Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
81. niryna
(
13/12/2007 07:43)
rakapy:
Rijadolly> tsotra ny valiteniko:"MITOVY NY TSY HINOANAO NY VOALAZAKO FA TSY MINO IZANY PARADISA IZANY AHO NO TSY HONOAKO NY VOALAZANAO"
Asa raha mahavaly azy indray io valiteniko io na tsia?
Raha samy manao ny marina sy manaraka ny sitrapon'ny tompo avokoa ny olona rehetra dia ety an-tany no lasa paradisa,tsy misy mankany an-danitra intsony fa tonga eto an-tany ilay sitrapon'ilay Ray.
Rainay izay any an-danitra ho hamasinina anie ny anaranao ,ho tonga anie ny fanjakanao ,ho tanteraka anie ny sitraponao ,ety an-tany tahaka ny any an-danitra. ie,ie. Andao anao ny sitrapony daholo dia tonga ety an-tany ny paradisa.Na ny saka sy ny voalavo aza dia hiara hipetraka,ny liona sy ny ondrikely. Ny olon-drehetra hiankohoka eo anatrehany.Foana sy potipotika avokoa ireo andriamanitra kely hinoan'ny olona. :-*:-*
82. rakapy
(
14/12/2007 02:05)
Koa maninona ary raha samy manao soa fa tsy atao hoe @ anaran'i Kristy. fa tonga dia amin'ny maha olombelona fotsiny izao. Satria ny tsy kristianina dia tsy hanaiky hoe atao @ anaran'i Kristy ary ny Kristianina dia tsy hanaiky ny hoe atao @ anaran'i Allah na i Buddha na amin'ny anaran'ny masina hafa ny fanaovana soa. Ny Kristianina mantsy dia tsy hafaka ny hanaja ny hafa.
83. rakapy
(
14/12/2007 03:53)
Raha mbola io no fomba hitaritanareo olona ho Kristianina dia ho vitsy ny olona hanaraka nareo.Jereo anie ny fiangonana lehibe any Europe sy ny tany mandroso fa efa vide daholo. Tsisy Kil intsony satria nihiratra ny olona ka nahatsapa fa business fitadiavam-bola no tena ao ambadiky ny fiangonana:-@:-@:-@:-@:-@
84. niryna
(
14/12/2007 07:31)
rakapy:
Koa maninona ary raha samy manao soa fa tsy atao hoe @ anaran'i Kristy. fa tonga dia amin'ny maha olombelona fotsiny izao. Satria ny tsy kristianina dia tsy hanaiky hoe atao @ anaran'i Kristy ary ny Kristianina dia tsy hanaiky ny hoe atao @ anaran'i Allah na i Buddha na amin'ny anaran'ny masina hafa ny fanaovana soa. Ny Kristianina mantsy dia tsy hafaka ny hanaja ny hafa.
Ny fomba fanaovana soa samy manao fa ny an'ny kristiana mitory ny famonjena (Salvation,salvatio) Izay no mahasamihafa amin'ny finoana.Inona ny anareo?
Izahay dia mitory araka ny voalazan'ny baiboly fa ny famonjena dia tsy misy na iray aza afaka amonjy antsika afatsy i kristy irery ihany.
Inona no ataon'ilay Andriamanitrareo ? Iza izy io,milaza ny sasany fa mitovy ny Atra ?Firy ny zanany? Ary ny anaran'ny zanany koa ve dia i Kristy Jesoa?
85. niryna
(
14/12/2007 07:39)
rakapy:
Satria ny tsy kristianina dia tsy hanaiky hoe atao @ anaran'i Kristy ary ny Kristianina dia tsy hanaiky ny hoe atao @ anaran'i Allah na i Buddha na amin'ny anaran'ny masina hafa ny fanaovana soa. Ny Kristianina mantsy dia tsy hafaka ny hanaja ny hafa.
Mety ho diso fitsara hianao raha izany,fitiavana no nampianarin'i kristy anay ary fizarana ny fitiavana koa no mahatonga anay miteny sy milaza ary mampiseho ireo izay mbola tsy mahalala an'i kristy.Manampy azy ireo mba hanatona an'ilay Atra velona ,ilay Atra mamaly vavaka ilay Atra an'ny velona fa tsy izao karazana zavatra rehetra izao dia atao ho andriamanitra.Ny baiboly no manambara izany fa tsy tiany isika ny hanao Atra hafa na zavatra izany na sary na biby na inona asa-tanan'olombelona na olombelona izay naharian'Atra ka manangana azy ireo ho andriamanitra hafa.Maninona no mbola manao ihany?
Hoy ilay sinoa ao aminay izay hoe ny anareo Atra marobe loatra no sahaniny ny anay ny andriamanitra misy maro,ngezabe,antonony ,kelikely ary faran'izay kely miambina ny tanana kely(village)Inona izany andriamanitra izany?
Ny marina dia mandratra ary ny tena izy dia tsy mahita ny maso fa pahana satria manaiky ampiasan'ny satana (their eyes are blind),manana maso kanefa tsy mahita,manana sofina kanefa tsy mandre,manana vava kanefa tsy midera. Izay ilay izy,raha tsy ny tenanantsika mihitsy no miaika ny fahotana ary mahatoky marina fa misy ilay Andriamanitra izay Velona dia tsy ahafantatra na ahalala na anaiky ny tena Atra mahery sy mpanafaka amin'ny fahotana rehetra isika.
Izy Irery ihany,na isika miaraka aminy na isika miaraka amin'ny Atra hafa.Tsy afaka ny hamompo roa fa ny iray ho tiana ary ny iray ho halanao. Fidio izay tianao fa tsy misy tery io.
86. niryna
(
14/12/2007 07:49)
rakapy:
Raha mbola io no fomba hitaritanareo olona ho Kristianina dia ho vitsy ny olona hanaraka nareo.Jereo anie ny fiangonana lehibe any Europe sy ny tany mandroso fa efa vide daholo. Tsisy Kil intsony satria nihiratra ny olona ka nahatsapa fa business fitadiavam-bola no tena ao ambadiky ny fiangonana:-@:-@:-@:-@:-@
Tsy ny fiangonana no ahazoana famonjena.Mety marina ny anao fa efa vide ilay fiangonana.Iny aloha dia tsy hidirako satria tsy ahy ny fitsarana.Maro tokoa anie izao ny fiangonana tsy mino an'Atra no manerana an'izao tontolo izao e.Tsy miady varotra amin'izany koa aho fa efa voasoratra ao anatin'ny baiboly izany fa maro no hilaza fa aty aminay no misy ny mpaminany aty aminay no misy ilay mesia.Samy milaza sy mivavaka na in-pito isan'andro aza,fa moa ve tena azo antoka fa i kristy no hivavahana? Raha tsy izany dia efa tonga any amin'ilay firenena ny fanahin'ireo anti-krist ary aza gaga raha mipoitra daholo ireo karazana sampona sy ny tondran-drano sy ny oriorin-tany ary ny fahantrana sy ny mosarena.Mbola vao fiandoany daholo izany.Mbola tsy tonga ny anti-krista fa mbola ny fanahin'ireo misodisody ireo.Anjaranao ny manaiky na miaraka aminy tsy misy terena(friendly warning )fotsiny ny anay kristiana fa firifiry izay olona maty izay noho ny fampijalian'ireo fiangonana mankahala ny kristiana ireo?
87. rakapy
(
14/12/2007 18:26)
Ary firy ny olona efa NOVONOINAREO KRISTIANINA hatramin'izay ka hatramin'izao? Io mantsy ilay voalazako an'i Nyrina hoe. NAREO KRISTIANINA TSY MANAJA NY ZANAK"A/TRA HAFA. Ny anareo ihany no hitanareo.
BLACK OR WHITE ihany no fiainanareo ka tsy maninona fa mandehana ary mazahoa ny paradisanao.
BLACK OR WHITE ihany no fiainanareo ka tsy maninona fa mandehana ary mazahoa ny paradisanao.
89. niryna
(
15/12/2007 04:04)
rakapy:
Raha mbola io no fomba hitaritanareo olona ho Kristianina dia ho vitsy ny olona hanaraka nareo.Jereo anie ny fiangonana lehibe any Europe sy ny tany mandroso fa efa vide daholo. Tsisy Kil intsony satria nihiratra ny olona ka nahatsapa fa business fitadiavam-bola no tena ao ambadiky ny fiangonana:-@:-@:-@:-@:-@
Tsy ny fiangonana anie no mikaonty e,ny finoana an'i kristy.Mety toa izao no nitranga ohatra,mety ny tenin'Atra no nampidirany nisarihany ny olona ary farany toy ny rehetra tsy naharitra ilay fakam-panahy ireo mpitondra ka dia nihinana ny volam-piangonana.Ritra nanaraka an'izay koa ilay fahasoavana nomen'ny Tompo azy ireo.
Angaha ny fiangonanareo mandeha amin'ny rano? Tsy misy vola omena mihitsy izany ? Mandahana vakio ny Malakia 3:10 raha izany.Sambatra kosa ny anareo fa mandeha kidaondrano daholo ny zavatra raha izany koa.
Amin'ny maha olombelona antsika dia tsy ahatakatra ny fisainan'Atra mihitsy isika.
Zavatra tsy ho takatrao mihitsy ilay Atra.
90. niryna
(
15/12/2007 04:12)
rakapy:
Raha mbola io no fomba hitaritanareo olona ho Kristianina dia ho vitsy ny olona hanaraka nareo.Jereo anie ny fiangonana lehibe any Europe sy ny tany mandroso fa efa vide daholo. Tsisy Kil intsony satria nihiratra ny olona ka nahatsapa fa business fitadiavam-bola no tena ao ambadiky ny fiangonana:-@:-@:-@:-@:-@
Tsy nisy na iray kosa aloha niteny teto hoe ie avy aty aminay e.ha,ha,ha.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=115&andininy=1-5&dika=
Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy. Sal 115:5-8
Ary dia hita mivandravandra io tokoa ilay mpanenjika ny kristiana satria basy daholo no fomba hamonoiny azy ireo.Too,bad, velona sy mahery ny tenin'Atra ka na dorana aza dia tsy ho levona. ^:^
91. rakapy
(
15/12/2007 04:20)
Ka voalazanao tany aloha hoe tsy miaraka ny A/tra sy ny vola koa eto indray ianao dia milaza fa mila vola?
Io anie ilay lazaiko aminao fa BUSINESS ohatra ny business rahetra ihany ny fiangonana fa mody SAROMANA ny anaran/A/tra de matahotra ny kil de mirotsaka.
Io anie ilay lazaiko aminao fa BUSINESS ohatra ny business rahetra ihany ny fiangonana fa mody SAROMANA ny anaran/A/tra de matahotra ny kil de mirotsaka.
92. ikaretsaka
(
15/12/2007 04:28)
niryna hoa mba matotra rehefa maneho hevitra fa tsy mi flip flop ohatran'io
93. niryna
(
15/12/2007 04:34)
rakapy:fa angaha hono misy zanak'Atra hafa e.:roll:
Ary firy ny olona efa NOVONOINAREO KRISTIANINA hatramin'izay ka hatramin'izao? Io mantsy ilay voalazako an'i Nyrina hoe. NAREO KRISTIANINA TSY MANAJA NY ZANAK"A/TRA HAFA. Ny anareo ihany no hitanareo.
BLACK OR WHITE ihany no fiainanareo ka tsy maninona fa mandehana ary mazahoa ny paradisanao.
Raha tsy mino an'Atra hianao tsy maninona tsy misy tery io matoa fotsiny hianao manohitra izay voalazan'ny baiboly dia misy zavatra manitikitika anao ao. Mino tsy mino,tsy afaka ny hino satria mbola maizina ny saina,ny maso mahita fa manda ka tsy omen'Atra anao ny teniny.Omeny ho an'izay mino ny fanahy masina satria ny fanahy masina no manazava azy,miaraka aminy ,mitondra azy andeha any amin'ny marina.Tsy mino hianao satria afaka lazaiko fa misy zavatra tianao mbola atao ao ka na dia tsy mahalala ny tenin'Atra aza dia mahalala ny tsara sy ny ratsy avokoa saingy ilay hanohitra azy no tianao.
Dia tohero fa tsy izaho no ho voa,friendly warning ihany ny ahy iny ary tsy izaho na ny kristiana hafa koa no hanova anao fa ilay Atra izay hinoanay dia i kristy izany.
Matoa izany hianaoa miteny fa tsy avela hino ny zanak'atra hafa :arrow: io fa mivoaka ilay tenin'Atra miteny hoe "Aza manana Andriamanitra hafa afatsy izaho irery ihany." ^:^ hay nisy fahamarinana ilay baiboly fa tena misy tokoa ny minoino foana.
Tsy fantatro indray aloha izany fa ny fantatro dia ireo firenena izay tsy mino an'Atra tsy mahazo miditra na ny baiboly aza.Fa angaha raha tsy manana baiboly ilay olona dia tsy afaka hitamberina ao an-tsainy ny tenin'Atra.
Tsy izay miteny hoe kristiana koa anefa no atao hoe kristiana fa izay manao ny didin'Atra,mitia ny mpiara-belona aminy na dia tsy mpino an'Atra aza izy.Ahoana tokoa moa no ahalalana fa misy Atra raha tsy hita maso izy kanefa lazaina hinoana?
Miainga amin'ny fitiavana ny mpiara-belona aloha,matoa izy mamono ny olona dia tsy kristiana izy izany fa anarany fotsiny ka aza atao ahagaga toy ireo marobe mamono ny kristiana eran-tany.
Tsy ho fantatrao mihitsy koa anie ny fitiavan'Atra anao e,satria hianao manda azy ary dia ataony ho pahina ny masonao satria tsofitsofin'ny satana hoe tsy misy an'izany leisy a.Rehefa tonga tokoa ny tokoa dia hihomehezana fotsiny. http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4740388ea1e61
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4715974e926d7
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4747b0c5684a8
94. niryna
(
15/12/2007 04:41)
rakapy:
Ka voalazanao tany aloha hoe tsy miaraka ny A/tra sy ny vola koa eto indray ianao dia milaza fa mila vola?
Io anie ilay lazaiko aminao fa BUSINESS ohatra ny business rahetra ihany ny fiangonana fa mody SAROMANA ny anaran/A/tra de matahotra ny kil de mirotsaka.
Money is the root of evil. Izany hoe ny vola raha ampiasaina amin'ny zavatra tsy tokony ho izy dia lasa io no hiandohan'ny devoly hamingana ny olona.
Iza no olona tsy mila vola eto an-tany ,izany ve tsy resaka?
Izaho rehefa mamone vola any am-piangonana na fanampiana izay mitady amiko dia natao omena hanasoavana ny tenin'Atra izay.Raha ,manodikodina ilay vola ilay mpitondra dia tsy izaho no ho tratra ny fanontaniana any amin'ny farany fa Izy sy Atra no mifanaraka sy mifandahatra.
Ny adidiko fotsiny dia manampy.toy ireny olona mangataka amiko ireny ka manana omena aho dia izay.Mandainga izy ,azy ho azy, fa tamin'ny fo no nanaovako izany.Toy izany ihany koa ny kristiana rehetra raha manome izy dia tokony tsy hametraka io doubt lazainao io.
Tsarovy koa fa tsy ny fiangonana rehetra akory dia fiangonana an'i kristy avokoa.Misy fanahy masina ve ao? Nahazo hery ve hianao niditra ilay fiangonana ? Nitondra hery ve ny vatanao sy ny fanahinao noho ny fizaran'ilay mpitandrina ny tenin'Atra?
Izay ilay izy. Rehefa manao zavatra dia ataovy amin'ny fo foana fa tsy misy nenina ao aminao,matoa izay hianao sao dia ,sao dia dia tsy manana fahatokisana an'Atra.
95. rakapy
(
15/12/2007 05:00)
A/tra dia samy mino na izaho na ianao fa ny tsy hitovizan-tsika dia ilay hoe Kristianina. Io no tena fanetry be nanakorontana izao tontolo izao nefa dia maro no midoika fa io no ANY LALANA mahavonjy ny olombelona rehetra. Ny sasany angamba fa tsy ny rehetra.
96. niryna
(
15/12/2007 05:28)
rakapy:
A/tra dia samy mino na izaho na ianao fa ny tsy hitovizan-tsika dia ilay hoe Kristianina. Io no tena fanetry be nanakorontana izao tontolo izao nefa dia maro no midoika fa io no ANY LALANA mahavonjy ny olombelona rehetra. Ny sasany angamba fa tsy ny rehetra.
Hay hianao manana Atra ,tsy maintsy manana daholo isika rehetra araka ny teneniko.Maninona no voakorontana izao tontolo izao? ny kristiana anie dia mbola vitsy e,ary angaha adinonao fa na finoana hindu aza dia vonoin'ny silamo? Ny dikany raha nilaza Atra (Jehovah ) fa aza manana Atra hafa afatsy izaho irery ihany dia io fa voalazanao io izany ilay Atra-hafa fahavalon'i Jehovah.:roll:
97. niryna
(
15/12/2007 05:46)
rakapy:
A/tra dia samy mino na izaho na ianao fa ny tsy hitovizan-tsika dia ilay hoe Kristianina. Io no tena fanetry be nanakorontana izao tontolo izao nefa dia maro no midoika fa io no ANY LALANA mahavonjy ny olombelona rehetra. Ny sasany angamba fa tsy ny rehetra.
Izay mitady famonjena ka,marina ny anao.Raha tsy mitady famonjena hianao dia aza mankany aminy fa mandehana any amin'ilay Atrao ihany ka.
Mba zarao aminay hoe inona no nataon'ilay Atrao tamin'ny fiainanao?
Ny anay mantsy dia azo antsoina 24/24 Izy.
Marary hianao:arrow:mpanasitrana ny anarany
Mila vonjy hianao:arrow:mpamonjy no anarany
very fanantenana hianao :arrow:any aminy irery ihany no misy hope,ka na inona mitranga amin'ny fiainana rehefa miaraka aminy tsy mangozohozo intsony ny fiainana.Mafy ny zavatra mety mitranga saingy izy no mampitraka antsika :arrow:Mpampitraka,mpampihavana ihany koa izy:arrow:noho ny fahotana izay nodimbiasintsika avy tamin'i Adama dia Izy no mpampihavana antsika amin'ilay ATra rainy.
Inona koa re e.Mitady fialofana hianao? Any amin'ny misy ary izay mino azy dia tsy atahotra na angahiahy.
mh.aoka izay fa sao bedin'ika eto aho fa tsy tiany mantsy aho hitory ny tenin'Atra intsony
Izay tianao sy tadiavinao dia misokatra ny varavaran'ilay fanantenana ao amin'i kristy.
The gate of TROUBLE changes to open the door of HOPE
Ilay fefy manakana anao amin'ny olana rehetra amin'ny fiainana dia hisy varavaran'ny fanantenana raha manatona an'i kristy hianao.
Tsy vitan'izany ihany koa fa mamela eloka izy raha mibebaka any aminy koa hianao. :miam::miam:
Mamy dia mamy ny teny omeny ao anatin'ilay boky sarobidy dia ny baiboly izany ka mamelombelona ny saina amam-panahin'izay mangetaheta ny teniny.(l)(l)
Satria ao anatin'ilay baibolinay daholo izay olana misy amin'ny fiainana no mivaha ny olana.
Nivavaka hianao ?Mpamaly vavaka Izy,very fanantenana hianao,tsy mahita lalana hizorana intsony? Antsoy Izy fa miandry anao.
Thanks to be with God. Misaotra Azy aho fa miaraka amiko andro aman'alina Izy. ^:^
Mba tantarao ahy hoe ilay Atrao izay mifanohitra ny Atra hivavahanay kristiana dia i kristy izany ?
Misaotra mialoha.
98. rijadolly
(
15/12/2007 06:25)
rijadolly:
68. Mpandefa : rijadolly [ Valio ] 12-12-2007 14:48:08
Lohateny : Re : Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
Ny mpino kristianina dia efa manana Mpanalàlana izay nisava sy nanala ireo sakatsakana maro ahatongavana any amin'ilay inoany dia ilay Jerosalema vaovao.tsy iza izany fa Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra.Tsy misy tafiditra any raha tsy manaiky Azy fa any amiNy ny lakilé.Ra mbola midy amiNy ny fonao aiza ny laklé?Izy sy ireo mpaminany maro izay natao ho lavina no nanambara ny mpino maro ny fisian'izany paradisa izany satria ireo no efa nahita na nampahalala ny marina.Raha mandray Ilay Iraka lehibe indrindra ianao dia i Jesoa Kristy dia efa ao anatinao sahady ny fanjakan'Andriamanitra.Manomboka ety an-tany ny fiainana any an-danitra.
Izy Ilay avy any dia nidina tety anambara ary maty sy tany amin' fiainatsihita izay nasehony fa tsy mahatazona ny mpino ka hampandresy azy izany rehetra izany.ResiNy ny fasana.ary nanambara izay mpianaNy izy fa anamboatra toerana ho azireo mandrakizay.Amena! http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ROMANA&toko=8&andininy=31-35&dika=
irakapy>>>>Ireo no nilaza ny Kristianina fa misy izany paradisa izany fa tsy izireo akory ny efa tany
averiko indray ny fanontaniako ary valio fa tsy mbola nahavaly azy ny valiteninao.
Voalaza teo :
AHOANA NO NINOANAO FA TSY MISY IO VOALAZAN4BAIBOLY IO?
Aleo azavaiko ilay fanotaniana sao tsy dia azonao ny tiako atongavana
-iza niteny anao heo tsy misy izany?sa ny tao anatinao ihany(tandremo fa fandrika io fanontaniana io an!miarova tena)
rakapy:Marina izany,izay ilay endrasako,ny hevitry ny fetsy no mamatotra azy.Tsy inoko ny lazainao hoy ianao,izany mihitsy,misy ilay Paradisa nampanatenaina ny Mpino marobe hoy ny ANDRIAMANITRAay ilay nahary izao tontolo izao sy ZanaNy LAHIMATOANY dia JASOA KRISTY ary ny FANAHIMASINA izay miara-miasa AZY.Izay ny ahy.Dia mitovy oh io koa zany ny anao ô,mazava ho azy.iza marina ilay Andriamanitra inoako sy ilay inonao,samy hafa ve?
Rijadolly> tsotra ny valiteniko:"MITOVY NY TSY HINOANAO NY VOALAZAKO FA TSY MINO IZANY PARADISA IZANY AHO NO TSY HONOAKO NY VOALAZANAO"
Asa raha mahavaly azy indray io valiteniko io na tsia?
