Taranak'andevo

21. penina ( 20/03/2008 16:01)
Fa raha resaka ankehitriny indray dia malahelo aho milaza aminareo fa mbola betsaka ny olona milaza hoe andriana.
Ary tsy hoe tsy mamely izany ry zareo. Fa misy namako izay tena mahay be mihitsy. Nefa izany tena manavakavaka.
22. ikaretsaka ( 20/03/2008 16:06)
toa tsy resaka Imerina ihany no misy andiana sy andevo fa le foko rehetra erak'i M/kara mihitsy koa
na izy samy andevo aza msiy ny andevo ambony sy andevo ambany.
fa ny anarana fotsiny no samihafa ny fiantso azy.
ohaza (azafady raha misy sakalava sy bara) fa ry zareo samy sakalava sy bara aza misy hoe ity sakalava ambony dia ity sakalava ambany
fa ry zareo Imerina mao ro tena nalaza ka de...

anisan'ny maha taranaka aziatika sy polinezianina antsika hono io resaka caste caste io e
23. kiadi ( 20/03/2008 16:51)
penina:

O ry ireto ah.
Tsy haiko na tsy izaho no tsy naharaka ny tantara fa toa tsy izany no nisian'ny fandevozana tany Madagasikara.
Toa ny sakalava no nangalatra olona voaloha ho amidy amin'ny anglisy. Izany hoe ny anglisy no nanome hevitra momba ny fanandevozana voaloha tao Madagasikara.
Taty aoriana anefa dia nisy ny ady ary resin'ny merina ny sakalava. Ary lasa ny merina indray no nivarotra an-dry zareo tamin'ny anglisy.
Dia iny nitombo iny moa ny fanjakana merina. Dia nianatra ny nampianarin'ny vazaha azy momba ny fanandevozana. Dia iny lasa andriana-hova-andevo iny.


de zah ve no tsy maharaka tantara ko fa ny merina tsy nety naharesy sakalava zany fa niafara t@ fifanarahana ilay izy! sa tsy aiko aloha eh!
24. patrick2002 ( 20/03/2008 17:15)
raha ny fantatro aloha dia tsy nanaiky resy mihintsy ny sakalava ,na natao inona na natao inona sahala @ zava-misy any Irak amin'izao fotoana izao ,misy milaza fa naharesy ny amerikanina ,nefa dimy taona aty aoriana mbola tsy milamina foana i Iraka .
Izany no nahatonga any @ faritra mahajanga iny betsaka tany fady merina ,satria nanao habibiana ny miaramila merina fa tsy nanaiky resy ny sakalava.
25. fahamarinana ( 20/03/2008 17:25)
ikaretsaka:

toa tsy resaka Imerina ihany no misy andiana sy andevo fa le foko rehetra erak'i M/kara mihitsy koa
na izy samy andevo aza msiy ny andevo ambony sy andevo ambany.
fa ny anarana fotsiny no samihafa ny fiantso azy.
ohaza (azafady raha misy sakalava sy bara) fa ry zareo samy sakalava sy bara aza misy hoe ity sakalava ambony dia ity sakalava ambany
fa ry zareo Imerina mao ro tena nalaza ka de...

anisan'ny maha taranaka aziatika sy polinezianina antsika hono io resaka caste caste io e



:arrow:Marina mihintsy io tenin'ny Ika io ,tsy eto tana sy mikasika ny merina ihany fa na ny any am province-tsika rehetra aza dia misy andriana sy andevo ihany koa.(l)
26. fahamarinana ( 20/03/2008 17:33)
kiadi:
de zah ve no tsy maharaka tantara ko fa ny merina tsy nety naharesy sakalava zany fa niafara t@ fifanarahana ilay izy! sa tsy aiko aloha eh!



:arrow:Tsy fantatro koa aloha ny niandohany na ady na inona fa misy tokoa io lazain'ny Kiadi hoe nifanaraka io satria niafara tamin'ny fanambadian'ny mpanjaka sakalava vavy sy ilay Ingahy Andriana.D'ailleurs nisy taranany taty aoriana ary nisy voa-rejeter satria tsy neken'ny Andriana tanteraka na dia Andriana aza ny Rainy ary Andriana sakalava ny reniny.Zay aloha no mba haiko sy reko fa asa na marina tanteraka.(l)
27. kiadi ( 20/03/2008 18:06)
[quote=fahamarinana]


:arrow:Tsy fantatro koa aloha ny niandohany na ady na inona fa misy tokoa io lazain'ny Kiadi hoe nifanaraka io satria niafara tamin'ny fanambadian'ny mpanjaka sakalava vavy sy ilay Ingahy Andriana.D'ailleurs nisy taranany taty aoriana ary nisy voa-rejeter satria tsy neken'ny Andriana tanteraka na dia Andriana aza ny Rainy ary Andriana sakalava ny reniny.Zay aloha no mba haiko sy reko fa asa na marina tanteraka.(l)


marina io lazainao io ! ary ny filaza reny taranak'andriana nanambady foko hafa reny de antsoindry zareo andriana oe ngita volo avo razana

28. fahamarinana ( 20/03/2008 18:34)
:arrow:zany tokoa moa ny dikan'ilay fiteny io? Loza koa zany.(l)
29. penina ( 20/03/2008 18:39)
Diso ary aho eh.

Fa saingy "À la guerre comme à la guerre, tous les moyens sont bons". Rehefa tsy resin'ny romanina koa ny ejipsianina dia nokaotiana i Cleopatre ahafahana mahalala koakoa ny ao. Nefa avy eo ny romanina ihany no nanafika sy nampamono tena azy.
Dia ohatra izay koa. Betsaka ny mpanjaka tao Madagasikara fa rehefa tsy resy dia ampakarina ny zanany vavy.
Nefa avy eo:
fahamarinana:
nisy voa-rejeter satria tsy neken'ny Andriana tanteraka na dia Andriana aza ny Rainy ary Andriana sakalava ny reniny.

Fa ny niafarany dia lasa fanjakana merina ilay izy eh.
30. fahamarinana ( 20/03/2008 18:47)
hery:
Izay no ilazako hoe toa resaka fahateren-tsaina ihany ilay izy. Angamba any aoriana any mba hisy ihany ny taranak'andevo hijoro amin'ny maha taranak'andevo azy.



:arrow:Ekeko tanteraka ilay hoe:faharerentsaina fa tsy izay irery fa ny Andriana koa mba tokony tsy ho manao tsindry be loatra koa na dia efa misy lasa Andrian-dreraka aza.Fa tsy entre Andriana sy Andevo fontsiny anie fa na ny mikasika ny Hova koa aza e.Tokony hiova ny toetsain'ny rehetra dia tsy manao pli vava intsony na za na ianao (ny rehetra no lazaiko eto fa tsy Hery an:lol:) fa arahana asa koa à commencer par tsy manambany olona hoe manao sainan'andevo ary vice versa tsy hiteny koa hoe mba miseho ho Andriana satria mety mi-vexer ny sasany koa e :réciprocité foana dia mitovy ny rehetra,tsy misy ambony sy ambany raha tsy hoe resaka Fananam-bola angaha no isaina sy hanavahana azy sisa :?::?:(l)
31. fahamarinana ( 20/03/2008 18:55)
penina:
Fa ny niafarany dia lasa fanjakana merina ilay izy eh.



:arrow:penina :iny koa tsy laviko mihintsy ary mampalahelo nefa samy Andriana tokoa anie.Pour te dire hoe na Andevo na Hova ,eny na samy Andriana aza na aiza fiaviany dia tokony atsahatra lasy teo ilay fitsinjarana sns fa efa tsy mety :mora lazaina fa sarotra tanterahana ,hevero fa générations firy no efa lasa nefa hatreto tsika rehetra dia mbola miresaka ireo foana.
Na izany na tsy izany dia namako daholo na iza na iza e,tsy mipetraka olana amiko fa ny toetran'ny tsi11 no mety hanakana ahy na hampanitona ahy amin'ilay olona.
-*:-*:-* ho an'ny rehetra.(l)
32. xxx ( 20/03/2008 19:25)
fa zavatra tsy azo lavina alo d misy manao lohan andevo e,na ato am serasera aza,misy tonde manompa b zany nefa enao mba miresaka,
33. fahamarinana ( 20/03/2008 19:35)
:arrow:xxx :araka ilay resaka ataonao angamba aloha no hanopan'olona anao na tsia.Ny hoe manao lohan'andevo ndray dia tsy fantatro :fa toa ny ahoana kay ilay ahafahana milaza fa manao lohan'andevo ilay olona iray ? rehefa manompa zany sa karakory koa ,fanontaniana mba nanitikitika ahy efa ela hoe ahoana no ahafahana mitsara andranona hoe izao na izao ,sns sns...:ao anatiny daholo na Andevo io na Andriana na Hova na zovy (l)
34. ni81 ( 20/03/2008 20:22)
Hoy hery:
Izany hoe efa anarana sisa ilay maha-taranaka fa tsy manasokajy intsony. Lasa identité sisa fa tsy statut intsony.

Koa maninona ny taranak'andriana no mbola mizesta hoe taranak'andriana, ary ny taranak'andevo no mbola malahelo hoe taranak'andevo?

Izay no ilazako hoe toa resaka fahateren-tsaina ihany ilay izy. Angamba any aoriana any mba hisy ihany ny taranak'andevo hijoro amin'ny maha taranak'andevo azy. Tahaka ireo mainty hoditra any Amerika manao hoe "Big, Black, and Beautiful"


Hoy ikaretsaka
toa tsy resaka Imerina ihany no misy andiana sy andevo fa le foko rehetra erak'i M/kara mihitsy koa
na izy samy andevo aza msiy ny andevo ambony sy andevo ambany.
fa ny anarana fotsiny no samihafa ny fiantso azy.
ohaza (azafady raha misy sakalava sy bara) fa ry zareo samy sakalava sy bara aza misy hoe ity sakalava ambony dia ity sakalava ambany
fa ry zareo Imerina mao ro tena nalaza ka de...
35. ni81 ( 20/03/2008 20:23)
Marina daholo ireo voalaza eo ambony ireo fa tsy misy ho kianina
36. patrick2002 ( 20/03/2008 21:17)
Ny ahy aloha dia efa tsipaky ny miala aina no hataony Andrina amin'izao eh! ,na izy aza tsy mahalala hoe andrina avy aiza izy ,misy milaza fa tsy misy andrina ngita volo nefa dia misy dia misy ny andrina mainty sy ngita volo, izay olona fotsy rehetra izao milaza tena fa andrina avokoa ,ka maninona tsy lazaina fa andrina koa ireo mpandoro saribao ao Manjakandrina sy reo vazaha Androrosy mpangataka ao analakely ,na ireo gasy fotsy avy any @ zavim-bazaha ndilambato ireo .
37. vale ( 20/03/2008 21:32)
Ny andevo mora trangitra, izay no mahasamihafa ny andevo sy Andriana, na Andriana mainty io na fotsy, cool eny faona, fa ny andevo masiaka sady mora ragitra,sady mahina tsy enjehina, ao amin'ny saina no voazanaka angamba! aaargh.
38. vale ( 20/03/2008 21:33)
Mora Rangitra fa tsy mora trangitra,:lol:
39. ravatorano ( 21/03/2008 04:59)
vale < sao d hiteniteny foane eto an =))=))=))

ilay hoe ngita volo avo razana dia misy tokoa ary tena marina.Ary marina fa ireo ilay "safiotra" na "metisy":?:andriana merina-andriana tanindrana no lazaina an'izany toy ny taranak'Andrianampoinimerina sy ilay zanaky ny mpanjaka'i Menabe ohatra araky ny tantara ihany izany .

Fa amizao dia efa misy ny fikamabanan'ireo mitonona ho andriana sy taranaky ny mpanjaka teto gasikara zany hoe eraky ny lafivalon'ny osy dia ny jaky mena izany.Fikambanana ra dalana ara panjakana izy io fa tsy dia haiko lmoatra ny tena zava kendreny na ho fanindrahindrana fotsiny ny maha taranaky ny mpanjaka sy andriana azy ireo ihany.

Ny "bemiranga" no fikambanana natao hiaro ny zon"ny andevo" fa niova moa ny fandehany nohon'ny fidiran'io fikambanana io tami'ny raharaha politika na ny tena marina dia noho'ny fanenjehana ny mpikambana maro tao amin'ny amin'ny raharaha politika

Rehefa mijery"necro" ao amin"ny gazety matetika ilay akamako mlay izay dia izao no fiteniny"misy andriana maty indray ato izany an"! :-D:-D:-D

Fiaraha monina io e ! na amizao aza dia maro ny tena manakilasy tena amin'ireo saranga ambony misy taloha ireo ary mbola betsaka ihany koa ny mihevitra fa tena vanona nohon'ireo voalaza fa saranga ambany ry zareo amin'izao taojato iraika ambiroapolo zao :roll:
40. kiadi ( 21/03/2008 08:18)
zany ange eo ihany fa ilaina ilay identité
tokony tsy atao hamenatra ny fihavinao ary tsy tokony hireharehana akory nefa aloha satria io identité io @ zao andro iainantsika zao de tsy azona tombotsoa na kely aza.
raha dinihina ty forum ty de resaka andriana sy andevo no tena betsaka! de ahona zany reo teo ampovoany ? sady tsy andriana no tsy andevo!
de iza no tena tompon'ny madagasikara?
ny valiny de tsika malagasy rehetra tsy hakanavaka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2142