Taranak'andevo

41. fahamarinana ( 21/03/2008 08:27)
kiadi:
iza no tena tompon'ny madagasikara?
ny valiny de tsika malagasy rehetra tsy hakanavaka!



:arrow:Mitovy hevitra tanteraka amin'ny Kiadi aho ary na tsy resaka andevo sy andriana sy hova fa na samy isika malagasy rehetra aza dia ahitana olana foana mazana nohon'ny fahateren'ny saina sy tsy fahalalana ary tsy fiezana manantona ny hafa ihany koa.Ary marina tokoa fa azo atao tsara ny mitazona ny identité-ny tsi 11 :fa tsy manambony tena dia tsy manambany ny hafa koa.(l)
42. naughtyboy ( 21/03/2008 10:06)
tsisy nisafidy ny RAR zany ko nizaniza e,otrany karazana brand sisa fotsiny @ zao oe oh.za taranaky andriamasinavalona na hovalahy na andevo avy atsy..
sarangampisainana isokajina ny hafa ny firazanana ary fitaovana nahomby nampiasainy mpanjanatany(zarazarao anjakana) ampisaraka ny malagasy,amiko de mitovy daoly tsisy akanavaka ny ts1.1 ny toetsainy ihany no maha andrina na andevo azy avy eo
43. rush ( 21/03/2008 12:08)
ra nanamarika ianareo dia ny olona taloha no tena mitazona ny maha-andriana fihaviana,zahay notezaina t@ zany,tsy namorona zahay, io foana no natao tao andoha refa hanambady, sy naka namana taloha, tsy maintsy andriana fa voahozona ra manambady hova na andevo,zahay mahalala fa tsy mahazo miditra ao @ lapa etsy ambohimanga zao ra tsy andriana, misy mpiambina mitsy eo de mampitandrina ny mpitsidika ny lapa,zahay zany taloha tsy mitondra olona tsy fantatra fiaviana any,zany oe ny havanay ihany no entinay any sy reo namana fantatra fa andriana, nisy fahadisoana ve zany?zay no nitezaina de arahina,ny taranaka zany afarana tsy hanambady hafatsy andriana,ny fijerinareo an'io?????
44. rush ( 21/03/2008 12:11)
misy adino tsy milevina ao @ fasandrazana zay tsy andriana,ny taranaka taty aoriana dia maka sy mampakatra zay tiany, tsy misy mahadiso azy,fa refa maty de any @ fasany any no milevina,efa hifanarahana alohany mariazy io,
45. radjery ( 21/03/2008 12:20)
atao aoana mo ra ny ray aman-dreninareo no kely saina sy tsy nahay nitaiza, fa ny tena loza dia ireto zanany koa dia nanaraka anjambany manoy an'izany amin'izao andro efa mazava izao:?
46. fahamarinana ( 21/03/2008 12:29)
:arrow:eny na fitaizana aza raha hita fa tsy mety na tsy ampy na mivaona dia azo amboarina ihany,raha ny hevitro aloha io !!!Fa mila mahatsapa ilay olona.Raha tsy tsapany moa dia zay zany,akory atao baba!!!:cry:(l)
47. rapala ( 21/03/2008 12:32)
radjery: marina miintsy io lazainao io. Amiko izany raha manaraka ambokony fotsiny ny taranaka aty aoriana dia mazava ho azy ny fahateriny saina.
Atao in olona toy izany?
hoy i naughtyboy
amiko de mitovy daoly tsisy akanavaka ny ts1.1 ny toetsainy ihany no maha andrina na andevo azy avy eo

=D=D
48. rush ( 21/03/2008 13:26)
tsy fahatere-tsaina zany fa nohon'ny maha-andriana anay,any madagasikara dia mbola mitazona izany ny andriana rehetra araka ny voalaza etsy ambony,tsy fanarahana ambokony koa zany,fitaizana zany,dia tery saina zany reo olona mamoaka ao @ chrono oe lasana ny andriana ra-anona aminareo?ra tsy andriana tsy mafantatra an'zany,mandehana ianareo any ambohimanga ra tafiditra ao ra tsy andriana aza,tsy famboniana @ asa nymaha-andriana, samy mahavita daolo na iza na iza,ianareo koa tsy mahatakatra ny tantara zany, aza ambaniana ny firazanan'olona fa tsy mety koa,araka ny filazan'i nauth moa na andriana na andevo ka tsy manana toe-tsaina hendry dia tsy mety daolo,ny fiaraha-monina no tsy manavaka fa ny firazanana no samy manana ny azy,tsy manambony tena ny andriana ary tsy manambany ny andevo koa,
49. patrick2002 ( 21/03/2008 13:30)
ny maha-tsikaiky ahy dia t@ taon-jato faha 18 sy faha 19 ,dia ny andevo gasy no nalefa naondrana nakany am-pita ,niasa t@ champs de canne a sucre tatsy la reunion sy maurice ary seychelle ,nisy nalefa nakany amerika fa tsy naharitra satria kely aina ny gasy mioatra ny afrikanina .
Amin'izao fotoana izao ireo milaza fa taranak'andriana indray no mihazakazaka mipetraka aty andafy.:-D:-D:-D
50. radjery ( 21/03/2008 13:43)
rush:
tsy fahatere-tsaina zany fa nohon'ny maha-andriana anay,any madagasikara dia mbola mitazona izany ny andriana rehetra araka ny voalaza etsy ambony


rush:
dia tery saina zany reo olona mamoaka ao @ chrono oe lasana ny andriana ra-anona aminareo?


ny andri-dreraka no mbola manana ireo toe-tsaina lazainao ireo, satria izay sisa no azony anamboniana tena fa amin'ny lafiny ara-tsosialy izy ireo dia mitovy amin'y betsaka sy bobaka
mahafantatra fianakaviana maro aho any dago taranak'andriana fa tsy misy manana izany toe-tsainao izany, na misy maty aza tsy misy an'io resainao io ny filazana manjo
ny tapany ihany no mikobana:°)
51. penina ( 21/03/2008 14:28)
rush:
mandehana ianareo any ambohimanga ra tafiditra ao ra tsy andriana aza

tsy azo

toa mahazo mankany daholo :-D

rush:
io foana no natao tao andoha refa hanambady

Ary ny vazaha ve andriana tamin'ny nitaizana anareo? Dia raha manambady vazaha dia mahazo miditra fasan-drazana?

rush:
ny taranaka taty aoriana dia maka sy mampakatra zay tiany, tsy misy mahadiso azy,fa refa maty de any @ fasany any no milevina,efa hifanarahana alohany mariazy io

Izay fasana ilevenana avy ve no hanakanana ny fahafahana amin'ny fahavelomana. Tsy olana io, manamboatra fasana dia vita.

ra nanamarika ianareo dia ny olona taloha no tena mitazona ny maha-andriana fihaviana,zahay notezaina t@ zany,tsy namorona zahay, io foana no natao tao andoha refa hanambady, sy naka namana taloha,

rush angamba tsy antitra noho i dadabenay sy ny RAD-ny. Fa ireo lalàna ireny mihitsy no nikomiany tamin'izany. Ary tsy nanenenany ny nanapaka ny fihavanana tamin'ny "andriana". Izahay taty aoriana mbola faly (eny eh, misy tsy faly ihany, fa ny ankamaroany faly), tamin'izany. Izao izahay mahazo miaraka amin'izay tianay. Mahazo mihinana kisoa. Mahazo minamana amin'ny olona rehetra.
Dia ihafio eo izany ny maha-andriana fa aminay efa nilaozan'ny toetr'andro izany.

Amin'ny lafiny iray indray. Amin'ny resaka fahasalamana. Fantatra fa vitsy ny andriana. Ka eo amin'ilay lova tsy mifindra, ny "gene recessif" mivoaka aby.
52. penina ( 21/03/2008 14:30)
ps: tsy mila manatitra tantely intsony :-D
53. rush ( 21/03/2008 15:08)
ny andriana minana kisoa ka,fa ra nandritra ny 50 taona ve io no nitezana anao d afaka miova tampoka satria lasa aty andafy ianao?zà tsy manavaka fa ny fitezana mitoetra,ny zafikeliko ngamba mety hanambady zay tiany refa lehibe ry zareo,zà aza mbola mieritreritra oe tsy avelako manmbady vazaha zany ny zafikeliko,retro b ngamba zà fa asa mety hiova aho tsy fantatro,
54. tess ( 21/03/2008 15:12)
hummmmmu mba gaga indray aho,
misy zandriko faravavy izay!
nanambady izy de andriana hono ny vadiny
anefa izahay tsy andrina, tsy haiko akory hoe inona....tsy mivakl amzay niforononana tany
ka nahoana aza ilay zandriko nalain'ilay bandy atao
hoe andrian andriana ity vady.....
de aiza ilay andrina amizany, hoe tsy afaka manambady olona afa tsy entre samy andrina:-D
55. penina ( 21/03/2008 15:16)
lol
Fa andriana avy aiza koa ary izany. Hatramin'ny oviana no nahazo nanota fady ry tony eh?
56. tess ( 21/03/2008 15:18)
ka zà mba gaga.....andriana ah andriana,:-D:-D
izahay aloha tsy andriana izany e! kanefa de nalainlay bandy hoe andrina vady mahitsiny ity zandrinay......de andriana manao ahoana izy izany....
57. tess ( 21/03/2008 15:58)
penina: ny tiko lazaina eto dia efa nilaozan'ny toetrandro araka ny voalazanao ny resaka andriana, satria io ohatra nomeko io defa manazava izany:-P
58. tess ( 21/03/2008 16:05)
rapala:

radjery: marina miintsy io lazainao io. Amiko izany raha manaraka ambokony fotsiny ny taranaka aty aoriana dia mazava ho azy ny fahateriny saina.
Atao in olona toy izany?
hoy i naughtyboy
amiko de mitovy daoly tsisy akanavaka ny ts1.1 ny toetsainy ihany no maha andrina na andevo azy avy eo

=D=D


:-D:-D:-D:-D marina mitsy....samy mitrongy vao homana dool ihany izao, de mitovy tanteraka tsy misy samy hafàna mitsy ny rehetra.....izay mahay mampandroso ny fiainany ihany no tena miavaka amini'zao....fa izay resaka andrina eh! andevo eh! .....pffffff



59. tess ( 21/03/2008 16:18)
rush:

ny andriana minana kisoa ka,fa ra nandritra ny 50 taona ve io no nitezana anao d afaka miova tampoka satria lasa aty andafy ianao?zà tsy manavaka fa ny fitezana mitoetra,ny zafikeliko ngamba mety hanambady zay tiany refa lehibe ry zareo,zà aza mbola mieritreritra oe tsy avelako manmbady vazaha zany ny zafikeliko,retro b ngamba zà fa asa mety hiova aho tsy fantatro,
zà aza mbola mieritreritra oe tsy avelako manmbady vazaha zany ny zafikeliko,retro b ngamba zà fa asa mety hiova aho tsy fantatro,


:?::?::?::?::?::idea:


60. rush ( 21/03/2008 16:25)
ny andriana tsy midika oe fananana harena akory, io no tena mahadiso ny hevitra eto,ny firazanana no andriana na andevo,tsy misy idiran'ny andriana reraka,ny firazanana tsy ho reraka mandrakizay akory, mety adino izy,ny lehilahy andriana no mety tsy hampakatra andevo( mainty sy ngita),fa ny vehivavy dia lasa foana zao,ny akizy aty aoriana no lazaiko eto,vakio ny fanazavako etsy ambony ry tess fa tsy misy fifandraisan'ny toe-piaina sy ny firazanana,samy mianatra, miasa, mikaroka daolo,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2763