsy maninona.Endrika isehoany avokoa ireo ka tiako hampitaina sao mbola misy Kristiana tafiditra amin'izay.
Misy anarana fiantsoana azy io antoko faharoa io fa mbola jerena tsara ny fanoratana azy aloha fa sao manjary manoratsora-poana eto

51. fijo ( 03/04/2008 20:28)
marina io voalazan'i ravato io.
52. Rasiligaoma ( 04/04/2008 05:37)
hampifanohitra Testamenta taloha sy testamenta vaovao marina no hiafaran'ity resaka ity le.

majesty> rehefa miargue koa nareo ry namana dia mba zavatra mitombina anohananana ny hevitrareo a
53. majesty ( 04/04/2008 06:05)
Pissoa: ka ilay hoe Kristiana sy ny tsy Kristiana mihitsy ange no tsy misy manaiky,dia izay no namboariko hoe ireo mino an'i Kristy indray sy ireo tsy mino azy izany wa raha tsy azonareo ilay dikan'ny Kristiana :D

Fody:
Rehefa tsy Kristiana ve dia mifanohitra amin'ny Kristiana?
Mifanohitra ve izany ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta vaovao?


Kristiana = mino an'i Jesoa,ny tsy Kristiana = tsy mino an'i Jesoa (tsy mifanohitra ve io?°
Ny Testamenta vaovao no fahataterahan'ny Testamenta taloha (donc ,iray ihany ireo ary mifameno tsara fa tsy mifanohitra velively)

Jeankely
Izay ilay izy ra-majesty. Mba filamatra sy modely daholo ve ny milaza ho Christian? Jereo fa na ny Pastor aza be no mivaralila. Tsy manenjika ny christiana aho fa ny tiana hambara dia na inona ianao na inona mitondra soa ny mpiarabelona ve? Io Pedro io ve vavaka foana no ataony ny mahantra ao sa Baiboly hatrany? Aiza ny anjara-birikina sa mino an'i Christ dia izay?

ho an'ny Kristiana no tena nanaovana an'io loha-hevitra io,izaho koa ao anatiny.

Fody:
Dia mba misokafa kely amin'ny tontolo ry ramana fa mikombona loatra ka voafetra be ilay fomba fijery sy fomba fihevitra.


raha mikombona v ny fomba fijery ahita an'ireo :D

rasiligaoma:
majesty> rehefa miargue koa nareo ry namana dia mba zavatra mitombina anohananana ny hevitrareo a

Misaotra rahalahy :D
54. Rasiligaoma ( 04/04/2008 06:23)
mifameno ireo fa tsy mifanohitra..
fa tsy hoe rehefa tsy havia dia havanana
samy tanana ireo , any andraisana azy dia toy izany ny fivavahana amiko fa ny tondro tokana tsy mahazo hao
55. pissoa ( 04/04/2008 09:13)
Majesty:
Pissoa: ka ilay hoe Kristiana sy ny tsy Kristiana mihitsy ange no tsy misy manaiky,dia izay no namboariko hoe ireo mino an'i Kristy indray sy ireo tsy mino azy izany wa raha tsy azonareo ilay dikan'ny Kristiana

Raha toa ka ny finoana an'i Jesoa no namaritanao azy tamin'ny voalohany dia heveriko fa tonga dia nanaiky daholo hoe misy ireo mino an'i Jesoa misy ireo tsy mino. Saingy tsy izay ilay izy ... fa ireo tsy mino an'i Jesoa tonga dia nataonao anaty lasaka iray hoe izao sy izao avy no ataon'izy ireo ... fa tsy nijanona hoe tsy mino an'i Jesoa izy ireo :-D :-D :-D

Farito tsara ny reference :)
56. prime ( 04/04/2008 10:22)
Ny an'i majesty aza anie karazana fampiambenana ho an'ny mpino fa ny raha ny tenin'Andriamanitra tena mandidy mihitsy ny mpino hanapa-kevitra mazava raha ny voasoratra ao amin'ny bokin'i Josoa no vakiana amin'ny anaran'i Kristy, manao toa izao :

"Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay." Josoa 24:15

Raha ambara tsotra dia hoe, fidio anio, na ianao hanompo an'i Jehovah na hanompo andriamanitra hafa ankoatran'i Jehovah araka izay iantsoanao sy ahafantaranao azy...
57. pissoa ( 04/04/2008 13:24)
Za ve le ianao sa ... ?

:-D :-D :-D
58. lizabeth ( 04/04/2008 16:49)
kiadi:

lizabeth>ka zay no tokony navahana satria ilay dinika de oe misy sokajy roa !eo ny kristianina de ny tsy kristianina!
tadidio fa tsy ny kristianina no betsaka indrindra eto antany!na jiosy enao na silamo na kristianina de andriamanitra ray ihany! fa aza atao oe kristianina sy ny non kristianina!
zah kristiania miresaka zao!



Fa maninona no ny kristiana no be mpanenjika ? efa naheno izao karazana filozofia "anti-christ" izao aho mantsy fa mbola tsy naheno hoe "anti-allah" na "anti-bouddha" na ohatr'ohatr'izay...!
59. fijo ( 04/04/2008 21:10)
be no manenjika silamo ka.ao holland ao feno ohatra.any US koa tsy vitsy
60. Fody ( 05/04/2008 03:09)
raha mikombona v ny fomba fijery ahita an'ireo

Inona hono no hitanao?
Mizara roa ny tontolo: izaho sy ny hafa?
Kristiana sy ny tsy kristiana?

Izany hoe rehefa tsy ianao sy tsy anao dia mitovy daholo. Dia mihodikodina eo amin'izay ny resaka atao.

Mba misokafaka kely e!
Fantaro ny tontolo hafa akoatra ny tena.

Misaotra anao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079