METY VE NY TOKATRANO MASO?

1. peugeot ( 10/01/2008 08:45)
mety tokoa ary ve ny manao tokatrano maso ,misokatra ny adihevitra ho antsika
2. xxx ( 10/01/2008 09:31)


ny "concubinage" ve no atao hoe tokatrano maso ?
3. xxx ( 10/01/2008 09:33)
raha Kristianina ianao dia tsy mety , sinon samy manana ny safidiny ny tsi11 sady efa marobe koa izao ny manao le union libre io . Ny essentiel d oe mifankatia sy mahay mifanaraka tsara ry zareo d izay .

@ maha-Malagasy indray dia mba tsaratsara kokoa raha mba omena voninahitra ilay RAD, zany oe mba manaraka ilay fombafomba ,(fangatahana , vodiondry .......) fa tsy tonga d oe ndao hiara-hipetraka d zay
4. biry ( 10/01/2008 11:07)
tsy mety satria manimba zavatra be de be
5. simplex ( 10/01/2008 11:44)

mitovy hevitra @ xxx,

atero ny vodiondry, d ze revinareo mitsam ihany io. Refa misy papozy fotsiny vao tsy maintsy hoe misoratra fara faha-ratsiny... tandremana tsara io zany alou :)

zany hoe sarotsarotra fotsiny ny ahita sipa hiditra @ zany, indrindra fa ireo mbola mipetraka @ dada sy neniny :°):P

bonne chance alou e ;-)
6. xxx ( 10/01/2008 13:06)
izany ary izy hoe tokatrano maso kou zany ve de hety? tsisy mampifamatotra izany na dia mifankatia aza.
7. ronaldo09 ( 10/01/2008 13:18)
Raha mpiasa-mpanjakana ianao tsy tsara le tokatranomaso ry papa !Ary raha Kristiana koa vao maika loza ,eo anivon'ny fiaraha-monina koa tsy tsara loatra izy io fa manimba image!
En generalzany dia tsy tsara ny tokatranomaso!
8. fanantenana2003 ( 10/01/2008 17:30)
eh ben za nefa de manao tokatrano maso izany efa ho presque 8 ans fa tsy hitako izay maha samy hafa ny vie-nay mihoatra ny tsy tokatrano maso izany, safidy io sady tsy hitako izay maha menatra izany, misasaka ohatrany tsy tokatrano maso ihany depense rehetra!
sady ny tsy tokatranomaso koa anie izao efa ihodinan'ny jeune , betsaka ny ankizy ny tsy te hanana arakaraka intsony fa ny tokatranomaso no safidy betsaka!eto madagasacar dia ekeko fa ratsy eo imason'ny famille sy ny ray amandreny fa ny any ivelany toa tsy misy olana loatra io!
sain'ny tsirairay io fa izaho manokana dia nisafidy ny tokatrano maso eh!
9. pissoa ( 10/01/2008 18:29)
mety ... raha toa ka tsy gasy ianao sady tsy kristianina :-D:-D:-D
10. meva2 ( 11/01/2008 07:55)
pissoa:

mety ... raha toa ka tsy gasy ianao sady tsy kristianina :-D:-D:-D



Ka izaho izao gasy, kristianina, misy défauts sy qualités @ toetra tahaka anao sy ny ny namana rehetra!!! tia fihavanana, manampy arak'izay afako ireo mila izany, tia ny vady amanjanako, tsy mampirafy!! tsy mangalatra, miasa mafy, manara-dalàna.......
Koa nahoana no mety amin'ny sasany fa tsy mety amiko????




11. peugeot ( 11/01/2008 08:01)
eto dago kous alou de kristianina ny akamaroany noho izany ny kristianina ihany zany no betsaka manao tokatrano maso ,kou ra resaka fivavahana no itondrana azy de ts kristianina izany ze manao tokatrano maso ? nefa ny fiainana mitovy aminy tsy tokatrano maso ,za ary mahita fa ny tokatrano maso no tena milamina ny fiainana , sa ahouna hoy nareo /
12. fanantenana2003 ( 11/01/2008 08:52)
za aloha de safidy ny ahy le tokatranomaso eh, ary gasy aho tahakanao miteny io, ary miaina ara-dalana tahakanareo tsy tokatrano maso ireo, resaka paps fotsiny no mahasamy hafa antsika
aza ampidirina mihitsy le resaka kristiana sy hoe gasy , fa rehefa tsy kristiana sy tsy gasy de tsy afaka manao tokatrano maso!
13. xxx ( 11/01/2008 09:32)
fanantenana2003:

za aloha de safidy ny ahy le tokatranomaso eh, ary gasy aho tahakanao miteny io, ary miaina ara-dalana tahakanareo tsy tokatrano maso ireo, resaka paps fotsiny no mahasamy hafa antsika
aza ampidirina mihitsy le resaka kristiana sy hoe gasy , fa rehefa tsy kristiana sy tsy gasy de tsy afaka manao tokatrano maso!



Manaja ny safidinao an !

Ka raha avadika ny fanontaniana, raha toa ka mitovy ihany ary , inona no hijanonanareo @ tokatrano maso fa tsy mivady officiellement ?
14. booboo ( 11/01/2008 09:35)
Tsy hitako kounkou zay mampiavaka ny fiainana andavan'andro ny mpanao tokantrano imaso sy ny mpivady vita an'izao raha aby aby zao : refa tsy mahay mifampiresaka dia gli, samy mitaky fandeferena sy fitiavana sns raha tiana haharitra sy mihamafy lay fiarahana, samy tsy maintsy mitsakara-bola sao gli 'ny hanohanana, ny factures koa tsy maintsy aloa, refa tsy ao tsony ny fitiavana dia misaraka sns.

Amiko manokana kounkou, afaka entina mangingiana isan'andro @ Atra lé tokantrano ho tahiany fa tsy hoe tsy maintsy ampidirina ary am-pengo vao ho tahiany :^).

Na izany na tsy izany, ilaina ihany ilay manao mariages ara-panjakana ( hiarovana sy hitsinjovana ny zo- n'ny tsirairay raha sendra misy gli tampoka na misaraka ), ny vodiondry indray mba ahafantaran'ny fianakaviana fa tsy mpianadahy nareo no miaraka ao :°) sady mba mifankafantatra ny fianakaviana roa tonta, ny any am-pengo indray ...euh :°)

15. sakaizakely ( 11/01/2008 13:47)

ny tsapako hoe tsy mety dia ny fitsikerana ny ataon'ny hafa

na tokantrano maso na sofina, samia manao izay hampandeha ny azy fotsiny
16. xxx ( 12/01/2008 06:51)
tsy mety satria tsy voatsodranon Atra no sady tsy manaja ray amandreny sy ny mpiray tampo ary ny fianakaviana iray manontolo.
17. marchl ( 12/01/2008 11:17)
Ra mpifankatia vonona ny hiteraka de azo antoka fa tsy mety ny tokatrano maso
18. peugeot ( 12/01/2008 14:38)
fa ny idirana ao anaty tokatrano ve kalou ka tsy hiteraka e sa inn fotsiny no ao
19. soanja ( 12/01/2008 15:51)
Raha vao antsoina hoe "tokatrano maso" dia tsy tsara satria lasa misy idiran'ny finoana ilay izy , ka raha ny finoana rehetra fantatro ankoatran'ny ireny bodista sy ny hafa miavaka ireny dia tsy manaiky an'io mihitsy. Ka safidy eto na finoana na hanota.

Fa raha hiteny kosa hoe fitambaran-trano na tambatrano na "fanambadiana tsy misy fehy" dia tsy hitako izay mahaolana izany. Samy manana ny mahasambatra azy avy ary tsy tokony hisy hafa sarotiny amin'izany safidin'ny hafa.
Raha amin'izao vanim-potoana izao dia io aza no hitako fa tsara kokoa satria be siasia loatra ny olombelona.

"Ny fandalovana eto an-tany dia ny fikatsahana ny fahasambaran'ny tsirairay, izay matetika tsy tsapa raha tsy ifandraisana am-pitiavana sy am-panajana." Soanja
20. vololomanitra91 ( 13/01/2008 08:07)
tsy tsara ny tokatrano maso!!! eo anivon'ny rehatra mihitsy! na ara kristianina, na ara-piaraha monina, na ara-kasa, na ara-pianakaviana, na ara-pomba malagasy @maha gasy antsika, na ny fifandraisan'ny zanakareo ny manodinana azy aza dia manimba ny sainy!!! Tsy misy tsara afatsy ny mande @ normale ihany!!! Ny fanambadiana mandrakizay fa tsy kilalao! Ra sanatry ary oatra oe misy ny tsy mapifanarakanareo dé iaraka maina fotsiny amizao zany? TSY METY E!! SADY DINIO IHANY NY ovin'ny ankizy!!! zay fa bonne chance à tous
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2781