SERA : mandria ampiadanana ianao !

61. sasa ( 04/03/2008 06:46)
Papoose eo indrindra no tena mampalahelo satria tsy mbola fantatra izay hiahy an'ilay zanany lahy tokana kely.
Misaotra anareo namana rehetra izay tonga namangy sy niara-ory, misaotra anareo ihany koa nankahery fa tena namana tokoa.
Banga tokoa ny toerana nialany saingy atao ahoana fa tombon-dalana ny aza fa isika rehetra samy ho any daholo.
62. yonikafopl ( 04/03/2008 07:29)
tena narikoditra za namaky an le we tena simba sy rotidrotika ny tarehiny:cry:

Raha tsy mahadiso, mba misy afaka manazava fohy ve ny antony nahafatesany??
Miala tsiny fa tsy naharaka vaovao
63. sasa ( 04/03/2008 07:43)
Yonika io akia an!

Ambohidratrimo
Rakotra dian'antsy ny fatin'ilay vehivavy


Vatana mangatsiaka na renim-pianakaviana feno dian'an-tsy no hita tao Amparihy Ambohidratrimo omaly vao maraina. Rakotra dian'antsy ny vatany sy ny tavany. Vaky noho ny vely maritoa ny lohany. Faty efa nihosin-drà sy nanomboka namoaka fofona no hita tao an'efitranony omaly maraina.
Mipetra-drery miaraka amin-janany sy ny mpiasa vaviny ity renim-pianakaviana ity. Raha ny fanadihadiana natao dia misy mpivady mipetraka tsy lavitra ny trano misy azy ireo, izay nametrahan'ity mpiasavavy ity ny zanak'ilay ramatoa hita faty, afak'omaly maraina. Niandry ny hakàn'ity mpiasa ity ilay zaza izy mivady ny hariva saingy tsy tonga ity farany. Nantsoina an-tariby ihany koa ny reniny saingy tsy namaly. Nanapa-kevitra noho izany izy ireo fa hanatitra mivantana ilay zaza any an-tranony omaly vao maraina.
Nodomina ny varavarana saingy tsy nisy namaly. Voatery novakiana noho izany ny varavarana ary nanomboka teo an-dalantsara no efa nahitana rà nitete ka hatrany an'efitranon'ny renin'ilay zaza. Mbola nihidy ihany koa ny varavaran'ny efitrano nisy ity ramatoa ka tsy maintsy novakiana. Faty efa nihosin-drà no hita tao.
Raha ny tombatomban'ireo mpitsabo nanao ny fizahana dia efa ny zoma no maty ity renim-pianakaviana ity. Io zoma alina io ihany anefa dia nahare an’ity mpiasavavy ity niantso vonjy ireo fokonolona saingy rehefa nanontaniana ny anton'izany dia nilaza izy hoe nanofy fa tsy misy na inona na inona akory.

Hanitry Ny Aina
Date : 03-03-2008
64. yonikafopl ( 04/03/2008 07:52)
sasa sotra akia , tena mampalahelo tokoa.
65. todisoa2 ( 04/03/2008 08:01)
ravatorano:

Amin'ny alahelo lehibe ary tao anatin'ny fahatairana tokoa no ampandrenesanay mpitantanana sy mpikamabana rehetra ato amin'ny namana serasera dago fa nodimandry omaly i sera (ps ihany io):cry::cry::cry:.
Namana mitsikitsiky sy falifaly lava izay izy ary teny amin'ny fihaonana teny Ambohibao Antehiroka no natrehany farany nefa izy dia mpikambana anisan'ny ireo mazotoa tokoa rehefa misy fihanonana aty.

Ny razana dia andrasana eny Sabotsy Namehana ary ny mpikambana aty dago dia hamangy eny amin'ny talata hariva izao na rahampitso izany.
Ny fotoana hifanovantsika dia amin'ny dimy sy sasany eo amin'ny zaridaina antanimena akaikin'ny poste io izany.Irina ny hahatongavan'ny namana maro !

Mivavaha ho an'ny fanahiny !

Ny birao namana serasera Dago
Ny mpikambanan rehetra amin'ny namana serasera dago
:snif::snif::snif::snif:



mirary finononana feno hoan'ny fianakavina
66. booboo ( 04/03/2008 08:06)
sasa > misaotra t@ sary. Dia mbola mirary fionona feno sy tanteraka ho anao namany akaiky. :-*
67. comptezo ( 04/03/2008 09:52)
MIARA-MALAHELO KO ZA!!!:snif::snif::snif::snif::cry:
68. nirijimka ( 04/03/2008 09:57)
Tena tsy mahita tenenina za!
sipa nilay i Sera, mahate ho tia sy miran-dava! tia namana sy tia ny ankohonany, saingy lasa poa toy izay...
Sera a! ontsa ny foko, malahelo anao ny aiko, lasa ilay akamako! ...
Veloma no atolotro anao, veloma mandrapihaona, tsy ho ela dia hifankahita any isika rehetra! fa omany ho anay ny lalana sy ny toerana.
Misaotra nizara tsiky taminay Namana Serasera Dago!
Hitazona ny endrikao ato amponay izahay rehetra nahalala anao!
Atolotro anao ny :* farany ho mariky ny veloma mbola hihaona!

Mahereza ry izy mianakavy! mahereza fa ... efa sambatra izy, ... efa eo anilan\'ilay Ray mpahary azy, tsy lasa aiza akory i Sera, fa lasa nody any @ ilay tranony izy! ...

ary exceptionellement, HIVAVAKA HO AZY AHO!!!!!!
69. yonikafopl ( 04/03/2008 10:57)
mijery an le sary tena maha ontsa tanteraka mintsy.:cry::cry:
70. menalamba ( 04/03/2008 11:04)
Tena mamaky fo ny mijery ilay sary .Tena mbola tanora sy tsara tarehy ery izy anefa ,dia ,nosomparana.Dia mba ahoana ry ireto ilay zaza à?
71. Papoose ( 04/03/2008 11:15)
Tsy adino koa ny mivavaka ho an'ilay zazakely fa sady mbola kely dia kely no mbola ho lava ny fianana hodiaviny tsy ray tsy reny, no sady tsy mbola mahalala zay atsimo sy avaratra akory.
Inona no azontsika mpikambana azo hatao ho an'io zaza io?
72. menalamba ( 04/03/2008 11:36)
Izaho koa mba mieritreritra izany, anefa maro koa ny zavatra tsara fantarina hoe aiza ny Dadabe sy ny Nenibe any ny iray tampo t@ reniny sns...
73. majesty ( 04/03/2008 12:24)
Merci less sasa @ @ le sary a!
74. ANARIM ( 04/03/2008 12:45)
oupssssssssssss oh mon dieu!!!!
andray e! mampi te hiteny hoe miangatra Andriamanitra....
:cry:^^:(
75. McFy ( 04/03/2008 13:01)
Dia tena mahonena tokoa. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany, fiadanana ho an'ny fanahiny ary fitantanan'Andriamanitra Mahefa izao rehetra izao manokana ho an'ilay kamboty reny.
Mankasitraka ny anareo namana izay nanefa adidy nanoloana izao voina izao.
76. Fiffi ( 04/03/2008 13:52)
Tena mamaky fo ny mijery ilay sary .....tsy hita zay lazaina fa..:(:(
misaotra akia sasa an ! :-*:-*
"ANARIM":
mampi te hiteny hoe miangatra Andriamanitra....
non akia ANARIM an ! tsy Andriamanitra no miangatra fa ny olona no ratsy....fa hivavahana ry zareo.
77. ravatorano ( 04/03/2008 13:56)
io izy mianaka :

[URL=http://yoopix.org/photo/1/23255-dsci0023_c.jpg][IMG]http://yoopix.org/store/TM_0_23255-dsci0023_c.jpg[/IMG][/URL]
78. Fiffi ( 04/03/2008 13:57)
:snif::snif::snif:
79. ikaretsaka ( 04/03/2008 17:13)
ravatorano:

gravy tena gravy ilay izy e :cry::cry::cry:
tsy afa manoatra fa efa izay no anarany

miandry izay vokatry ny ankety isika rehetra ary mino aho fa tsy maintsy hipoitra tsy ho ela ny manodidina ny nahafaty an'i sera iny !

raha ny hevitro za manokana aloha momba ireny toe javatra ireny dia ankasitrahako tanteraka ny peine de mort avy dia miatra avy hatrany raha voamarina fa tena nanao ilay heloka ilay olona indrindra moa fa nibaboka ! avy dia vitaina mihitsy ny momba azy !:twisted::evil::evil:
fa tsy hoe heloka ibaboana mody rariny :x:x:x:x

za kao efa ela no nankasitraka ny peine de mort raha cas ohatran'izao kosa

80. dadie ( 04/03/2008 18:08)
Indro ary misy sary nahitana azy farany tamin'ny fihaoana teny amin'i dadie ary efa nangatahana moa ny fahazahoan dalana tamin'ny fianakaviana momba izay ary ialana tsiny amin'ireo namana ihany koa izay miaraka aminy amin'ity sary ity :



Inona no azontsika mpikambana azo hatao ho an'io zaza io

miombinkevitra am papouse za aminio hevitra io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6286