Mba anontanio ny mpitondra fivavahanareo ity azafady e??
43. niryna
(
30/01/2008 06:44)
cutie:
28. Mpandefa : prime [ Valio ] 29-01-2008 12:14:57
Lohateny : Re : Mba anontanio ny mpitondra fivavahanareo ity azafady e??
Tena mba nanaitra ahy ny valin-tenin'i cutie teto...
maybe u judged me too much taloha :-D:-D:-D:-D
cutie a izaho indray dia midera andry toy i prime ka,ny tiany ho tenenina dia izao,manontany zavatra maro i ndry ary dia mampihatra azy amin'ny fiainana.Tena zava-dehibe izany ,tsy hoe mi judge no dikan'ilay izy raha ny fahazoako azy a,mampiasa ilay teny noratovina eto.
Andriamanitra be fahasoavana anie hanome hery sy fahalalana ary finoana anao hatrany.:-*:-*:-*
44. niryna
(
30/01/2008 06:44)
mbaliana:aza atao mahagaga aky izany a,misy vao misotro ronono ny olona,misy efa mihinana sakafo azo tsakoina,fanampiana no ataontsika eto,fizarana no ilaina fa aza atao mahagaga.
mitovy hevitra amin' i cutie...
fa mahagaga ahy i niryna...
Zarao hoe ny tiako ho tenenina fa mety hafa ny fandraisanao azy ka dia hialako tsiny.
dia mba omeo anay hoe mbaliana ,inona no ataonao amin'izany? Ahoana no ataonao ahalalanao fa mihaino anao Atra?
marina izany ,ary izany no antony hitenenana foana hoe ataovy ny andrana
tsotra mande am-pitokiana ny fiainako...raha tojo olana aho amin'izay ataoko dia miezaka ny hamaha azy aho zay vokany eo dia ekeko avokoa..... finoana sy fahatokisana fa tsy mila fisalasalana.
.. anankiray tsy mitompo teny fatratra hoe ny ahy sy ny nolazaiko no tena marina fa MANDINI-TENA FOANA isanandro ohatrin'ny nolazain'i Cutie koa no atao be di be
ilay resaka fandinihan-tena anie dia izao e,tsy mahazo mitsaratsara olona isika na hoe mieritreritra ny olona ho izay lazainy dia ho marina avokoa na hoe io koa miseho azy ho marina,mandray izay tsara fotsiny dia ampy fa tsy azo asiana fitsongoloana,lany andro eto isika raha izany,izay ahazoana tombotsoa hamonjena ny olona hanatona an'ilay Kristy ,tompo sy mpanjaka ary mpanavotra no tadiavina.
Ny fandinihantena dia fianarana ny fiainana miaraka amin'i kristy,dia ny fitiavana izany I kor 13 .Tsy mora ny mitia ny fahavalona na ny olona tsy tiana ,tsy mora ny manalefaka ny fo rehefa miteny,tsy mora ny miteny tsotra fa tsy mitratrevatreva na mitsara olona,saingy rehefa miaraka amin' i kristy isika ,izay nampianatra antsika izany dia miala tsy moramora io.
mahereza :-*
46. Rasiligaoma
(
30/01/2008 06:50)
za koa namaste (miombon-kevitra sy fijery ary mankasitraka) amin'i Mbaliana sy i cutie
hoe
tsotra mande am-pitokiana ny fiainako...raha tojo olana aho amin'izay ataoko dia miezaka ny hamaha azy aho zay vokany eo dia ekeko avokoa..... finoana sy fahatokisana fa tsy mila fisalasalana... anankiray tsy mitompo teny fatratra hoe ny ahy sy ny nolazaiko no tena marina fa MANDINI-TENA FOANA isanandro ohatrin'ny nolazain'i Cutie koa no atao be di be

47. LazaDaddy
(
30/01/2008 06:51)
niryna> ka izay no mahatonga ahy manontany hoe inona ny maha samihafa ny fanontaniana 1 sy 2 napetrakao, satria tsy azoko. Mety misy olona mahazo famonjena ve kanefa tsy mahazo fiainana mandrakizay?
48. niryna
(
30/01/2008 06:52)
fijo:
raha mbola nanao sekoly alahady di atsara ireo fanontaniana ireo ngamba
fijo a vonjy fanahy ity ka tsy voatery hoe manao sekoly alahady,izaho tsy nianatra izany sekoly alahady izany kanefa aho miezaka ny hanazava ny olona fa misy ny afobe :ireo izay minia sy manda ary mamadika ny tenin'Atra sy tsy mitory ireo any am-piangonana ny atao hoe famonjena fa zavatra hafa no toriany ary misy ny fiainana mandrakizay izay miaraka amin'i kristy,ahoana no ataoko,ataonao,ataon'ny rehetra?
Manontania tena hianao,hoe ho aiza izaho ity rehefa hatrizay,tsy mivaky loha moa dia efa voafandriky ny harato hianao,mino aho anefa fa Atra tia antsika rehetra ary tiany ho vonjena daholo isika rehetra.
Misy fiangonana tsy mampianatra ny famonjena, ahoana no atao,iza no mety ho voavonjy ary ahoana izany atao hoe fiainana mandrakizay eo amin'ny tompo izany na tsy miaraka amin'ny Tompo.
misaotra tompoko
50. niryna
(
30/01/2008 07:00)
Rasiligaoma:
farito ilay hoe "mivavaka any amin'izay tsy izy"
Misaotra anao nanontany an'izany.
Ny ahy ny but-ko eto dia hitoriteny ny amin'ny fitiavan'ilay Kristy mahery,mpanavotra antsika,maty teo ambon'ny hazofijaliana nanadio ny otantsika rehetra.
Voalaza ao anaty baiboly izany teny izany hoe mivavaka any amin'izay tsy izy na ny marina dia hoe
Eksodosy 20:1-6
1 DIA nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
51. niryna
(
30/01/2008 07:03)
ikaretsaka:
ary tafaletika lalina @ fandinihin-tena i cutie an:-D:-D:-D
mampihatra amin'ny fiainana ny teny izay noratoviny teto izy ika ,tsy misy maharatsy amin'izany fa tena fahasoavana ho azy izany,sy ho an'izay rehetra mino ny tenin'Atra.Tsy mbola nandainga Izy fa nitazona ny teniny hatramin'izao ora hanoratako izao :D
52. Rasiligaoma
(
30/01/2008 07:05)
tsara izany kambony fa tsy very maina ny hafatr'ilay mpiteny hoe "mandiniha tena" iny fa mba nisy nandray izany
53. niryna
(
30/01/2008 07:06)
Rasiligaoma:
za koa namaste (miombon-kevitra sy fijery ary mankasitraka) amin'i Mbaliana sy i cutie
hoe
tsotra mande am-pitokiana ny fiainako...raha tojo olana aho amin'izay ataoko dia miezaka ny hamaha azy aho zay vokany eo dia ekeko avokoa..... finoana sy fahatokisana fa tsy mila fisalasalana... anankiray tsy mitompo teny fatratra hoe ny ahy sy ny nolazaiko no tena marina fa MANDINI-TENA FOANA isanandro ohatrin'ny nolazain'i Cutie koa no atao be di be
misaotra anao aho ry rasily.
Ataovy eo amin'ny toeranao hoe ity vehivavy ity,inona no ataony mba ahazoany izany famonjena izany?
54. LazaDaddy
(
30/01/2008 07:13)
LazaDaddy:
niryna> ka izay no mahatonga ahy manontany hoe inona ny maha samihafa ny fanontaniana 1 sy 2 napetrakao, satria tsy azoko. Mety misy olona mahazo famonjena ve kanefa tsy mahazo fiainana mandrakizay?
55. niryna
(
30/01/2008 07:13)
Rasiligaoma:
tsara izany kambony fa tsy very maina ny hafatr'ilay mpiteny hoe "mandiniha tena" iny fa mba nisy nandray izany
hitakou :D sady izao koa anie e,ny teny izay hafafy eto dia tsy miverina any aminao na any amiko na any amin'izay namafy azy intsony mandrakizay :roll: na misy mandray voa tsara na misy mandray voa ratsy.
Lasa a,tsy miverina intsony i :D
57. niryna
(
30/01/2008 07:22)
LazaDaddy:
LazaDaddy:
niryna> ka izay no mahatonga ahy manontany hoe inona ny maha samihafa ny fanontaniana 1 sy 2 napetrakao, satria tsy azoko. Mety misy olona mahazo famonjena ve kanefa tsy mahazo fiainana mandrakizay?
:D
Efa naheno hianao hoe "stumbling block" na hoe olona potraka na niverin-dalana ?
Misy koa nino an'i kristy kanefa tsy naharitra dia lasa nankahala ny teniny,tsy mino azy intsony"fornicator" na ireny olona izay voasoratra ao fa mety tsy handova ny fanjakan'ny lanitra,nino ,kanefa lasa nivadika tamin'ilay ray nahary azy.
Misy olona izay nandray an'i kristy,dia tsy nahatohitra ny fakam-panahy,ary dia niverina ny fanaony,na nivavaka aza izy,nifona,voavela tokoa ny helony.Saingy raha mivadika amin'i kristy izy,ka dia miverina na manao zavatra hafa ka tsy mibebaka alohan'ny ahafatesany dia inona no mitranga ,voavonjy ve ny fanahiny? Niverin-dalana izy,nitombo avo fito eny ny fanahy ratsy miverina ao aminy. Dia ahoana?
Dia miverina any aminao ny fanontaniana raha izany :D
Nahazo famonjena izy kanefa indrisy.....
Izay maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena .....
58. LazaDaddy
(
30/01/2008 07:24)
niryna:Azo lazaina ho voavonjy ve izany?
Efa naheno hianao hoe "stumbling block" na hoe olona potraka na niverin-dalana ?
Misy koa nino an'i kristy kanefa tsy naharitra dia lasa nankahala ny teniny,tsy mino azy intsony"fornicator" na ireny olona izay voasoratra ao fa mety tsy handova ny fanjakan'ny lanitra,nino ,kanefa lasa nivadika tamin'ilay ray nahary azy.
59. niryna
(
30/01/2008 07:32)

ka izaho aza mba manontany anao kou :D
Aiza no misy an'iny,andao isika hitsimpona kely
Tsia tsy ho voavonjy izy ireo raha tsy manatona an'i kristy alohan'ny ahafantesany,rahoviana,tsy misy izay avoakan'ny ampitso ka izany no atony hibebahana isan'andro.
60. LazaDaddy
(
30/01/2008 07:35)
niryna:Raha manontany ahy i Niryna dia hoy aho hoe mitovy ireo fanontanianao voalohany sy faharoa ireo...asa...diso ve izay?
ka izaho aza mba manontany anao kou