Jesosy irery fotsiny ihany dia ampy :)

41. LazaDaddy ( 19/02/2008 20:40)
Jesosy irery fotsiny ihany dia ampy :). Tsy hitako izay probleme amin'fahampian'i Jesosy :)
42. ikaretsaka ( 19/02/2008 20:48)
ny nahatonga anao tonga t@ conclusion izay sy hoe taiza no nahalalanao izay sns... no ..... tsy ampy!:wink:
sy ny hi demonrenao amin'ny olona izay
43. xxx ( 19/02/2008 20:49)
Ny pbl dia ny toe-tsainao dogmatika.
44. Fody ( 19/02/2008 20:50)
Tsy manaiky tsy sazoka araka ny voalazanao io ralaza, fa entina hampisainana anao.

Tsy manilika ny olombelona i Kristy fa miara-miasa aminy, nefa lazainao fa tsy misy dikany ireo. Izy Andriamanitra anefa milaza mazava amintsika olombelona hoe: "Sarobidy eo imasoko ianao"

Aza adino fa niara-niasa tamin'olombelona hatrany Andriamanitra: tamin'ireo Raiamandrenintsika amin'ny finoana aloha (Abrahama...), tamin'ireo mpaminany avy eo, tamin'i Masina Maria, tamin'ireo apostoly, sns...

Tsy ho nahalala an'i Kristy ianao ralaza raha tsy nisy nampahalala anao. Ary aza mandainga hoe: I Jesoa mivantana no nampahalala ny tenany taminao.

45. ikaretsaka ( 19/02/2008 20:56)
miombon-kevitra tanteraka!

"miara miasa amin'i jesoa izahay... manomana tany sy lanitra vao"...ho'zy le hira katolika izay
46. LazaDaddy ( 19/02/2008 21:06)
Lazao amiko ary aloha hoe inona no tsy ampy amin'i Jesosy ka mila ampiana? :)

Mila ampiana ny Apostoly ve? :)...na tsy nisy aza ireny dia ny vato no niteny :)
47. cutie ( 19/02/2008 21:09)
:-D:-D:-D:-D:-D
48. Fody ( 19/02/2008 21:15)
Aza adino ralaza fa i Jeoa dia tsy mba irery na ovina na ovina.

Talohan'ny nidinany teto an-tany, sy amin'izao fotoana izao, dia eo an'ivon'ny Ray sy ny Fanahy Masina izy, ary otronin'ny anjely sy ny mponin'ny lanitra marobe.

Teto an-tany izy dia teo anivon'ny olona mandrakariva. Tsy hoe misy tsy ampy aminy, fa ny fanilihanao ny olona, na ny fanaovanao zinona ny olona, izay sarobidy eo imasony ary namoizany ny ainy, no tsy mety.

Salamà!
49. LazaDaddy ( 19/02/2008 21:18)
Aza adino ralaza fa i Jeoa dia tsy mba irery na ovina na ovina.
Satria ny Ray tao aminy ary Izy sy ny Ray dia iray ihany...tsy ny olona no ahilika fa i Jesosy no ampy :)
50. Fody ( 19/02/2008 21:31)
De mba ivereno vakina azafady ny zavatra voasoratrao hatramin'izay.

- Ny hafa tsinotsinona ho anao.
- Ny fahalalana tsy ilaina ho anao, satria tsy ilaina ny diploma. Ary inoako fa ianao no isan'ireo fangoloka manimba ny zaza malagasy ka mamppiato azy amin'ny fianarany rehefa mahay mamaky teny sy manoratra mba hitory teny etsy sy eroa.

Saintsaino: raha tsy nisy ny hafa tsy ho nahalala an'i Kristy ianao, ary izay ataonao amin'ny hafa dia i Kristy no hanaovanao azy.
51. LazaDaddy ( 19/02/2008 21:32)
LazaDaddy:

Ampy amin'ny lafiny tsara rehetra...tsy ampiana ny fanahin'ny razana, sary sikotra, sampy le, diplaoma, fombafomba, tsianjery, ...

Jesosy Irery Ihany, Filazan-tsara soa :)



52. ikaretsaka ( 19/02/2008 21:50)
LD> mba miangavy mba le adihevitra sy le lojika no arahina fa tsy ny teo no mody averimberina rehefa tsy misy alahatra intsony @ le fanamarinana ilay arguments..
rehefa tsy m,ahita alahatra intsony dia mba honette sy mahatsapa sy mandinintena..

(mba tsetsatsetra nyahy iny)
53. xxx ( 19/02/2008 21:58)

za zao hivavaka mba omen'i Jesosy labiera sy ati-kena afaka 2miniotra, dia hiogaoga aleloia any amin'ny sekta amin'ny andro karemy:-D:-D:-D:-D:-D:-D
54. LazaDaddy ( 19/02/2008 22:03)
Fody:
De mba ivereno vakina azafady ny zavatra voasoratrao hatramin'izay.
LazaDaddy:
Ampy amin'ny lafiny tsara rehetra...tsy ampiana ny fanahin'ny razana, sary sikotra, sampy le, diplaoma, fombafomba, tsianjery, ...

Jesosy Irery Ihany, Filazan-tsara soa
ikaretsaka:
fa tsy ny teo no mody averimberina
:)
55. ikaretsaka ( 19/02/2008 22:28)
dia iverenana hitadiavana conclusion ho anao ihany fa tsy iverenana de taterina eto ihany no tiana lazaina
56. fijo ( 19/02/2008 23:21)
raha ampy izao jesoa izao,aza miasa intsony fa minoa azy dia ampy ny fiainanao.
57. ikaretsaka ( 19/02/2008 23:27)
:-D:-D:-D
58. LazaDaddy ( 20/02/2008 03:33)
fijo> tena ampy mihitsy i Jesosy :)...ary manome fitsaharana ho an'izay miasa fatratra :)
59. cutie ( 20/02/2008 03:36)
:-D:-D:-D:-D:-D
60. prime ( 20/02/2008 10:21)
LD> ilay hoe "ampy Jesosy" no tsy azon'ny maro ka mila fanazavàna fanampiny angamba (angamba hoy aho nefa efa mazava ihany ny voalazanao na dia izany aza)...

Ny maro> rehefa hoe ampy Jesosy dia ampy izay fa aza asiana hoe "fa", "saingy"... fa ny tohiny eo no manohitra ilay ambaranareo voalohany... mba tsy ilazàna mivantana hoe "tsy ampy Jesosy" dia mody ekena hoe ampy "fa", ampy "saingy"...

Mahereza daholo...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0799