Natokana ho an'iza ilay Famonjena nentin'i Kristy
41. piste
(
27/11/2007 22:23)
Toa somary mivaona izany resatsika izany ry zalah. Aza miadiva laisany fa aleo haverina @ laoniny ny resaka. Na izany na tsy izany dia somary taitaitra ihany ny tena mahita ny ps miverimberina any. En fait kay tsy izaho ilay izy fa piste de reflexion, pis
42. ikaretsaka
(
27/11/2007 22:26)
piste:
Ka eo no mahalasa eritreritra hoe, tena tsy voafetra ao anatin'ny Baiboly na ny doctrine chretienne fotsiny ny hafatr'Andriamanitra fa manana fomba hafa hitenenany @ ireo sehatra ivelan'izany izy. Ary ny Fanahy Masina dia tsy azontsika monopoliser-na satria tsy fantatsika ny niaviany ary tsy fantatsika ny handehanany. Mitsoka @izay tiany izy fa ny vokatry ny asany kosa dia azontsika tsapain-tanana.
misaotra piste!
43. fijo
(
27/11/2007 23:51)
raha ny vain'ilay fanontanian aloha,dia hoy aho hoe tano hoanareo rahamisy izany famonjena izany.
rah ahiresaka fahendrena indray ,dia ity no itako mitombona.
ny bodista rehefa mampihely ny fotopinoany,dia tsy mba miteny hoe ratsy ny atsy ,na tsy ampy ny ary.fa hoy izy;tano ny finoanao ary fantaro ny anay.
ny kristianina sy ny silamo ary ny jiosy dia mivioka amin'izay

44. ikaretsaka
(
28/11/2007 00:45)
izay no ezahiko avoatra..
ny miala amin'izay fisainana izay tonga de mi accuse hoe ratsy ny anareo nefa tsy fantatra akory!
raha fantatro indray tsy maninona:wink:
ny miala amin'izay fisainana izay tonga de mi accuse hoe ratsy ny anareo nefa tsy fantatra akory!
raha fantatro indray tsy maninona:wink:
46. ikaretsaka
(
28/11/2007 00:49)
tsy haiko no milaza an'io satria ahy
ohatran'ny hoe lazao fa ratsy ny tsy mino aza?:-D
na hiteny an'i niryna hoe lazao fa tsara ny katolika
ohatran'ny hoe lazao fa ratsy ny tsy mino aza?:-D
na hiteny an'i niryna hoe lazao fa tsara ny katolika
48. Fody
(
28/11/2007 14:24)
Fanamarihana: Ny tenako dia tsy miady na amin'iza na amin'iza, saingy mitsikera ny hevitra hitako fa hafahafa na diso kosa. Ary na iza na iza milaza zavatra toy izany, na kristiana na tsia, dia toheriko raha manana hevitra hitako sy tsapako fa mafonja anoherana azy aho.
Ny tanjoko dia tsy ny hampanjaka ny hevitro fa ny hivoahan'ny zava-marina, sy hanitsin'ny olona ny diany, raha sitrany izany. Raisinareo moa izany tsara, tsy raisinareo fa ataonareo ho fankahalalana tsy olana.
Ika: Indro averiko eto, tsy analako ary tsy anampiko, izay nolazainao voalohany.
4. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 25-11-2007
amiko aloha rehefa convoqué dia convoque fa tsy misy ifikirana izany eo e!
fa rehefa eto an-tany koa tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha.
Ny talohan'ny nanoratanao an'io dia tsy nisy na iray aza niresaka hoe: haminavina sahady izay any ambadiky ny lanitra any, na koa hoe: hisaintsaina sahady izay any an-danitra any. Donk mazava be ny tianao lazaina, izany hoe tsy hevitra nolazaina hanoherana hevitra iray voalaza talaho io.
Rehefa avy eo moa dia novainao indray hoe:
tanjoko ny lanitra fa @ zao fotoana izao dia tsy ny ao ambadiky ny lanitra sy ny any ambony akory no andeha hivakiako loha fa izay hahatongavana any
Dia ampitahao raha mitovy ireo zavatra nolazainao ireo.
Dia ivereno vakina ny fanazavana ery ambony, dia ho hitanao fa contradictoire daholo ny zavatra voalazanao.
Ka tsy haiko na izaho no mandray an-tendrony sy tsy mahazo resaka, na minia tsy mahazo resaka, na ianao no miteniteny foana tsy misy fandinihana.
Farany: Hoy aho: “Diniho ihany izay lazaina satria misy ny hafa tsy manam-potoana firy handinihana”
Dia mba manontany anao aho hoe: ora firy no laninao nanazavana an’io hevitra nolazainao fa voadinika tsara io? Na ny marina kokoa dia ny hoe: ora firy no laninao nanarenana an’io hadisona benao io, noho ny tsy fandinihana kely fotsiny?
Resaka famonjena moa ny resaka eto, ary raha ho an'ny kristiana, ny famonjena andrandrainy dia tsy eto an-tany ihany (na dia santarina eto ary izany). Ka tsy haiko na katolika ihany ny filazana hoe: "tsy hivakl eritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha". Nefa sahy manonona hoe: Ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra...
Hatreo angamba fa misaotra an'i piste
49. Fody
(
28/11/2007 14:46)
rabilabila: ny fampitahana nolazaiko eto dia tsy hoe: izaho na ianao no hanao fampitahana ny kristianisma amin'ny Athée ohatra, fa izaho hilaza izay avy amiko, ianao kosa ilaza izay avy aminao, ary ny hafa no hijery sy handray izay mahasoa azy. Izay no nolazaiko eo ambony io hoe:
Lazao izay avy aminao dia mba hanambara izay avy amiko koa aho. Anjaran'ny hafa avy eo no mijery sy mandray izay mahasoa azy.
Ataoko fa tsy misy resaka jugement de valeur izany. Fa toy ny tsy hahalalako ny resaka athéisme (na dia fantatro aza) satria tsy iainako, no tsy hahalalanao koa ny resaka kristianisme, na dia fantatrao koa aza. Ka ny tsara dia ny mifanakalo hevitra aloha, ary ny tanjona dia tsy ny hifanilika, na hitady ny marimaritra iraisana, fa ny hifampizarana ny zavatra tsara avy amin'ny andaniny sy ny ankilany.
Raha momba ny kristianisma indray ny tanjona dia: ny hatratraran'ny tsirairay ny tanjona nahariana azy, dia ny ho: Fitiavana. Izany hoe: hanantateraka ao aminy ilay endrik'Andriamanitra: tia tsy miandry valiny na sitraka avy amin'ny hafa, ary ho an'ny rehetra.
Fanontaniana: Azonao faritana ve ny atao hoe Fahendrena araka ny hevitrao?
Misaotra!
50. ikaretsaka
(
28/11/2007 15:08)
4. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 25-11-2007
amiko aloha rehefa convoqué dia convoque fa tsy misy ifikirana izany eo e!
fa rehefa eto an-tany koa tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha.
inona amin'io ny tsy mbola azonao t@ ny fanazavako an'io!
Lasa indray isika: Ny dikan'io de hoe rehefa tapitra ny fe-trandro hiainako eto ka maty aho (convoque) dia voa antso dia izay aho vao mieritreritra sy mahita ny any ambadiky ny lanitra any! izany hoe ny mety ho paozin'ny any, ny endriky ny any sy ny hoe manao ahoana ny any... fa tsy izao
zahako ihany:
tanjoko ny lanitra fa @ zao fotoana izao dia tsy ny ao ambadiky ny lanitra sy nyzavatra mety hiseho any (izany hoe misy inona any dia inona no mitranga any) akory no andeha hivakiako loha fa izay hahatongavana any
mameno azy tsara..
ny dikan'io de mikatsaka ny lanitra aho fa rehefa tonga any aho vao milaza hoe ohatran'izao sy izao ny any! fa tsy izao sahady aho dia hoe oeeeee misy an'izao sy izao any! fa @ izao dia ny fiainako sy ny lalako izay eto mankany @ arivee any (lanitra) no ataoko..fa tsy mbola ny hitranga any sahady. Abobo sy no afafiko raha miteny izany aho..eny na ianoa aza no miteny izany..satria tsy nisy mbola tany isika .. tsy misy mahalala ny any sy ny zavatra mitranga any sahady raha mbola velona, na ianao io aza !
Aiza @ izay ny contradictoire @ zavatra nolazaiko tany ambony , dia aiza @ izay no tsy mbola azo?
Hazavaina fohy tsy azo, hazavaina lava tsy azo...:roll: esory ny bornages ramose a
51. Fody
(
28/11/2007 17:36)
Ika: efa betsaka ny hevitra mifanohitra ery ambony voalazanao, ary efa nasehoko, nefa mbola nampianao indray. Ary raha tianao ny mbola hanohy azy dia tsy misy ny olana. Ka izao àry: horaisintsika io zavatra vao avy nolazainao io.
Raha io hevitrao io aloha dia tena tsy kristiana mihitsy, no tsy katolika koa, indrindra indrindra tsy araka ny evanjely.
Hazavaiko: Ahoana moa no asahinao milaza fa ny "lanitra" no tanjona ho anao, na hoe mikatsaka ny lanitra ianao, nefa na ny nieritreritra ny momba an'izany aza tsy nataonao akory? Na koa hoe: ahoana no asahinao miteny fa io no tanjona ho anao nefa amin'ny fotoana hafatesanao vao eritreretinao?
Ny amin'ny kristiana ny hoe: Mino dia manaiky an'ilay inoana, mahatoky ilay inoana ary manantena Azy. Ao anatin'io hevitra nolazainao io dia tsy misy ahitana taratra an'ireo na kely aza.
Fisalasalana no betsaka ary ilay Lanitra ambaranao fa tanjona ho anao dia toa conception ambigue ihany.
Marina ny filazanao fa tsy misy mahalala ny any tokoa, saingy toa adinonao fa ny kristiana dia mino fa misy ny Révélation, ary raha tsy nisy an'io dia tsy afaka nahalala an'Andriamanitra akory isika. Noho izany, natao aiza ireo hafatra eschatologique atoron'ny Soratra Masina sy ny Fiangonana? Sa natao tsy inoana ireny fa angano sy nofinofy fotsiny?
Ny maha kristiana hoy i Md Paoly dia ny finoana an'i Kristy maty sy nitsangan-ko velona. Ao anatin'io hevitra lazainao io dia tsy misy an'io hevitra io na kely aza. Tsy misy fanantenana ny fitsanganan-ko velona izany ao, fa fisalsalana ny amin'izay mety hitranga no betsaka...
Adikanao vilana ilay hoe: voir et servir Dieu en toutes choses, satria lasa ilay zavatra rehetra no ataonao tanjona fa tsy ilay Andriamanitra nahary azy.
Piste vaovao indray ireo. Dia misaotra anao mandinin-tena!
52. ikaretsaka
(
28/11/2007 17:53)
Hazavaiko: Ahoana moa no asahinao milaza fa ny "lanitra" no tanjona ho anao, na hoe mikatsaka ny lanitra ianao, nefa na ny nieritreritra ny momba an'izany aza tsy nataonao akory? Na koa hoe: ahoana no asahinao miteny fa io no tanjona ho anao nefa amin'ny fotoana hafatesanao vao eritreretinao?
Tena mivoana tanteraka mihitsy ianao ary tsy te hahalala afa tsy anao ihany !
hazavaiko>
ny arrivee no lanitra, ny hahatongavana eo @ arivee no tanjoko
fa ny "podium" sy ny any @ ambadiky podium any tsy haiko aloha izao , ka tsy hivakiako loha fatratra!
Ohariko @ i manao baolina indray ary e: (fanoharana hafa indray)
rehefa manao baolina dia ny hahafaty baolina ao anaty But no tanjona, fa tsy ny hoe ahoana sahady no ataoko rehefa maty ny baolina!
rehefa maty ny baolina dia ho hita eo!
izany ve dia tsy mbola mety ho azonao foana?
Ny but eto dia ny lanitra, ny ahafatesana ny baolina (ny lalam-piainako ho any) no imasoako..
fa rehefa maty ny baolina izay aho vao mijery hoe ahoana ny ho ataon'ny olona/ho ataoko sy ny hiseho @ izay!
fa tsy hoe vao manomboka ny baolina dia izaho hibata coupe sahady no ataoko an-doha! ka raha resy fa ilaozana manonofy an'izany fotsiny.. hanao ahoana?
Porofoy @ izay ny tsy maha katolika, tsy maha kristianina ary ny tsy maha araky ny evanjely an'io?
Ny tenin'i Jesoa dia hoe manao hoe" Katsaho aloha..."
fa tsy hoe "ndehana manonofy alohan'ny hikatsaka..".
53. Fody
(
28/11/2007 20:59)
Ika: Aza tapahana aloha izay notenenin'i Jesoa fa miova ny heviny, hoy izy: "Katsaho aloha ny fanjakan'ny lanitra sy ny fahamarinany dia omena anao ho fanampiny ny zavatra rehetra". Izy dia tsy miteny hoe: "katsaho aloha ny zavatra rehetra dia omena anao ho fanampiny ny fanjakan'ny lanitra sy ny fahamarinany". Ny anao dia ity farany no andraisanao azy, ka izay no ilazako hoe tsy araka ny evanjely io zavatra lazainao io.
Tsy misy resaka nofinofy izany eo ry namana, ary tsy ny ahy ihany, araka ny filazanao, no asesiko fa ny zavatra ambaranao no arahiko ny lojikany, izay ezahanao hamarinina nefa tsy araka izay. Sarotra moa no miaiky hoe: tena tsy voadinika tokoa iny. Nefa na izany aza hotohizina ihany.
ny arrivee no lanitra, ny hahatongavana eo @ arivee no tanjoko
fa ny "podium" sy ny any @ ambadiky podium any tsy haiko aloha izao , ka tsy hivakiako loha fatratra!
Dia mba jereo sy vakio ary lanjalanjao sy diniho tsara izay voalazanao tery ambony tery:
Ny dikan'io de hoe rehefa tapitra ny fe-trandro hiainako eto ka maty aho (convoque) dia voa antso dia izay aho vao mieritreritra sy mahita ny any ambadiky ny lanitra any! izany hoe ny mety ho paozin'ny any, ny endriky ny any sy ny hoe manao ahoana ny any... fa tsy izao.
Fanoharana amin'ny baolina dia efa nohazavaiko ery ambony ery koa
rehefa manao baolina dia ny hahafaty baolina ao anaty But no tanjona, fa tsy ny hoe ahoana sahady no ataoko rehefa maty ny baolina!
rehefa maty ny baolina dia ho hita eo!
izany ve dia tsy mbola mety ho azonao foana?
Raha manao match dia ny handresy no tanjona fa tsy hamono baolina fotsiny. Ny famonona baolina dia dingana hatongavana any amin'ny tena tanjona dia ny fandresena. Izay no nolazaiko hoe: ny anao ny dingana no lasa tanjona, ary izay no tsy maha kristiana azy, sy tsy maha katolika azy.
Ary raha jerena dia tsy misy fahatokisana sy Fanantenana mihitsy ao amin'izay lazainao.
Nefa raha manao baolina dia ny Fanantenana ny handresy handray amboara no manosika azy hiezaka mafy hamono Baolina. Tsy misy kristiana tsy manana fanantenana izany, na hanao hoe: "atao aloha ny ady dia ho hita eo avy eo". Io dia tena tsy toe-tsaina kristiana mihitsy ary tsy araka ny evanjely.
Ny hoe: Fanantenana dia tsy nofinofy araka ny fiheveranao. Mitaky engagement io, ary tsoriko fa raha acte tsy misy Fanantenana dia toy ny asa jamba rafozana fotsiny, on le fait pour rien!
Tsarovy fa ho an'ny Kristiana, aorian'ny zoma Masina, izay tsy maintsy lalovana, dia misy ny Paka fitsanganan-ko velona. Ary hanampy anao handinika misimisy kokoa izay voalaza rehetra izay dia raiso, ary diniho ny Exercices spirituels n°93.
Misaotra anao, dia bonne prière!
54. ikaretsaka
(
28/11/2007 22:23)
sarotra be ny manazava zavatra aminao..
voalohany: fanahy iniako ny nanapaka an\'io satria:
Ilay \"katsaho aloha no nataoko emphasis t@ io tenin\'i jesoa io, fa samy mahay ny tohiny!
Ny fikatsahanano atao fa tsy ny fanofinofisana sahady! io no omeko emphasis.. azo hatreo?
ka izay anie no lazaiko e...
fa ny AHATONGAVANA ALOHA IZAO fa tsy any sahady, izay aharesena ..rehefa maharesy ianoa dia izay vao fantatrao hoe ahoana izany paozy eny ambony podium!
MANAO IZAY HAHARESY no atao izao, mamono baolina sns... fa tsy manofinofy
fahatokisana sy fanantenana ny fikatsahana , fa one step at a time fa tsy resaka nofinofy!
Ny valala any an-danitra ramose tsy asiana sira an.. sambory aloha ny valala! azo ny valala izay vao mijery izay atao fangarony!
manofinofy be izany ianao izany... mbola mamo tongony mampatory sy mbola mivoana any anivon-danitra any angaha?
ka ny anao0 vao eo @ fitsanganan-ko velona kay.. fa ny ahy efa any @ fiakarany sy ny fiverenany
ianao ohatran\'ny nandingana ny pressupositions sy ny discernements raha izoa fijery anao izao... sa?

Raha manao match dia ny handresy no tanjona fa tsy hamono baolina fotsiny. Ny famonona baolina dia dingana hatongavana any amin\'ny tena tanjona dia ny fandresena. Izay no nolazaiko hoe: ny anao ny dingana no lasa tanjona, ary izay no tsy maha kristiana azy, sy tsy maha katolika azy.
ka izay anie no lazaiko e...
fa ny AHATONGAVANA ALOHA IZAO fa tsy any sahady, izay aharesena ..rehefa maharesy ianoa dia izay vao fantatrao hoe ahoana izany paozy eny ambony podium!
MANAO IZAY HAHARESY no atao izao, mamono baolina sns... fa tsy manofinofy
Ary raha jerena dia tsy misy fahatokisana sy Fanantenana mihitsy ao amin\'izay lazainao.
Nefa raha manao baolina dia ny Fanantenana ny handresy handray amboara no manosika azy hiezaka mafy hamono Baolina. Tsy misy kristiana tsy manana fanantenana izany, na hanao hoe: \"atao aloha ny ady dia ho hita eo avy eo\". Io dia tena tsy toe-tsaina kristiana mihitsy ary tsy araka ny evanjely.
fahatokisana sy fanantenana ny fikatsahana , fa one step at a time fa tsy resaka nofinofy!
Ny valala any an-danitra ramose tsy asiana sira an.. sambory aloha ny valala! azo ny valala izay vao mijery izay atao fangarony!
manofinofy be izany ianao izany... mbola mamo tongony mampatory sy mbola mivoana any anivon-danitra any angaha?
Tsarovy fa ho an\'ny Kristiana, aorian\'ny zoma Masina, izay tsy maintsy lalovana, dia misy ny Paka fitsanganan-ko velona. Ary hanampy anao handinika misimisy kokoa izay voalaza rehetra izay dia raiso, ary diniho ny Exercices spirituels n°93.
ka ny anao0 vao eo @ fitsanganan-ko velona kay.. fa ny ahy efa any @ fiakarany sy ny fiverenany
ianao ohatran\'ny nandingana ny pressupositions sy ny discernements raha izoa fijery anao izao... sa?
55. fijo
(
28/11/2007 23:29)
tena mampalahelo ny fomba famelabelarankevitr'i fody ity.te hampiseo be ianao hoe mahay mandinika,fa eto dia hialako tsiny tanteraka,fa tena mivioka ny vala le famakafakana hevitra ataonao.
ny an'ika dia efa nazava hatr'izay,fa mino izy,ary miezaka ny hiaina ao anatin'izany finoany izany.
saingy aminy,dia mbola eto an tany koa izy,ka fahendrena aminy ny manao izao mety sy heveriny ho tsara eto aloha fa tsy hovariana hisaina ny tsy mbola hita any.
tsy misakana azy tsy hino sy hiaina ny finoany izany.ka aiza n tsy maha kristianina izany?????sa ny manonofy ihany no kristianina????jereo fa misy teny nataon'i soanja hoanao izay any.dinio izay fa mety hampiverina anao eto an tany;na hanaitra anao amin'ny torimaso raha mbola matory.
tsy hanoa mpisolovava aho eto,fa mahagaga le fanakarana hevitry ny manampahaizana sasany

56. xxx
(
29/11/2007 06:56)
Samy manana ny fandikany (fandraisany) ny hevitra iray ny olona , ka mety lasa mivoana any ankafa raha tsy mifandray ilay tiana holazaina!
Samia mamoaka ny fandraisany ilay hevitra , dia mandinika, dia misafidy (tsy antery) izay fantany fa mety aminy.
Ohatr' ity no fandraisako azy:
"Fa katsaho aloha ny Fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy anao ny zavatra rehetra.
Ohariko amin'ny fambolena(ka ahoana no fahitanareo azy?)
Vao nitsimoka izany ilay Ambioka dia maintsy (l)kolokoloina (l)(tondraina rano **tsy rano mangotraka, asiana zezika**izay zezika sahaza ilay voly, avahana**esorina ny ahi-dratsy):?:Teknika hikolokoloana azy izany ilay:arrow:Fanjakany sy ny fahamarinany.:arrow:Misy asa atao izany hanantenana ny Vokatra.Fanantenana izany :}ny zavatra rehetra:}
Azavao raha tsy mitovy fijery amiko ianao misy hieritreretako.Izany hoe alaharo araky ny fijerinao amin'ny ambaratongany dia izay.

57. pissoa
(
29/11/2007 10:17)
Fijo : mila mianatra mamaky teny angamba i Fijo, dia takonana ilay PS hoe Fody fa toa izay no mahatonga ny famakafakanao mivoaka ny vala toy io. I Fody angaha niteny hoe aza mieritreritra ny ety an-tany ?! :roll::-D:-D:-D
Na zany na tsy izany, ny fazahoako ny tenin'i Ika dia hoe mikatsaka ny "lanitra" izy, saingy amin'izao fotoana izao dia tsy mieritreritra hoe maitso ve ny ravin-kininina any dia mazo ve ny akondro masaka sns :lol::-D:-D:-D

58. Fody
(
29/11/2007 11:50)
Ika: Angaha moa tsy hitanao koa ity: Ny hoe: Fanantenana dia tsy nofinofy araka ny fiheveranao. Mitaky engagement io, ary tsoriko fa raha acte tsy misy Fanantenana dia toy ny asa jamba rafozana fotsiny, on le fait pour rien!
Sa maika handa izay volaza dia miteny hoe: manonofy fotsiny aho.
Ny filazanao koa hoe: rehefa manao baolina dia ny hahafaty baolina ao anaty But no tanjona, fa tsy ny hoe ahoana sahady no ataoko rehefa maty ny baolina!
rehefa maty ny baolina dia ho hita eo! Izany koa ve tsy midika fa ataoko ny fomba rehetra hahazoko izay tiako ho azo, dia ny famonona baolina, ka na aiza ny but hampidirako azy na aiza dia tsy olana, fa ny zava-dehibe dia ny mahafaty baolina. Ho hita eo ny ambiny avy eo. Asio fandinihana ihany rehefa manoratra e!
Ampiko kely ny fanazavana: Raha manao match ry namana dia ny handresy no tanjona fa tsy hamono baolina fotsiny. Ny famonona baolina dia dingana.
Voalaza teo fa ny fanantenana ny handresy no manosika hiezaka mafy, hamono baolina. Io dia midika fa ny Fanantenana dia mitaky acte (ka tsy haiko ny dikan'ny acte ho anao: na hoe nofy)
Manaraka an'io hanampiko azy dia izao: Raha manao baolina dia tsy ny hamono ihany no atao eny ambonin'ny kianja fa miaro tena koa. Noho izany raha tsy manana fahatokisan-tena sy fahatokisana izay miara-milalao amin'ny tena dia tsy tokony hanantena fandresena koa, satria ny tena dia tsy ho afaka sady defense, no mpiandry tsato-kazo, no irakiraka, sns... Toerana iray ihany no azon'ny tena tanana eny ambonin'ny kianja.
Misy an'izay fahatokisana izay ve anefa ao amin'izay voalazanao? Ivereno vakina azafady.
Marihako fa ny hoe: mahatoky dia tsy midika velively hoe: mipetrapetraka fotsiny, na mononofy (sao adika vilana indray), fa ny hoe mahatoky, araka ny maha kristiana, dia ny manao izay fara tratran'ny tena, ary izay tsy efa kosa dia anjaran'Andriamanitra.
Aza adino fa ny resaka hazavaina eto dia ny hoe:
4. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 25-11-2007
amiko aloha rehefa convoqué dia convoque fa tsy misy ifikirana izany eo e!
fa rehefa eto an-tany koa tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha.
Izay nadikanao hoe:
Ny dikan'io de hoe rehefa tapitra ny fe-trandro hiainako eto ka maty aho (convoque) dia voa antso dia izay aho vao mieritreritra sy mahita ny any ambadiky ny lanitra any! izany hoe ny mety ho paozin'ny any, ny endriky ny any sy ny hoe manao ahoana ny any... fa tsy izao
Ary novainao hoe:
tanjoko ny lanitra fa @ zao fotoana izao dia tsy ny ao ambadiky ny lanitra sy nyzavatra mety hiseho any (izany hoe misy inona any dia inona no mitranga any) akory no andeha hivakiako loha fa izay hahatongavana any
Ho an'i fijo: i ika dia mitonona ho zezoita (tsy idirako lalina ny amin'iny) dia mandehana jereo kely ny dikan'io teny io any anaty dico azafady.
Dia mianara mamaky teny, araka io voalazan'i pissoa io!
Hamarako azy: Mbola tsy voavaly ity fanontaniana ity:
Hoy aho: “Diniho ihany izay lazaina satria misy ny hafa tsy manam-potoana firy handinihana”
Dia mba manontany anao aho hoe: ora firy no laninao nanazavana an’io hevitra nolazainao fa voadinika tsara io? Na ny marina kokoa dia ny hoe: ora firy no laninao nanarenana an’io hadisona benao io, noho ny tsy fandinihana kely fotsiny?
Dia aleo farana amin'izay, na dia mbola misy aza ny ohatra maro be azo raisina, fa sao lazaina hoe: manenjika eo indray ny tenako.
Misaotra!
59. ikaretsaka
(
29/11/2007 14:49)
Ika: Angaha moa tsy hitanao koa ity: Ny hoe: Fanantenana dia tsy nofinofy araka ny fiheveranao. Mitaky engagement io, ary tsoriko fa raha acte tsy misy Fanantenana dia toy ny asa jamba rafozana fotsiny, on le fait pour rien!
mbola tsy azo fona...:roll:
Ny fanantenana hoe dia ny ho tonga any @ le but ny hahafaty but (lanitra) sy ny handresy : fa tsy hoe ahoana ny endriky any ambadiky ny but.. rehefa mandresy (satria tsy misy mbola tany)
mitaky engagement tokoa io, dia ny fikelezana aina hahaafaty io buts io
Ary misy fanantenana tokoa izany sy tanjona=ny hahafaty but betsaka!
Na zany na tsy izany, ny fazahoako ny tenin'i Ika dia hoe mikatsaka ny "lanitra" izy, saingy amin'izao fotoana izao dia tsy mieritreritra hoe maitso ve ny ravin-kininina any dia mavo ve ny akondro masaka sns
Izay! :D dia mila fanazavana be ve izany vo azon'i fody? sa ny anao ny sofina lasa vava?
Hoy aho: “Diniho ihany izay lazaina satria misy ny hafa tsy manam-potoana firy handinihana”
Dia mba manontany anao aho hoe: ora firy no laninao nanazavana an’io hevitra nolazainao fa voadinika tsara io? Na ny marina kokoa dia ny hoe: ora firy no laninao nanarenana an’io hadisona benao io, noho ny tsy fandinihana kely fotsiny?
fa iza no milaza aminao fa tsy mandinika aho.. fa samy manana ny fomba fandinihany io ramose ity a.. sy ny famoahany azy
ny anao 3 andro mahery tsy mbola azonao foana .. (raha ny resaka ato fotsiny no jerena)
ny ahy 2 minitra fa azoko! izay ilay faculte samy nomen'Atra antsika!
ny an'i pissoa ny fotoana namakiany azy dia efa fantany!
Jereo fotsiny ny fanazavana nifanaovantsika.. sy ny halavan'ny resaka.. iza no spontanee kokoa?
Zavatra tsy azonao satria tsy novelarinao @ domaine de definition anao ilay izy fa noraisinao t@ saina farak'izay ety!
Ary iz ano niteny anao fa hadisoana ny tsy mifanitsy @ izay conviction anao? satria ianao no iza?
60. ikaretsaka
(
29/11/2007 14:53)
ary tsy misy resaka mihitsy @ spirirualite zezoita NA .1 AZA milaza anao mba hijery sy hanofinofy izay ambadiky ny lanitra any