Katesizy?Inona izany? Fan.. sy Valiny... ho antsika rehetra.

61. tywa68 ( 12/03/2008 09:45)
Misaotra an'i ari.malala sy pissoa nanome famintinana ho an'i niryna.:-*



62. fahamarinana ( 12/03/2008 12:01)
:arrow: Za koa toa any tywa68,merci any ari.sy pissoa sy ny hafa fa tena sarotra ny mamaly an'ny niryna fa efa ao an-dohany ny valiny tiany ka tsy afaka mandray ny an'ny hafa.Raha lany andro hifampi-critique ny finoana'ny rehetra dia hitako tsy mety :samy manana ny fombany na ny vavaka na ny rituel sns.

niryna:
Dia tsy nampianarina na tsy nahalala ny fisian'ny satana izany koa hoe misy karazany ny herin'ny maizina dia satana ,demony ary ny devoly? ny fanavahana an'ireo nampianarina koa ve sa tsia


:arrow:fotom-pinoana no nampianarina ahy tamin'izany.Tsy nahatsiaro resaka devoly,demony,satana sns satria lazaiko any niryna fa mbola kely dia kely aho tam izany ka aleo ireo mpampianatra no hamaly ndrao miteniteny foana



niryna:
Dia inona aky fahamarinana no tadidin-dry mba nianarana?
Raha ohatra hoe hivavaka ve izao fahamarinana dia miantso an'iza?
Miteny koa mantsy ny ankizy hoe tsy mahay mivavaka izy?


:arrow:tsy mahatadidy aho ry niryna satria ca remonte à très loin ary efa namaky sy nandalina araka izay tratrako aho depuis.Ny tsy mahay mivavaka aloha dia tsy misy angamba fomba ahazoana milaza fa mahay i ranona na tsia satria araka ny voalazan'ny ari ery ambony ary,samy manana ny fombany fa tsy izay amiko no tena zavadehibe fa rehefa miresaka amin'Andriamanitra.Tam andronay dia vavaka torapo no fanaonay fa tsy miteny toa ny protestant izany.Taty aoriana toa efa miteny ihany izao fa moa ve important izany rehetra izany?(l)
Fanontaniana tokana fontsiny :nanao sekoly alahady ve niryna sa inona no nampianarina anao fony mbola kely,raha afaka mamaly,misaotra!
63. ikaretsaka ( 12/03/2008 13:55)
momban'ny vavaka averimberina>
-Rainay any an-danitra averimverin'i niryna
-ny amen
-ny andalana samihafa ao anaty baiboly

de manakory no rehefa ireny dia tsy maninona??:-D:-D
64. ikaretsaka ( 12/03/2008 14:06)
The Catholic Church says that Mary, and saints in general, are a mediator between God and man; whereas, the scriptures reveal that Jesus is the only mediator between God and man


Momban'i Maria: Nodinganin'i niryna indray ilay tantaran'i Jesoa nanova ny rano ho divay tany kana... dia iza no nantonin'ny Mpandroso raharaha tamin'iny?
iza no nanelanelana teo?:-P (jereo ao amin'ny joany ao )
Jesus is not only a mediator.. Jesus is God himsself

Momba ny olomasina sasany:
Adinon'i niryna koa ilay tenini jesoa sady nitsoka izy hoe Raiso ny fanahy masina.. izay tananareo ety an-tany dia voatana any an-danitra ary izay avelanareo dia voavela



Tompo o, T@ alalan'i Maria dia nataonao tonga teto aminay Jesoa nilaza ny hafatrao , @ alalan'i Maria koa dia ampio sy ataovy tonga any aminao izahay sy ny vavakay miaraka aminy (vavak'i Md Dominique)
65. tywa68 ( 12/03/2008 17:55)
Ekeo ny vavakay ry Tompo ^:^
66. ikaretsaka ( 12/03/2008 18:22)
amen (vavaka miverimberina be le amenina fa tsy maninona......:-P:-P:-P)
67. Veloo ( 12/03/2008 19:06)
ny tsiray2 dia samy manana ny fomba fijeriny raha oe fivavahana (religion) rehefa itanao fa afa-po ianao eo @ izay mba fantatrao inona moa no azo atao? zay zany no tianao atao, fa rehefa kosa ianao mahita ary mahatsapa fa otrany mbola tsy ampy dia mikaroka ny tena fahamarinana dia voa maika tsara. Mangataka ny Fanahy Masin'Anddriamanitra mba hanokatra ny fo sy ny saina mba hanaraka an'i Jesosy.

68. ikaretsaka ( 12/03/2008 19:13)
marina.. dia rehefa nohazavainy ny fo sy ny saina dia mianatra ny fika amin'izay fa tsy mazava dia mipitrapitra eo fotsiny..

"rehefa mahita ny lala mazava dia mandeha amin'izay.. fa tsy manjepizepy fotsiny hoe hitako ny lalana.. manjary voahosy eo raha tsy mihetsika

Rehefa samy mahalala fa ny RN7 izao dia tonga any Toliary, dia aoka ho tadidy koa fa tsy ho tonga any Toliary ianao raha tsy mihetsika anefa.... " (Pere Pedro)
69. fijo ( 12/03/2008 21:23)
katesizy =sekoly alahady e.
70. ikaretsaka ( 12/03/2008 23:29)
ka hianatra ihany ve i niryna sa tsia e
71. fijo ( 12/03/2008 23:40)
tsy efa tara ve
72. ikaretsaka ( 12/03/2008 23:53)
never too late e
73. fijo ( 13/03/2008 22:08)
sao dia efa close ny gate ko,izy efa mitory
74. ikaretsaka ( 13/03/2008 22:16)
tsy mbola nanontany an'i piera aho momban'io le la sarotra ny maminany an'io heo close sy open io
75. fijo ( 13/03/2008 22:47)
asa ko,izy efa mitory teny be ko
76. niryna ( 14/03/2008 04:02)
ari.malala:

ka ny an'i niryna anie zavatra efa preconcu no entina amaliana ny olona e! sarotra b ny hiady hevitra aminao, franchement, satria ianao efa manana hevitra hoe izao no voalaza momba ireto olona ireto dia tsy afaka intsony ny handray zavatra hafa ambaran'ny olona ny fonao sy ny sainao... ohatra ftsn zao momba an'i Masina Maria, efa im-piry nilazana ianao fa voalaza ao anaty baiboly anie ny maha renin'ny zanak'Andriamanitra azy e! tsy y anjely ve no nilaza taminy t@ fahatongavan'ny Teny ho Nofo hoe 'ary ny Masina aterakao dia hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra'? ka izay ilay Avo indrindra resahina eto tsy Andriamanitra ve?

izay no fomba fitsaranao azy dia izay ka,miteny aho fa na izany aza aza arahina ny hevitro ,hianareo efa noresahina ,taona an-jatony maro lasa fa tsy misy maharatsy ny fanajana an'i Maria,fa ilay izy ataonareo fitaovana hanelanelanana an'ATra no resahiko eto,ary maro ny ankizy no manomboka mino,raha tsy isika no hanatona an'Atra,dia tsy ho tonga ato amintsika ny fanahy masina,ary dia hidohika lava isika.
Tsy maninona ka,mahazo mihazona ny fivavahana an'i Maria hianareo(pisodia izahay mandra-pahafatinay.)
ie, ny teny voasoratra dia marina toy ny teny nomen'i hery fa ny fanontaniako moa ve manaraka an'izany hianareo?
niryna:
..
Christ is the mediator between us and God
na Kristy no mpanelanelana antsika amin'ATra
^:^
ikaretsaka:
who is the best mediator between us and Jesus? [b] hmm? :wink

Jesosy no nanao ny miracle fa tsy Masina Maria.. marina fa tsy mpanao miracle izy fa izy mpiteny sy mpivavaka ary mpiteny any @ zanant hanao miracle ary nataon'ny zanany izay nangatahiny !

ho an-dr'ikaretsaka dia mbola misy [b]mpanelanelana hafa indray hono e,dia i Maria izany eo amintsika sy i kristy
dadany indray izany fampianarana hafakely izany fa tena mbola tsy nahita toy ity aho k'ty ? :roll:

dia mbola nanaraka an'i kristy foana izany Maria nanoro hevitra Azy tamin'ny fahagagana rehetra nataony?

dia ahoana no hevitrareo amin'io ,tsy midika ve izany fa i Maria no miteny dia mivavaka dia Kristy no manao an'ilay miracle =))
io izao dia milaza avy hatrany fa mpanelanelana araka ny nitenenin'ika i Maria
Io izany ry ireto hono a,misy mpanelanelana ny andry zareo dia misy mpanelanelana an'Atra irery ny antsika dia i kristy a.
niryna:

raha izy no lalana nahoana no mbola mitady mpanelanelana ihany?
"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay ,izay mino Ahy dia tsy mba ho faty fa hanana fiainana mandrakizay"
hmm aleo aloha aho andinika lalina fa tena misy lalankafa izy izany =))


77. Rasiligaoma ( 14/03/2008 04:10)
niryna:
Christ is the mediator between us and God
na Kristy no mpanelanelana antsika amin'ATra


Mahagaga:
ireto ary mba valio franchement

***Kristianina ve i niryna? Eny?

1) aminao: iza i i Kristy ary?
tsy Andriamanitra ve? Andriamanitra o?
**dia raha jerena ny lojikan'elanelanao: Andriamanitra elanelanin'Andriamanitra izany?

2)dia tsy mitovy lenta izany ny trinite aminao : Ilay Andriamanitra Ray zanaka sy Fanahy masina??

3)ahoana kay ny fandraisanao ny Trinitologie Kristianina raha tena Kristianina ianao?

Mba hazavao azafady!
Misaotra!

78. niryna ( 14/03/2008 04:23)
tywa68 :
pissoa : loza loatra ny toetrany...

niryna : efa hoe efa voavalin'i Fody sy Rasiligaoma ireo ny fanontanianao, fa aza mitady lavitra. Hampiova inona aminao ny valiny homen'ny namana hafa ? samia mitàna ny finoany d samy ho tahian'i Tompo e.

tsy loza aho ka,mba mizara ny zava-misy aho fa maro ireo ankizy nilaza fa tsy mitovy ny fampianarana natao,dia ireo fa mivandravandra tsikelikely ireo.
Mety tsy hino hianareo, tsy maninona saingy tadidio fa ny baiboly no fototry ny finoana ka aiza no hiteny hoe samia mitana ny finoany,ny anay Kristy irery ihany no hinoanay ka,ny anareo angamba mbola
misy hafa :D
tywa koa izany mandrehitra labozia dia mandohalika eo anoloan'i Maria rehefa hivavaka ao an-trano?
Mba valio azafady,eny ve sa tsy misy an'izany?
Dia miantso an'i Maria raha hanomboka hivavaka?

Io no Atra nivavahan'ireo babiloniana "queen of heaven"
Praying to Mary

"Thou shalt not make unto thee any graven image, or any likeness of any thing that is in heaven above, or that is in the earth beneath, or that is in the water under the earth: Thou shalt not bow down thyself to them, nor serve them: for I the LORD thy God am a jealous God..."

(Exodus 20:4-5):arrow: vakio ny Eksodosy 20:4-5
Tsy mahazo manao sarin-javatra ny mitovy amin'izany ka hiankohana na hivavahana na iza izany na iza ..

We are forbidden from praying or even bowing to any type of image or statue.] The Catholic religion centers around breaking God's commands, especially the 2nd commandment not to bow to an image (Mother Mary). It is a sin to bow to an image of Mary, whether you pray to her or not.
:arrow: dia io izany misy manambara fa miankohoka amin'i Maria ny olona . hmm


enga anie ity sujet ity tsy hiletika any ambanin'ny
rangolahy indray
79. niryna ( 14/03/2008 04:43)
Tsy fantatro aloha ireto sary ireto na manao inona na manao inona e'




80. Rasiligaoma ( 14/03/2008 04:45)
ay forbidden ve ny miondrika eo alohana baiboly?

ikaretsaka:
Raha voarara ny sary dia ahoana indray ary i niryna momba ireto voalaza ireto.

Momban'ny fiaran'ny Fanekena (arch of convenant) tsy i Atra mihitsy ve moa no nikomandy hoe ohatran'izoa ny ataovy paoziny??

Ny Momban'ny Kerobima sy serafima (1Mpankaka 6:23-28, 7:23-26, Ekosody 25)


dia raha dinihina.. raha indray anjara i andriamanitra nefa avy eo mikomandy indray ny hoe izao ataovy, dia ahoana?? ????


io koa mba valio azafady

Aza izay tiatiana ihany tompoko o!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0514