SERA : mandria ampiadanana ianao !

101. Ralay ( 05/03/2008 13:26)
Dia misaotra ny namana rehetra nisolotena ny namana izay tsy afaka fa dia handry ampiadanana anie izy.
Mandalo ny fiainana fa tombondalana ny azy fa isika mbola hanaraka daholo.Tsy hay izay avoakan'ny rampitso fa mahaiza manararaotra ny fiainana.
102. rakaroka ( 05/03/2008 13:36)
andraaaaaaiiiiiiiiiyyy ry 'reto :cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
Ouf!Onnnnnntsa TANTERAKA ny fo amam-panahiko, triatra tahaka ny nilatsaham-baratra ireny amin'ity vao2:cry::cry::cry:.
Mirary fiononana ho an-dry sasa, ho an'ny fianankaviany ary mirary soa ho an'ilay zaza koa,
mirary faherezana ho antsika rehetra. Asa aoriana mbola "contacté-ko i Sasa cmikasika ny situation'ilay zaza, hi-enviseagé-na ny possibilité d'aide.
103. glou ( 05/03/2008 13:46)
zao zany zah vao afaka niditra fa dia vao avy namoaka faty tany ampiangonana ka tena mampalahelo ny zava- misy , very namana iray indray ny namana serasera dago!
mandria ampiadanana ry sera
104. rakaroka ( 05/03/2008 15:49)
Dia misaotra ireo namana mba afaka nanotrona sy nanao veloma farany. Hiroborobo anie ny fifankatiavana amintsika::-*:-*:-*:-*
105. Aino ( 05/03/2008 23:41)
Mandria am-piadanana ianao ry Sera.

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany.:cry::cry::cry::-*
106. Veloo ( 06/03/2008 00:16)
lasa ny eritreritro mamaky ny tantaran'i Sera, tena otrany tsy tsara mihitsy anie zany ny mipetraka ao Tana-Dago e:(

sasa [ Valio ] 05-03-2008 05:26:18
Lohateny : Re : SERA : mandria ampiadanana ianao !
fijo banga be lesy za nilaozany,malahelo fa tsy hita izay atao.

Ilay zaza aloha tsy mbola fantatra izay hitaiza an'azy na ny rahavaviny na ny dadabeany fa ho fantatsika miandala eo ihany,mino koa za fa raha hisy olona hafa hanangana an'ilay zaza d tsy homen'ny havany mihinty.


sasa norma mihitsy zany raha tsy omen'ny fianakaviana ilay zaza hatsangana.. tsetsa2 tsy aritra ny ahy
Mahereza aky a:-*
107. ravatorano ( 06/03/2008 04:47)
tato ho ato tokoa dia nirongatra ny von'olona ry Veloo ary dia miompapana mihitsy ny fitrangana'izany fa tena feno habibibana tokoa.
Tsy hoe tsy tsara ny mipetraka ato Tanà fa ny fandriampahalemana mihitsy no efa goragora ary koa mihabetsaka ny tsy mahazaka ny fandrosoana entin'ireny sarimihetsika sy ny manodidina azy ireny hany ka lasa mivary lavo amin'ny fidoroana sy fandrobana ny tanora ankehitriny ary tsy vitan'izay fotsiny fa mahasahy mandatska aina mihitsy:x:x:x
108. majesty ( 06/03/2008 05:43)
veloo:fanampin'io lazain'i Ravatorano io,efa tafiditra eto dago koa zao ny drogue mahery vaika fahita any ampita any ireny ka mety anisan'ny antony anankiray mahatonga ny tsy filaminana eto izany.Tena ilay @ film reny mintsy ange zao no réalisén-ndry zalahy e.
109. ANARIM ( 06/03/2008 07:42)
tafapetraka soa amantsara teny ampasan-drazany omaly hariva tokony ho tamin'ny 3ora sy 15 minitra ny vatana mangatsiakan'i SERA
ontsa ny foko an, tsy tana ny ranomaso, indrindra teo am-pihainoana ny teny farany nataon'ny solontenan'ny fianakaviana... "ianareo ray amandreny, anaro ihany ny zanakareo, ianareo zanaka, henoy ihany ny anatry ny ray amandreny, fa ireny no atao hoe toy ny tsipakombalahy, tsy mahavoa mahafanina, mahavoa mahafaty...

fa dia amboarina ny saina...
asa re, aleo atao hoe izay, ampy angamba ny fangirifirian'i SERA teto an-tany... dia metimety kokoa amintsika ny mamboatra ny fo oe ankehitriny izy any amin'izay misy azy any tsy mijaly intsony (tsy mbola nisy nahita ze any ambadiky ny fahafatesana aloha, fa dia ny finoan'ny tsi-1-1 no mitondra an'io)

fa ny nahita ilay zaza an, mba niteraka ihany ny tena, indrindra hoe zaza efa niara nilalao tamin'ny zanaky ny tena ilay kamboty tsy satry... na i Mirana aza toa ohatry ny tonga saina b..., nefa moa dia tsy azoko nafenina azy ny marina, izy rahateo nahita ahy nigogogogo vao niditra ny trano nahita anazy telo mianaka...

teo am-pihainoana ny toriteny tao ampiangonana, nisy fotoana kely te hitroatra ny tenako, te hilaza amin'ireo tiako rehetra hoe "tena tiako ianareo"

araraoty reto ny fotoana a!mandalo marina izao fiainana lalovantsika ety antany izao...

lay zaza aloha zany izao dia efa noraisin'ny rahavavin'i SERA antanana ny fitaizana azy, fa mbola misy fandaminana maromaro ihany, na izany aza dia efa vonona handray an-tanana ny tandrify azy ihany koa ny Orinasa niasan'i SERA tany Ambohidratrimo... dia ho henontsika eo iany ny tohiny...

oroka mamy ho an'ny namana rehetra... dia ny soa sy ny mamy indray anié no hifampizarantsika...
110. mimich ( 06/03/2008 07:44)
anisan'ny nanatrika ny fandevenana aho: ontsa ee, ary latsa-dranomaso, izay no azo ambara , nahita an'i Ismaël kely(izay no anaran'ilay zaza) nitomany nandritra ny fotoam-pivavahana sy ny fandevenana.Na azo atao hoe tsy mbola mahalala n'inona2 aza izy dia misoritra eny aminy ny alahelo noho ny fifandraisana ara-boajanahary eo amin'ny reny sy ny zanaka.

Veloma Sera!!! mandria am-piadanana!!!!!

Fa Ady sy tolona ny Fiainana ka zara ho an'izay manam-piniavana handresy ary ny lasa natao ho anatra sy fanoitra hampitraka hiatrehana ny ho avy.

"Mifankatiava ihany raha mbola velon'aina"

111. ANARIM ( 06/03/2008 07:48)
mimich:


"Mifankatiava ihany raha mbola velon'aina"




mimich :njiko kalou an, zetem b :-*
112. ravatorano ( 06/03/2008 09:29)
nahazo antso antariby tamin'ny fianakavian'i Sera aho teo ary nanafatra ahy izy ireo mba hampita amintsika :
"ny fisaorany mitafotafo tamin'ny fahatongava tsika nampionona ny fianakaviana,tamin'ny fandraisnana anajratsika teo amin'ny fankaherezana sy fampitrakana ny fianakaviana.Tsy ny fahoriana hono no mahafaly fa ny fitiavana nasehotsika azy ireo koa misaotra indrindra ry namana serasera isany na ny lavitra na ny akaiky fa tena mbola mitazona ny fihavanana sy ny fifankatiavana malagasy isika"

Marina tokoa ilay hoe mifankatiava ihany raha mbola velon'aina , natao ho fitsipika sy filamatry ny fikambanana moa izany ary isaorana eto isika rehetra rehetra nampiseho ny fiarahana tamin'ny fianakaviana, nampiseho ihany koa fa ny namana serasera dia tsy vitan'ny hoe mandeha mitsangatsaganan sy manao fety foana fa koa mba misy adidy sy andraikitra hafa hifampizarana amin'ny toejavatra misy sy iainan'ny zanak'olombelona

mankalaza e

ravatorano
:wink:
:D
113. sasa ( 06/03/2008 09:57)
misaotra antsika rehetra izay tonga nanao ny adidy farany omaly,izay angamba no azontsika natao farany ho an'ny maty, fa mbola afaka manao zavatra kosa anefa isika ho an'i Isamael kely, tena ontsa tanteraka, tsy hita izay hilazana ny alahelo raha mijery ilay zaza nitomany omaly. Hatramzao aloha tsy mbola tena fantatra izay ho titeur legal an'le zaza fa mbola misy fandaminana atao, fa vonjimaika aloha izy, d napetraka any amin'i Rahavavin'i Sera, satria koa moa ilay zaza mila fikarakarana be fa mbola tao anatin'ny tsy fahasalamana izy tamin'iny reniny lasa iny.
Marina mintsy ilay hoe mifankatiava ihany raha mbola velon'aina, ary mandainga izay milaza ho tia an'Andriamanitra izay tsy hita maso, nefa tsy tia ny manodidina sy ny iray tampo aminy.
114. endrika01 ( 06/03/2008 11:22)
Mialatsiny raha iza vao afaka ,mandefa ny teny
fampiononana ny tenako.Mahatoro fo tokoa ny fandrenesana izao vaovao mampalahelo izao,
koa dia mampahery ny fianakavian'i tompokovavy
sy ny zanany ary ireo namana .Mahaiza mionona tompoko,tombon-dalana ny azy,fa isika rehetra samy
mbola handeha amin'iny lalana iny avokoa.
Tsy manadino anareo am-bavaka ny tenako
mahereza!!!
115. tsiambaratelo ( 06/03/2008 11:24)
endrika01:

Mialatsiny raha iza vao afaka ,mandefa ny teny
fampiononana ny tenako.Mahatoro fo tokoa ny fandrenesana izao vaovao mampalahelo izao,
koa dia mampahery ny fianakavian'i tompokovavy
sy ny zanany ary ireo namana .Mahaiza mionona tompoko,tombon-dalana ny azy,fa isika rehetra samy
mbola handeha amin'iny lalana iny avokoa.
Tsy manadino anareo am-bavaka ny tenako
mahereza!!!



116. sakaizakely ( 06/03/2008 11:49)
mahavaky fo ary mahaontsa ny fitantaranareo azy. Mampalahelo ny ankizy :cry::cry::cry::cry:
Asa firy taona ilay zaza fa mangoraka ny fo satria reny sady kely ananka ka mahatsiaro mangirifiry ho azy

Tsy hitako izay ho lazaina fa dia mirary fiononona ho an'ny fianakaviana ary mampahery ireo kamboty tsy fidiny noho ny hetraketraky ny sasany

:cry:


117. Bigma ( 06/03/2008 18:02)
somary vao2 ihany aho nefa dia tena miombona alahelo.
mandria am-piadanana ianao ranabavy.
118. Veloo ( 06/03/2008 18:09)
sasa a zay aky fa aza misosoka alahelo intsony an:-*

ravatorano [ Valio ] 06-03-2008 05:47:40
Lohateny : Re : SERA : mandria ampiadanana ianao !
tato ho ato tokoa dia nirongatra ny von'olona ry Veloo ary dia miompapana mihitsy ny fitrangana'izany fa tena feno habibibana tokoa.
Tsy hoe tsy tsara ny mipetraka ato Tanà fa ny fandriampahalemana mihitsy no efa goragora ary koa mihabetsaka ny tsy mahazaka ny fandrosoana entin'ireny sarimihetsika sy ny manodidina azy ireny hany ka lasa mivary lavo amin'ny fidoroana sy fandrobana ny tanora ankehitriny ary tsy vitan'izay fotsiny fa mahasahy mandatska aina mihitsy


ary ny fokotany angaha lesy tsy mba afaka mitaraina any @ maire na ny governementa?

majesty [ Valio ] 06-03-2008 06:43:20
Lohateny : Re : SERA : mandria ampiadanana ianao !
veloo:fanampin'io lazain'i Ravatorano io,efa tafiditra eto dago koa zao ny drogue mahery vaika fahita any ampita any ireny ka mety anisan'ny antony anankiray mahatonga ny tsy filaminana eto izany.Tena ilay @ film reny mintsy ange zao no réalisén-ndry zalahy e.


tena tsy mahavitrika ny ande any intsony za retsy a,
mampatahotra ka:(
119. tess ( 06/03/2008 18:53)
sasa:

misaotra antsika rehetra izay tonga nanao ny adidy farany omaly,izay angamba no azontsika natao farany ho an'ny maty, fa mbola afaka manao zavatra kosa anefa isika ho an'i Isamael kely, tena ontsa tanteraka, tsy hita izay hilazana ny alahelo raha mijery ilay zaza nitomany omaly. Hatramzao aloha tsy mbola tena fantatra izay ho titeur legal an'le zaza fa mbola misy fandaminana atao, fa vonjimaika aloha izy, d napetraka any amin'i Rahavavin'i Sera, satria koa moa ilay zaza mila fikarakarana be fa mbola tao anatin'ny tsy fahasalamana izy tamin'iny reniny lasa iny.
Marina mintsy ilay hoe mifankatiava ihany raha mbola velon'aina, ary mandainga izay milaza ho tia an'Andriamanitra izay tsy hita maso, nefa tsy tia ny manodidina sy ny iray tampo aminy.



marina! misaotra nampita vaovao aky an! de jerijereo ihany lay zanatsika izany....:-*


120. fijo ( 06/03/2008 21:37)
misaotra ravato an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1004