SERA : mandria ampiadanana ianao !

81. Veloo ( 04/03/2008 18:11)
Fiffi [ Valio ] 04-03-2008 14:52:15
Lohateny : Re : SERA : mandria ampiadanana ianao !
Tena mamaky fo ny mijery ilay sary .....tsy hita zay lazaina fa..
misaotra akia sasa an !
Hoy i ANARIM:
mampi te hiteny hoe miangatra Andriamanitra....

non akia ANARIM an ! tsy Andriamanitra no miangatra fa ny olona no ratsy....fa hivavahana ry zareo.


marina mihitsy izany ry Fiffi.

sarotra ve ry reto ny manangana zaza any Dago?
82. sipagasy ( 04/03/2008 20:39)
Mirary fiononana ho antsika rehetra, mandria am-piadanana ry 'sera'.

Veloo vao haingana indray no nisokatra ny fahafahana manangan-jaza any Dago fa dia mila mivonona @ antontan-taratasy maro aloha e!

:-*(l):-*
83. mangidy ( 04/03/2008 22:00)
Maneho ny fiaraha miory @ fianankaviana manontolo, sy ny namana rehetra.
Mitrotro amambavaka ny ankohonany, indrindra ilay kamboty kely; Andriamanitry ny fiadanana anie ameno ny banga ao @ ny Fianankaviana.
Mandria ampiadanana sera.
84. fijo ( 04/03/2008 22:29)
izay vao tsaroako ilay namana.tena lasa mampatahotra tokoa izy izany.
dia mirary ilay zanany ahery sy hiatrika ny fiainana ny tena ary mirary azy ,mba handry ampiadanana.
dia aoka isika hitandrina sy ho mailo fa tena miha ratsy izany fiainana izany
85. Veloo ( 05/03/2008 03:47)
Veloo vao haingana indray no nisokatra ny fahafahana manangan-jaza any Dago fa dia mila mivonona @ antontan-taratasy maro aloha e!


misaotra aky an:-*:-*
86. sasa ( 05/03/2008 04:26)
fijo banga be lesy za nilaozany,malahelo fa tsy hita izay atao.

Ilay zaza aloha tsy mbola fantatra izay hitaiza an'azy na ny rahavaviny na ny dadabeany fa ho fantatsika miandala eo ihany,mino koa za fa raha hisy olona hafa hanangana an'ilay zaza d tsy homen'ny havany mihinty.
87. naritsimba ( 05/03/2008 04:59)
sasa>>> tena azoko an-tsaina ny alahelonao, nefa ataovy ao an-tsaina mandrakariva ny voasoratra ao @ Bokin'i Joba hoe: Moa va ny tsara ihany no azontsika avy amin'Andriamanitra, tsy ny ratsy ihany koa.
Io dia mampahafantatra antsika fa ny olona tsirairay dia efa manana ny lalana voasoratra ho azy ary tsy misy afaka miala @ izany. Isika dia mihevitra fa ratsy ny mahazo antsika olombelona, nefa Andriamanitra nahary antsika dia mihevitra izay mahasoa antsika araka ny teniny hoe: Ny lalako tsy lalanareo, ary ny fihevitro tsy fihevitrareo, hoy ihany koa ny SM hoe: Aza manahy ny ampitso fa aleo ny ampitso no hiahy azy.
Tsy midika akory izany hoe aza mihevitra ny ho avy, fa kosa mitarika ny saintsika hanao ny TSARA mandrakariva.
Ireo voalaza ireo dia natao ho antsika rehetra ato amin'ny namana serasera na iza na iza, na inona finoany, na inona fisainany, dia tsarovy fa efa voasoratra ny lalana izorantsika rehetra velona eto an-tany.
Mahereza ry namana rehetra.
88. ravatorano ( 05/03/2008 05:13)
misaotra antsika namana rehetra naneho ny firaisana sy fiarahana miory amin'ny fianakaviana,misaotra ihany koa ireo izay mbola hanatriak ny fandevenana izay atao androany .Ny razana moa dia hiala eny Tsarafara Sabotsy Namehana anio amin'ny roa amby folo atoandro ary hapetraka eny Ambatobe anio ihany !
:cry::cry::cry:
89. ravatorano ( 05/03/2008 05:28)
azafady fa adinoko ny nametraka ilay fiangonana :
mila amin'ny 12 ora eny sabotsy namehana ny razana ary dia entina ao amin'ny fiangoanan FMTA Ambatonakanga eo akaikin'ilay mosqué io ary avy eo dia hapetraka eny Ambatobe.
:cry:
90. ravatorano ( 05/03/2008 05:31)
azafady fa adinoko ny nametraka ilay fiangonana :
mila amin'ny 12 ora eny sabotsy namehana ny razana ary dia entina ao amin'ny fiangoanan FMTA Ambatonakanga eo akaikin'ilay mosqué io ary avy eo dia hapetraka eny Ambatobe.
:cry:
91. ANARIM ( 05/03/2008 05:44)
ravatorano : misaotra, misy fandaminana v isika sa samy manao ze atongavany sns hatreny am fasana???
naritsimba : te ho eo akaikin'elà b zà zany, mangovitra zà leisss....
92. Darlin ( 05/03/2008 05:56)
Tena mampalahelo koa izany vao² izany fa dia mirary fihononana ho an'ny fianakaviany ny tenako.

Ary dia handry ampiadanana anie i SERA.

93. Angie ( 05/03/2008 06:01)
Misaora @ zavatra rehetra hoy ny teny iray ao@ baiboly izay tena entiko eo @ fiainana andavan'andro.
Zao no lahatr'Atra ka isaorana izy nanome ny zanany Sera hiaraka @ fianankaviany,ary koa ireo namany nandritry ny 30 taona. Nandalo ihany izy teto dia nandao antsika fa mbola hihaona koa anefa. Izany no fanantenatsika koa dia mirary fampionona feno ny fianankaviana sy namana rehetra.

Ny zavatra toy izao no hahitana fa misy ny fitiavana ary atao ihany koa hisaorana @ ireo tombon'andro azontsika ka tokony entina hanaovantsoa.

Misaotra ireo namana afaka misolon-tena any antoerana.

Mahereza daholo
94. ANARIM ( 05/03/2008 06:13)
Angie : :cry::cry::cry:
95. tianalove ( 05/03/2008 08:05)
te hitomany b za!!!!!!!:( surtout mahita le sarin\'izy mianaka. Le pauvre :cry: efa tsisy ray mbola lasa kou ny reny
96. Dmon ( 05/03/2008 09:09)
otrany tsy maintsy hanoratra kely ihany aho.
Nahita ny sary za vao nahatadidy! gravy be kle, sady en plus novakiako iny gazety iny.
tsita ze tenenina eh! mirary fiononana ho an'ny fianakaviana manontolo!
misaotra ny namana rehetra nisolo tena eh.
97. nirijimka ( 05/03/2008 09:54)
sera aaaaaaaaaaaaaaaaaa! Veloma
98. yonikafopl ( 05/03/2008 10:04)
Raha mba misy maheno vaovao momba ilay nahavanona ny loza de mba lazao anay eto ihany.

Ho tsara levenana anie i sera, dia mba handry ampiadanana.
99. mitia04 ( 05/03/2008 11:21)
tsy itsahatra hivavaka ho an\'ilay zaza aho!
Mirary fiononanan feno ho an\'i fianakavian\'i Sera na d tsy fantatsro tsara aza izy
100. ari.malala ( 05/03/2008 12:33)
avy namoaka faty ny tenako fa mahaontsa ry reto ny maita ilay zaza a! tena ts tana ny ranomaso e! ary mbola mavesatra dia mavesatra ny fo eto am-panoratana, fa dia miezaka mitraka moa ary mapahery antsika namana rehetra! Izay no fotoana nilàn'ny Tompo azy tety an-tany hoy ny Pastora nitondra ny teny tao am-piangonana teo. Maromaro iany izahay no tany, ary maromaro iany koa ny namana lasa nisolo tena antsika mianakavy nanatitra azy any @ fasan-drazany. Handry am-piadanana anie izy ary hitohy hatrany tena firaisam-po sy firaisan-kinantsika mianakavy eto am serasera.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4379