Ny Baiboly

1. LazaDaddy ( 10/02/2008 22:17)
Iza aminareo mpiteny fa "tsy ampy ny Baiboly" no sahy milaza fa mahafehy an'io Baiboly io hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany?

Karazan'ny "mirediredy" mantsy ianareo raha miteny fa "tsy ampy" io, kanefa tsy mahafehy an'io akory...sahala amin'ny hoe mpingitrika lava tany an-tsekoly dia mitabataba fa tsy ampy ahafahana manala fanadinana ny nampianarina tao am-pianarana =))=))
novalian'i rakaroka ny 20/02/2008 13:01
2. LazaDaddy ( 10/02/2008 22:20)
...dia lasa manao cours "eny amin'ny sisiny"
3. cutie ( 10/02/2008 22:33)
i Laza nga mahefehy?:-D
4. LazaDaddy ( 10/02/2008 22:35)
cutie:
i Laza nga mahefehy?
izaho retsy tsy mahafehy an'io tanteraka a...izany no antony tsy mampirediredy sy tsy mampirehareha ahy hoe "tsy ampy" io.
5. cutie ( 10/02/2008 22:36)
:-D:-D:-D:-D
6. pissoa ( 10/02/2008 22:37)
Tsy mila mahay tsianjery ny Baiboly na mahafehy ny baiboly vao afaka miteny an'izany ka. Mila mahafantatra sy mino fotsiny hoe Andriamanitra lehibe Andriamanitra ary tsy voafehin'ny boky iray ny mikasika Azy mivantana sy ny mikasika izay mikasika Azy. :-D:-D:-D
7. LazaDaddy ( 10/02/2008 22:38)
cutie> sao dia tatahan'ny olona amin'ny "ecolage" eny amin'ny sisiny raha kamo sy mpingitri-dava tany am-pianarana...=))
8. cutie ( 10/02/2008 22:40)
Laza in a :roll::-D
9. LazaDaddy ( 10/02/2008 22:41)
sahala amin'ny hoe mpingitrika lava tany an-tsekoly dia mitabataba fa tsy ampy ahafahana manala fanadinana ny nampianarina tao am-pianarana
cutie> izay ilay nambarako hoe "araraotin'ny olona" @ ecolage eny amin'ny sisiny...na misy aza milaza fa "mpivarotra sujet" =))
10. cutie ( 10/02/2008 22:46)
=))=))=))=))=))
11. LazaDaddy ( 10/02/2008 22:47)
cutie> na mety ilay milaza azy fa "mpivarotra na mahita sujet" koa no mamporisika ny kilonga ho kamo sy hingitrika...amin'izay mandeha ny "cours eny amin'ny sisiny"...=))...sao dia hividy indry? =))=))
12. cutie ( 10/02/2008 22:51)
ndraso eo paoly:-D
13. soanja ( 10/02/2008 23:37)
LazaDaddy:

Iza aminareo mpiteny fa "tsy ampy ny Baiboly" no sahy milaza fa mahafehy an'io Baiboly io hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany?

Karazan'ny "mirediredy" mantsy ianareo raha miteny fa "tsy ampy" io, kanefa tsy mahafehy an'io akory...sahala amin'ny hoe mpingitrika lava tany an-tsekoly dia mitabataba fa tsy ampy ahafahana manala fanadinana ny nampianarina tao am-pianarana =))=))


Io boky io anie ilaina fandalinana e. Ka matoa milaza ny olona fa tsy ampy dia satria tsy ampy izy izay fa tsy hoe miteniteny foana akory. Efa nisy ny fandalinana ary efa fantatra ny votoatiny. Ny hoe hianatra tsianjery anle izy ho litera sy litera kosa aloha dia azafady fa tsy programa mihitsy satria tsy izay no takin'i finoana fa ny fampiharana azy amin'ny fiainana no takiany.


Efa eo ihany ianao, Ka maninona zao raha mba valin'i LD le hoe iza no vadin'i Kaina??


14. rabilabila ( 10/02/2008 23:40)
:lol:
15. LazaDaddy ( 10/02/2008 23:58)
soanja:
Ka matoa milaza ny olona fa tsy ampy dia satria tsy ampy izy izay fa tsy hoe miteniteny foana akory.
hafa kely izany fandaharan-kevitra izany an! =))=))
LazaDaddy:
sahala amin'ny hoe mpingitrika lava tany an-tsekoly dia mitabataba fa tsy ampy ahafahana manala fanadinana ny nampianarina tao am-pianarana...dia "araraotin'ny olona" @ ecolage eny amin'ny sisiny...na misy aza milaza fa "mpivarotra sujet"
cutie> mbola tsy tonga izy =))=))
16. cutie ( 11/02/2008 00:23)
laza
mazotoa miandry:-D
17. ikaretsaka ( 11/02/2008 00:23)
Tsy natao "ho fehezina" ny baiboly ry LD an..

izay Indrindra no tsy mahampy azy.. A/tra koa manko tsy "voafehy" satria tsy taka pesipesenina: Tsy ampy "mamehy" Azy ny Boky sy ny fahaizana ny boky !

Mahihy loatra sy tsy manan-danja loatra izany "Tenin' Andriamanitra Fehezina" izany!
18. cutie ( 11/02/2008 00:24)
kanefa ny Teninao no fahamarinana hono de ahona zany e :-D
19. ikaretsaka ( 11/02/2008 00:28)
samihafa tanteraka angamba ny teny hoe "fahamarinana" sy "fehezina":wink:
20. LazaDaddy ( 11/02/2008 00:30)
ikaretsaka:
Tsy natao "ho fehezina" ny baiboly ry LD an..
LazaDaddy:
cutie> na mety ilay milaza azy fa "mpivarotra na mahita sujet" koa no mamporisika ny kilonga ho kamo sy hingitrika...amin'izay mandeha ny "cours eny amin'ny sisiny"...
=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0725