Taranak'andevo

61. tess ( 21/03/2008 16:30)
ka ny antony nanoratako ani'io anie tsy inona fa tsy hitako izay hanamafisana izany amzao andro izao....mitovy dool ihany, na ny mainty na ny fotsy na ny ngita na ny tsotsoka na ny fohy na ny bota , tsy hita miavaka akory ny andrina .....toa samy mitrongy vao homana ihany wa!
naninona aza izao ny andriana sasany no lasa nanambady vazaha raha izany?????? satria hoe vazaha ve??????:-D tsy naleo samy andriana ihany raha izany......
62. booboo ( 21/03/2008 16:54)
zà manokana tsy hitako mihitsy zay olana raha miteny lé oul hoe andriana na Mainty na hova na andevo. Isan'ny endrika iraika hampitaina @ taranaka fara-mandimby ireo razambe nihaviana sy ny tantaran-dreo io amiko manokana.
63. kelly13 ( 21/03/2008 16:55)
rush>d aôna no ahalalanao oe andriana itsy oul itsy? za zao avy any andramasina, andriana aho sa hova sa andevo?
64. tess ( 21/03/2008 17:04)
booboo: tsy misy olana ny filazàna izany fa ilay hoe tsy maitsy manambady an'izao sy izao anefa tsy hita soritra itsnony izany amin'izao, ohatra hoe tsy maintsy samy andriana no mifanambady ohatra....
dia ireo efa voalaza eo ambony ireo ny ohatra rehetra:°)
65. tess ( 21/03/2008 17:08)
ny tiko lazaina , ilay mbola mitazona sy miziriziry ny fomba taloha anefa raha tena zohina ny fiainana ankehitriny dia cotraire in'izay dool no miseo amin'io resaka io.....kou tsy aleo mikombina ny vava......tsy asina resaka tsony izany.....
66. booboo ( 21/03/2008 17:09)
Tsisy ahafantarana an'zay raha tsy @ tetiharana ihany angamba na hoe malaza tanana nisy andriamanjaka sy ny ankabeazan'ny taranak'ireo aza Andramasina.

Tsy tadidiko intsony hoe manakory ny filaharan'ilay rafitra t@ zany fotoana zany fa sady niova² be ilay izy araka² zay andriamanjaka t@ zany. Ohatra hoe, ny ray tam-po @ tel andrimanjaka no tena navohitra ny fitohizan'ilay maha andriana, dia ny hafa lasa tsizy tsony.


67. tess ( 21/03/2008 17:24)
ka izay indrindra mantsy! tsy lmisy hamatanrana akory hoe andriana ity sa andevo, tsy misy mitsy famatarana io any am copie mpanjakàna any,
dia ilay hoe tsy maitsy manambady andrina rehefa andrina ka raha tssy andrina no azonao fa rehefa miteraka vao fantatrao heo hay hono izy taranaka andevo no loza:-D:-D:-D:-D:-D
amiko betise fotsiny ny filazàna io amin'izao fotoana izao, ...........!!!!:^)
68. kelly13 ( 21/03/2008 17:32)
ary sô d mba andrina aza za ty? :roll::roll::roll: :-D:-D:-D:-D
69. tess ( 21/03/2008 17:34)
:-D:-D:-D:-D zà kou ky de tsy lmahalala anzany! mety andrina kou zay knou! na nadevo tsy hay tsy hay:-D:-D:-D
70. kelly13 ( 21/03/2008 17:46)
:-D:-D:-D
71. kiadi ( 21/03/2008 21:37)
ilaina ny identité , ny fihaviaana fa tsy entina hireharehana zany
72. hery ( 22/03/2008 00:11)
Ny tena nolazaiko voalohany dia hoe tokony mijanona ho identité sisa ny maha andriana sy ny maha andevo, fa tsy hoe statut intsony. Tsy misy intsony ny hoe ny taranak'andriana dia ambony noho ny taranak'andevo.

Ny taranak'andriana sasany amin'izao fotoana izao mantsy, io ilay lazaiko hoe tery saina, dia mbola mieritreritra hoe ambonin'ny taranak'andevo izy. Ary ny taranak'andevo koa dia mbola mieritreritra hoe ambany razana izy. Adalan'ny taranak'andevo mbola manaiky ambanian'ny taranak'andriana.

Raha hoe izay miditra eny Ambohimanga, tsy blem amiko. Eritreretiko ohatran'ny tranonareo andriana izany eny, dia tsy miditra fotsiny aho. Ohatry ny hoe tsy tafiditra any antranoko rehefa tsy tiako hiditra any, na andriana na andevo na hova. Tsy olana izany satria izay tian'ny tompontrano atao.

Fa raha amin'ny toerana itambarana no misy milaza hoe izahay manana zo hanao an'izao satria izahay andriana, na hoe izahay tsy manana zo hanao an'izao satria izahay andevo... dia tena tsy izy mihitsy. Tsy manome zo mihoatra intsony ny maha andevo sy maha andriana.

Ny ahy rehefa fopla dia tsy mamely izay na andriana na andevo... ary rehefa fopla dia ambany izay na andriana na andevo.

73. ikaretsaka ( 22/03/2008 00:18)
mitovy hevitra @ hery
74. fahamarinana ( 22/03/2008 06:37)
hery:

Ny ahy rehefa fopla dia tsy mamely izay na andriana na andevo... ary rehefa fopla dia ambany izay na andriana na andevo.



:arrow:mitovy hevitra tanteraka amin'ny hery koa aho .(l)
75. ni81 ( 22/03/2008 07:22)
hoy tess
ka izay indrindra mantsy! tsy lmisy hamatanrana akory hoe andriana ity sa andevo, tsy misy mitsy famatarana io any am copie mpanjakàna any,

Nisy taloha t@ copie kah! T@ kopian'i bebenay mbola hitako nisoratra tsara teo (teraka t@ 1918 izy fa efa maty zao).

Manohana ilay hevitry hery koa aho.

Fa ity misy resaka mampihomehy. Nisy olona izay raha vao mahita an'ilay lehilahy malaza tao dago @ gazety, tonga dia miefonefona mihitsy miteny hoe: io indray ilay andevolahy ity:roll:, nefa tsy nanana izay nananan'io olona io akory izy na dia pitiny aza:lol:, fa dia inona, fankahalana fotsiny hoe izy andriana fa ilay andevo toa hita foana @ gazety ary nalaza mihitsy t@ 2000 tany ho any:lol:
76. tess ( 22/03/2008 08:18)
ni81: ka hoe izy taloha izany, any am kopie nao ngah mboola misoratra hoe taranak'andriana ianao?????????
ka aiza no hamantaran'i ilay olona mbola miziriziry hoe tsy mahazo manambady afa tsy ataran'andrina ny zanako sy ny zavikeloko ohatra,
izay no tiko lazaina.....
amiko fitiavana te hiresaka sy hirehareha fotsiny hoe andrina e! izao e! fa tsy de hitako intsony no ilazàna ity karazana betise rehetra ity.....
afak miteny ny razambe nipoirana inao, fa tsy mbola amzao fotoana izao ny hilaza hoe ny andrina tsy maitsy izao satria izao.....
77. rush ( 22/03/2008 11:38)
manamafy ny lazaiko aho:ny andriana tsy manambany ny hafa, mitovy ny zo,ny nipoirana no resaka, tsy mamafa ny maha-andriana ny toerana hiainana toy zany koa momba ny asa atao,ny fahendrena no iankinany fiainana,misy kosa ny fomba tsy adino, tsy zao aho no hanova satria mipetraka lavitra ny tanindrazana,tsy mirehareha koa @ maha- andriana, dinika no ataotsika, fanazavana no omena ary tsy misy tokony maha-tohina zany,
78. tess ( 22/03/2008 11:59)
mazava ho azy tsy misy tokony maha tohina fa samy manome ny heviny ko!
ny fahitako ny foto-pisain'ny andriana amin'izao andro mederne izao dia nivadika ho fanavakavaham-bolonkoditra ilay izy! ary hita taratra ety ivelany izany, rehefa mainty ilay olona dia tsy atao namana, rehefa ngita volo dia tsy azo akekezina.....misy ihany koa ny fanambanaiana ankolaka, hita taraka amin'ny fiainany andavan'andro izany fa tsy ny eto amin'ny forum akory no ahitàna izany....amiko izany aloha tsy fahendrena ary lasa fomba tsy dia mahobmy loatra,
....ataoko hoe hita taratra mirehareha na tsy aseho direkta aza izany,
79. naughtyboy ( 22/03/2008 12:44)
mitovy hevitra @ tess,nivadika ho fanavakavahambolokoditra ilay saranga rafitra nifampitondrana noho ny fandalovany frantsay,reny le antsoina oe racisme naparitaky ny mpanjanaka n'aiza2 t@ taonjato 20 t@ kontinanta samihafa(afrika,azia, amerika,aostralia,eropa atsinanana..) ka de mifamono mihitsy tsy noho ny amaroany basy fa ny hevitra tsy mitovy @ firazanana(ethnic cleansing)
tsisy lasa lavitra reny firenena reny fa nihemotra ny toekareny noho ny adilahy(zarazao anjakana ze mahomby toko)
80. ni81 ( 22/03/2008 13:08)
hoy tess
ni81: ka hoe izy taloha izany, any am kopie nao ngah mboola misoratra hoe taranak'andriana ianao?????????
ka aiza no hamantaran'i ilay olona mbola miziriziry hoe tsy mahazo manambady afa tsy ataran'andrina ny zanako sy ny zavikeloko ohatra,
izay no tiko lazaina.....
amiko fitiavana te hiresaka sy hirehareha fotsiny hoe andrina e! izao e! fa tsy de hitako intsony no ilazàna ity karazana betise rehetra ity.....
afak miteny ny razambe nipoirana inao, fa tsy mbola amzao fotoana izao ny hilaza hoe ny andrina tsy maitsy izao satria izao.....

Tsy misy @ copie-ko e! Mitovy hevitra aminao aho @ reo rehetra ireo, satria efa mifangaro ny rehetra ankehitriny e! Ary ireo olona tena mandrara no tena mahazo ny tsy zakan'ny sainy an!
Aty andafy aloha dia tena sarotra ny ahitana andriana ho vadiana izany e! raha tsy hoe efa mifamandrika dieny mbola kely angaha ny ankizy. Ny vazaha no toa tena feno aty koa:lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2844