Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?

41. rakapy ( 08/12/2007 12:45)
Tena hita mihintsy ny maha kely saina sy ny tsy mampadinika an'i Nyrina. Amin'ny fomba ahoana no ahafananao mandinika ny baiboly nefa ny tenin'olona tsotra(gasy) aza tsy voadinikao. Tsy misy mitetika ny hampisaraka anao ao amin'ny finona kristianina eto ry Nyrina a! fa ity misy vavaka mba nianarako t@ mpitory baiboly hatolotro anao.
" KRISTY O!IZY LALANAO NO ALEHAKO.NA HO ANY AN-KADY AZA IFORETAKO" "mpitory an-tsena 1"4-6"
42. rijadolly ( 08/12/2007 14:10)
Hono wa rakapy ve mino sa tsy mino é?
Ny anjara valiteninao mantsy toa teny ao amin' Baiboly daholy.sa manindrona ilay izy dia tsy maka tsirony na mandini-tena fa entim-po fotsiny.
oh zao za dia mandini-tena amin'ilay izy,indrindra raha mbola tsy voavakiko ilay izy.Marina fa isé no nivalin'Nyrina fa za ko mananjara ao anatin'ilay izy.Misaotra Nyrina nampatsiahy an!
43. rakapy ( 08/12/2007 18:43)
Fa mino an'iza sy mino inona aloha ity tinao ho resaha ry Rijadoly? sao dia samihafa manko ny resaka resahin-tsika
44. rijadolly ( 09/12/2007 05:47)
Iza tokoa moa no tiako lazaina:roll::roll: sao dia mifanohitra marina ny ahy mantsy tsy manohitra ilay torin'Niryna.
45. niryna ( 09/12/2007 06:59)
rakapy:

Tena hita mihintsy ny maha kely saina sy ny tsy mampadinika an'i Nyrina. Amin'ny fomba ahoana no ahafananao mandinika ny baiboly nefa ny tenin'olona tsotra(gasy) aza tsy voadinikao. Tsy misy mitetika ny hampisaraka anao ao amin'ny finona kristianina eto ry Nyrina a! fa ity misy vavaka mba nianarako t@ mpitory baiboly hatolotro anao.
" KRISTY O!IZY LALANAO NO ALEHAKO.NA HO ANY AN-KADY AZA IFORETAKO" "mpitory an-tsena 1"4-6"


Izay lazaina tsy maninona ka ,manana ny zo hilaza sy safidy ny anaraka an'Atra hianao na tsia ka.Na miaraka aminy na tsia.Inona no antony tsy hiarahana aminy? Satria izay zavatra atao rehetra dia mifanohitra ny sitrapon'Atra ka tsy tian'ny sasany izany dia ny azy no ataony tonga aloha.
Ny voninahitra Atra anie hiaro anao mandrakariva. :-*

46. niryna ( 09/12/2007 07:17)
rijadolly:

Hono wa rakapy ve mino sa tsy mino é?
Ny anjara valiteninao mantsy toa teny ao amin' Baiboly daholy.sa manindrona ilay izy dia tsy maka tsirony na mandini-tena fa entim-po fotsiny.



Sabatra roa lela ny tenin'Atra ka raha mahavoa mahafaty raha tsy mahavoa mahafanina.izay no antony tsy hitiavan'i rakapy azy io.Tsy vao izao ireo mpanohitra no miteny izay teneniny.Tsy fantany velively fa tsy izaho no enjehiny fa i kristy izay manome ahy hery hitory.Mivavaka ho azy ireo hatrany isika,ary tsy mitsahatra ny mitia azy ireo satria tsy avy aminy izany fa izay ao ambadiny,ny herin'ny maizina no manosika azy hanao izany ary tsy mahatsapa anie izy e,toa heveriny fa marina daholo izany raha tsy indray andro any izy hisy ampahafantatra.Anjarantsika no mivavaka azy ireny fa mbola ao anatin'ny maizina izy,samy efa tao daholo no niala ka ahirato ny jiro hanazava azy ireo.:cry: :oops:.
zao za dia mandini-tena amin'ilay izy,indrindra raha mbola tsy voavakiko ilay izy.Marina fa isé no nivalin'Nyrina fa za ko mananjara ao anatin'ilay izy.Misaotra Nyrina nampatsiahy an!

Tsy misy fisaorana ka,mahereza hatrany ary raiso izay fantatrao fa tsara.
=))=)) ny tenin'Atra dia maranitra sy manindrona ary manitsy antsika andeha amin'ny fahamarinana.Misy anefa ny tsy tia anaraka ny teniny satria mbola tsy mahatohitra ny fakampanahy na ny tena marina tsy miady ny herin'ny ratsy e,dia tsy zakany ilay izy ka dia aty izy no manala vokona.Tsy manome tsiny aho fa nandalo tamin'izany daholo isika rehetra,rehefa mahafantatra fotsiny fa izay atao rehetra dia misy valiny avokoa na tsara na ratsy dia efa zava-dehibe izay.
Tsy misy miafina izay tsy ho hita ary tsy misy zavatra atao ao anatin'ny maizina tsy hipotra ao anatin'ny mazava.Ny fotoana fotsiny no hiandrasana fa tsy maintsy mipoitra sy mitranga eny ihany amin'ny farany.
Miriorio ny angidina ka any an-kady no hiafarany,tsy ny saina no hitondrana ny tenin'Atra fa ny fitiavana ao anatin'ny fo.Na atao hoe tsy mino an'Atra aza izy,raha tsy manana fitiavana ao anaty izy mitia ny mpiara-belona aminy dia izy no fadiranovana ihany koa.Mijaly ara-panahy anie ireny olona ireny fa toy ny olona marary tsy mety manatona dokotera ihany e.
Mivavaha ho azy ireny mandrakariva ary aza mitsahatra ny mametraka ny fiainany mba ho voavonjy.


47. rijadolly ( 09/12/2007 17:46)
Ny tanjon'mpino ary mino aho fa iraisantsika rehetra ny hitarika ny tsy mpino ho ao anaty valan'Ilay Mpiandry Tsara dia Jesoa Kristy.Koa mampahery antsika aho mba tsy ho kivy raha mitombo ny mpanohitra indrindra ny AT amin'ity Forum ity,porofo izany fa mila antsika izireo.ary matoa izy mbola miady hevitra amintsika dia mbola mikaroka ny marina.
niryna:
Mivavaha ho azy ireny mandrakariva ary aza mitsahatra ny mametraka ny fiainany mba ho voavonjy.
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ROMANA&toko=8&andininy=31-35&dika= tsy isika tokoa no voasarikany fa izireo no sariiiititsika hiara-dia amintsika ka tsy hatahotra ny ao anatiny velively isika na ahoana ny herin'teniny na ahoana
48. rakapy ( 09/12/2007 19:43)
Tena fantatro sy tena mazava amiko ny tianareo lazaina fa ny mampalahelo amin'ny totran'ny mpino Kristianina maro dia ity:(Rehafa tsy MAINTY dia FOTSY !!)izany hoe midika amiko izany fa rehefa tsy KRISTININA dia DEVOLY?
Raha tena manaja ny zava-boarin'ilay nahary ianareo dia na dia ny lokon'ny olombelona aza dia misy ny mainty dia ao koa ny fotsy fa mbola misy koa ny zarazara ,ao koa ny mavo ary mena sns...Fa ireo dia samy voharin'ilay nahary avokoa fa tsy hoe ny fotsy ihany no nohariny.:wink:Ary ity dia misy fanotaniana izay napetrako tamina mpino Kristianina maro fa mbola tsy nisy nahavaly, ny sasany moa dia hita fa mandainga be fotsiny satria tsy manana porofo hanazavana ilay fanotaniana. Ity ary ilay izy hapetrako aminareo ka mba mitady valiny aho.
IZA TAMIN'IREO MPINO KRISTIANINA EFA LASA ANY ANKOATRA NO NIVERINA ARY NILAZA SY NAMPISEHO TAMINAREO FA TENA ARAK'IZAY NINOANY SY VOALAZA AO ANATY NY BAIBOLY TETO NO ZAVATRA HIAINANY ANY AN-KOATRA?
49. ikaretsaka ( 09/12/2007 20:24)
za kristianina fa tsy misaina black ans white ohatran'izany aho ooo:cry:

IZA TAMIN'IREO MPINO KRISTIANINA EFA LASA ANY ANKOATRA NO NIVERINA ARY NILAZA SY NAMPISEHO TAMINAREO FA TENA ARAK'IZAY NINOANY SY VOALAZA AO ANATY NY BAIBOLY TETO NO ZAVATRA HIAINANY ANY AN-KOATRA?

I masina maria... fa izy tsy niteny hoe ao anaty baiboly fa hoe mivavaha fotsiny ho'zy
50. rakapy ( 09/12/2007 22:38)
I Ra Maria ilay vehivavy namitaka an-Dra Josefa tao Jerosalema ve?:Hi! hi!hi!
51. ikaretsaka ( 10/12/2007 02:05)
tsy namitaka kosa Ramaria fa raha namitaka ramaria tsary nikozy t@ razozy sy notabatabaina be ny momba azy!

Porofo:
raha ialahy ve ohatra no namitaka ny vadin'ialahy tamin-drasoa ka hitan-Seamarka sy Ramatio dia nosoratany dia hanaiky ve ialahy raha atao miparitaka be feno an la ny afisim-pokontany sy ny tranompokoonolona ? 200 taona aty aoriana?
kozy raha tsy mihevona any am-pasana any ialahy le
52. niryna ( 10/12/2007 04:29)
ikaretsaka:

tsy namitaka kosa Ramaria fa raha namitaka ramaria tsary nikozy t@ razozy sy notabatabaina be ny momba azy!

Porofo:
raha ialahy ve ohatra no namitaka ny vadin'ialahy tamin-drasoa ka hitan-Seamarka sy Ramatio dia nosoratany dia hanaiky ve ialahy raha atao miparitaka be feno an la ny afisim-pokontany sy ny tranompokoonolona ? 200 taona aty aoriana?
kozy raha tsy mihevona any am-pasana any ialahy le



:roll:
53. niryna ( 10/12/2007 04:35)

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy? Jer 17:9

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;

24 Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.Sal 139:23-24


Raha miaraka aminy isika dia ovainy hatramin'ny fontsika ka hiala daholo na ny tebiteby na ny fankahalana,fo vaovao no omeny ary dia hamita ny adidy ho an'ireo mpiray tanindrazana sy ny hafa,hizara izany fitiavan'Atra amintsika izany amin'ny hafa.Tsy misy mahasaraka na fahoriana ,na ahiahy,na fijaliana eny na dia ny fahafatesana aza satria raha mino Azy isika dia mbola hiaraka Azy indray aorian'ny fandalovana amin'ity tany ity.
Mahereza mizara ny fitiavana amin'ny hafa fa izay no ahalalana antsika fa mpianany isika.(l)(l)

54. rakapy ( 10/12/2007 07:19)
Tsy dia hidirantsika lalina ny momba an-Dramaria fa tsy misy porofo azonao lazaina amiko ry Ikaretsaka fa joba niodina i Ramaria ka bikina dia namorona tantara.
Ny Fanotaniako dia mbola tsy voavalinareo dia efa ahodina sahady resaka.
55. niryna ( 11/12/2007 06:17)
rakapy:

I Ra Maria ilay vehivavy namitaka an-Dra Josefa tao Jerosalema ve?:Hi! hi!hi!

Mba afaka hazavainao kely ve io resaka io azafady?

56. niryna ( 11/12/2007 06:19)
rakapy:

Tsy dia hidirantsika lalina ny momba an-Dramaria fa tsy misy porofo azonao lazaina amiko ry Ikaretsaka fa joba niodina i Ramaria ka bikina dia namorona tantara.
Ny Fanotaniako dia mbola tsy voavalinareo dia efa ahodina sahady resaka.

ka tsy ho azonao mihitsy koa ny tantara satria mety tsy nandray na tsy nanazava hianao raha araka ny fomba fiteninao azy io.

57. rakapy ( 11/12/2007 12:43)
Inona moa no tokony ho azavaiko aminao ry Nyrina? Ny zavatra nolazaiko tetsy ambony dia ao anaty baiboly Kristianina no ahitanao azy fa mba diniho lalina kokoa fa aza manao copie be fotsiny ny ao anaty baiboly. Ary ianao ve rehefa mamaky baiboly na tantara iray dia mamaky fahobeny fotsiny sa mba mandinika lalina ny lojikan'ny tantara vakinao?
58. rijadolly ( 11/12/2007 17:18)
rakapy:
IZA TAMIN'IREO MPINO KRISTIANINA EFA LASA ANY ANKOATRA NO NIVERINA ARY NILAZA SY NAMPISEHO TAMINAREO FA TENA ARAK'IZAY NINOANY SY VOALAZA AO ANATY NY BAIBOLY TETO NO ZAVATRA HIAINANY ANY AN-KOATRA?
Mbola tsy nisy taminay ka.ity koa valio àry.Iza taminareo tsy mpino no efa maty ka nilaza hoe tsy misy izany?AHOANA NO NINOANAO FA TSY MISY IO VOALAZAN4BAIBOLY IO?
59. rakapy ( 11/12/2007 17:57)
Tena mampme be koa ilay fanotanian'i Rija dolly ity.
Tsy izaho anie no namorona ny baiboly ka aty amiko inao no mitady porofo.Tokony any amin'izay nanoratra azy io fanotaniana io no mipetraka, za koa aza mba manotany anareo satria tsy mbola nahita porofo. Raha holazaiko ve ianao fa raha mandeha any Andavamamba amin'ny 11sy fahatelony alina ianao dia hifanena @ RaDozaoka ka raha omenao azy izay fananao rehetra dia tsy ho faty intsony ianao? de hihino ahy ve ianao raha tsy misy porofo efa hitanao t@ olona hafa?
60. rijadolly ( 11/12/2007 20:02)
tsy hitan'sé nga ny porofo hoe tsy misy akory ilay inoanay.avoay ny porofo raha efa tany sé dia tsy nahita izany Paradisa izany é?
Ny fanontanian'sé efa voavaly fambola tsy tany izahay fa mino.fa ny fanontaniako valiana fa aza laozana miodikodina eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081