Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?

61. rakapy ( 11/12/2007 20:48)
Ka izay indrindra no ady hevitra matetika mpiseho eo amin'ny fiaraha-monina eto ambonin'ny tany.Indrindra fa entre mpino Kristianina sy ny tsy mpino Kristianina.
tsy hoe mihodikodina aho akory fa nanazava anao ny mba heritreritro.
Ny valiteniko dia izao: Tsy ny tenako velively no manana heritreritra ny hikatsaka sy tia hahazo toerana any amin'izany paradisa lazainareo sy himatimatesanareo izany. Ny hany fantratro aloha dia ny eto an-tany.ka io no hezahako mandrakariva ny hanao soa amin'ny mpiarabelona amiko araka izay tratrako sy fantaro fa mety satria eto no toerana nametrahan'A/tra aho hatramin'izao. Izay any akoatra any indray dia ho hita eo izay patiny sy ny hanaovana azy raha toa ka mitombona hoe misy izany.
ka asa raha nahavaly ny fanotanianao ny tenako na tsia?
62. cutie ( 11/12/2007 21:42)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 05-12-2007 23:29:51
Lohateny : Re : Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
tsisy lambolambon'i Satana izany ry niryna a, fa ianao no tsy mahafehy ny tenanao, tsy nila soratra masina i Eva, torak'izany koa i Maria.. fa ny tao am-pony sy ny fahafehezany ny tenany no naha samihafa azy

koa raha tsy mitovy @ Maria daholo ny oul rehetra :-D:-D:-D:-D:-D:-D
63. rakapy ( 11/12/2007 22:36)
Dia mbola voalaza koa fa VIRIJINY i RaMaria !!!Iza no efa nitsapa sy efa niditra tany ka afaka hanamarina tokoa fa virijiny izy? Secret sy tantaram-behivavy vazaha tany Jerosalema fahiny tany no hitondranao ny fiainanao amin'izao 2007 izao? nefa ilay vehivavy Malagasy 4 amis mamo lava sy tsy manana ny ampy iny tsy hivakianao loha akory!!! De aiza re izany ry Ra-Kristianina havana.
64. cutie ( 11/12/2007 22:59)
nefa ilay vehivavy Malagasy 4 amis mamo lava sy tsy manana ny ampy iny tsy hivakianao loha akory!!! De aiza re izany ry Ra-Kristianina havana.

mety efa misy karakarain'ny zanak'masina maria ny sasany @ reny ka :-D:-D:-D:-D:-D
65. rakapy ( 11/12/2007 23:32)
cutie:

nefa ilay vehivavy Malagasy 4 amis mamo lava sy tsy manana ny ampy iny tsy hivakianao loha akory!!! De aiza re izany ry Ra-Kristianina havana.

mety efa misy karakarain'ny zanak'masina maria ny sasany @ reny ka :-D:-D:-D:-D:-D

kay ve le Maria ka nanana zanaka maro de afaka hikarakara 4 ams aty Mada hatramin'izao. De mbola virijiny ihany ve izy izao ra Cutie:-D:-D:-D:-D:-D:-D


66. cutie ( 11/12/2007 23:33)
tsy virja tsony:-D:-D:-D:-D:-D:-D
67. rakapy ( 11/12/2007 23:54)
So what do you gonna call her?
68. cutie ( 12/12/2007 00:21)
maria :)
69. rakapy ( 12/12/2007 01:10)
Tena marina ny voalazanao=D
70. rijadolly ( 12/12/2007 13:48)
Ny mpino kristianina dia efa manana Mpanalàlana izay nisava sy nanala ireo sakatsakana maro ahatongavana any amin'ilay inoany dia ilay Jerosalema vaovao.tsy iza izany fa Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra.Tsy misy tafiditra any raha tsy manaiky Azy fa any amiNy ny lakilé.Ra mbola midy amiNy ny fonao aiza ny laklé?Izy sy ireo mpaminany maro izay natao ho lavina no nanambara ny mpino maro ny fisian'izany paradisa izany satria ireo no efa nahita na nampahalala ny marina.Raha mandray Ilay Iraka lehibe indrindra ianao dia i Jesoa Kristy dia efa ao anatinao sahady ny fanjakan'Andriamanitra.Manomboka ety an-tany ny fiainana any an-danitra.
Izy Ilay avy any dia nidina tety anambara ary maty sy tany amin' fiainatsihita izay nasehony fa tsy mahatazona ny mpino ka hampandresy azy izany rehetra izany.ResiNy ny fasana.ary nanambara izay mpianaNy izy fa anamboatra toerana ho azireo mandrakizay.Amena! http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ROMANA&toko=8&andininy=31-35&dika=
71. rijadolly ( 12/12/2007 14:04)
irakapy>>>>Ireo no nilaza ny Kristianina fa misy izany paradisa izany fa tsy izireo akory ny efa tany
averiko indray ny fanontaniako ary valio fa tsy mbola nahavaly azy ny valiteninao.
AHOANA NO NINOANAO FA TSY MISY IO VOALAZAN4BAIBOLY IO?
Aleo azavaiko ilay fanotaniana sao tsy dia azonao ny tiako atongavana
-iza niteny anao heo tsy misy izany?sa ny tao anatinao ihany(tandremo fa fandrika io fanontaniana io an!miarova tena)
72. rakapy ( 12/12/2007 22:16)
Rijadolly> tsotra ny valiteniko:"MITOVY NY TSY HINOANAO NY VOALAZAKO FA TSY MINO IZANY PARADISA IZANY AHO NO TSY HONOAKO NY VOALAZANAO"
Asa raha mahavaly azy indray io valiteniko io na tsia?
73. niryna ( 13/12/2007 06:31)
rakapy:

Inona moa no tokony ho azavaiko aminao ry Nyrina? Ny zavatra nolazaiko tetsy ambony dia ao anaty baiboly Kristianina no ahitanao azy fa mba diniho lalina kokoa fa aza manao copie be fotsiny ny ao anaty baiboly. Ary ianao ve rehefa mamaky baiboly na tantara iray dia mamaky fahobeny fotsiny sa mba mandinika lalina ny lojikan'ny tantara vakinao?

Tsy hiady hevitra amin'izay tsy finoana an'Atra aho ,izay izy izany dia izay.Tsy omeny anao mihitsy koa ny fahalalana ny teniny raha tsy mino azy hianao.Satria hoy ny teny hoe ny adalan'izao tontolo izao no nomen'atra hery hampahamenatra ireo matsilon'izao tontolo izao.Na mino Azy hianao na tsy mino misy fotsiny izy amiko.Maro ny zava-bitany tamin'ny fiainako sy ireo olona maro be izay tsy ho voatanisa.
Eny efa nisy maro no niakatra tany an-danitra ary nisy koa no nasehon'i kristy ny afobe.Avadibadio ny sujet fa feno any aloha any.Ohatra iray Nenilava raha resaka malagasy raha resaka vahiny koa dia maro ary ireny no nijoro vavolombelona ny fisian'Atra.
Aleo tsy miteniteny sao anenenana ny fankahalana azy.Nisy nanenjika an'i kristy mihoatra an'i Saoly?
Ahoana izy no ataon'ireo mpitory fanoharana?
Inona aloha no finoanao raha tsy mahadiso?
Tsy maintsy manana ny tsirairay raha tsy manana dia efa manao andriamanitra kely ho an'ny tenenao hianao.
:D

74. niryna ( 13/12/2007 06:40)
rijadolly:

rakapy:
IZA TAMIN'IREO MPINO KRISTIANINA EFA LASA ANY ANKOATRA NO NIVERINA ARY NILAZA SY NAMPISEHO TAMINAREO FA TENA ARAK'IZAY NINOANY SY VOALAZA AO ANATY NY BAIBOLY TETO NO ZAVATRA HIAINANY ANY AN-KOATRA?
Mbola tsy nisy taminay ka.ity koa valio àry.Iza taminareo tsy mpino no efa maty ka nilaza hoe tsy misy izany?AHOANA NO NINOANAO FA TSY MISY IO VOALAZAN4BAIBOLY IO?


an!an!rija a> tsy isika fa efa maro izay no nisehoan'i kristy ka,eny isika koa dia isehoana ao anatin'ny nofy"Aza matahotra hoy izy mantsy ahy fa homba anao mandrakariva Aho." Dia izao izaho mitory ny fitiavany ho antsika tsy ankanavaka izao na mpino azy na tsy mpino azy.Samy novonjeny avokoa fa ao ny miziriziry satria ilay fahamarinana ao anatin'ny teniny tsy tian'ny olona ka aleo toherina mba hanaromana ny tsy mety.

Izay zavatra atao anie ry rakapy dia mbola mahafinaritra daholo e,ka raha lazaina fa tsy mahazo manao an'io isika dia tsotra ny valiny tsy maintsy ataoko ihany io na iza faly na iza tezitra fa izao no tompon'ny tenako sy masimandidy amin'izay tiako atao.
Dia izay,toherina daholo ilay tenin'Atra satria tsy mbola te -hiala amin'ny fiainana izay mifanohitra ny teniny.:roll: Ny tanety lava hono misy fisainana :D
75. niryna ( 13/12/2007 06:41)
rakapy:

Tena mampme be koa ilay fanotanian'i Rija dolly ity.
Tsy izaho anie no namorona ny baiboly ka aty amiko inao no mitady porofo.Tokony any amin'izay nanoratra azy io fanotaniana io no mipetraka, za koa aza mba manotany anareo satria tsy mbola nahita porofo. Raha holazaiko ve ianao fa raha mandeha any Andavamamba amin'ny 11sy fahatelony alina ianao dia hifanena @ RaDozaoka ka raha omenao azy izay fananao rehetra dia tsy ho faty intsony ianao? de hihino ahy ve ianao raha tsy misy porofo efa hitanao t@ olona hafa?



:roll:
76. niryna ( 13/12/2007 06:43)
rijadolly:

tsy hitan'sé nga ny porofo hoe tsy misy akory ilay inoanay.avoay ny porofo raha efa tany sé dia tsy nahita izany Paradisa izany é?
Ny fanontanian'sé efa voavaly fambola tsy tany izahay fa mino.fa ny fanontaniako valiana fa aza laozana miodikodina eo.



:roll::D=D=D
77. niryna ( 13/12/2007 06:50)
rakapy:

Dia mbola voalaza koa fa VIRIJINY i RaMaria !!!Iza no efa nitsapa sy efa niditra tany ka afaka hanamarina tokoa fa virijiny izy? Secret sy tantaram-behivavy vazaha tany Jerosalema fahiny tany no hitondranao ny fiainanao amin'izao 2007 izao? nefa ilay vehivavy Malagasy 4 amis mamo lava sy tsy manana ny ampy iny tsy hivakianao loha akory!!! De aiza re izany ry Ra-Kristianina havana.

:roll: :cry::cry: mampalahelo hianao.Tompo o ovay ny fony mba ho mora hanarina. ^:^

Izay voasoratra dia voasoratra .Misitery tsy ho takatry ny sain'ny tsy mpino na oviana na oviana.Izay manetry tena no asandratra ary izay asandratra no ahetry.Raha tsy ny fonao no miova,enga anie,indray andro any .Antsoy i kristy fa mbola miandry anao izy hatramin'izao.Tsy ny fanoherana ny heriny akory no mahatonga anao hanana fifaliana vao maika aza hianao fadiranovana satria mitady sy manao an'Atra tsy misy ka mitsambiky mikimpy.
Ary dia avelan'i satana hanohitra ny tenin'Atra andro aman'alina.Misy ny zavatra tsara,misy ny zavatra ratsy.Misy Atra ary misy koa satana.Misy ny mpino an'i kristy ary misy koa ny tsy mpino azy.
Raiso izay azonao raisina fa izany akory tsy ampihova ny fitiavany anao.
Inona izany no tena tanjonao amin'izao fanoherana ny tenin'Atra izao? Maromaro sy misimisy ihany mantsy izy tato izay fa satana tsy mipetraka amin'ny toerana misy ny herin'ny fanahy masina.
78. niryna ( 13/12/2007 07:06)
rakapy:

Dia mbola voalaza koa fa VIRIJINY i RaMaria !!!Iza no efa nitsapa sy efa niditra tany ka afaka hanamarina tokoa fa virijiny izy? Secret sy tantaram-behivavy vazaha tany Jerosalema fahiny tany no hitondranao ny fiainanao amin'izao 2007 izao? nefa ilay vehivavy Malagasy 4 amis mamo lava sy tsy manana ny ampy iny tsy hivakianao loha akory!!! De aiza re izany ry Ra-Kristianina havana.

Inona no mankarary saina anao amin'izany?
Rakapy no anaranao? maninona no tsy hovaina hafa raha izany?
Noresahina sy nolazaina hoe Maria virijiny izy satria ny Fanahy Masina no tao an-kibony ary mbola nolazaina hoe Maria virijiny ihany koa izy satria virijiny izy no nantsoin'Atra ary voafidin'Atra.Izay no mahatonga ny filazana sy fomba fiantsoana azy hatramin'izao.
Jesoa avy any Nazareta ihany koa satria ilay Jesoa avy any Nazareta no Mpamonjin'izao tontolo izao fa tsy Jesoa avy any an-toeran-kafa.
Eny tsy virijiny intsony izy fa niray tamin'ny vadiny amin'izay taorian'ny niterahana an'i Kristy.Vakio ny baiboly fa ao anatiny daholo izany.

18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao : Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.

19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.

20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe : Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao ; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,

21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.

22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe :

23 "Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela " ( Isa . 7.14 ), izany hoe, raha adika : " Amintsika Andriamanitra . " Matio 1:18-25

Lazao koa izany fa noforonina daholo ny tao amin'ny baiboly!satria io no manambara ny nahaterahan'ilay Mesia (Isaia 61:1-2)


Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.IJaona 2:1-4


79. niryna ( 13/12/2007 07:30)
rakapy:

Dia mbola voalaza koa fa VIRIJINY i RaMaria !!!Iza no efa nitsapa sy efa niditra tany ka afaka hanamarina tokoa fa virijiny izy? Secret sy tantaram-behivavy vazaha tany Jerosalema fahiny tany no hitondranao ny fiainanao amin'izao 2007 izao? nefa ilay vehivavy Malagasy 4 amis mamo lava sy tsy manana ny ampy iny tsy hivakianao loha akory!!! De aiza re izany ry Ra-Kristianina havana.

Hafafy ihany koa ny voa fa na tsy maniry aminao aza izy misy mangetaheta toa anao koa any.
Te ahalala ny tantara ihany koa hianao?
Tsy manana porofo any anaty boky hafa moa hianao fa ny baiboly masinay ihany no tsongoinao ka dia ao ihany koa no omeko koa mahereza ary fa arakaraky ny ny mahaliana anao ny tenin'Atra no angataho Izy hipoitra na hiresaka aminao raha tena misy.(porofo iray izay raha mahasahy hianao)
1- Amin'ny maha Atra Azy
Fanahy Izy ary mbola miaraka amin'ireo kristiana izay tena mino an'i kristy izy hatramin'izao.
2- Ny Mpaminany Isaia no nanambara fa ho avy ilay messia (Isa 61:1-2)
niryna:

Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?

http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=53&andininy=1-8&dika=
11 Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy* no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. 12 Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy*; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao** fifonana ho an'ny mpanota. [*Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][**Na: nanao] Isaia 53: 11-12

Misaotra Tompo o noho ny fitiavanao anay rehetra,noho ny fanavotanao anay ary noho ny famonjenao anay ho afaka amin'ny ota sy fanangejan'ny satana.

(l) HAPPY BIRTHDAY JESUS,WE LOVE YOU SO MUCH!(l)

http://www.pcucc-dodgeville.org/html/Happy_Birthday_Jesus.jpg





Izay zavatra nitranga tamin'i kristy dia efa voalazan'ilay mpaminany talohany.:roll: think !:roll:
3-Nateraky ny vehivavy (Gen 3:15) Gal 4:4 ,Mat 1:18-23)
4- Fanahy Izy (Lk 1:35)
5- Tsy nanana fahotana (Mat 1:23)
6-Taranaky Abrahama (Gen 12:3,Mat 1;1)
7- Taranaky Jakoba ( Nomer 24:17,Mat 1:2)
8-Avy amin'ny vohitry Jodia (Gen 49:10 -LK 3:23)
9-Taranak'i Davida (Isa 9:7, LK 1:32-33)
10-Teraka tao Betlehema (Mika 5:2,Lk 3:4-7)
11-Mesia (Dan 9:25,Jao 1:41)
12-Teraka avy amin'ny vehivavy virijiny(Maria Virijiny) Isa 7:14, Mat 1:23)
Ny fanontaniako dia raha voalaza tao anatin'ny baiboly daholo ny tantaran'ilay mesia izay tonga tety an-tany mahita porofo amin'izay hianao hanoherana na ny iray amin'ireo ihany aza ka tsy maka ny ao anatin'ny baibolinay ?
Deal with that!!!!:D



80. niryna ( 13/12/2007 07:35)
rijadolly:

Ny mpino kristianina dia efa manana Mpanalàlana izay nisava sy nanala ireo sakatsakana maro ahatongavana any amin'ilay inoany dia ilay Jerosalema vaovao.tsy iza izany fa Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra.Tsy misy tafiditra any raha tsy manaiky Azy fa any amiNy ny lakilé.Ra mbola midy amiNy ny fonao aiza ny laklé?Izy sy ireo mpaminany maro izay natao ho lavina no nanambara ny mpino maro ny fisian'izany paradisa izany satria ireo no efa nahita na nampahalala ny marina.Raha mandray Ilay Iraka lehibe indrindra ianao dia i Jesoa Kristy dia efa ao anatinao sahady ny fanjakan'Andriamanitra.Manomboka ety an-tany ny fiainana any an-danitra.
Izy Ilay avy any dia nidina tety anambara ary maty sy tany amin' fiainatsihita izay nasehony fa tsy mahatazona ny mpino ka hampandresy azy izany rehetra izany.ResiNy ny fasana.ary nanambara izay mpianaNy izy fa anamboatra toerana ho azireo mandrakizay.Amena! http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ROMANA&toko=8&andininy=31-35&dika=



=D=D^:^ Ho Azy Irery hatrany anie ny dera sy laza ary ny voninahitra hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay ary ny fahasoavan'ilay Ray be Fiantra sy be Fitiavana hiaro antsika sy hanome antsika Fahasoavana ao amin'ilay Zanany Kristy Tompo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0699