mety ho iza ravehivavy?

141. rakapy ( 01/02/2008 02:53)
Ka raha mbola tsy mazava ny momba azy dia mbola ho very ny mpino Krista=))=))=))=))
142. LazaDaddy ( 01/02/2008 02:55)
rakapy:
Ka raha mbola tsy mazava ny momba azy dia mbola ho very ny mpino Krista
indrisy fa marina io amin'ny "mpino" marobe!


143. rakapy ( 01/02/2008 03:01)
Ka tsy midika ve izany fa mampifilafila sy manakorotana ny sain'ny olombelona ny fisian'ny baiboly?
144. LazaDaddy ( 01/02/2008 03:21)
tsia :)
145. rakapy ( 01/02/2008 03:34)
Azavao nahoana no tsia?
146. LazaDaddy ( 01/02/2008 03:57)
rakapy> izay kamo hamaky sy handalina an'io no mety hikorotan-tsaina rehefa tsy mahalala :)
147. nandrianina1 ( 01/02/2008 04:59)
148. niryna ( 01/02/2008 08:05)
nandrianina1:

http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=47&dika=

le babilonian sy le ravehivavy zany samy avy ao@ le tendombohitra ihany nefa mifamely v?

Ary ravehivavy :arrow:5 ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: .ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA AMIN'NY TANY. :arrow: Babylon the Great no hilazana azy .
vakio ilay fanazavana nomeko an'i nandrianina.
Vakio ny Apo 17,18 :arrow: babylon the great no anarany efa nohazavaiko tery aloha.

Hay efa misy fanazavana ao nataon'i laza miteny ilay tendrombohitra fito,ary ilay firenena

Tsara ho fantatra fa ao amin'ny Apoka 17:9 Indro ny hevitra izay misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy.

Teny misy fahendrena sy fahalalana no asehony ho antsika eto.Izany hoe mety hino ny olona,mety ahazo,ary mety tsy manana clous mihitsy.:roll:
Ary ilay tendrombohitra fito ..dia io efa voalaza io




149. niryna ( 01/02/2008 08:30)
lazaDaddy:


1) lamba volomparasy sy jaky
Eto dia efa vitsy ny tafiditra ao amin'io sokajy io. Vitsy ny toerana ahitana olona na fikambanana mampiasa lamba "volomparasy" sy "jaky"

Teny hilazana fa fikambanana ao amin'ny fitondrana ara -pivavahana ary ara-pitondrana koa misy azy ireo, izay misy ireo vehivavy mpijanga ,manohana ara- politika ,ara ekonomika sns.

Apok 17: 10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
11 Ary ny bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo azy ka lasa ho amin'ny fandringanana.


Anjarantsika no mijery ao anaty Geografy fa manahirana ny manome anarana firenena eto,izay avy ireo dimy ireo,izay io voadidina tendrombohitra io?
..
Ny iray mbola tsy tonga dia ireo .....anti-kristy.:arrow: 12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibidia izy.

Ary io no hiady sy handramatra an'ilay vehivavy,ka miafara amin'ny fiandrasana an'i kristy ary dia ampiseho ny fanjakany amin'izay i Kristy.

Averiko indray fa sarotra no andray ity tantara ity.
Mila mandalina an'i Mpaminany Daniela....

Apo 17 :6 "ravehivavy dia leon'ny ran'ny olona masina sy ny ran'ny maritioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra."
io izany no hanaporofoko anareo fa fivavahana manohitra an'i kristy ilay izy :roll:

Apok 17
13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibidia.

14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.

15 Ary hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao, izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka, sy firenena maro ary samy hafa fiteny.


Iza io Zanak'ondry io ? :arrow: Kristy ,Tompon'ny tompo

Mino fotsiny ihany ny tenin'Atra ary mino an' i kristy dia ho vonjena hianao.Mangataha ny fanahy masina mba hanoro ny marina amintsika tsirairay.
150. niryna ( 01/02/2008 08:35)

2) miravaka volamena sy vato soa ary pèrila
Raha io voalaza io dia olona na fikambanana manankarena sy manana ny "maha izy azy" tokoa ilay "ravehivavy

marina io fanazavan'i laza io,miravaka zavatra sarobidy indrindra,miravaka volamena be,manao .....,firenena aiza no mety ahitana an'io?

Apok 17:2 dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.

3 Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an-efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.


kapoaka volamena
Ahoana ny fihevitrareo an'izany hoe "kapoaka volamena" izany? Voalaza ilay "kapoaka volamena" fa tsy foana fa misy zavatra ao anatiny..."feno fijangajangana", inona ny "fijangajangana" eo imason'Andriamanitra?

18 Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.

kaopy :arrow: izay feno fahavetavetana rehetra,ilay endriny aty ivelany dia feno fahatsarana tokoa saingy ny ao anatiny dia tsy misy finoana an'i kristy :roll:
:arrow: false religious + tafiditra amin'izany ireo apostate na ireo olona milaza azy hoe mpino an'i kristy kanefa mifanohitra izay voalazan'ny baiboly no ataony. (manompo roa,Atra sy zavatra hafa)

:arrow:Matio 23: 26 Ry Fariseo jamba ! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.

27 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny faholotoana rehetra.


(l) niryna
151. pissoa ( 01/02/2008 21:05)
LazaDaddy:

Fa ahoana ho kaotin'i toi angaha ?!
Tiako ho fantatra mba tsy hidirako ao :)


:-D:-D:-D:-D:-D

Fa angaha mbola mikasa hiditra ao amin'ny vehivavy hafa i LazaDaddy ? Noheveriko fa efa ao anaty vehivavy anie ianao e ! ka inona indray no mbola handinihana lalina ny vehivavy hafa any ? Sa mety ho vehivavy janga ilay vehivavy idiranao amin'izao io ka te hiala ianao no mahatonga anao mandinika ny hafa. Miala tsiny fa tsy hitako izay antony handinihanao vehivavy hafa raha toa ka tena mahafapo anao ny vehivavinao.

Rehefa ao anaty vehivavy ianao, ka io vehivavy misy anao io no heverinao fa vehivavy mendrika, dia mijanona ao foana fa aza lany andro mandinika ny vehivavy hafa. Raha handinika vehivavy hafa eo foana ianao dia mety ho voasarika hiditra ao aminy ihany ny farany. :-P
152. LazaDaddy ( 01/02/2008 21:09)
153. cutie ( 01/02/2008 21:11)
=))=))=))=))=))=))=))
154. pissoa ( 01/02/2008 21:13)
:-D:-D:-D:-D:-D
155. LazaDaddy ( 01/02/2008 21:17)
eto amin'ity sehatra ity mahafinaritra matetika rehefa misy olona tsy tiany loatra ilay resaka dia ovainy ho resaka fankahalana olona manokana...fa tsy i pissoa izany an...i pisoa mba nampiseho ny "secret"-ko fotsiny...izao aho izao lasa fantatr'i cutie fa mbola mitady vehivavy =))
156. cutie ( 01/02/2008 21:19)
=))=))=))=))=))=))=))
157. LazaDaddy ( 01/02/2008 21:20)
cutie> toa faly be indry nahafantatra fa mbola mitady vehivavy aho?
158. cutie ( 01/02/2008 21:23)
zany nga no dikan'io:-D:-D:-D:-D:-D
159. LazaDaddy ( 01/02/2008 21:33)
cutie> indry kosa ve dia atakaloko vehivavy janga mitaingina bibidia na dia hoe sodokan'ny perila sy kapoaka volamenany aza? :)
160. rabilabila ( 01/02/2008 21:40)
Raitsika!!raitsika!!hi!hi!hi!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089