Fitsarana ny papa infaillible

81. LazaDaddy ( 13/02/2008 21:34)
fanaovana tsinontsinona an'Andriamanitra toy izao kosa ve moa tsy ho sarotra be? :)
82. ikaretsaka ( 13/02/2008 21:38)
Ny fiheverana an'Atra t@ izany no hafa nohon'ny amin'izao.. fa tsy hoe manao tsinotsinona izany fa fomba fihevitra ny momba azy...
ohatran'ny hoe taloha elabe koa dia azon'i lota natao ny niray ara-nofo t@ zanany fa tsy naninona ohatra.. azo natao ny nisao-bady ohatra sns...

83. LazaDaddy ( 13/02/2008 21:43)
Ovainao ho fiheverana an'Andriamanitra indray ilay resaka fampianarana nomen'Andriamanitra r'ise. :)
LazaDaddy:
tamin'izany andro izany koa angaha fitondran-tena baribarianina no nampianarin'Andriamanitra?
ikaretsaka:
possible
84. ikaretsaka ( 13/02/2008 21:49)
fitondrantena barbarianina no niheveran'ny olona ny fampianaran'Atra satria ny olona aza t@ izany barbares no nanjaka...
85. fijo ( 13/02/2008 21:52)
hoy i hery,tsy ilay vatana no tsaraina fa ny asany.za koa nino fa izay no notsaraina.nefa raha izay no notsaraina misy fomba tsotra azo ampiasaina,dia ny "parallèlisme de forme"satria didin'ny papa no nilaza fa...dia didin'ni papa manaraka no manafoana izay,dia milamina.

aza hadino,koa fa karazany roa isika no maneho hevitra eto.dia ny mpino katolika sy ny ivelany.(tsy mino sy ny mpino hafa)ka aza terena fotsiny he izay no natao satria misy ny procedura "ex cathedra".aminarei izay mety.fa tsy ianareo irery no mahita le izy fa eo koa ny hafa izay tsy manaiky izay.
rah atsy izany dia loza fa hanao izay tiany ny kato,dia mba hanao izay saimpatany koa ny protes ao angletera ao
86. LazaDaddy ( 13/02/2008 21:55)
fitondrantena barbarianina no niheveran'ny olona ny fampianaran'Atra satria ny olona aza t@ izany barbares no nanjaka
ka interpretation izany ny an'ireo papa ireo fa tsy ilay tena fampianaran'Andriamanitra
87. fijo ( 13/02/2008 22:02)
izay mbola azo hiadiana hevitra lava be tokoa
88. ikaretsaka ( 13/02/2008 22:12)
LazaDaddy:

fitondrantena barbarianina no niheveran'ny olona ny fampianaran'Atra satria ny olona aza t@ izany barbares no nanjaka
ka interpretation izany ny an'ireo papa ireo fa tsy ilay tena fampianaran'Andriamanitra


na aminao aza anie ny fampianaran'A/tra dia interpretation koa e.. na amiko na amin'i fijo na amin'iza.. face it..
izay fahazoanao (na za na i fijo) azy foana:wink:
89. LazaDaddy ( 13/02/2008 22:14)
na aminao aza anie ny fampianaran'A/tra dia interpretation koa e..
Diso izany ka...ny fampianaran'Andriamanitra dia fampianaran'Andriamanitra. Ny interpretation dia fampianaran'olombelona :)
90. fijo ( 13/02/2008 22:14)
izay indrindra no ilazako hoe io mbola azo hiadiana hevitra lava be
91. ikaretsaka ( 13/02/2008 22:18)
fampianaran'antra fampianaran'atra fa ny fandraisanao azy ....... hmmmm
dia ampiako ilay hoe jereo aloha ilay ex cathedra.... sarotra be ny midinika raha tsy mahay an'io satria ohatran'ny mpanao kitra miresaka baseball hoa
92. LazaDaddy ( 13/02/2008 22:21)
fampianaran'antra fampianaran'atra fa ny fandraisanao azy .......
dia izay no nataoko hoe ny an'ireo papa ireo izany interpretation...tsy maninona ekeko hoe interpretation ny ahy sy ny an'i fijo...fa ny an'ireo papa ireo koa araka ny fanazavan'ikaretsaka dia interpretation fa tsy fampianaran'Andriamanitra.
93. fijo ( 13/02/2008 22:26)
interpretation daholo hoan'izay tsy nahita sy tsy niaina ilay fotoaka .
94. ikaretsaka ( 13/02/2008 22:41)
a ny authority absolue no maha infaillible le interpretation... io ilay ataoko hoe ex cathedra
95. fijo ( 13/02/2008 22:50)
izay fomba na fisainana napetraka
96. ikaretsaka ( 13/02/2008 23:20)
ianaro aloha de hitan'ialahy eo
97. LazaDaddy ( 14/02/2008 11:29)
1) Lazaina fa nampianatra fitondran-tena baribarianina Andriamanitra tamin'izany andro izany
2) Avy eo novaina ho fiheveran'ny olona fa tsy ny fampianaran'Andriamanitra, no baribarianina. Izany hoe ny fiheveran'ireo papa (interpretation) izany no baribarianina fa tsy ny fampianaran'Andriamanitra.
3) Lazaina indray fa "autorite absolue" no maha "infaillible" ny "interpretation", izay hita fa baribarianina.

...asa inona indray no hoforonina manaraka?
98. ikaretsaka ( 14/02/2008 13:57)
efa fomba efa ela izany fa tsy nisy noforonina ka ... efa ela io fiheverana ny momban'A/tra io no nampifanehitra azy t@ ny vanim-potoana niainana

ao anaty baiboly izany... andriamanitra masika mpanasazy "hono" andriamanitra! (tamin'ny andron'ny eksodosy sy deteronomia sy ny boky sasany ao @ TT taloha ao)

azo atao hono ny nanapaka ny lohan iza sy iza rehefa manao fitsarana..

hozaraina roa hono ny zaza niadina ny ho tompony

efa tao koa izany resaka memy sy isan-karazany izany...

ny fisaoram-bady (lalanan'i moizy niova taty aoriana)

efa tao ny resaka fitoamaniana fikotroha-nify.. ny asa an-terivozona sns...

izay neverina fa avy amin'A/tra aby t@ izany fotoana izany..

ny tiako hahatongavana dia hoe: niova anefa io fahitana le tena heviny io.. io ilay interpretation... tsy noforonina ilay izy fa niha hita tsikelikely ny tsy nampety azy dia miova!

99. soanja ( 14/02/2008 14:20)
LazaDaddy:

Papa Stephen VI mitsara ny Papa Formosus noho ny fitorian'ny Papa Jaona VIII: Fitsarana "cadavre"

Loharano: Wikipedia - "Pope Formosus" in the 1913 Catholic Encyclopedia.
Dika teny malalaka: LazaDaddy
http://en.wikipedia.org/wiki/Pope_Formosus#Posthumous_trial

Ny taona naha Papa an'i Formosus dia nanomboka tamin'ny 891 ka hatramin'ny 896. Maty tamin'ny 4 Aprily 896 izy ary nodimbiasin'ny Papa Boniface VI, izay nodimbiasin'ny Papa Stephen VI.

Nandritry ny naha Papa an'i Stephen VI dia nofongarina tao am-pasana ny fatin'i Formosus tamin'ny taona 897, ary notafiana akanjon'ny Papa. Napetraka teo amin'ny "seza fiandrianana" ny razana ary nasaina niatrika ireo fitorian'ny Papa Jaona VIII (872-882).

Didim-pitsarana: tsy mendrika ny maha Papa i Formosus. Nofoanana avokoa ny asa sy ny didiny ary ny fanapaha-keviny rehetra. Norovitina ny akanjon'ny Papa nandrakofana ny vatana mangatsiakany, ary notapahina ny rantsatanany ankavanana miisa telo...dia natsipy tao amin'i Tiber ny razana.



Ny hevitra toy izao ry LD no mahatonga ny olona tonga dia mi-react amin'ny lohahevitra atolotrao.

Satria nahoana? satria gaga ianao raha resaka habokana no tsy izay noheverinao ny namalian'olona azy. Ny antony dia satria mahafaly anao ny maniratsira ny finoan'ny hafa ary mampiseho ny akanjo malotony.

Nefa ve mba madio tanteraka ny anao? Izay anie no mahatonga izany e. Iza no afaka hilaza fa tongalafatra amin'ity fiainana ity ka tsy ahita pitin-donto ny momba azy?

Mivavaha lalandava ary toneo ao amin'ny Tompo ny fonao sy sainao fa ahita ny hazavany mamirapiratra ianao! Izay hinoana fa tsara no voizo ary ataovy izay hazahoanao trondro maro araka izay izy amin'ny alalan'iny. Soa fa tsara ny Tompo! Amim-pitiavana. Soanja
100. ikaretsaka ( 14/02/2008 14:42)
izay tokao ve no nahatonga an'i laza tsy niteny hoe iza ny pasiterany, inona no tena denomination'ny fiangonana..
sao hoe lasa faillible bebe kokoa be sa ?
mba eritreritra ny ahy iny

ubi es fides tua?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085