Mba anontanio ny mpitondra fivavahanareo ity azafady e??

21. niryna ( 29/01/2008 06:47)
mbaliana:

na koa hoe mangataka fanampiana amin'Izy Andriamanitra hoe Mba omeo hery aho hanantanterahako ary hanekeko ny sitraponao raha izao no hitanao fa mety ho ahy...
marina izany.
dia mba omeo anay hoe mbaliana ,inona no ataonao amin'izany? Ahoana no ataonao ahalalanao fa mihaino anao Atra?

Famonjena amin'ny inona aloha e?

Misaotra anao nanome ilay fanontaniana.
Ny tiako ho tenenina dia hoe:nampianatra ny famonjena ve ny mpitondra fivavahanareo ohatra ny ahy io an fa aza alaina hoe hianao?
Inona no atao hoe famonjena?
Izany hoe isika dia ho faty avokoa.Efa maty daholo isika rehetra raha ara-panahy no resahina,fa ho an'ireo izay mino na mivavaka amin'i kristy dia nahazo fiainana vaovao indray,velona indray izany ny fanahy.
Ka ny famonjena dia fomba hilazana fa hiaraka amin'ny Kristy rehefa mino Azy,ary izy no hinoana fa Mpamonjy,ny fanahy no vonjeny eto,ny vatana dia ho faty avokoa,fa ny fanahy dia mbola velona ka na velona hiaraka an'i Tompo na velona fa hijaly.

velona hiaraka amin'ny tompo :arrow: eternal life na fiainana tsy misy fahoriana intsony.Aiza io toerana io:arrow: miaraka amin'i kristy sy ny Rainy any an-danitra sy ireo olona izay manara-dia an'i Kristy.
Dia ahoana no atao mba ahazoana io famonjena io?

velona hijaly :arrow:eternal burning,na velona ny fanahy fa tsy misy fiadanana fa mitomany,mikiakiaka,ampijalian'ny devoly,ary aiza io toerana io :arrow: afobe
mazava ?

11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.Apok 14:11

23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. Rom 6:23

8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. Apok 20:8


22. niryna ( 29/01/2008 06:50)

Tsy mahita fifaliana,fiadanam-po ary toa tsy mety foana izay zavatra ataonay mivady hoy izy.Ny zavatra nangatahiko nandritra izany taona izany dia ny mba ahavonjy ahy kanefa ahoana no atao amin'izany?
mbaliana:

ny ohabolana aza misy miteny hoe ny fiononana no fahasambarana...
NY fanekena no zavadehibe dia arahin'ny fiononana sy fifaliana amin'izay ananana no fiadanam-po sy fahasambarana ...dia ny fahaizana misaotra ny zavatra niainana anio fa tsy mieritreritra ny hahazo ny tsy anjara..
hevitro aloha iny ..,
=D=D marina ny hevitrao raha mino izy,fa ny olana anie tsy fantany izay tena atao mba hinoany e,tsy fantany izany hoe ahoana no atao mba ahazoana famonjena,hafa ny lalana nalehany,noheveriny fa hoy izy ilay lalana kanefa ny finoana an'Atra dia manome fiadanana, fifaliana,fahamarim-po,fanantenana.

Ho lazaiko anareo ny tantara rehefa avy eo satria tantara marina io lazaiko io ,ary izy no nampanontany ahy hoe mba hanontanio ireto olona ireto raha mitory ny famonjena ny any am-piangonany na tsia.
Fa tsy mba nampianarina an'izany izahay hoy izy

23. niryna ( 29/01/2008 06:53)
xxx:

koa raha tsy misy atao koa


misy foana ka,fanontaniana manitikitika ireo,dia anontanio ny tenanao hoe inona tokoa izany no ataoko mba ahazoako famonjena rahatrizay,inona no ataoko dieny mbola velona izany aho?
24. niryna ( 29/01/2008 06:55)
ikaretsaka:

namaste mbaliana


ampio hono izy hoe inona no dikan'ny famonjena,izay fanahy mazava ho azy no resahiko eto
25. niryna ( 29/01/2008 06:58)
LazaDaddy:

niryna:
1- Ahoana no ataoko mba ahazoako famonjena?

2- Inona na hoe ahoana no ataoko mba ahazoako ny fiainana mandrakizay?
Inona ny maha samihafa an'ireo ry Niryna? Inona ilay "famonjena" dia inona ilay "fiainana mandrakizay"? Misaotra

Inona no tokony ataoko mba ahavonjy ahy ka ahazoako fiainana mandrakizay?

Famonjena=salvation
fiainana mandrakizay=eternal life
26. niryna ( 29/01/2008 07:11)
ikaretsaka:

tsotsoriko ary:

ny "famonjena tsunami" ve ohatra =fiainana mandrakizay"

Relief vs Cure..= Ahiako hifangaro indray!:-D:-D:-D:-P



:lol:
Omeko mazava izany ny tiako ahatongavana ry ika:
-ny fidirana membre ao am-piangonana dia tsy mahavonjy
araka ny voasoratra hoe:10 Tsy misy marina na dia iray akory aza;23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,Rom 3:10,23
-mila miambina isan'andro isika fa tsy fantatra izay andro ahatongavan'i kristy27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. Heb 9 27
-Tsy afaka mamonjy ny tenantsika amin'izao isika fa tsy maintsy mitady mpamonjy, 6 Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.Isaia 64:616 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.Gal 2:16
27. niryna ( 29/01/2008 07:16)
cutie:

ny famonjena efa vita, anjarany fotsiny no mandray azy na tsia.
Ny fiainana mandrakizay ndray miankina @ le famonjena no ahazoana azy :)


misaotra aky cutie a,ny famonjen'i kristy antsika ,izay maty teo amin'ny hazofijaliana mba hanadio ny fahotantsika,mba andoha ny trosantsika,eny efa vitany ho an'ny rehetra izany.
Ka rehefa nomen'Atra ny Zanany isika noho ny fitiavany antsika,moa ve isika manaiky fa ilay Zanany io no mpamonjy ?Mpanavotra amin'ny fahoriana,fijaliana,fiainana?Moa ve isika mino fa any amin'io Zanany io irery no lalana mankany amin'ny ray?
Marina izany raha misy mpamonjy dia tonga tafita amin'ny rano isika e.
Toy izany ihany koa raha mino an'i kristy ho mpamonjy .Ahoana anefa no atao amin'izany hoy ilay ramatoa nivavaka ,mahafantatra fa toa tsy mamaly vavaka azy ilay Atra hinoany?
28. LazaDaddy ( 29/01/2008 07:56)
niryna> mety misy olona mahazo "famonjena" ve kanefa tsy mahazo "fiainana mandrakizay"?
29. prime ( 29/01/2008 11:14)
Tena mba nanaitra ahy ny valin-tenin'i cutie teto... =D
30. cutie ( 29/01/2008 16:10)
Ahoana anefa no atao amin'izany hoy ilay ramatoa nivavaka ,mahafantatra fa toa tsy mamaly vavaka azy ilay Atra hinoany?

mandiniha tena we:-D:-D:-D:-D:-D
31. cutie ( 29/01/2008 16:11)
28. Mpandefa : prime [ Valio ] 29-01-2008 12:14:57
Lohateny : Re : Mba anontanio ny mpitondra fivavahanareo ity azafady e??
Tena mba nanaitra ahy ny valin-tenin'i cutie teto...

maybe u judged me too much taloha :-D:-D:-D:-D
32. ikaretsaka ( 29/01/2008 17:19)
cutie> marina ny androky @ le hoe mandiniha tena:):-D:-D:-D
33. mbaliana ( 29/01/2008 19:29)
mitovy hevitra amin' i cutie...

fa mahagaga ahy i niryna...

dia mba omeo anay hoe mbaliana ,inona no ataonao amin'izany? Ahoana no ataonao ahalalanao fa mihaino anao Atra?

tsotra mande am-pitokiana ny fiainako...raha tojo olana aho amin'izay ataoko dia miezaka ny hamaha azy aho zay vokany eo dia ekeko avokoa..... finoana sy fahatokisana fa tsy mila fisalasalana... anankiray tsy mitompo teny fatratra hoe ny ahy sy ny nolazaiko no tena marina fa MANDINI-TENA FOANA isanandro ohatrin'ny nolazain'i Cutie koa no atao be di be
34. ikaretsaka ( 29/01/2008 19:31)
namaste
35. fijo ( 29/01/2008 22:20)
raha mbola nanao sekoly alahady di atsara ireo fanontaniana ireo ngamba
36. cutie ( 29/01/2008 23:33)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
37. ikaretsaka ( 29/01/2008 23:51)
ary tafaletika lalina @ fandinihin-tena i cutie an:-D:-D:-D
38. cutie ( 29/01/2008 23:57)
in a:-D:-D:-D:-D
39. niryna ( 30/01/2008 06:24)
LazaDaddy:

niryna> mety misy olona mahazo "famonjena" ve kanefa tsy mahazo "fiainana mandrakizay"?

ahoana ny eritreritrao?

40. niryna ( 30/01/2008 06:28)
cutie:

Ahoana anefa no atao amin'izany hoy ilay ramatoa nivavaka ,mahafantatra fa toa tsy mamaly vavaka azy ilay Atra hinoany?

mandiniha tena we:-D:-D:-D:-D:-D



=D=D mivavaka any amin'izay tsy izy aky izy cutie a,dia miandry an'ilay Atra hamaly vavaka ,ka eo izy no mihitsika ny rehetra.Rehefa nampianarina mantsy isika hoe rehefa mivavaka dia manatona an'ilay kristy fa izy no hitondra ny hafatra ho any amin'ny rainy,tsy izany ny azy,tsy hisy fanahin'i kristy mihitsy izany ao aminy dia izay no antony .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091