Ny Devoly

21. cutie ( 08/01/2008 03:12)
veloo
aleo ary za hatory fa toa ohtran'ny tsy mety miditra ato an-dohako daholo zany zavatra rehetra zany :-D
22. soanja ( 08/01/2008 03:12)
Veloo:

Raha tena mahavita ny zava-drehetra Andriamanitra, maninona raha fohanany any io Devoly devoly na Satana io fa io no tena manelingelina antsika? Izy manko tia antsika e!


fa ahona ary no omena blema foana Andriamanitra? Raha voa misy zavatra ratsy dia oe naninn Antra no nanao ahy an;izao sy izao?????
Andriamanitra tsy namorana an'i Devoly VELIVELY. Ny ratsy dia tonga tao @ Lucifer t@ izy tany an-danitra.
ary tadidio fa nahazo 1/3 ny anjely izy niaraka t@. Raha tonga dia nifohanana teo dia tonga dia hanontany ny anjely rehetra fa inona no ratsy nataony. Naveln'Andriamanitra ho HITAN'NY rehetra ny zavatra sy ny sainy ratsy. Ary voa nanana fisainana ratsy i Lycifer dia efa vonona i Jesosy ny hamonjy antsika.

Amiko sao tsy misy io Satana io fa ny saintsika no milalao soma ratsy amintsika ary azo antsoina hoe aretina na toetra na zavamilona ao anaty mitady hanimba antsika raha tsy misy balance.


Aza dia matoky tena loatra fa izay no tena tadiavin'i Satana Tandremo reee...



Ka aleo zay jerena akaiky e. Iza zany no namorona ny Ratsy. Raha Andriamanira namorona ny zavadrehetra diaIzy ve zany no namorona n Ratsy. Izay nisy dia izy no namrona azy sa ve voafetra ny noforoniny???

Amiko ts manan-tsiny Andriamanira fa ny fampiatahorana olona nentin'ny samy olombelona no mamorona ny fisian'i Satana mba handraisana an'Andriamanitra.
Tsy zay anefa no fahitako ny fitiavan'Andriamanitra. Safidy ary amin'ny fo fa ts fampitahorana lava.

Afaka miantso ahy ho Satana izay te ahita ahy ho satana fa tsy manova ny teny entiko hitoriana ny fitiavan'Andriamanitra akory izany.
Tia anao Andriamanitra. Manantona azy ampahamendrehana: Am-pitiavana ary am-pitoniana. Izay no dera tsara indrindra azonao atolotra azy; ny fitiava-namana sy ny asa mamokatra hitsijovanao izany fitiavany izany. Anao sy Andriamanitra izany fifandraisana izany.


23. Veloo ( 08/01/2008 03:15)
Ka aleo zay jerena akaiky e. Iza zany no namorona ny Ratsy. Raha Andriamanira namorona ny zavadrehetra diaIzy ve zany no namorona n Ratsy. Izay nisy dia izy no namrona azy sa ve voafetra ny noforoniny???

soanja a ,
nitsiry tao @ i Satana ny ratsy izay no azoko lazaina anao...
24. cutie ( 08/01/2008 03:19)
fa nga le satana zany moa oul no nitsiry tao aminy le ratsy ????
25. rakapy ( 08/01/2008 03:22)
Ka eo indrindra no matetika no miala pa ny kristianina satria tsy te hamaly hoe A/tra no namorona ny zavatra rehetra na ratsy na tsara. ka nefa koa tsy te hanadihady sao dia misy A/tra hafa.
26. soanja ( 08/01/2008 03:24)
Veloo:

Ka aleo zay jerena akaiky e. Iza zany no namorona ny Ratsy. Raha Andriamanira namorona ny zavadrehetra diaIzy ve zany no namorona n Ratsy. Izay nisy dia izy no namrona azy sa ve voafetra ny noforoniny???

soanja a ,
nitsiry tao @ i Satana ny ratsy izay no azoko lazaina anao...


Izay indrindra manko Veloo. Nitsiry ahoana? Azon'i Andriamanitra nofohanana izy fa tsy hoe nazera aty amintsika. Sa tsy hain'Andriamanitra ny nanafoana azy?
Tsy azoko mihitsy ny resaka predestination resahin'i baiboly satria amiko misy fiangarana be izany.
Nahoana no nisy ny Ratsy?????????????

Tsy Andriamanitra ny omeko tsiny fa izay nanisy izany ka namorona io fihevitra io tao anaty baiboly nefa tsy nahalala nanazava bebe kokoa ny zavatra tiany tenenina. Manjary nanakorontana fotsiny n finoana an'Andriamanitra madio sy mangarangarana.
Ny antony dia betsaka ny miala sy manadino ary mamela an'Andriamanitra satria tsy tiany izy lazaina fa mpanota sy ratsy ary ankahalan'Andriamanitra nefa Andriamanitra resahina aminy tena tia azy tokoa.


27. Veloo ( 08/01/2008 03:28)
Izay indrindra manko Veloo. Nitsiry ahoana? Azon'i Andriamanitra nofohanana izy fa tsy hoe nazera aty amintsika. Sa tsy hain'Andriamanitra ny nanafoana azy?
Tsy azoko mihitsy ny resaka predestination resahin'i baiboly satria amiko misy fiangarana be izany.
Nahoana no nisy ny Ratsy


soanja eto ilay zavatra tsy takatrin;ny sainy raha olombelona... Minoa an'i Jesosy fotsiny raha hanaraka ny diany isika, sy mino ny Teniny....:-*
28. LazaDaddy ( 08/01/2008 03:31)
soanja:
Raha tena mahavita ny zava-drehetra Andriamanitra,
tena mahavita tokoa ve Izy aloha araka ny hevitr'i Soanja manokana? :)
29. soanja ( 08/01/2008 03:33)
Ka ts voatery hino an'ireo indry nefa hino tanteraka ny fisian'Andriamanitra no tiako aseho andry.

Io fitiavan'Andriamanitra io dia madio ary tsy manantsiny. Tsy ilaina akory hametrahana fanontaniana saingy kosa tsy natao koa hisavorovoroana. Io farany io no hitako nahavoa ny baiboly. Raha mba i Jesoa no nanoratra dia tsy nisy io!
Misy tenin'Andriamanitra ny baiboly saingy ao koa ny hevitry ny olombelona: kolontsaina, filozofia, tantara sns tsy dia hitako nanampy loatra so far.
30. rakapy ( 08/01/2008 03:36)
"Nitsiry t@ satana ny ratsy". AVY AIZA ary AVY T@ IZA?
Raha voalaza i A/tra no nahary ny zavatra rehetra.
31. cutie ( 08/01/2008 03:39)
rakapy
mistery zany hono :-D
refa tsy hay ny valiny
32. soanja ( 08/01/2008 03:43)
LazaDaddy:

soanja:
Raha tena mahavita ny zava-drehetra Andriamanitra,
tena mahavita tokoa ve Izy aloha araka ny hevitr'i Soanja manokana? :)



YES! Mahavita izy fa ny zava-bitany no tsy hainareo dia ilaozantsika rehetra mamorona zavatra tsy misy tsy namboariny. Izay no tsy ekeko! Tsy misy i Satana fa ny saintsika no milalao soma ratsy ho antsika. Aza miala andraikitra manilika lalandava ny fisian'i Satana amin'ny fanaovan-dratsy fa SAFIDY raisin'ny tsiraidray ny fanaovan-dratsy!

33. Veloo ( 08/01/2008 03:44)
soanja zao fotsiny retsy a...
ny manara dia an'ny KRISTY dia manaraka izay lazainy
ao @ Teniny
Rom. 1: 27
ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
@ teny anglisy izy tena mazava tsara
Likewise laso the men, leaving the natural use to the woman.... Any @ gen izy meteny ary La sy vavy dia ho iray --- io no natural an'izay manaraka an'i Kristy.
ao @ I cor. 6: 9
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita ...
Amin'ny teny anglisy izy dia mazava be mihitsy>
Do you not know that the unrighteous will not INHERIT the kingdom of God? Do not be deceived, Neither fornicators, nor idolaters, nor adulterers nor HOMOSEXUALS, nor sodomites...
efa nolazainy dia antsika no misafidy...
34. cutie ( 08/01/2008 03:46)
ndana @ zay moa njy matory ry veloo a :-*:-*:-*:-*:-*:-*
35. cutie ( 08/01/2008 03:48)
soanja
namaste hatrany :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
36. soanja ( 08/01/2008 03:54)
Veloo:

soanja zao fotsiny retsy a...
ny manara dia an'ny KRISTY dia manaraka izay lazainy
ao @ Teniny
Rom. 1: 27
ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
@ teny anglisy izy tena mazava tsara
Likewise laso the men, leaving the natural use to the woman.... Any @ gen izy meteny ary La sy vavy dia ho iray --- io no natural an'izay manaraka an'i Kristy.
ao @ I cor. 6: 9
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita ...
Amin'ny teny anglisy izy dia mazava be mihitsy>
Do you not know that the unrighteous will not INHERIT the kingdom of God? Do not be deceived, Neither fornicators, nor idolaters, nor adulterers nor HOMOSEXUALS, nor sodomites...
efa nolazainy dia antsika no misafidy...


Nivoaka ny vavan'Andriamanitra ve ireo sa nosoratan'olombelona ho antsika?
Tsy misy tsara ireo raha ny amiko saingy kosa tsy Satana no namorona ireo ny fisian'ny saina no nahatonga ireo. Nomen'Andriamanitra safidy isika ary betsaka no nisafidy hanao ireo.

Amiko tsy anajarantsika ny mitsara fa ANDRIAMANANITRA mahalala zay namboariny. Amiko dia raha nangalatra vadin'olona ianao dia mahalala izay nataonao fa aza ilihana amin'i Satana. Zava-dratsy ny fangalarana, fijangajangana sns ary tsy tokony atao io na eo Satana na tsia!
Balance balance hatrany no hanafaka anao amin'ny fijaliana ary hisian'ny fitoaniana eo amin'ny fiainana! Ho avy ao aminao I Kristy ary hanome aina izay tianao hivoitra ao anaty fiainanao satria TIANY ianao.





37. LazaDaddy ( 08/01/2008 03:56)
soanja:
Tsy misy i Satana fa ny saintsika no milalao soma ratsy ho antsika.
Dia raha miteny izany i Jesoa hoe misy i Satana dia lazainao koa fa milalao soma ratsy ny sainy?
38. rakapy ( 08/01/2008 04:28)
[quote=Veloo]

Andriamanitra tsy namorana an'i Devoly VELIVELY. Ny ratsy dia tonga tao @ Lucifer t@ izy tany an-danitra.


Ka iza no namorona ny ratsy voalazanao io? Raha toa ka i A/tra no nanorona ny zavatra rehetra? Raha nahandro sakafo ve ianao ka ianao irery no niarakara azy h@ voalohany ka lasa be sira ny loaka dia hoy ianao hoe toga t@ loaka hoazy tao ny sira?

39. prime ( 08/01/2008 12:34)

http://www.mondedemain.org/articles.php?id=f063&p=1&th=enfer

Ny filazàna fa tsy misy Satàna dia mbola herin'ny lainga afafiny ihany mba tsy iherikerehana any aminy ka anaovany izay sitrapony...

Na Kristy, na ny Mpaminany, na ny mpitondra fivavahana maro, na ny mpino nibebaka nohafahana tamin'ny fangejàn'ny devoly, na ireo mpiantafika rehetra nofanina manokana ho mpiady amin'ny devoly dia miara-milaza fa misy io ary manana fanjakàna lehibe tsy hita maso tsy hita noanoa, manana ny rafitra sy ny tafika sy ny miaramila ary ny mpitondra fanjakàna ao aminy izy... na ny anarany aza dia "malin", "le serpent ancien", "l'accusateur", "le père du mensonge et des menteurs"...

Tsy manana tanjona afatsy ny hamono sy handrava ary hanameloka ny zanak'Andriamanitra sy ny zavatra tsara rehetra noharian'Andriamanitra izy ary efa tena tezitra mihitsy noho ny tsy nahazoany ny toeran'Andriamanitra ka ny hampisaraka ny olona maro amin'Andriamanitra no tetehiny ka hihazàny ny marobe iara-ho very aminy any amin'ilay farihy afo sy solifara rehefa ho tonga ilay andro itsaràna azy...

Tsy ny hanafoana an'i Satàna no tanjon'Andriamanitra fa ny hampiadana ny zavaboahariny... fiheverana tsy misy mahadiso azy amin'ny mahaolombelona ny faniriana hanafoanana ny Satàna sy ny forongony saingy tsy izany no planin'Andriamanitra fa ny hahatanteraka ny olona rehetra ao amin'i Kristy...
40. cutie ( 08/01/2008 13:12)
prime
toa ohtran'ny angano be zany :-d
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555