Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?

21. niryna ( 05/12/2007 06:26)
cutie:

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 04-12-2007 19:25:13
Lohateny : Re : Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
Voalaza teo :
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

isika ihany no hahasaraka ! fa Izy tia foana

ka in no mahatonga antsika hahasaraka azy aza :D

Ny valiny? [b] Tsy misy afaka hanasaraka antsika amin'Atra ,eny na dia ny fahafatesana aza.

22. niryna ( 05/12/2007 06:27)
Ahoana tokoa re izany hoe eny fa na dia ny fahafatesana aza ?
23. niryna ( 05/12/2007 06:28)
fijo:

ka tsy azoko no hitadiavan ahoe iza????


inona no tsy azonao?
24. niryna ( 05/12/2007 07:00)
cutie:

Mpandefa : fijo [ Valio ] 05-12-2007 00:11:11
Lohateny : Re : Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy?
io anie wa ao anaty ihany e,ianao ihany no mahatongany rehetra

ka in no mahatonga an'le ao anaty manao an'zany :lol:

Tsy maharitra ny lambolambon'i satana,tsy mifikitra amin'ny soratra masina ny fiainana ,tsy mino izay voalazan'ny baiboly,nino kanefa noho ny fiovana nisy teo amin'ny fiainana na zavatra niantra dia tsy nanankina an'Atra ny fiainana fa nanantena ilay hery kely ato anaty fotsiny,mahafinaritra ny fiainan'izao tontolo izao ka aleo aloha manao ny fanaon'ny olona satria tsy misy discipline fa tonga dia afaka manao izay hiadanin'ny kibo.Nangata-javatra tamin'Atra ka tsy nahazo valiny nifanaraka ny saina dia niala taminy,marobe ka.Izany no mahatonga antsika mifikitra amin'ny tenin'Atra isan'andro isan'alina.Tsy mora fa rehefa mangataka Aminy ny FM isika hampianatra ,hitari-dalana,hanoro,hiaro,hanazava antsika
ny tenin'Atra dia lasa moramora ho azy.Izay mangataka ihany no omeny,izay mitady Azy ihany no ahita,ary izay mandondona ny varavarany ihany no ho vohainy.
(Mat 7:7)
Hoy ny teny ao amin'ny SM hoe katsaho aloha ny fanjakan'ny lanitra dia hanampy anao izao rehetra izao.Experience hitako sy natoroko ny olona marobe ity an.
Raha tena manankina ny fontsika amin'Atra tokoa isika fa tsy mitady zavatra aminy fa mivavaka azy,midera ny anarany,manao ny sitrapony ,mampiely sy mizara ny fahasoavana nomeny antsika amin'ny hafa ary vokatry ny fitiavana ao anatintsika izany ary io fitiavana io koa no nampianariny antsika.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=13&andininy=34-34&dika=ls
-katsaho aloha ny fanjakan'Atra dia hanampy anao izao rehetra izao.
-Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao,amin'ny fonao rehetra ,ny sainao rehetra ary ny fanahinao rehetra.
-raha manankina Aminy ny fiainanao hianao fa tsy miantehitra fotsiny ny sainao dia ho hitanao tokoa izany miaraka amin'Atra izany ny fiainana
Ohabolana 3:5-6
5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;

6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao,


5 Confie-toi en l`Éternel de tout ton coeur, Et ne t`appuie pas sur ta sagesse;

6 Reconnais-le dans toutes tes voies, Et il aplanira tes sentiers.


25. fijo ( 05/12/2007 21:28)
niryna ,ka amiko dia ny tenanao ihany no mahalala izay hoataonao,ka tsy tokony hanontany hoe iza no ???satria enao ihany no valiny
26. ikaretsaka ( 05/12/2007 22:29)
tsisy lambolambon'i Satana izany ry niryna a, fa ianao no tsy mahafehy ny tenanao, tsy nila soratra masina i Eva, torak'izany koa i Maria.. fa ny tao am-pony sy ny fahafehezany ny tenany no naha samihafa azy
27. niryna ( 06/12/2007 05:47)
ikaretsaka:

tsisy lambolambon'i Satana izany ry niryna a, fa ianao no tsy mahafehy ny tenanao, tsy nila soratra masina i Eva, torak'izany koa i Maria.. fa ny tao am-pony sy ny fahafehezany ny tenany no naha samihafa azy

tsy mila soratra masina ika

28. niryna ( 06/12/2007 05:48)
fijo:

niryna ,ka amiko dia ny tenanao ihany no mahalala izay hoataonao,ka tsy tokony hanontany hoe iza no ???satria enao ihany no valiny


dia izay izy izany aminao dia tazomy arak'izay
29. niryna ( 06/12/2007 05:53)
16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16


16 Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. I Jaona 3:16

Ireo teny ao amin'ny soratra masina ireo dia misy hitovizany.Samy milaza ny fitiavan'Atra antsika olombelona. Tiany daholo ny olona rehetra,ny mpanonta saingy halany ny ota.
Raha nanome fitiavany tamintsika Izy dia mba tiany hanome fitiavana sy hizara izany fitiavana izany amin'ny hafa koa isika
30. niryna ( 06/12/2007 06:00)
4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,

5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.]/i]

10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha làlana amin'ny fanomezam-boninahitra.

11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.

12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
Rom 12:4-5,10-12


Iray ihany isika kristiana ao amin'ny Tompo kristy ka tokony hifampizara izany fitiavana izay nomeny antsika maimaimpoana .(l)(l)(l)
31. niryna ( 06/12/2007 06:06)
13 Miantrà ny olona marina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.

14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.

15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.

16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavona, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena hianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.

18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35).

20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).


21 Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy. Romana 12:13-21

Fitiavana izay nomen'ny Tompo daholo no mahatonga antsika hanao izany.
32. niryna ( 06/12/2007 06:25)
[B]Fa ny vokatry ny Fanahy[/B] kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,Gal 5:22


Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo. Ikor 13:13

Ny Fanahy Masina izay mitoetra ato amintsika dia mampiseho fa tokony manana fitiavana isika raha miaraka amin'i kristy.Raha mizara izany fitiavana izany dia hisy vokany tokoa ireo voalaza ao amin'ny Gal 5:22 ireo

Vokatry ny fitiavana izay miseho amintsika dia mitombo ny finoana ary misy tokoa ny fanantenana ary dia mahatsapa tokoa isika fa ao amintsika i Kristy izay nitia,mitia ary mbola hanome fitiavana antsika hatramin'ny farany dia ilay fiaianana mandrakizay izay hiarahana Aminy raha manaiky Azy ho Tompony,Mpanavotra ary Mpamonjy.

Velona sy mahery ny tenin'Atra ka na dorana aza dia tsy ho levona.
Andriamanitra velona Izy,nampiseho ny fitiavana antsika rehetra,ary mbola miandry antsika ihany koa hiverina sy hifona ary hametraka ny fiainantsika
Aminy.Manaova fanandramana ary raiso izay tsara.
Raha milaza isika fa manana fitiavana kanefa tsy mety mamela na mitazona alahelo ireny hafa ireny .Inona re no mety ho vokany e?

moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?
Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.
Mat 18:33,35

Andriamanitry ny fiadanana homba antsika tsirairay avy.
33. ikaretsaka ( 06/12/2007 19:13)
ataovy any @ blaogy hoe raha copy paste no ataonao fa mba asiana fanajana ihany
1) plagiarism no ataonao
2) tsy mila mandefa sujet in-3 vao hoe marina ny hevitra!

anisan'ny fitiavana koa manko ny fifanajana.. ka raha ianao no mandika izany voalohany? @ fomba ahoana no hinoany anao? hmm?
34. niryna ( 07/12/2007 06:42)
ikaretsaka:

ataovy any @ blaogy hoe raha copy paste no ataonao fa mba asiana fanajana ihany
1) plagiarism no ataonao
2) tsy mila mandefa sujet in-3 vao hoe marina ny hevitra!

anisan'ny fitiavana koa manko ny fifanajana.. ka raha ianao no mandika izany voalohany? @ fomba ahoana no hinoany anao? hmm?



:D
35. niryna ( 07/12/2007 06:52)
Ny fitiavan'i kristy dia azo ampiharina amin'ny fiainana ,tsy mitady tambiny na ny hoe ity sy ny inday.

.. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso IKor 8:1


4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,

5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,

6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,

7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
IKor 13:4-8

:-*:-*:-*(l)(l)(l)
36. rakapy ( 07/12/2007 20:26)
Ho an'i Nyrina Kristianina mahafatra-po sy mpadala ny ny tenin'i Kristy.
Raha namaky ny baiboly aho dia nahita tao fa i Kristy dia zanak'A/tra? ary A/tra dia ilay nahary ny ZAVATRA REHETRA na NY HITA MASO NA NY TSY HITA MASO. Ary dia mbola ao koa ny hoe HAJAO SY TIAVO NY ZAVA_BOAHARIN"A/TRA.
1- Ny razana izany zavaboharn'A/tra.
2-I Satana koa dia torak'izany
3- ny ataonao tompo sampy dia avy aminy avokoa
4- Izany hoe na ny ataonao hoe ratsa na tsara anie ka zavabitan'A/tra avokoa. ka nahoana no omenao tsiny izay tsy kristianina.Izy ireo anie mba manana ny mba fahitany sy ny fitiavany an'A/tra izay iray sy tokana ihany fa tsy hoe ny Kristianina no tena MARINA sy TONGA LAFATRA.
Mab diniho ihany fa raha tena olon'Atra ianao dia hanaja sy tsy hanambany ny finoana'ny hafa
37. fijo ( 07/12/2007 21:48)
misaotra letsy e,efa ela io no nolazaina tato fa eeee,atao akory e.izay tsy mino ny boky di avery hono.
38. niryna ( 08/12/2007 05:37)
rakapy:

Ho an'i Nyrina Kristianina mahafatra-po sy mpadala ny ny tenin'i Kristy.
Raha namaky ny baiboly aho dia nahita tao fa i Kristy dia zanak'A/tra? ary A/tra dia ilay nahary ny ZAVATRA REHETRA na NY HITA MASO NA NY TSY HITA MASO. Ary dia mbola ao koa ny hoe HAJAO SY TIAVO NY ZAVA_BOAHARIN"A/TRA.
1- Ny razana izany zavaboharn'A/tra.
2-I Satana koa dia torak'izany
3- ny ataonao tompo sampy dia avy aminy avokoa
4- Izany hoe na ny ataonao hoe ratsa na tsara anie ka zavabitan'A/tra avokoa. ka nahoana no omenao tsiny izay tsy kristianina.Izy ireo anie mba manana ny mba fahitany sy ny fitiavany an'A/tra izay iray sy tokana ihany fa tsy hoe ny Kristianina no tena MARINA sy TONGA LAFATRA.
Mab diniho ihany fa raha tena olon'Atra ianao dia hanaja sy tsy hanambany ny finoana'ny hafa



misaotra anao ary mazotoa mandinika ny baiboly fa omeny anao tokoa izay tadiavinao ao.
-Mitady fitiavana hianao,mandehana vakio ny baiboly ary ampiharo amin'ny fiainana izany.(IKor 13:13)

-Mitady andininy sy andalana hianao fa aza manana Atra hafa afatsy Izy irery ihany(Eks 20:3)mbola tohizany ihany koa ny minohino zavatra hafa izay zavatra nahariany na asan-tanan'olombelona(tohizo ny Eks 20:4-6) raha te ahalala ny didy folo moa dia vakio daholo ny andininy e. Minitra fohy fotsiny no lanianao ahalalanao ilay Atra mahery.

Tsy misy ny rano mafampana fa na rano mangatsiaka na rano mafana no nakambana :arrow:na miaraka aminy na miaraka amin'ny satana ( Lk 11:23)

Raha tsy mino ny satana moa hianao dia tena bobaka be izy ao ary dia lalino tsara
Sady izy koa anie mibitsibitsika ireo izay tsy mino an'Atra fa tsy misy izy e.:evil:
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.

10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.


9 Pour vous, vous ne vivez pas selon la chair, mais selon l`esprit, si du moins l`Esprit de Dieu habite en vous. Si quelqu`un n`a pas l`Esprit de Christ, il ne lui appartient pas.

10 Et si Christ est en vous, le corps, il est vrai, est mort à cause du péché, mais l`esprit est vie à cause de la justice.
Rom 8:9-10

24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna hianareo. Matio 6:24

39. niryna ( 08/12/2007 05:49)
rakapy:

Ho an'i Nyrina Kristianina mahafatra-po sy mpadala ny ny tenin'i Kristy.
Raha namaky ny baiboly aho dia nahita tao fa i Kristy dia zanak'A/tra? ary A/tra dia ilay nahary ny ZAVATRA REHETRA na NY HITA MASO NA NY TSY HITA MASO. Ary dia mbola ao koa ny hoe HAJAO SY TIAVO NY ZAVA_BOAHARIN"A/TRA.
1- Ny razana izany zavaboharn'A/tra.
2-I Satana koa dia torak'izany
3- ny ataonao tompo sampy dia avy aminy avokoa
4- Izany hoe na ny ataonao hoe ratsa na tsara anie ka zavabitan'A/tra avokoa. ka nahoana no omenao tsiny izay tsy kristianina.Izy ireo anie mba manana ny mba fahitany sy ny fitiavany an'A/tra izay iray sy tokana ihany fa tsy hoe ny Kristianina no tena MARINA sy TONGA LAFATRA.
Mab diniho ihany fa raha tena olon'Atra ianao dia hanaja sy tsy hanambany ny finoana'ny hafa


fa efa tonga maizina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin'ny fony
Efe 4:18


Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.


12 There is salvation in none other, for neither is there any other name under heaven, that is given among men, in which we must be saved!" Asa 4:12


satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.


9 that if you will confess with your mouth the Lord Jesus, and believe in your heart that God raised him from the dead, you will be saved.Rom 10:9


Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena
40. niryna ( 08/12/2007 05:53)
fijo:

misaotra letsy e,efa ela io no nolazaina tato fa eeee,atao akory e.izay tsy mino ny boky di avery hono.


dia hianao no mijaly sy fadiranovana indrindra satria efa nahazo fampaherezana hatrin'ny ela kanefa mbola mijanona amin'ny otanao ihany hianao. Mahereza fa aiza ny tsy hiova hianao,be izay nilaza azy ho zavatra izay.Moa tsy fantatrao fa ny Fanahy Masina manova ny zavatra rehetra.Tompo o ovay ny foko mba ho mora hanarina.
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m4747b0c5684a8

ho anao sy ireo mpanaradia anao.
Mahereza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0085