Jesosy irery fotsiny ihany dia ampy :)

21. rijadolly ( 19/02/2008 16:07)
Raha azoko tsara ny fandehan'Ady hevitra eto dia
LazaDaddy:
Jesosy Irery Ihany, Filazan-tsara soa :D
Koa raha ireo
ny fanahin'ny razana, sary sikotra, sampy le, diplaoma, fombafomba, tsianjery, ...
ireo zany na Manam-Pahaizanabe na Pastera na Mopera na Papa samihafa na Evanjely no tsy manana an'Jesoa fotsiny ao anatiny dia =O
Zay aloha ny lesona voarahiko amin'izao fisehony izao hatreto.:?:
22. ikaretsaka ( 19/02/2008 16:21)
manana ireo matoa ny momba an'i jesosy no tadiaviny sy nanokanany ny fiainany (ry papa sy ireny theologianina xtianina ireny) ..
fa tsy isika moa no hitsara ny fiainan'ny olona fa fijery mazava ahitan'ny be sy ny maro no hitondrako azy... ny anatiny dia azy sy Atra
23. pissoa ( 19/02/2008 16:24)
Fody:

Voalahonany aloha dia miarahaba ny rehetra nahatratra ny taona vaovao.
Jesoa irery ihany dia ampy! Marina izany.
Fa hahafahanao mahalala azy moa tsy mila ny hafa ve ianao?
Moa nahalala an'i Jesoa ve ianao raha tsy nisy ireo apostoly sy ny mpianany ary ireo olona maro beeee nandimby azy?
Moa afaka nandalina ny fahalalanao azy ve ianao raha tsy nisy ireo olona mpandinika, nanana diploma...?
Ampy tokoa i Jesoa, ka mba hampahalalana azy ny maro dia misy fomba maro azo atao: ao ny fampiasana jery amin'ny alalan'ny sary (tsy voatery hanompo sampy), ao ny fampiasana ny tadidy amin'ny alalan'ny vavaka tsianjery, ao ny fampiasana ny sitrapo amin'ny alalan'ny fandalinana (fianarana)...
Jesoa tokoa dia ampy! Saingy ny fikatsahana azy dia tsy manafoana velively ny fivelarana amin'ny mahaolona manontolo.
Isany zava-doza tokoa ny fampiantona ny zaza amin'ny fianarana, rehefa mahay mamaky teny sy manoratra, aty Mada satria hoe: efa mahay mitory an'i Kristy dia izay. Io dia tsoriko fa avy amin'ny fandraisana diso ny hoe: Jesoa dia ampy, tsy mila zavatra hafa, araka ny voalazanao hoe: tsy mila diplòma!
Misaotra!


marina ! :-D:-D:-D

Elaela i Fody tsy hita teto ! tratry ny taona e :-D
24. cutie ( 19/02/2008 16:50)
i Jesosy irery ihany ny ahy ka ...manana ny Fanahiny Izy ary ampy ahafantarako Azy izay...Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona afa-tsy ny fanahin'ny olona izao ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.

:):):):):)
25. ikaretsaka ( 19/02/2008 16:54)
ka ny nampidirana sy nahatonga anao nagalala ny fisian'io Fanahiny io mihitsy no tsy nazava amiko
26. cutie ( 19/02/2008 16:56)
mbola tsy nidirany zany I Ika raha zany :-D:-D:-D:-D:-D
27. pissoa ( 19/02/2008 16:58)
:-D:-D:-D

Ika : Ny fahitako azy dia misy mihevitra fa ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy miasa raha tsy amin'ny alalan'ny fahagagana - na mazi mazi. :-D
28. ikaretsaka ( 19/02/2008 17:00)
welll.. io an'i pissoa io ny tiako ahatongavana
29. rakaroka ( 19/02/2008 18:05)
Ilay "sens" hoe "ampy" mihitsy no tsy azo e, rehefa mahita an'i Fody nampiditra fa nenti-nahalala Azy, dia nisy éléments isan-karazany nampidirina ary raha ny marina tsy ho tapitra ny lisitr'izany nenti-namantarana Azy izany!
Dia raha atao hoe "ampy" ary ilay Izy dia maninona no mbola tovanana "serasera":roll:8O:?::wink:
30. rakaroka ( 19/02/2008 18:06)
Ilay "sens" hoe "ampy" mihitsy no tsy azo e:{:{:{:{, rehefa mahita an'i Fody nampiditra fa nenti-nahalala Azy, dia nisy éléments isan-karazany nampidirina ary raha ny marina tsy ho tapitra ny lisitr'izany nenti-namantarana Azy izany!
Dia raha atao hoe "ampy" ary ilay Izy dia maninona no mbola tovanana "serasera":roll:8O:?::wink:
31. cutie ( 19/02/2008 18:39)
3. Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 18-02-2008 23:52:14
Lohateny : Re : Jesosy irery fotsiny ihany dia ampy :)
cutie> tian-dry angaha ny fiirako?

za alou mbola tsy naheno:-D
32. LazaDaddy ( 19/02/2008 19:41)
ikaretsaka:
ka ny nampidirana sy nahatonga anao nagalala ny fisian'io Fanahiny io mihitsy no tsy nazava amiko
ahoana ny nidiran'io tao amin'ny Apostoly? Angamba kosa tsy ny fanahin'ny razana.
cutie:
mbola tsy nidirany zany I Ika raha zany:-D:-D:-D:-D:-D
Fody:
Fa hahafahanao mahalala azy moa tsy mila ny hafa ve ianao?
Tena Jesosy mihitsy no ilaina fa tsy ny hafa, ary ny Fanahiny no ampy ahafantaranao Azy fa tsy ny fanahin'ny razana :)

Momba ireo Apostoly resahinao, zava-poana daholo ireny raha tsy ny Fanahin'i Jesosy no mampahafantatra Azy ao aminao :)
Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.


Tena mahavariana isika eto :) Misy "manaiky tsy sazoka" fotsiny hoe Jesosy irery ihany dia ampy...kanefa avy eo tadiaviny ampiana ny fanahin'ny razana sns araka ny tenin'ikaretsaka...sampy le...sns :)
33. Fody ( 19/02/2008 19:54)
Jesosy tokoa dia ampy!
Zava-paona ny apostoly!
Nahoana anefa ianao no mampiasa baiboly?
Nahoana no mbola mamaky ny Testamenta taloha?
Nahoana ianao no be toriteny sy mihaino toriteny?
Nahoana no mbola mianatra?
Nahoana no mbola miasa mitady vola?
sns?
Angaha moa tsy Jesosy irery ihany dia ampy, ka ilaina ny hafa?

Aza afangaro mihitsy ny resaka sampy sy ny resaka devotion. Ary aza miteniteny foana, na manao dikateny vilana azafady!

Misaotra
34. LazaDaddy ( 19/02/2008 20:00)
Nahoana anefa ianao no mampiasa baiboly?
Tenin'Andriamanitra io amiko :)
Nahoana no mbola mamaky ny Testamenta taloha?
mampahafantatra Azy ao ny Fanahiny :)
Nahoana ianao no be toriteny sy mihaino toriteny?
Betsaka amin'ireny no tsy raisiko (toy ny eto amin'ny serasera) rehefa tsy misy ny Fanahiny :)
Nahoana no mbola miasa mitady vola?
Tsy asa sy vola no tanjoko fa ilay Fanahiny no maniraka ahy...
35. Fody ( 19/02/2008 20:14)
Tenin'Andrimanitra ny Baiboly!
Marina izany, saingy iza no nanoratra azy? Moa Andriamanitra mivantana ve?
Moa tsy nampiasa olona ve izy?
Ary raha tsy nisy ireo olona ireo, izay lazainao fa tsy misy dikany, moa nahalala an'i Kristy ve ianao?

Mba farito kely hoe ny ataonao hoe: Fanahy? Ohatra zavatra tsy dia tena mitohaka loatra mantsy izato izy, fa izay mifanaraka amin'ny saim-patatrao no lazainao fa avy aminy, ary izay manohitra izany dia tsy izy.
36. LazaDaddy ( 19/02/2008 20:20)
Miverimberina matetika eto mihitsy ilay manaiky tsy sazoka nambarako e :)

Jesoa irery ihany dia ampy! Marina izany.
Fa...

Fody:
Tenin'Andrimanitra ny Baiboly!
Marina izany, saingy
:)
37. LazaDaddy ( 19/02/2008 20:22)
Fody> http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47ba90c4bc124 fa raha baiboly misy andalana "noforonin'olombelona" toy io dia tsy tenin'Andriamanitra. Izay no adinoko fa azafady :)
38. ikaretsaka ( 19/02/2008 20:25)
tsy haiko hoe iza no manaiky tsy sazoka sy misavirivol @ zavatra ambarany dia manao sovaly de bois miodikodina eo amin'izao.. aleo aho hiataka mandra mpandinik'ilay tsy mahatsapa tena
39. LazaDaddy ( 19/02/2008 20:26)
40. xxx ( 19/02/2008 20:38)
Ny pbl dia ny Protestant @ ankapobeny( mety tsy voatery izy rehetra) dia manana izay fomba fijery Verticale izay foana. Izany hoe : Andriamanitra na Jesoa irery ihany. Vokatr'izay dia voahilika daholo ny médiations humaines rehetra2.
Ohatra : raha tsy nisy ny apòstòly,ireo misionera ahoana ny no nahafantarako ny Evanjely
Raha tsy nisy ny fandikana ny Baiboly t@ tenin-drazako ahoana no hahazoako ny tenin'Andriamanitra.

Tadidio fa tsy @ fomba extra mihitsy no hamonjen'Andriamanitra antsika. Mais,c'est toujours par des moyens humains.
Ary raha @ Fitsarana farany, ireo fomba nitiavanao an'ireo namanao no hitsaran'ny Tompo anao fa tsy tonga dia mivantana Aminy hatrany.
Ka tandremo ihany ity pensée trop dogmatique ity fa manimba zavatra be dia be. Satria miteraka exclusion
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0577