Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
1. niryna
(
17/07/2006 20:29)
rijadolly =D=D marina tokoa izany .Ny tsy mpino izay mihevitra ny fahaizany izay tsy fantany hoe avy amin'Atra no nahazoany azy anie no mitady porofo lava e. Mila mivavaka ho azy isika fa na tsy mino ilay Atra hinoantsika aza izy dia anjarantsika no mitia sy mizara izany fahasoavana izany azy ireo,mino moa izy hisaorana ny tompo ,manda moa izy dia izay efa faniriany ny ho very dia izay izy izany.
2. niryna
(
04/12/2007 06:57)
Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
35 Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
Rom 8:31-35
Eny fa na dia ny fahafatesana aza. Tsy misy mahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy .
Jesus ,thank you for loving us,and your love endures forever.
Ray o,sokafy ny masom-panahinay hihaino ny teninao mandakariva ary ny fonay mba ho tia Anao ka mba ahafahanay mitia ireo namanay marobe tsirairay avy.Amena

novalian'i niryna ny 17/07/2006 20:29
3. diamondra27
(
04/12/2007 07:24)
Ito SM ito dia anisan'ny fampaherezana sy fijoroana ho an'izay mpanaraka an'i Kristy.
Eny raha tena tia an'i Kristy sy manankina ny fiainanao Aminy Iianao ary mino azy tanteraka dia tokony tsy hisy hahasaraka anao Aminy satria fantatrao dia fantatrao ny miandry anao.
Na resaka vady manakana tsy hanaraka fivoriam-bavaka, na fianakaviana miala aminao satria lasa mazoto @ fanarahana ny Tompo ianao, na ny FM mitakoritsika mahita anao mivoaka foana hamonjy fivoriana , na ny mpiara-miasa mahita hoe: hafa samy mpiasa ianao , eny fa na dia tsy hananana resaka materiely: vola , fanaka , trano rava ny cyclone na feu sns , eny fa na dia manana areti-mandoza aza ianao dia aza atao hahasakana anao @ Kristy izany.
Banjino hatrany ny recompense-nao fa tsy ho very maina tsy akory ny fikelezanao aina ao @ Tompo.
Na dia fahafatesana aza e!
ahoana hoy ny SM: Fa ny fahafatesana no ataoko
tombony...
De toute façon na mino na tsy mino ianao tsy maintsy miafara @ zany fahafatesana izany daholo isika , ka tsy aleo ve mba hahazo tombony?

4. ikaretsaka
(
04/12/2007 18:25)
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
isika ihany no hahasaraka ! fa Izy tia foana
9. cutie
(
04/12/2007 22:54)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 04-12-2007 19:25:13
Lohateny : Re : Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
Voalaza teo :
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
isika ihany no hahasaraka ! fa Izy tia foana
ka in no mahatonga antsika hahasaraka azy aza :D
13. cutie
(
05/12/2007 01:55)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 05-12-2007 00:11:11
Lohateny : Re : Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
io anie wa ao anaty ihany e,ianao ihany no mahatongany rehetra
ka in no mahatonga an'le ao anaty manao an'zany :lol:
14. cutie
(
05/12/2007 01:55)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 05-12-2007 01:32:17
Lohateny : Re : Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
ka tsy azoko no hitadiavan ahoe iza????
hira io ry fijo a :)
15. niryna
(
05/12/2007 05:50)
diamondra27:
Ito SM ito dia anisan'ny fampaherezana sy fijoroana ho an'izay mpanaraka an'i Kristy.
Eny raha tena tia an'i Kristy sy manankina ny fiainanao Aminy Iianao ary mino azy tanteraka dia tokony tsy hisy hahasaraka anao Aminy satria fantatrao dia fantatrao ny miandry anao.
Na resaka vady manakana tsy hanaraka fivoriam-bavaka, na fianakaviana miala aminao satria lasa mazoto @ fanarahana ny Tompo ianao, na ny FM mitakoritsika mahita anao mivoaka foana hamonjy fivoriana , na ny mpiara-miasa mahita hoe: hafa samy mpiasa ianao , eny fa na dia tsy hananana resaka materiely: vola , fanaka , trano rava ny cyclone na feu sns , eny fa na dia manana areti-mandoza aza ianao dia aza atao hahasakana anao @ Kristy izany.
Banjino hatrany ny recompense-nao fa tsy ho very maina tsy akory ny fikelezanao aina ao @ Tompo.
Na dia fahafatesana aza e!
ahoana hoy ny SM: Fa ny fahafatesana no ataoko
tombony...
De toute façon na mino na tsy mino ianao tsy maintsy miafara @ zany fahafatesana izany daholo isika , ka tsy aleo ve mba hahazo tombony?
Misaotra aky a.Ny SM no manambara amintsika fa ny Zanany Lahitokana no nomeny antsika noho ny fitiavana izany.
Ambony amin'ny zavatra rehetra izany ny fitiavantsika Azy satria Izy no nitia antsika voalohany.Tsy misy na iray aza tiany ho very,saingy nomeny safidy ny olona.Ahoana tokoa re raha tsy nisy safidy izany e.Marobe no ho voavonjy,hiadana sy ho finaritra ny fiainan'ny olombelona.
16. niryna
(
05/12/2007 05:53)
ikaretsaka:
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
isika ihany no hahasaraka ! fa Izy tia foana
Misaotra ika a.Noho izany fitiavany antsika izany dia mba tiany ho tiany ny mpiara-belona ,ny manodidina,ny fahavalo ,ny mpiray tanindrazana,ary ny rehetra izay mifanerasara amintsika isika. Ny antony? Tiany ho tahaka Azy isika ary tiany ho fantatry ny rehetra fa ilay Fitiavana sarobidy ao aminy dia tokony ho zaraina ny hafa ihany koa mba ahalalan'ny olona fa mpianany isika.
17. niryna
(
05/12/2007 06:01)
cutie:
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
satana :)
misaotra cutie a,satana mitondra antsika amin'ny lalan'ny fahaverezana raha tsy manana an'i kristy isika.Kanefa hoy ny soratra masina ao amin'ny Jaona 3:16 manao hoe:
16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
Araky ny voalaza io izany dia hoe izao tontolo izao(people in all the world) dia tiany daholo na mino Azy na tsy mino Azy,na mamadika Azy na maminay sandoka ka milaza fa manaraka Azy.Na iza na iza izany tsy ankanavaka. Tiana daholo izany isika rehetra.Ary mbola vao tany ambohoka isika dia efa fantany daholo ny momba antsika.
Satana ilay maniraka ireo miaramilany marobe tsy midika fa tsy tian'Atra ireny olona ireny ,tiany foana fa nomeny safidy isika.
18. niryna
(
05/12/2007 06:20)
ikaretsaka:
inona koa no idiran'i natasa amin'izany?
Ahitsiko kely .Satana no tianao ho tenenina ?
Eny mitombona mihitsy ny fanontanianao hoe inona no hidiran'i satana.
Ny valiny? Teny misy hidiran'i satana mihitsy.
Satria Andriamanitra dia Fanahy(God is Spirit),isika olombelona koa izany dia ny fanahintsika no mi-deal na mivavaka sy miresaka amin'ATra .Izany no antony hilazana hoe tsy mila "material thing" na zavatra ankoatry ny ao anatintsika isika.Mazava aminao amin'izay ilay filazan'ny namana marobe ny antony tsy hivavahantsika amin'izay sarin'Atra (tsy nisy nahita Azy isika koa maninona no manangana sary atao hoe Izy io)na manao izay fomba hafa hitarihana ny olona andeha any amin'ny hafa ka hilazana fa izao no fomba,sns. Efa mazava ho an'ny rehetra angamba io fa tsy hidirako intsony.Miala tsiny fotsiny aho raha somary HS kely kanefa mifameno.
Satana ,Izy no manodikodina ny lohan'ny olona tsy hanampinoana an'Atra.Raha misy zanak'Atra misy mahazo azy dia omeny" doubt "ilay olona na fanahiana,alefany daholo ny eritreritra rehetra .Izay ihany koa no porofo iray hiresahana hoe ny fanahy no miady amin'ny fanahy fa tsy ny nofo na ny olona na ireo izay ampiasan'ny satana.
Lasa amin'izay ireo teny hoe "jereo ity hianao mba anarany mpivavaka sy mino an'Atra kanefa toa mbola ...,fa raha misy tokoa izany Atrao izany maninona no tsy mety sitrana hianao... ahoana ity ny zanakao maditra kanefa hianao mpivavaka....jereo ity vadinao fa mbola tsy niverina foana......dia mandeha daholo ilay eritreritra rehetra. Maro fa zavatra mitranga amin'ny olona no resahiko...Izay ilay hidiran'ny satana amin'ny fitiavan'Atra.Raha mivavaka anefa isika ka mandroaka izany hery miboiboika ao an-tsaina izany ,tonga dia mijanona ilay izy.Eny na dia hoe avadika daholo izay resahina ao an-tsaina ao.
Andramo anie e."Na inona teneninao sy hanakivianao ahy ry satana ,tsy matahotra an'izany aho fa manana an'Atra aho izay hinoako sy hitokiako fa tsy hanary ahy izy satria ny teniny no efa nanambara "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory"."I will in no way leave you, neither will I in any way forsake you." Dieu lui-même a dit: Je ne te délaisserai point, et je ne t`abandonnerai point. Heb 13:5
19. niryna
(
05/12/2007 06:23)
fijo:
io anie wa ao anaty ihany e,ianao ihany no mahatongany rehetra
misaotra anao,marina izany fa ao anaty ilay izy,izany no mahatonga milaza hoe fanahy fa tsy zavatra mivaingana no ampiasana rehefa mivavaka amin'Atra.Satria Izy dia Fanahy .Ny dikany ny fanahintsika koa izany no mandray Azy na tsy mitady Azy.
20. niryna
(
05/12/2007 06:25)
ikaretsaka:
izay mihitsy anie e
ika a,ataoko fa tsy mitovy ny finoanao sy i fijo,izany mihitsy aminao tsy mitovy ny an'ny fijo sa lasa mitovy tampoka indray e. Vazivazy ny ahy fa mba afaka manazava be be kokoa ve hianao azafady e.