Izaho secte satria…

61. arialy ( 21/12/2007 08:40)
fa inona no mahatonga ny olona hiovaova finoana aza e? marivo salosana ve sa tia vao*?:roll:
62. piste ( 21/12/2007 11:33)
Pissoa> marina.. tsejenry tokoa ny antsoina amin'ny hoe teny hoe: 'rozery'...

{fa ny hoe maimbo, dia aleo angamba ianao no avelako hitsara ny momba izay zavatra izay... }

Ireo eveka maro isankarazany koa mantsy dia manamafy izany fa "récitation" izy io.

la récitation du Rosaire n'est pas simplement une autre dévotion pieuse, mais qu'elle est d'une absolue nécessité pour le Salut du monde contemporain. »

Extrait de la lettre pastorale signée par 20 Évêques canadiens.
[/b]

Jereo eto

Ny mampametram-panontaniana sy mahalasa saina lalina dia lalina dia ny fampianarany manao hoe : "c'est une absolue nécessité pour le Salut du monde"...

"recitation" na tsianjery ve dia tena mitondra "salut du monde" tompoko?


« Seule la prière, seul le Rosaire, à l'heure actuelle, peuvent sauver le monde d'une catastrophe imminente. Je ne fais là que répéter l'avertissement de la Sainte Vierge à Fatima. La prière peut sauver le Monde. »
Père Peyton.

*******************

Dia tsy sasatra aho milaza ny tenin'i Jesosy Kristy manao hoe:

"Je suis le chemin, la vérité, et la vie. Nul ne vient au Père que par moi." Jesus Christ.


Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

Misy ny milaza hoe : samy ho tonga any @ fanjakan'ny lanitra daholo isika rehetra izao, fa samy manana ny fombafomba ahatongavany any. Miala tsiny tompoko fa fitaka be vava izany.

Ary asakasak'izay mbola hanaiky ho voafitaka.

Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. [afa-tsy ny anaran'i Jesosy Kristy] asa 4:12


Ny zava-misy dia mbola maro ireo mbola voafitaka sy manda an'i Jesosy Kristy, ary ny tena marina aza dia Jesosy Kristy mihintsy no efa nilaza fa ho maro ireo olona mihevitra fa hiditra ny fanjakan'ny lanitra @ fomba hafa;


Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?

Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.

Fa saingy ho anao izay sendra tonga eto dia manontania tena hoe anisan'ireo maro ireo ve ianao sa tsia.

Sanatria tsy fankahalana no mahatonga ahy miteny izany; satria aleoko lavitra tsy manketo fotsiny dia milamina; fa kosa ny marina izay voalazan'i Jesosy kristy tsy maintsy lazaina; ary fantatro fa mbola misy olona any ho any, tsy mbola nanamafy ny fony fa mbola manana fotoana hibebahana sy mitandrina mba tsy ho voafitak'ireo fampianaran-dison'olombelona fa hankato kosa ny Tenin Andriamanitra.

Misaotra.

Misaotra.


Ataoko tsy sehatra fanaovana tori-teny eto fa fanakalozan-kevitra. Ka aza mitompo tena fatratra mitsara ny finoan'ny sasany zavatra tsy hainao no sady tsy inoanao. Ary ny finoan'ny olona hajao.
exigence majinika indrindra angatahina amin-drangahy io ra te ho kristianina marina ianao. Raha tsy izay tsy hitako ny mahasamy hafa anao @ olona mpanenjika fivavahana ireny.
Sa ve satria miala @ valan-kelinareo dia ratsy.
63. Fody ( 21/12/2007 11:35)

O Rakiranil a!
1 - Inona aloha no ao amin'ilay rozery?

2 - Manohatra ny Evanjely ve?

3 - Moa misy milaza ve ao fa tsy i Kristy no lalana sy Fahamarinana ary Fiainana?

4 - Mampitodika any amin'iza ireo mstery rehetra tanisaina ao?

5 - Avy aiza no loharano nakana an'io fomba fivavaka iray io?


Mba valio kely ireo fanontaniana ireo.


Ho an'i Laza:
Mba valio kely koa ny fanontaniana izay napetrako tery ambony tery.
Dia aiza ao amin'ny filazan-tsaran'i Kristy no milaza fa manompo sampy ny olona manaja ny renin'i Jesoa?
Aiza ao amin'ny filazan-tsara no milaza fa izay mitsaoka sy miankohoka manoloana ny vatana aman-dràn'i Kristy dia manompo sampy, ary ny Fiangonana misy an'izany dia sinagogan'i Satana?
64. LazaDaddy ( 21/12/2007 11:54)
Fody> fa maninona aho no anontanianao an'io? :) Izaho angaha efa hitanao niteny an'izany sa ny eritreritrao no tsy mandry dia mba te hanontany ianao? :)
65. Fody ( 21/12/2007 12:11)
LazaDaddy: tsy hoe ny saiko no tsy mandry andrematoa fa zavatra nolazainao io matoa apetrako aminao ny fanontaniana.
Io ny zavatra nolazainao:
3. Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 19-12-2007 00:05:23
Lohateny : Re : resaka secte
1) Tsy miditra ny fiangonan'ny sasany ahoana aloha? Sao kosa dia tsy fiangonana fa sanatria "sinagogan'i Satana"?
Raha izaho manokana ohatra, raha vao eo an-tokonambaravaran'ny "trano" fiangonana iray no asiana mikasika na miankohoka @ sampy dia tsy hiditra ao mihitsy aho.

Dia mba manontany àry aho hoe: Fiangonana iza no tondroinao amin'io?
66. arialy ( 21/12/2007 12:23)
mediva eo ndray e 8-)
fivavahana atao hapiray ndray no hapiady eo ny farany
67. cutie ( 21/12/2007 13:47)
:-D
68. Fody ( 21/12/2007 14:49)

arialy: tsy misy miady eo fa mifanazava. Ary hiady hevitra koa no atao eto, fa tsy hanao "catch" akory.

Misaotra anao.
69. booboo ( 21/12/2007 14:51)
zany tokoa moa ?
70. cutie ( 21/12/2007 15:37)
booboo eka ouz:-D
71. booboo ( 21/12/2007 16:04)
:-D:-D
72. ikaretsaka ( 21/12/2007 17:59)
Ho an'i Laza:
Mba valio kely koa ny fanontaniana izay napetrako tery ambony tery.
Dia aiza ao amin'ny filazan-tsaran'i Kristy no milaza fa manompo sampy ny olona manaja ny renin'i Jesoa?


Aiza ao amin'ny filazan-tsara no milaza fa izay mitsaoka sy miankohoka manoloana ny vatana aman-dràn'i Kristy dia manompo sampy, ary ny Fiangonana misy an'izany dia sinagogan'i Satana?

tena mba tiako ho valian'i Laza tokoa io le
73. pissoa ( 21/12/2007 19:33)
kiranil:
pissoa> marina.. tsejenry tokoa ny antsoina amin'ny hoe teny hoe: 'rozery'...

ny teninao no nolazaiko hoe tsenjery maimbo ! :-D:-D:-D
74. ikaretsaka ( 21/12/2007 19:48)
kiranil..porofoy ny these-nao dia omeko anao ny antithese ary e!
porofoy fa tsenjery ny Raozery
75. fijo ( 21/12/2007 21:27)
ngah akosa moa i laza nanondro anarana fiangonana e???????milaza fotsiny izy raha rah amahita ireo eo ambaravarampiangonan ade tsy hiditra,tsy midika io he inona ilay fiangonana.
76. cutie ( 21/12/2007 21:34)
za mba gaga :-D
77. fijo ( 21/12/2007 21:38)
hummm nareo zalahy mba moramora ihany fa aza mandiso izay lazain'ny hafa an
78. cutie ( 21/12/2007 21:44)
mandray antendrony fotsiny :-D
79. fijo ( 21/12/2007 21:47)
hummm izay ny anareo zalahy
80. cutie ( 21/12/2007 21:52)
:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0486