SERA : mandria ampiadanana ianao !

21. ravatorano ( 03/03/2008 13:21)
gravy tena gravy ilay izy e :cry::cry::cry:
tsy afa manoatra fa efa izay no anarany

miandry izay vokatry ny ankety isika rehetra ary mino aho fa tsy maintsy hipoitra tsy ho ela ny manodidina ny nahafaty an'i sera iny !

raha ny hevitro za manokana aloha momba ireny toe javatra ireny dia ankasitrahako tanteraka ny peine de mort avy dia miatra avy hatrany raha voamarina fa tena nanao ilay heloka ilay olona indrindra moa fa nibaboka ! avy dia vitaina mihitsy ny momba azy !:twisted::evil::evil:
fa tsy hoe heloka ibaboana mody rariny :x:x:x:x
22. paris10 ( 03/03/2008 13:24)
mirary fihonanana ho an'ny fianakaviana manontolo ny tenanay, Andriamanitry ny fiadanana anie hivimbina ny fianakaviana rehetra navelany.
23. ravatorano ( 03/03/2008 13:26)
nohon'ny fotoana iaraha mahalala dia voatery hatao anio hariva eny sabotsy namehana ilay famangiana sy fanatrehana ny vata-mangatsiaka an'i sera sy hanaovatsika namana serasera azy veloma farany !
ka eo antanimena no fotoana ary miainga amin'ny dimy hariva isika e
24. paris10 ( 03/03/2008 13:27)
ndeha hanao hetsika isika fa tena tsy rariny zao !hay nibaboka ty namono,aiza no misy azy zao?tokony any tsiafahy avy hatrany no mendrika azy!
25. naritsimba ( 03/03/2008 13:27)
Taitra tokoa ny tena raha nahare t@ maraina ny filazana avy @ namana fa nodimandry tampoka i Sera.
Maty tsy niala-nenina akory, maty noho ny hetraketraky ny sasany. Teny @ fihaonana nokarakarain'i Daddie teny Ambohibao tokoa no nifankahitana taminy farany raha ny tenako manokana.
Andriamanitra anie hampionona ny fianakaviana sy ny namana rehetra indrindra ilay menaky ny ainy izay lasa kamboty tsy fidiny.
Mandria am-piadanana ianao ry Sera, ary tsy ho adinoinay ilay toetranao tsotra sy sariaka.
26. ainaheri ( 03/03/2008 13:30)
Aza manadino ahy... io hira io no atolotro ho an'ny fanahiny,ary ko mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany,tombondalana ny azy.
27. menalamba ( 03/03/2008 13:39)
Loza ity marina!!! Kay namana tato ve ity novakiako aninkeo tao @ gazety nisy namono é???:roll:Tena mampivarahontsana marina mafy.Fa tsy misy vidiny intsony va ny ain'olombelona @ izao any tanana e?Tao @ ireny sary t@ fihaonana tany ireny ve ito namana ito ,sao mba azo aseho ety ry zareo ny sariny?Asa na hatezerana na alahelo no ato anatiko fa lasa toa mitady hankasitraka ny fanamelohana ho faty aho na dia itako fa tsy mety aza izany.Isaorana betsaka Zokibe Ravatorano nampita ny vaovao,dia ampitao any re ny fiarahana ory ny namana rehetra aty é.
28. fahamarinana ( 03/03/2008 13:41)
:arrow: Mirary fiononana tanteraka ho an'ny zanany sy ny fianakaviana manontolo dia mandria am-piadanana sera(l)
29. Fiffi ( 03/03/2008 13:57)
Mandria am-piadanana ianao ry Sera.

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany.(l):-*:-*
30. miantra ( 03/03/2008 14:04)
Maniry fiononana feno ho an'ny fianakavian'i sera.

Atolotra anareo ny hira: AZa avela hahalala ho fampiononana.

Mahaiza mionona tompoko.


31. tess ( 03/03/2008 14:14)
Mba handry am-piadanana izy, dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany. :cry:
32. sasa ( 03/03/2008 14:14)
Vahotra ny tanako raha hanoratra eto androany satria tena namoy ny namana mpiara-miasa amiko aho,namako akaiky ahy, ary namana tsy foiko indrindra RAkotobe Ralalanirina Tatamo Kristel no tena anarany, 30ans solon'ny anarany dia i Sera,novoinoina tam endrika feno habibiana,satria dia feno dianantsy ny tenany iray manontolo(jereo gazety l'express androany 03 mars 2008) asa loatra re hoe inona no antony? namela kamboty lahy kely 1 izy 5ans.Tsy hay tohaina ny alahelo satria tsy mba nialana nenina akory izy,

Ry ilay namana tsy foiko
Maro ireo zavatra niarahana natao
Saingy indrisy fa tsy tana enao fa lasa nandao
Tsy ho adinoiko ireny anatranatrao ireny
Indrindra moa tamin'ny fotoana manirery
Ianao ilay reny tia zanaka tokoa
satria nanome azy ny rehetra nahasoa

Mirary fihononana feno ho an'ny fianakaviany manontolo.

Mandria ampiadanana ry Tatamo Tsy foiko

33. tess ( 03/03/2008 14:16)
sasa mahereza! mampalahelo tokoa izany:-*:cry::cry::cry:
34. ikaretsaka ( 03/03/2008 14:25)
mampalahelo... miara miory e
35. sasa ( 03/03/2008 14:27)
Tess miezaka ny hanatraka ny loha sy hampitony fo akia fa tsy mety an! olombelona ihany ny tena ka milofikia refa tojo fisarahana toy izao.
36. booboo ( 03/03/2008 14:32)
mirary fionona feno sy tanteraka ho an'ny fianakaviany sy ny ankohonany ary ireo namany rehetra.
37. Fiffi ( 03/03/2008 14:37)
Ambohidratrimo
Rakotra dian'antsy ny fatin'ilay vehivavy


Vatana mangatsiaka na renim-pianakaviana feno dian'an-tsy no hita tao Amparihy Ambohidratrimo omaly vao maraina. Rakotra dian'antsy ny vatany sy ny tavany. Vaky noho ny vely maritoa ny lohany. Faty efa nihosin-drà sy nanomboka namoaka fofona no hita tao an'efitranony omaly maraina.
Mipetra-drery miaraka amin-janany sy ny mpiasa vaviny ity renim-pianakaviana ity. Raha ny fanadihadiana natao dia misy mpivady mipetraka tsy lavitra ny trano misy azy ireo, izay nametrahan'ity mpiasavavy ity ny zanak'ilay ramatoa hita faty, afak'omaly maraina. Niandry ny hakàn'ity mpiasa ity ilay zaza izy mivady ny hariva saingy tsy tonga ity farany. Nantsoina an-tariby ihany koa ny reniny saingy tsy namaly. Nanapa-kevitra noho izany izy ireo fa hanatitra mivantana ilay zaza any an-tranony omaly vao maraina.
Nodomina ny varavarana saingy tsy nisy namaly. Voatery novakiana noho izany ny varavarana ary nanomboka teo an-dalantsara no efa nahitana rà nitete ka hatrany an'efitranon'ny renin'ilay zaza. Mbola nihidy ihany koa ny varavaran'ny efitrano nisy ity ramatoa ka tsy maintsy novakiana. Faty efa nihosin-drà no hita tao.
Raha ny tombatomban'ireo mpitsabo nanao ny fizahana dia efa ny zoma no maty ity renim-pianakaviana ity. Io zoma alina io ihany anefa dia nahare an’ity mpiasavavy ity niantso vonjy ireo fokonolona saingy rehefa nanontaniana ny anton'izany dia nilaza izy hoe nanofy fa tsy misy na inona na inona akory.

Hanitry Ny Aina
Date : 03-03-2008
38. tess ( 03/03/2008 14:39)
sasa:

Tess miezaka ny hanatraka ny loha sy hampitony fo akia fa tsy mety an! olombelona ihany ny tena ka milofikia refa tojo fisarahana toy izao.


fomban'ny fiainana izany sasa! izahay tsy namany akaiky aza ontsa tokoa fa mahereza zany namako izany:-*:-*:-*:-*:-*


39. tsiafoi1 ( 03/03/2008 14:51)
torovana ny fo, tena vahotra ny vava...
mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana manontolo tompoko
40. antigone ( 03/03/2008 14:55)
Mirary fihononana an"ny fianakavian"i SERA de mivavaka ho an"ny fanahiny sy mivavaka ho an"ireo:snif::snif::snif::snif::snif::snif::snif: kamboty kely Mehereza :(:(:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5466