Ny Devoly
61. prime
(
10/01/2008 06:42)
soanja> ny fahanoanana, alahelo, fangirifiriana dia niainan'i Jesosy toy ny olombelona rehetra fa tsy vokatry ny fakam-panahy... Satàna no naka fanahy an'i Kristy fony Izy nivavaka tany an'efitra fa na tsy naka fanahy Azy aza Satàna, noana foana Kristy taorian'ny fotoana nivavahany nandritra ny efapolo andro nifady hanina... izay ilay filàna ilain'ny nofo mivelona izay notafian'i Kristy ihany koa... Ka aza afangaro ny resaka... Satàna dia fanahy ary afaka miasa ivelan'ny olona, nefa afaka miditra amin'ny olona rehefa manaiky azy ilay olona...
68. prime
(
11/01/2008 10:28)
Ny tenin'Andriamanitra r'izareo betsaka na dia ireo ambony ireo aza manamarina fa fanahy lehibe iray mihitsy io ary manana fanjakàna lehibe ihany koa a...
Anjely ve hitovy amin'ny sain'olombelona kely e...
Ka ny tena marina voasoratra dia ireto amin'ny anaran'i Jesosy :
"Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy." Apokalypsy 12:9
"Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra." Lioka 10:18
Sain'olombelona taiza no latsaka avy tany an-danitra???
"Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny." Lioka 8:30... sain'olombelona ve ho legiona iray manontolo hamatotra???
"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra]" Efesiana 6:12... Raha tsy manana ilay masom-panahin'Andriamanitra tsy hahatsapa sy hahita ireo... sady ny fahajambàna rahateo anisan'ny hery lehiben'ny demoniaka manidy sy manamafy ny fon'ny olona amin'ny tsy finoana...
"24 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.25 Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.26 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany." Lioka 11:26... raha mivoaka amin'ilay olona ny sainy "maloto" dia mandeha mitety tany mankaiza???
Tontolon'ny fanahy no misy an'Andriamanitra, ary tontolon'ny fanahy no iasàn'i Satàna... tsy azon'ny saina veroka ny hery mifanohitra amin'ireo ary raha mbola sain'olombelona tsy hahatohitra na hahavoaka fanahy ratsy amin'izao fa Kristy irery no efa naharesy ary Mpandresy rahateo...

70. Mandefitra
(
14/01/2008 05:27)
Hono ho a ry zareo (fijo, soanja, cutie ....): ny mpamosavy mivoaka alina, ny fanainga lavitra, ny ambalavelona, ny tromba ... saina fotsiny ve no mitondra ireny sa fanahy?
71. soanja
(
14/01/2008 06:40)
Mandefitra:
Hono ho a ry zareo (fijo, soanja, cutie ....): ny mpamosavy mivoaka alina, ny fanainga lavitra, ny ambalavelona, ny tromba ... saina fotsiny ve no mitondra ireny sa fanahy?
Ireny no antsoina hoe aretina amiko. Raha matanjaka ianao ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy dia tsy handaitra izany rehetra rehetra izany.
Ny fahatanjahana amin'ny lafiny rehetra dia fahasalamana. Ny fanahy dia isan'ny zavatra tsy azo tsapain-tanana ao anaty vatana, izay mitoetra any amin'ny atidoha, vokatry ny asan'ny fo sy ny saina ary ny tsapa rehetra. Azonao ampiasaina amin'ny ratsy ny fanahy ao anatinao ary azo ampiasaina hanaovantsoa tokoa.
Efa niaina tamin'ny resaka tromba nandritra ny fotoana lavalava aho ary mahalala fa ny fandemena ara-tsaina entin'ny kolontsaina eo anivon'ny fiarahamonina no manome ny tromba, ny njarinintsy ary ny Ambalavelona. Efa nandemy mpamosavy roa aho tamin'ny fiainako. Koa ny ratsy dia misy fa tsy lavitra fa ao anatintsika ihany sy ny fifandraisana amin'ny ety ivelany izay mandaitra mandemy antsika.
Mivavaha ary miambena mba tsy ho voarebirebin'ny fakam-panahy
72. LazaDaddy
(
14/01/2008 08:26)
Soanja> tsy mamaly fanontaniana anie ianao e :) andraso aza fa omeko ohatra ianao e:
Jesosy:Nilalao soma ratsy namosavy ny eritreritr'i Petera izany i Jesosy teo hoy i Soanja?
"Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao." Lioka 22:31-32
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Joba 2:3Olombelona koa ve izany Jehovah Andriamanitra ka mamosavy Azy ny eritreriny hoy i Soanja?
73. soanja
(
14/01/2008 15:52)
LazaDaddy:
Soanja> tsy mamaly fanontaniana anie ianao e :) andraso aza fa omeko ohatra ianao e:Jesosy:Nilalao soma ratsy namosavy ny eritreritr'i Petera izany i Jesosy teo hoy i Soanja?
"Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao." Lioka 22:31-32Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Joba 2:3Olombelona koa ve izany Jehovah Andriamanitra ka mamosavy Azy ny eritreriny hoy i Soanja?
Ka amin'ny LD niseho vatana ve i Satana teo raha niresaka ireo i Jesoa sy Jehovah Andriamanitra?
Sarin-teny milaza fa miasa ao amin'olombelona ny fakam-panahy. Ary hilaza aminao aho fa miasa lavitra noho ny asan'ny fanahy ao amintsika izy raha tsy mivavaka isika. Ny hoe miasa dia ny filan'ny vatana na fahafinaretana, aretina, fitiavan-tena sns no manjaka ka zary manadino ny tanjona tiantsika tratrana isika olombelona.
Io no fandraisako ireo teny ambony ireo. Tsy mandray teny tsimpotsimpona aho miala tsiny fa mijery sy mandihady ny zavamisy ary mianatra lalandava hoe ahoana ny hantsarako ny fifandraisako amin'Andriamanitra. Tsy mitondra azy ny kitsimpontsimpona satria io ihany dia hamitaka antsika satria hafatra feno no tian'Andriamanitra aseho amintsika na resaka Joba io na resaka apostoly n'iza n'iza.
Mivavaha lalandava ary matokia an'Andriamanitra amin'ny zavatra atao rehetra fa Izy hanome antsika ny fahendrena, fahasoavana ary fitiavana hamitantsika ny adidy eto an-tany ary hiatrehantsika azy any an-danitra amim-pifaliana mandrakizay.
74. LazaDaddy
(
14/01/2008 21:32)
soanja:Fandraisanao azy manokana tokoa :)
Io no fandraisako ireo teny ambony ireo.
75. soanja
(
15/01/2008 02:04)
Izay anie ny finoana sy fivavahana ry LD e. Miasa ao anatin'ny tsiraidray Andriamanitra ary samy manana ny fomba handraisany ny tenin'Andriamanitra mba hiasa sy hampandroso ny fanompoany Azy. Mahaiza mijery ireo tsy fitoviana ireo fa ho tony ianao.
Mahasoava!
Mahasoava!
76. prime
(
15/01/2008 06:10)
soanja> Tsia... ny finoana tsy herin-tsain'olombelona ary tsy avy amin'ny olombelona rahateo... ny lazain'ny soratra masina tsy misy manamarina izany ambaranao izany... fa fomba fijery sy fihevitra ary fahitàna sy fahatsapàna azy tokoa angaha...
Anisan'ny fitaovan'i Satàna ny filàn'ny nofo fa tsy Satàna velively... ary ny fakam-panahy dia ny hery manetsika io filàna io ka mahatonga ny olona handika ny didin'Andriamanitra...
Saingy ny tenin'Andriamanitra maro nambaran'ny soratra masina, tsy haverina intsony fa maro dia maro dia milaza fa hery hafa mihitsy Satàna ary manana fanjakàna lehibe tsy hita noanoa satria mampiasa fanahy ratsy sy anjely marobe ihany koa...
Tsy misy maharesy izany afatsy Kristy sy ny fiorenana ary amin'ny firaisana amin'i Jesosy Kristy irery ihany...

77. soanja
(
15/01/2008 15:50)
prime:

Ka mety izay no tsy hitantsika sy ianao ny marimaritra iraisana satria ny soratra masina aminao na lazainao mety tsy masina amiko fa soratra toy ny soratra ihany.
Averiko indray fa tsy ny baiboly no masina fa Andriamanitra. Tsy ny soratra rehatra ao baiboly no masina amiko.
Raha i Jesoa no nanoratra ny Baiboly dia 100% aho hifikitra amin'ny voalaza rehetra ao saingy tsy izay no hitako.
Ny Satana resahinao dia tsy tsapako ny fisiany. Afaka mitatata any ankafa ianao manazava izany any fa aza mandany andro amiko amin'izany satria mamefy ny fanasana atidoha ny tenako.
Tsy mandray nefa tsy mankahala akory.
Ny fitiavan'Andriamanitra dia tsy misy fetra ary tsy manilikilika. Fantany ny zava-namboarina. Soa nefa tsy lafatra. Soanja
78. fijo
(
15/01/2008 22:38)
69. Mpandefa : Mandefitra [ Valio ] 14-01-2008 06:27:35
Lohateny : Re : Ny Devoly
Hono ho a ry zareo (fijo, soanja, cutie ....): ny mpamosavy mivoaka alina, ny fanainga lavitra, ny ambalavelona, ny tromba ... saina fotsiny ve no mitondra ireny sa fanahy?
valiny saina io hanaka

79. LazaDaddy
(
16/01/2008 01:52)
soanja:Jehova Andriamanitra anefa mahatsapa ny fisiany, Jesosy mahatsapa ny fisiany.
Ny Satana resahinao dia tsy tsapako ny fisiany.
Noho izany, tsy ny hevitr'i Soanja no arahiko fa i Jehova Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy, sy i Jesosy Kristy: misy i Satana.
80. soanja
(
16/01/2008 01:59)
LazaDaddy:
soanja:Jehova Andriamanitra anefa mahatsapa ny fisiany, Jesosy mahatsapa ny fisiany.
Ny Satana resahinao dia tsy tsapako ny fisiany.
Noho izany, tsy ny hevitr'i Soanja no arahiko fa i Jehova Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy, sy i Jesosy Kristy: misy i Satana.
Raha vadiko i LD dia nilaza aho fa tokony hanaraka ny fihevitro ianao, fa tsy mitaky akory fa asio eritreritra. Fa saingy tsy vadiko ianao dia malalaka ny tianao heverina momban'i Satana.