Natokana ho an'iza ilay Famonjena nentin'i Kristy
1. piste
(
24/11/2007 23:09)
Manararaotra @ izao fetin'i Kristy Mpanjaka izao( au moins les Cathos), ka lasa ihany ny saina :
Voalaza fa i Kristy ilay Mpanjaka hanavotra an'izao tontolo izao @ jiogan'ny fahotana. Ka ahoana ary ireo olona tsy mahalala azy. Raha 6 miliara ny mponin'ny tany, dia 2 miliara mahery kely ny kristianina( tsy an-kanavaka io), dia mankaiza ireo 4 miliara, isan'izany moa ry zalahy akama athée sy agnostique, sns
Ahoana izany ny fandehan-dry zalahy ireo ? Sa misy fomba hafa hitenenany @ izy ireo koa ?

novalian'i ikaretsaka ny 06/12/2007 17:07
2. ikaretsaka
(
25/11/2007 00:21)
zahako manokana aloha mino fa misy fomba hafa ao, tsy hitenenany fa fika hamonjeny, fa tsy haintsika ny mi figurer an'io fomba io, satris isika tsy mipetraka ao amin'ny placen-dry zalahy.
izay ilay hoe na samy biby aza ny ondry sy ny kisoa: samihafa! fa izany akory tsy mahasakana ny maha biby azy!
izay ilay hoe na samy biby aza ny ondry sy ny kisoa: samihafa! fa izany akory tsy mahasakana ny maha biby azy!
3. niryna
(
25/11/2007 06:32)
Ny famonjena nentin'i kristy aloha dia natoka ho an'izao tontolo izao,tian'Atra ho voavonjy isika ,saingy tsy ny rehetra no mandray ka dia nomeny fahefana ny hanao izay tiany ny tsirairay.
Izay maty talohan'i kristy dia ny asany no hitsarana azy.
Ny tenin'Atra dia hiely erak'izao tontolo izao ary efa miela tokoa hatramin'ny internet.
Isika rehetra izay mino an'i kristy koa dia efa manao izany asa izany ,efa nitory.Atra irery no mahalala na handray izy ireo na tsia.
Raha samy manilika izay tandrifina avy isika ,mizara izay nomen'ny tompo,mampiantra izany amin'ny fiainana ,tsy mila miteny akory dia fantan'ny olona eny ilay jiro fahazavan'ny manodidiny ary dia liana sy hanontany izy,anjaranao amin'izay fotoana izay no mampahafantatra azy ny finoanao,ny antony ninoanao an'i Kristy ary ny fitiavany an'izao tontolo izao.Mino aho fa hitombo avo telo na folo na zato heny ny vokatra dia ny famonjena ireo izay mbola tsy mahalala Azy sy ny fitoriana ny filazantsara amin'izay fotoana izay. :D

4. sarombidy
(
25/11/2007 07:48)
ny amiko aloha dia natao ho an i olona rehetra i kristy,mahafoy ny ainy izy nohony fahotantsika olombelona ary noho ny fahotantsika ny tena mapalahelo dia isika olombelona raha misy manahirana,na maha poritra izay vao mahatsiaro Azy,ohatriny hoe fitaovana fontsiny ATRA,ny torihevitra MANAOVA NY MARINA SY NY TSARA IHANY RAHA MBOLA VELONA ny ratsy fanahy tsy kely lalana
5. xxx
(
25/11/2007 08:27)
ny iray taminareo:
...mahafoy ny ainy izy nohony fahotantsika olombelona ary noho ny fahotantsika...
Atao hoe nahafoy ny ainy izy...nefa nitsangana ,donky ,nalainy indray ny ainy! Izany ve tsy manome tsifoifoy?
Sahala amin'ny Musulman: Karemy aho karemy nefa ny hanina ho hanina aza tsy misy.Ny tena karemy dia ny fanomanana sakafo be dia aroso... dia avy eo tsy hoanina...izay no tena karemy.
Ary rehefa manome dia manome fa tsy manome tsifoifoy.
6. rijadolly
(
25/11/2007 10:36)
Ny filazantsara dia tsy maintsy torina maneran-tany (ion y asa miandry antsika mpino),ary tsy misy olona na iray akory aza tsy aheno ny famonjena natosaky ny RAY hamonjena izao tontolo izao izay avy amin’ halaaln’Ilay Zanany dia Jesoa Kristy nefa http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=6&andininy=49-49&dika=ls-web
7. pissoa
(
25/11/2007 11:15)
piste:
Manararaotra @ izao fetin'i Kristy Mpanjaka izao( au moins les Cathos), ka lasa ihany ny saina :
Voalaza fa i Kristy ilay Mpanjaka hanavotra an'izao tontolo izao @ jiogan'ny fahotana. Ka ahoana ary ireo olona tsy mahalala azy. Raha 6 miliara ny mponin'ny tany, dia 2 miliara mahery kely ny kristianina( tsy an-kanavaka io), dia mankaiza ireo 4 miliara, isan'izany moa ry zalahy akama athée sy agnostique, sns
Ahoana izany ny fandehan-dry zalahy ireo ? Sa misy fomba hafa hitenenany @ izy ireo koa ?
Izaho aloha tsy Kristy na Andriamanitra ka tsy haiko izay programany, fa izao no "heveriko" hoe hitranga :
Andriamanitra na dia be indrafo aza, dia Andriamanitra marina ihany koa. "Ho marina hatrany ny fitsarany" ozizy ilay hira izay (Nahita hazavana ;) ). Ka amiko amin'ny mahaAndriamanitra marina an'Andriamanitra, dia mitsara araka ny zavatra booooobaka be izy, fa tsy amin'ny mahaKristianina na tsia fotsiny. Izany hoe mitsara antsika Izy amin'izay :
- inoantsika sy tsy inoantsika
- fantantsika sy tsy fantantsika
- nataontsika sy tsy nataontsika
- sns sy tsy sns :-D:-D:-D
Dia miankina amin'ireo no hanehoan'Andriamanitra ny indrafony sy hanolorany ny fanavotana.
Mety tsy ara-baiboly, mety tsy ara-Katolika ... fa izay no fihevitro ny fitsarana - fanavotana ary famonjen'Andriamanitra :oops::oops::oops:
xxx:
Atao hoe nahafoy ny ainy izy...nefa nitsangana ,donky ,nalainy indray ny ainy! Izany ve tsy manome tsifoifoy?
Amin'ny Kristianina dia tsy tapitra teo amin'i Kristy maty ny lalam-pamonjena fa tafiditra koa i Kristy nitsangana tamin'ny maty. Amin'ny Vavaka ho an'ny maty ataon'ny Katolika dia misy hoe "Tsarovy ny mpanomponao (afaka mitonona anarana) ... Niharan'ny fahafatesana sahala amin'ny Zanakao izy ka enga anie hitsangan-kovelona toa Azy koa." Io fitsanganan-kovelona io no andrandrain'ny Kristianina - ka midika fahafenoana io fa tsy midika fanomezana tsifoifoy ho an'ny Kristianina.
8. rabilabila
(
25/11/2007 11:20)
pissoa>>> 'ty zany ilay hoe :au cas par cas ?:)
(mbola hiverina)..
(mbola hiverina)..
9. ikaretsaka
(
25/11/2007 12:05)
pissoa> marina latsaka .1
ity ekeko 100%
betsaka ny mino io Andriamanitra manao tsifoifoy io kanefa..na kristianina aza:cry:
ity ekeko 100%
Amin'ny Kristianina dia tsy tapitra teo amin'i Kristy maty ny lalam-pamonjena fa tafiditra koa i Kristy nitsangana tamin'ny maty. Amin'ny Vavaka ho an'ny matyataon'ny Katolika dia misy hoe "Tsarovy ny mpanomponao (afaka mitonona anarana) ... Niharan'ny fahafatesana sahala amin'ny Zanakao izy ka enga anie hitsangan-kovelona toa Azy koa." Io fitsanganan-kovelona io no andrandrain'ny Kristianina - ka midika fahafenoana io fa tsy midika fanomezana tsifoifoy ho an'ny Kristianina.
betsaka ny mino io Andriamanitra manao tsifoifoy io kanefa..na kristianina aza:cry:
10. pissoa
(
25/11/2007 12:36)
Rabilabila : eny cas par cas ho heveriko fa hitsaran'Andriamanitra antsika ... saingy tsy manamarina ny diso Izy noho Izy Andriamanitra marina. Ny mamindra fo no mety ataony arakaraka izay ny fanekentsika ho diso sns ! :wink::lol:
11. ikaretsaka
(
25/11/2007 13:03)
pissoa, taoko dia eny yyyy (eka ouzz an'i boobs vakinankaratrsiser-na)
12. xxx
(
25/11/2007 15:54)
Ny famonjena nentin'i Kristy dia ho an'ny rehetra. Ary raha nanaiky ho faty izy dia noho ny fitiavany ny olona rehetra, hatramin'izay tena tia azy tokoa, ka hatramin'izay tena mankahala azy mafy.
Ny fomba hanavotany an'ireo izay mankahala azy, sy ireo izay tsy te hahalala azy, ary ireo izay tsy mahalala azy dia misy tokoa. Fa ny azo antoka kosa dia ny hoe: MANAJA NY SAFIDIN'NY TSIRAIRAY IZY.
"Fahano ny zanak'ondriko, fahano ny renin'ondriko", hoy i Kristy. Ho anay rehetra ry Jesoa no nanoloranao ny Teninao, sy ny tenanao ho sakafo hahavelona anay mandrakizay, ka ampianaro izahay hahay hizara amin'ny hafa izay noraisinay avy aminao. Amen!
13. xxx
(
25/11/2007 16:08)
Piste a ! ka na ireo misoratena ho kristiana aza be no tsy ho avotra ko , hoy Jesosy hoe maro hantsoina fa vitsy no ho tonga , ho an'ny mpino azy rehetra no tiany lazaina eo a!
14. rabilabila
(
25/11/2007 16:59)
piste:
Manararaotra @ izao fetin\'i Kristy Mpanjaka izao( au moins les Cathos), ka lasa ihany ny saina :
Voalaza fa i Kristy ilay Mpanjaka hanavotra an\'izao tontolo izao @ jiogan\'ny fahotana. Ka ahoana ary ireo olona tsy mahalala azy. Raha 6 miliara ny mponin\'ny tany, dia 2 miliara mahery kely ny kristianina( tsy an-kanavaka io), dia mankaiza ireo 4 miliara, isan\'izany moa ry zalahy akama athée sy agnostique, sns
Ahoana izany ny fandehan-dry zalahy ireo ? Sa misy fomba hafa hitenenany @ izy ireo koa ?
Tiako homarihina kely fa ireo firenena hafa dia manana ny morales-ny ,na ny ethiques -ny aby ,na manana andriamanin-kafa izy , na mivavaka amin\'ny hazo,masoandro , volana sns... , na koa mandàla ny fomban-drazana .........Toy izany koa ireo filozofy grika, romana , arabo (tsy voatery ho silamo)
Tiako ampatsiahivina anareo fa efa betsaka ny \"fahendrena \" , na fivavahana ,na ny filozofiam-piainana talohan\'ny niavian\'ny kristianisma ary samy nanana ny bokim-pahendreny aby izy ireo ( textes sacrés , ecrits philosophiques ).
* Ny Rig Veda -n\'ny Hindous ,ohatra no textes sacrés voasoratra ary ela indrindra eo amin\' ny tantaran\'ny olombelona (efa ho 4000 taona any ho any izay izany hoe 2000 taona talohan\'ny nahaterahan\'i JC).
Inona no raketin\'io Rig Veda io raha resaka fitiavana sy hafatra no lazaina ?
Ireo bokim-pinoan\'ny Hindou ireo dia :
-manasa ny olona hiary harena amin\'ny fankatoavana ny Dharma izany hoe ara-drariny .
-manasa ny mpivady hifanaja .
..................
Toy izany koa ny \" didy folo\"-n \'ny Kama izay milaza fa ny tsirairay dia tompon\'andraikitra eo amin\'ny zavatra ataony rehetra ,na am-bava ,na an-tsaina ,na ny actes nataony.
Ao anatin\'io \"lois du kama \"io dia misy milaza hoe:
-Hajao ny Razanao
-Hajao ny biby
-Ampiatranoy ny mahantra sy ny biby.
Ao anatin\'io Veda io koa no ahitàna fampitandremana toy izao:
- Milazà ny marina (aza mandaingan\'ny kristianina)
- Ataovy ny adidinao amin\'andriamanitra sy ny razana
- Hajao toa ny fanajanao an\' andriamanitra ny ray aman-dreninao,ny mpampianatra anao,ary ny vahininao.
Ao anatin\'ny Hindouisme dia misy engagements moraux izay nosoratan\'i Patanjali ao @ yoga sutra(2200 taona lasa izay).Ireto misy santionany vitsivitsy amin\'ireo engagements ireo :
-Tokony tsy hahery setra na an\'eritreritra , na am-bava ary tokony hamehy ny fahatezerana.
-Aza mandainga ary aza mivadika amin\'ny teny nomena
-Aza mitsiriritra ary aza mangalatra.
-Ary mahaiza mandefitra (=tolérance)amin\'ny hafa .
- etsetra etsetra........
Ny tiako asongadina amin\'ireo santionany ireo dia ny filazana fa ny fitondran-tena ,na ny moraly dia tsy exclusivité-ny kristianina irery ihany fa efa nisy hatramin\'izay nisian\'ny fiaraha-monina teo amin\'ny zanak\'olombelona .Santionany ihany ny an\'ny Hindou notsongaiko ireo(satria voarakitra an-tsoratra ny mikasika ny ethique -ny )
Tsy latsak\'izany ny momba ireo mponina sy firenena tsy afaka nitahiry an-tsoratra ny fombany sy ny fivavahany ary ny fahendreny (Incas , Bambaras ,Shonas , Asiatika maro karazana ,ny indianina tany USA ,.......,ny Malagasy anisan\'izany ).
Teo koa ireo filozofy maro karazana niaina talohan\'ny nisian\'ny kristianisma ,namakafàka ny mikasika ny fiaraha-monina sy ny fitondran-tenan\'ny tsirairay ary nandrakitra an-tsoratra ny vokam-pandinihany.
anisan\'izany i Socrate ( 469-347 avant notre ère) izay nilaza fa :\" La vraie sagesse exclut de rendre le mal pour le mal , la vengeance accentue encore le mal et l\'injustice \".
Na koa i Aristote ( 384-322 avant notre ère ) izay namaritra fa ny fenitry ny fiainana sy ny fazahoana ny fahasoavana (bonheur) dia miankina indrindra amin\'ny fitondran-tena tsy misy tomiaka.(hafatra nataony ho an\'ny zanany).
Ahoana ny fandehan-dry zalahy ireo ?
Ny tena fahendrena dia ny famelàna azy ireo hiaina sy hino ny hinoany .
Ny finiavanareo hanova ireo finoana ireo dia ny fiheveranareo ny fahambonianareo ,ny fitompoanareo teny fatratra fa ianareo no mitàna ny fahamarinana .Nefa hita misongadina amin\'ireo lalàna vitsivitsy eo ambony fa manana ny maha-izy azy koa ny fahendreny. Ka asa?
15. ikaretsaka
(
25/11/2007 18:36)
Ny tena fahendrena dia ny famelàna azy ireo hiaina sy hino ny hinoany .
ao amin'ny Bokin'ny fahendrena toko 6 na 7 no toa nisy an'io fa tsy tadidiko
saingy nofoanan'ny sasany tsy nataony ao anaty baiboliny moa io boky io
tsetsatsetra tsy aritra ireo..
dia namoehatra ny sisa
fa marina ny an'i Rabilabila
Ny finiavanareo hanova ireo finoana ireo dia ny fiheveranareo ny fahambonianareo ,ny fitompoanareo teny fatratra fa ianareo no mitàna ny fahamarinana .Nefa hita misongadina amin'ireo lalàna vitsivitsy eo ambony fa manana ny maha-izy azy koa ny fahendreny. Ka asa?
IO ilay lazaiko @ ilay forcé ry Niryna sy ry prime sy ny sisa an, ianaro koa ny an'ny sasany mba hahafahana mi critiquer azy! manjary mi critique be fahatany dia rehefa voa avy eo de hoe " aza mitsara aza mitsara" alahatra fa tampin-daomy! azo?
16. niryna
(
26/11/2007 07:54)
Ny fahendrena dia hitovizana na mpino an'i kristy na tsy ilay olona
Andriamanitra dia Fanahy ka ireo izay mivavaka sy midera ary miankohoka Azy dia tokony hivavaka amin'ny Fanahy ihany koa fa tsy physical na method ampiasaina hivavahana aminy.Vavaka tora-po no tadiaviny(ny vava mitaraina sy mitalaho ho henoiny fa tsy zavatra hafa no anampiana izany,mandohalika,mamaky ny soratra masina.
* Hoy Izy "Aza miankohoka amin'Atra hafa afa tsy Izaho Irery ihany:arrow:mbola miankohoka amin'ny zavatra nohariany ihany ny hafa.(Eks 20:4)
*Aza manao sarin-javatra na mivaingana na asa-tanan'olona na zavatra hafa:arrow:mbola feno ary mitomba andro aman'alina ny manamboatra sary atao solon'i Kristy na hinoany fa io ilay kristy(Eks 20:7)
*Fiangonana maromaro no mivadika amin'Atra ary tsy heno intsony ny hoe any amin'ny kristy irery ihany no misy ny fiainana ary Izy Irery ihany no mpanelanelana antsika amin'Atra(lasa tsy misy dikany izany ny hazofijaliany raha izany:oops::cry: :arrow:mbola misy foana ary manaraka ny rehetra fa misy hafa afaka hiantsoana Azy fa tonga Izy raha miantso ilay hafa ny mpiangona.
**** Jereo raha mahita passage na iray aza milaza izany.*****
Hoy Kristy ao amin'ny Jaona 4:23-24 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
:arrow: Tsy mila materials na zavatra hafa isika raha hivavahana aminy fa ny fo torotoro mitaraina sy midera Azy no tadiaviny.Raha adino na very izany ireny fitaovana noeritreretinao hoe hivavahana aminy ireny dia tsy maheno izany Izy?Dia tsy tonga any aminy izany ny vavaka?
Tsy mila diploma na manana mastera vao mivavaka aminy na mitory ny fahasoavana nomeny,miteny ,miresaka isika,toy izany ihany koa ny miresaka sy mivavaka amin'Atra,tsy mila na inona na inona ,tsy mitondra fitaovana fa zavatra namboarin'ny olona daholo ireny.Mankanesa ao amin'ny mangina hoy Izy ary ny Rainareo ao amin'ny mangina no hihaino anareo koa.Tsy niteny izy hoe hoento ity na zaroa na ataovy izao.
Mahereza,vakio sy alalino ny baiboly fa tsy hanenina hianao.:-*
Andriamanitra o ,manamasinana anay amin'ny fahamarinana fa ny teninao no fahamarinana

18. niryna
(
26/11/2007 08:07)
Na samy mahalala ny fahendrena aza ny olona na mino an'i kristy na tsia.Ny kristiana dia mbola mino fa misy fiainana aorian'ny fahafatesana.Ary ny fanahy dia hotsaraina ka na isika manaraka an'i kristy fa efa nanamboatra fitoerana ho antsika Izy (any an-danitra ) na isika very any amin'ny afobe(voasoratra ao anaty baiboly ny fisian'io ka tsy azo ho lavina)Mety hoe tsy mino fa voasoratra.
Ny famonjena izay avy amin'i Kristy Irery izany no tsy hitovizan'ny rehetra.Mino Azy ny olona dia ho voavonjy ny fanahiny,tsy mino Azy ny olona dia efa mahafantatra izay hiafaran'ireo izay tsy mino Azy isika araka ny voasoratra ao anaty Baiboly ihany.
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Oha 1:7
Oha 7:1-3
1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
2 Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
3 Afehezo eo amin'ny rantsan-tànanao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.

19. prime
(
26/11/2007 10:43)
Piste> Ny famonjen'i Kristy dia notanterahany ho an'ny rehetra tokoa, fa indrisy fa vitsy no mino sy manaiky izany... ary efa voasoratra fa tena ho vitsy no ho voavonjy araka ny voalaza amin'ny anaran'i Kristy manao hoe :
"13Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy." Matio 7:13-14
... fa na ny mpino aza dia tsy in-dray mandeha na in-droa no mampitandrina Jesosy ka mila miambina sy maharitra ary mihazona ny finoana sy ny fanantenana hatramin'ny farany...

20. ikaretsaka
(
26/11/2007 15:29)
tsy misy dikany izany ny hazofijaliany raha izany mbola misy foana ary manaraka ny rehetra fa misy hafa afaka hiantsoana Azy fa tonga Izy raha miantso ilay hafa ny mpiangona.
tena mahagaga ahy io fiteninareo io.
1) ny Famonjena dia tsy nijanona teo @ fahafatesana fa nitohy hatr@ fitsanganana sy ny fanomezana ny FM ka hatr@izao, sa nenareo hatreo ihany?
ny olona rehetra manko afaka mamantsika tena eo @ hazofijaliana dia afaka maty eo daholo fia mi pretendre fa nohon'ny famonjena anao no nifantsihany teo
Andriamanitra dia Fanahy ka ireo izay mivavaka sy midera ary miankohoka Azy dia tokony hivavaka amin'ny Fanahy ihany koa fa tsy physical na method ampiasaina hivavahana
2) izyta ange no lazaiko hoe ajanony any ny boky fa tairo ny fanahy samy fanahy e