Ny Devoly

101. soanja ( 17/01/2008 20:22)
Ikaretsaka> Namaste! Mazava ny lalana diavintsika i Kristy manilo azy am-pitiavana.
Asakasak'ireo izay hivily lalana. Mahery ny fahamarinana ary hanome antsika fahafahana! Soa fa nanome antsika ny tontolo Andriamanitra handratovantsika ny fitiavany lavorary!
102. cutie ( 18/01/2008 01:12)
kiranil
za tsy manda we tsy misy ny fanahy ratsy. Ny tsy inoako de we io fanahy ratsy io no atao we devoly de we io no mahatonga ny oul hanao ratsy.
103. cutie ( 18/01/2008 01:14)
prime
Za alou tsy namaky ny voalazan'i soanja fa miala tsiny e :)
104. ikaretsaka ( 18/01/2008 02:16)
cutie ... balance balance hatrany e
105. cutie ( 18/01/2008 04:35)
yin and ying e :)
106. niryna ( 18/01/2008 06:50)
prime:

soanja> Tsy hitady ny marimaritra iraisana no mahatonga ahy miezaka manitsy izay ambaranao... ny tena antony ilazàna fa misy Satàna dia satria Andriamanitra mihitsy no manambara izany... ary ny zanany rehetra dia mila miambina satria tsy fahavalo kely na maivana izany...
=D=D^:^^:^

Ka raha misy milaza ho mpino kristiana no miteny fa tsy misy Satàna
dia tsy fampianarana avy amin'i Kristy izany... izay no tiako ahatongavana satria ny olona mamaky ny takelaka toy itony dia maro dia maro...
=D=D

Izany hoe izay fampianarana izay ampitain'ny mpino kristiana nefa tsy voamarin'ny soratra masina na tsy voamarin'ny tenin'Andriamanitra dia tsara averina dinihana sy handinihan-tena ny nahatonga izany...
(l)(l)=D=D=D=D=D=D

ary mazava ho azy fa tsara ny ahitsy fa anisan'ny fahendrena avy amin'Andriamanitra koa ny fanetren-tena manaiky ahitsy fa tsy fahadisoana tsy akory... ny fiziriziriana amin'ny tsy fahamarinana no manahirana...
=D=D


Ka raha fomba fijery kristiana no tianao iaingàna amin'ity lohahevitra ity, ny valiny dia misy Satàna...
[/color]^:^^:^


Fa raha fomba mijery manokana, na silamo, na bodista, na finoana hafa no tianao itondràna azy dia mitombina ny ambaranao... azo raisina ho herin-tsaina ny finoana ary Satàna dia tsy misy..
miampy ny mormonista koa io ka izay manana vady maro sy tsy mino ny finoana an'i kristy fotsiny ihany no ahazoana famonjena,ny azy ny finoana tsy misy asa aloha,dia ny hoe ny baiboly dia tsy feno fa nosoratan'olombelona,ireo no santionan'ny mormonista ...:snif::snif:


ikaretsaka> ny fanekena ny fisian'i Satàna tsy midika mihitsy fa manaiky sy mankato an'i Satàna...
=D=D ny azy raha miresaka satana isika dia lazainy fa manaiky azy =))=))=)) kristy koa izany nanaiky raha izany :snif::snif:


ahoana koa ary izany teny Malagasy anareo izany... ny filazàna fa misy Billy Graham tsy midika hoe manaiky ny fampianarana entiny...
=D

Fa ny tena zava-doza amin'ny filazàna fa tsy misy Satàna dia mampandainga an'Andriamanitra ka eo no tena olana... satria Satàna dia nazera ary rehefa tonga ny andro dia fatorana ka hogadraina any amin'ny helo, raha tsy misy izy dia tsy misy koa ny helo,
^:^^:^

dia tsy nisy antony loatra koa ny nanoloran'i Kristy ny tenany fa ho voavonjy daholo ihany rehefa tsy misy ny helo sy Satàna (sady tsy vitsy rahateo, no miteny fa fitiavana fanaperana Andriamanitra)...
=D=D=D^:^
izany hoe ilay foto-pinoana mihitsy no voaovan'i Satàna ary hahavery olona maro ny finoana toa izany satria tsy miorina ao amin'i Kristy...
:^):^):evil::evil:=D=D

Ny zava-doza faharoa dia ny tsy fiambenana vokatra izany izay mahatonga tsy fahalalàna intsony rehefa avy eo hoe hatreto ny fetran'ny asan'i Kristy eo amin'ny fiainana ka tokony handavana izay tranga rehetra tsy avy Aminy. Hany ka miasa malalaka Satàna manao izay tiany hatao ka na efa mandrava sy mamono ny zanak'ondry ao anaty valan'i Kristy aza izy dia tsy tsapa ny fisian'izany ary tsy mahaino ho maharary akory ireo rehetra mpino tsy miambina ny amin'izany...
^:^^:^
Ataony ahoana moa no hihambina raha tsy mino izy, ary ataony ahoano hihaino raha tsy notoriana izy,saingy raha mino sy mihaino izay nolazaina dia omen'Atra fahalalana fa misy tokoa i satana.

Izay manan-tsofina aoka izy hihaino,izay mana-maso aoka izy hijery,ary raha ny fanahy masina no hiangaviantsika hanampy antsika satria isika tena mino ny teny voalazan'ny soratra masina dia hazava amintsika ny rehetra .

Misaotra betsaka prime a.
Ho antsika tsirairay anie ny fahasoavan'ilay Tompo Kristy mahery,naharesy ny herin'i Satana .






















107. xxx ( 18/01/2008 08:10)

Ity misy lien mety hanampy http://www.croire.com/article/index.jsp?docId=2326059&rubId=238
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0814