Ny Devoly

41. prime ( 08/01/2008 13:42)
cutie> tena ohatry ny angano tokoa no fijery azy raha raisina amin'ny saina tsotra izao... fa tena fanjakàna lehibe misy io fanjakàna io...

Na ny hiseho amin'ny andro farany koa aza dia toy ny angano... nefa indrisy fa tena misy io...
42. cutie ( 08/01/2008 14:11)
mbola tsy mino an'zany alou za hatramizao :-d
43. soanja ( 09/01/2008 01:04)
Ny mpandiso hevitra amiko dia izay mihevitra fa raha milaza aho fa tsy misy i Satana dia manaova ratsy daholo na aza matahotra ny hanao ratsy.

DISO be io fisainana io amiko satria tsy izay ilay izy. Betsaka ny ota eto an-tany ary mila ialana lavitra aza. Saingy tsy ny Satana no omena tsiny raha manao izany ianao fa mahalala na tongava saina ARY mibebaka fa ianao dia ianao no mitondra ny tenanao hanao ratsy.

Safidy ny fidirana amin'ny fanaovan-dratsy ary matetika tsy voahevitra izany indraindra fa efa roboka vao mahatsapa ny fahadisoana. Misy ny atao hoe fibebahana ary tokony hanao izany fandinihan-tena izany ny Kristianina isanandro fa tsy refa asabotsy na alahady ihany.

Mijoroa amin'ny mahaolon'Andriamanitra, torio ny fitiavany. Aza mampitahotra ny olona amin'ny famaizana ataon'Andriamanitra nefa milaza ihany isika fa tiany. Tokony ampitivana sy ampanetretena ny hanantonana an'i Kristy ary ny fitiavany lavorary no hanenika izany fifandraisana izany fa tsy misy olakolaka fampitahorana.
44. cutie ( 09/01/2008 01:09)
manin ary tsika sy njy no mitovy fisainana foana :-D:-*:-*:-*:-*:-*
45. soanja ( 09/01/2008 01:19)
cutie:

manin ary tsika sy njy no mitovy fisainana foana :-D:-*:-*:-*:-*:-*


Ka indry anie tena Namaste tokoa eo anatrehako e! Midera ny fahazavan-dry aho ary manaja ny tsilo alefany aty amiko. Mamiratra sady afaka miaradia.:-*:-*


46. LazaDaddy ( 09/01/2008 01:46)
soanja:
Tsy misy i Satana fa ny saintsika no milalao soma ratsy ho antsika.
Dia raha miteny izany i Jesoa hoe misy i Satana dia lazainao koa fa milalao soma ratsy ny sainy?



47. prime ( 09/01/2008 08:31)
Satàna dia misy ary tsy vitsy ny toko sy andininy ao amin\'ny soratra masina no mampitandrina ny amin\'izany raha tsy ireo notsongaina ireo fotsiny, ankoatra ireo voambaran\'ny mpino maro niatrika sy niady tamin\'izany mpanjakan\'ny fahamaizinana izany...

Hoy ny voasoratra amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin\'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.\" Apokalypsy 12:9

\"Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an\'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.\" Lioka 10:18

\"Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.\" Lioka 8:30

\"Fa isika tsy mitolona amin\'ny nofo aman-drà, fa amin\'ny fanapahana sy amin\'ny fanjakana sy amin\'ny mpanjakan\'izao fahamaizinana izao, dia amin\'ny fanahy ratsy eny amin\'ny rivotra*. [* Gr. lanitra]\" Efesiana 6:12... Ny fanahy ratsy dia misy ary miasa eny tontolo eny amin\'ny endrika maro ka mitondra ny loza rehetra amin\'ny anaran\'ny demonia sy ny mahaizy azy manokana...

\"24 Raha mivoaka amin\'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.25 Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.26 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran\'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.\" Lioka 11:26

Zavatra samy hafa mihitsy ny herin\'ny haizina misy sy miasa eto amin\'izao tontolo izao ka rehefa tsy miray amin\'i Kristy feno amin\'ny fanahy masina dia tsy afaka ny hanavaka ireo ary mazava ho azy fa ho resin\'ireo satria diso fahavalo iadiana :
- Eo Satàna ilay rain\'ny lainga sy ireo anjeliny
- Eo ireo fanahy ratsy maro miasa sy mamitaka eto amin\'izao tontolo izao, miendrika demonia maro (ireo no mahatonga ny fisian\'ny \"revenant\", ny matoatoa, ny angatra, ny avelo, ny fanano sns... ankoatra ireo demonian\'ny aretina isankarazany)
- Eo ny filàna misy araka an\'izao tontolo izao sy ny araka ny nofo...

Ity farany ity (filàn\'ny nofo sy filàn\'izao tontolo izao) dia ekena fa anisan\'ny fahavalo goavana tsy maintsy atrehin\'ny mpino satria manimba ilay tsara noharian\'Andriamanitra.

Fa iretsy roa voalohany dia misy no sady fahavalo goavana ihany koa satria tena fetsy sy mamitaka...

Ka tsy azo afangaro ireo... fa izay filàn\'ny olona sy firehana ary filàna eto amin\'izao tontolo izao dia mitombina tokoa ny hoe andraikitry ny tsirairay izay fa tsy azo ahilika...

Fa izay fanarahan\'ny olona ny fitaka sy ny fatotra ataon\'i Satàna ihany koa dia andraikitry ny tsirairay no mahatonga izany satria safidy io, safidy ny hanatona doany, safidy ny hanao fanekena amin\'i satàna amin\'ny karazana fati-drà maro, safidy ny fampiasàna sampy sy ody amin\'ny endriny maro, safidy ny hankato ny fampianarana diso maro afafin\'i Satàna mikasika ny fiainana, safidy ny hanompo sary vongana isankarazany... noho izany samy tompon\'andraikitra ny tsirairay... Satàna miasa fa efa akaiky ny androny... fa safidy sy anjaran\'ny tsirairay no hanaiky na handà izany... Moa tsy efa imbetsaka no ambara ohatra fa misy Satàna, fa rehefa iziriziriana ny fitaka avy aminy hoe tsy misy izy dia safidy io ary tompon\'andraikitra ny amin\'izany safidy sy finoana ao aminy izany ny tsirairay rehefa hiatrika an\'i Kristy fa tsy resaka fampitahorana velively... fa rehefa reraka ny olona noho ny fampijalian\'i Satàna sy ny demonia maro(ohatra maro no hita momba izany amin\'ireo jamba, moana, habokàna, malemy...) dia Jesosy Kristy no mpanafaka tena tsara ary ary tena manafaka...
48. rabilabila ( 09/01/2008 09:17)
Ary hono ho\'aho ry reto:

-Tsy aleo ve mijery ny dikan\'ilay hoe :satana araky ny tantaran\'ny Jiosy (tradition juive) ?Satria hadinonareo rehetra fa ny traditions abrahamiques daholo no niantombohan\'ireo.

-Dia avy eo mijery ny definition-ny satana an\'i Paoly (izay aza adino fa izy no namorona io fivavahanareo io ).

-Dia avy eo aza adino ny lanjan\'ny tradition sy ny fitaizàna eo amin\'ny olona tsirairay.

Fa raha io no tsy hifanarahanareo dia hahazo ny \"vade retro satanas \" eo daholo ianareo:-D:-D

Ny ahy ny mampalahelo ahy ,amin\'ny maha-olona anareo fotsiny ,dia ny fifanjinjanareo amin\'ny resaka \"detail\" ohatran\'izany .

Mbola te-hijanona amin\'ny tradition juive aho ka indro misy ohabolana jiosy atolotro anareo ireo:

\"L\'homme sage est celui qui trouve à s\'instruire avec tous les hommes;
L\'homme fort, celui qui sait brider ses désirs;
L\'homme riche, celui qui se contente de son lot
L\'homme honoré, celui qui honore les autres.\"

49. prime ( 09/01/2008 09:59)
rabilabila> Ekena fa toy ny "détail" tokoa ny fandinihana izany... fa ny tena olana anie rabila dia resaka finoana ity fa tsy resaka fahalalàna e... raha fahalalàna dia azo faritana ho tsy misy Satàna, fa eo amin'ny lafiny finoana tena fototra iray iaingàn'ny fandalinana momba an'Andriamanitra mihitsy ny fanekena ny fisiany na tsia an'i Satàna...

Mikasika ny fandalinana tokony hatao ambaranao dia mitombina tanteraka, tokony hatao izany ary ifotorana hatrany amin'ny niaingàny...
50. Mandefitra ( 09/01/2008 10:15)
Miombon-kevitra @ Prime.
51. cutie ( 09/01/2008 14:44)
Laza
aza ampitoviana @ olombelona mitsy alou i jesoa e :)
soanja mifampitsilo ny fahazavantsika zany :):-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
52. soanja ( 09/01/2008 17:28)
LazaDaddy:

soanja:
Tsy misy i Satana fa ny saintsika no milalao soma ratsy ho antsika.
Dia raha miteny izany i Jesoa hoe misy i Satana dia lazainao koa fa milalao soma ratsy ny sainy?






Tadidio lalandava fa sady olombelona i Jesoa no Andriamanitra. Noho izany ananana ny fahafahana roa izay ananantsika olombelona. Ny hisafidy ny ratsy na ny tsara.
Teny ambony hazo fijaliana dia diniho daholo ny teniny. Tsy Izy ve moa no nangataka tamin'ny Rainy ny hanala ny kapoaka mangidy sotroiny tamin'io fooana io? Raha nampiasa ny maha Andriamanitra Azy izy teo raha nampijaliana dia tsy nitaraina sady tsy natahotra ary tsy nampaheno ny tenany marary.
NaterakaI Jesoa ary olombelona tahaka antsika. Ambony kokoa anefa ny Fanahy ananana ary afaka miady tsar asy matanjaka raha hiady amin'ny fakam-panahy. Misy ny FAKAM-PANAHY satria io no ila miady amin'ny fanahin'Andriamanitra. Saingy ao anatinao io ary mitaky anao hiaina ny zavatra takian'ny vatana. Dia ny fahasambarana na fafinaretana ary ny tsy hafatsapana marary.
Niana an'io i Jesoa.
Noho izany afaka milalao soma ratsy aminy ny eritreriny. Zany hanohanana sy fampijaliam-batana zany tsy tokony tsapan'Andriamanitra satria izy tsy manana izany. Fa izay manana izany dia vokatry ny sainy na ny brain mitaky fa noana sy torovana ny vavony sy ny saina.
Be real but stay spiritual iny any ways.


53. LazaDaddy ( 09/01/2008 22:41)
Soanja> tsy mamaly fanontaniana anie ianao e :) andraso aza fa omeko ohatra ianao e:

1)
Jesosy:
"Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao." Lioka 22:31-32
Nilalao soma ratsy namosavy ny eritreritr'i Petera izany i Jesosy teo hoy i Soanja?

2)
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Joba 2:3
Olombelona koa ve izany Jehovah Andriamanitra ka mamosavy Azy ny eritreriny hoy i Soanja?

54. fijo ( 09/01/2008 23:06)
hoy niryna:" 3. Mpandefa : niryna [ Valio ] 05-01-2008 04:38:02
Lohateny : Re : Ny Devoly
koa aminareo sy ika (mianadahy tsy mino azy )dia tsy misy izy ka dia aza mivaky loha fa tsy misy izy izany aminareo.Vita tompoko

:-D:-D:-D:-D:-D mino afotsiny azy e
55. cutie ( 09/01/2008 23:08)
:-D
56. fijo ( 09/01/2008 23:15)
hi hi ih samy kristianina di amisy mino misy tsy mino devoly.tsy hay intsony izy ity
57. cutie ( 09/01/2008 23:19)
ka misy koa ny atao we freako kristiana koa
58. fijo ( 09/01/2008 23:24)
de very ny pokona ko
59. fijo ( 09/01/2008 23:24)
raha te hofanina dia midira kristianina izany?
60. cutie ( 09/01/2008 23:35)
non :-D
tsy voatery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0088