Natokana ho an'iza ilay Famonjena nentin'i Kristy

81. Fody ( 30/11/2007 11:36)
Hamaranako azy dia izao:

Nahoana no tsy noraisina daholo izy rehetra?

Ary misy fanontaniana ao, nahoana no tsy valina?

"Dia jereo koa any amin'ny taratasin'i Md Paoly any fa misy milaza hoe: "rehefa tonga amin'ny tanjona isika dia foana ny fanantenana satria efa hita izay nantenaina". Io dia manohitra ny hevitrao milaza fa rehefa maty vao mieritreritra, sy ny hoe: tsy mivakl eritreritra "

voilaaaa..tonga @ tanjona!
fa tsy hieritreritra ny ambadiky ny tanjona! ny tanjona dia hankany an-danitra.. fa tsy mieritreritra izay any ambadiky ny lanitra sahady nefa mbola tsy tonga any akory
mahay mamaky teny anie ty fody ity fa tsy mahazo fotsiny indraindray e


Dia efa nisy fanontaniana koa tary aloha tary hoe: inona ilay lanitra ho anao, satria raha ny fahitana ny zavatra lazainao dia conception ambigue io?


Dia ahoana koa moa no tsy vakina tsara izay voasoratra fa maika ny hilaza fotsiny hoe: "voilà..." nefa ny zavatra voalazanao dia manohitra ny zavatra lazaiko?

Misy an'ity koa voalaza teo, angamba tsy hitanao ka io averiko ataoko matavy:
Ary matoa misy ny fanantenana dia satria nisy ny fahafantarana, na fampafantarana mialoha ny amboara ho azo. Ny fantenana fa hahazo an'io no manosika hiady mafy, ary hahatoky izay miaraka amin'ny tena koa (raha baolina no resahana dia ireo mpiara-milalao, ary raha finoana kosa dia i Kristy sy ny fahasoavany)

Ny anao dia tsy misy an'io fahafatarana mialoha io, satria rehefa maty vao mieritreritra azy ianao. Donk zavatra "vide" no ilofosanao hamonon-tena. "Vide" ny fanantenana lazainao.



Farany: Raha handeha ho an'ny Pole sud aho, nefa tsy mbola tany mihitsy, dia tsy maintsy fantariko aloha hoe: ohatra ny ahoana ny any, inona aby ny zavatra mety ho hitako any, tena mahasoa ahy ve sa tsia... Ny anton'io dia hahafahako mihomana sy manomana izay ilaina, ary indrindra indrindra hananako zoto-po sy fanirina mafy ny ho any. Ary io fanirina mafy io no manosika ahy ho any.

Fa tsy ohatra ny anao hoe: atao aloha izay atongavana any, de any vao mieritreritra! Ka raha ohatra ka any vao mahita hoe: tsy mamely izy izany dia ahoana? Hiverin-dalana ve?.....

Ataoko fa mazava!
82. fijo ( 30/11/2007 21:50)
Dia inona ny dikan'ny hoe ny any andanitra aloha no ambony amin'i Fijo ?

mitovy amin'ny hevitr'ika hoe ny eto aloha vao ny any.izay nadika hoe tsy firaharahiana ny any fa ny eto ihany aloha.jereo ao ambonimbony ao


Izao angamba no tokony hosoratan'i Ika dia tapitra ity resakareo miral ity :

Teny diso ilay noteniko hoe tsy mivakl amin'izay any an-danitra any !
Tena mivakl tokoa aho, ary tanjoko ny any ...
Saingy mbola tsy noeritreretiko fotsiny ny lokon'ny ravin-kininina.

tsy mila miteny an'io akory izy,dia efa azondry tsara ny tiany lazaina.fa ny sasany no tsy te ahazo azy

, efa nolazaina imbetsaka teto fa ny fikatsahana ny any an-danitra dia tsy resaka misavoana fa maniteraka amin'ny fiainana andavanandro ety an-tany

fantatro mihintsy,fa ny mpino sasany dia misaina to aizay,fa ny hafa kosa manonofy.


inona ary ity averina indroa ity.

de pissoa rehefa mamaky valinteny an,fantaro aloha hoe ,le resaka taiza no novaliana teto,fa manjary manao resaky ny katry.
83. ikaretsaka ( 30/11/2007 22:07)
Farany: Raha handeha ho an'ny Pole sud aho, nefa tsy mbola tany mihitsy, dia tsy maintsy fantariko aloha hoe: ohatra ny ahoana ny any, inona aby ny zavatra mety ho hitako any, tena mahasoa ahy ve sa tsia... Ny anton'io dia hahafahako mihomana sy manomana izay ilaina, ary indrindra indrindra hananako zoto-po sy fanirina mafy ny ho any. Ary io fanirina mafy io no manosika ahy ho any.

satria tany efa nisy lasa tany dia niverina...

fa raha ianao no handeha any voalohany dia ahoana?
84. fijo ( 30/11/2007 22:13)
za vao naika hanontany.
85. pissoa ( 30/11/2007 22:14)
Fijo:
mitovy amin'ny hevitr'ika hoe ny eto aloha vao ny any.izay nadika hoe tsy firaharahiana ny any fa ny eto ihany aloha.jereo ao ambonimbony ao

I Ika dia nanoratra explicitly hoe tsy mivakl amin'izay any an-danitra ! Nisy soratra mitovitovy amin'izany ve ao mikasika ny "manonofy" lazainao ?! Vakio aloha fa manjary manao resaky ny katry ianao ! :-P
Fijo:
tsy mila miteny an'io akory izy,dia efa azondry tsara ny tiany lazaina.fa ny sasany no tsy te ahazo azy

# Raha hitan'i Fijo tsara dia hoy aho hoe "hilamina" ny resak'izy mirahalahy fa tsy hoe "ho azon'i Fody" ny tenin'i Ika ! Vakio tsara wa fa aza manao resaky ny katry ! :-D:-D:-D

# Raha azonao tsara ny tenin'i Fody dia ho fantatrao fa azony dia azony tokoa ny nolazain'i Ika, saingy tsy hitoviany hevitra !
Jereo fa efa ela ihany i Fody (angamba efa tamin'ny 27 Novambra, raha tsy diso aho) no nanoratra tao ambonimbony tao mikasika ny "tanjona" sy ny "fanantenana" ! :-D:-D:-D
Fijo:
fantatro mihintsy,fa ny mpino sasany dia misaina to aizay,fa ny hafa kosa manonofy.

Dia aiza hoa ilay soratra hoe tsy mivakl ka hilazanao hoe manonofy ny sasany e ?! :-D:-D:-D
Fijo:
de pissoa rehefa mamaky valinteny an,fantaro aloha hoe ,le resaka taiza no novaliana teto,fa manjary manao resaky ny katry.

Raha tena resaky ny katry tokoa ... maninona no novaliana ? Sa efa katry koa ?! Sa manelingelina be ny fitenenako anao aminao manitatra lava ny lazain'ny sasany dia hanaovana ataky kely kloo ny famaliako ! :-D:-D:-D
86. fijo ( 30/11/2007 22:19)
tsy voatery hampiasa ny teny hoe "tsy mivakl"vao hafaka hitovy ny hevitry ny teny.manankarena teny isika fa mba alefaso lavitra ny fandinihana azy.

ary rehefa misy teny ampiasain'ny olona,aza atao tsianjery fotsiny iny,fa mba mamorona,fa ny katry no manao io fakana tahaka be fahatany io.
87. pissoa ( 30/11/2007 22:27)
Fijo:
tsy voatery hampiasa ny teny hoe "tsy mivakl"vao hafaka hitovy ny hevitry ny teny.manankarena teny isika fa mba alefaso lavitra ny fandinihana azy.

Avereno vakina indray ny teniko, dia aza atao vakitenin'ny katry fa vakio tsara :-P Izaho anie tsy niteny hoe "nanoratra hoe tsy mivakl sns ve " fa hoy aho hoe :
Pissoa:
Nisy soratra mitovitovy amin'izany ve ao mikasika ny "manonofy" lazainao ?!

:-D:-D:-D
88. ikaretsaka ( 30/11/2007 22:42)
nga ny bandy raha hoe otsotss zay de tsary hahazo hanoratra explicit intsony?:-D
tsa teako zany kia pissoa fa lasa miatsara ivelantsihy an..

jereo izao i pere pedro rehefa mikozy @ katrami de manao "kozy" sy le" fika" sy "Anjemanitsa" izy sy hoe "milaiso"

Raha mitory teny sy manao lamesa any @ manodidina an Ambositra iny dia mandeha mihitsy ny hoe Razezo sy Ramaria. Randremanitra!

dia raha petahako direct ilay izy.. inona no olana?:roll:
89. fijo ( 30/11/2007 22:54)
ô ry pissoa an,ny nahatonga ahy niteny hoe manonofy ,dia ny filazany fa hoe any andanitra no tena tanjona.jereo fa averimberiny matetika io.asa raha mba mihiratra enao mamaky azy na manidina toa azy koa???izay tsy haiko
ny an'ika ny eto aloha,na di amisain any any aza.fa ny azy dia ny any aloha,ary nanomezany io tenin'olona io.

tsy azondry mihintsy kay ny tiako resahina.za anie tsy hoarakindry rah atsy miaraka amiko kely aloha ndry e.:*

ka pissoa eto manao toa ny avocat miaro olona tratra ambody omby.ny hanakely ny sazy no tanjony.fa tsy azony akory kay ny antony nampisaiko le hoe manonofy.na ko amety mboa tsy taitra tsara ngamba ndry ka
90. pissoa ( 01/12/2007 11:06)
Ikaretsaka:
nga ny bandy raha hoe otsotss zay de tsary hahazo hanoratra explicit intsony?
tsa teako zany kia pissoa fa lasa miatsara ivelantsihy an..

Ika kosa e !
Tsy le voambolana nampiasaina anie no noteneniko e ! Za koa mpiteny hoe tsy mivakl ka ! dia mpiteny hoe mpisam, mpilaiso, iapa (=hiala kely alou), sns :oops::-D
Fa le hevitra ...
Fijo:
ô ry pissoa an,ny nahatonga ahy niteny hoe manonofy ,dia ny filazany fa hoe any andanitra no tena tanjona.jereo fa averimberiny matetika io.asa raha mba mihiratra enao mamaky azy na manidina toa azy koa???izay tsy haiko
ny an'ika ny eto aloha,na di amisain any any aza.fa ny azy dia ny any aloha,ary nanomezany io tenin'olona io.

tsy azondry mihintsy kay ny tiako resahina.za anie tsy hoarakindry rah atsy miaraka amiko kely aloha ndry e.

ka pissoa eto manao toa ny avocat miaro olona tratra ambody omby.ny hanakely ny sazy no tanjony.fa tsy azony akory kay ny antony nampisaiko le hoe manonofy.na ko amety mboa tsy taitra tsara ngamba ndry ka

:-D:-D:-D
Fijo koa tssss ! Za aza mbola manontany an'toi hoe fa maninona rehefa miteny hoe ny any andanitra no ambony dia lasa hoe mpanonofy ... koa mbola averiny indray hoe tsy haiko ny antony hilazany ilay izy. Ka raha haiko ve hanontaniko e :roll:
PS : Tsy miaro an'i Fody aho (ianao hoa mazana mamadika ny resaka ho subjective fotsiny e !!! ), fa manohitra ny fihevitrao hoe ny olona mametraka an'Andriamanitra/Lanitra ho ambony sy lohalaharana dia MPANONOFY fotsiny ! Tsy eto amin'ito lohahevitra ito ihany no hitarafana io hevitrao io fa angamba amin'ny dinika fivavahana rehetra handraisan'ny Kristianina anjara.
91. Fody ( 03/12/2007 11:28)

Ikaretsaka:
Inonao ve fa Andriamanitra i Jesoa?
Inoanao ve fa Tonga Nofo izy?
Mino ny Fanahy Masina ve ianao?
Raha mino ireo voalazako ireo ianao dia tsy hiteny hoe:satria tany efa nisy lasa tany dia niverina.... Ataoko fa i Kristy dia tsy tany fotsiny, fa tena avy any mihitsy no nietry tonga olombelona mba hampahalala antsika izay any, sy hanoro ny lalana makany. Toy izany koa ny Fanahy Masina izay, avy amin'ny Ray sy ny Zanaka, ary miaraka amintsika lalandava.
fa raha ianao no handeha any voalohany dia ahoana?

Tsy olona voalohany ny ho any an-danitra ianao ry ikaretsaka ka aza diso hevitra. Efa nisy ireo nialoha lalana anao. Iray amin'ireny i Masina Maria.

Diniho ireo voalazanao sy izay voalazako teto dia ho azonao ny tsy maha kristiana sy tsy maha katolika ny hevitra nolazainao.

Misaotra

92. ikaretsaka ( 03/12/2007 19:18)
Oka aloha haverina @ Fody fa ny resaka fieritreretana izay ao ambadiky ny lanitra: izany hoe ny "misy inona sahady any", no resaka mampifanditra an
izaho manao hoe tsy tokony hieritreritra izany fa ny ahatongavana eo ambavahady no tanjona
ianao miteny hoe eritreretina izany!

hamaly io resakao io @ izay ary aho:

ny finoana ireo ry fody tsy manambara sy midika mihitsy hoe mila hijery izany zavatra mitranga any ambadiky ny lanitra izany mihitsy isika e..
ny fiverenany , sns no nasainy noeritreretintsika.. fa tsy ny hoe inona sahady no hatao any @ paradisa!

Masina Maria dia inoako fa efa any ary tany izy no niverina manafatra antsika ... fa t@ ireo fisehoany rehetra tsy niteny mihitsy Izy hoe ohatran'izao paozin'ny ny aty @ zanako.. fa ny famporisihina antsika hivavaka mba ho any no nataony!

diniho tsara!

raha manana porofo na teny ianao hoe mila jerena sy nofinofisina dieny izao sahady izay any ambadiky ny lanitra any ( du type hoe misy ravin-kininina ve any).. dia ento eto ho jerena indray

fa mandra pa... diniho tsara
93. Fody ( 03/12/2007 20:18)
Fanamarihana: ianao no miteny fa manonofy aho. Kanefa fantaro fa raha tsy misy fahalalana, na kely aza ao amin'ny tena dia tsy misy dikany ny antony inoana.
Efa ela moa no nasaiko nofaritanao ny hoe: "inona ny lanitra ho anao" fa tsy voavalinao hatramin'izao.

Mba mahagaga fa ianao milaza tena fa pretra zezoita indray no mitady aty amiko hoe: asehoy. Izaho izay kristiana tsotra, ary lazainao fa votsa saina.

Efa nasehoko io ambony io anefa fa ianao no te hanamarin-tena tsy te ho resy dohika ka manao tsipaky ny miala aina, amin'izato teny voadinika tsara angamba.

Izao e, vakio dia diniho ny Mt5, 3-12. Raha ohatra ka tsy azo na tsy mazava tsara izay voalazany. Dia manatona pretra fa ataoko fa maro any.

Ary raha mbola tsy azonao izay nolazaiko dia miresaha amin'na pretra fantatrao dia lazao aminy hoe: za tsy mivakl eritreritra izay any an-danitra any aloha...izany hoe après la mort aho vao mieritreritra sy mahita an'izany... Dia hohitanao izay havaliny. Aza makany amin'ny eveka fa sao de esorin'olona amin'ny maha pretra anao eo ianao, fa mpampiely hevi-diso. Ary tena hevi-diso tokoa. Nefa moa raha tsy mino ianao fa hevi-diso io dia mandehana ihany any dia ho hitanao.

Izay dia salama mopera!
94. ikaretsaka ( 03/12/2007 20:45)
tsy izaho no niteny mivantana an'io hoe manonofy io ianao fa ireo ni interpreter ny teniko.

tsy ny hasambarana 8 koa akory no milaza hoe ohatran'ny ahoana izany any ambadiky ny lanitra.. mbola eto @ alohany daholo ireo fa tsy nisy nampiseho sy nitantara hoe hoe ohatran'ny ahoana ny any! Ny fomba ahatongavana any aby no nolazaina ireo reo, fa tsy ny hoe ahoana any, any ve misy toaka sa misy inona ?

tsy haiko hoe aiza @ io nolazaiko mivantana sady tsotra io no tsy mbola azonao sy tsy ekenao ho azo?

aiza ho'a no miteny hoe OHATRAN'NY AHOANA NY ANY????
ny ahatongavana any no tanjona sy averimberin'ireo entoana, fa tsy ny hoe rehefa tonga any isika de zao avy no efa hataontsika... tsy misy an'izany ao na 1 aza! eny na 1 aza

Pretra ny ato ambadiky ny efitranoko ,. pretra ny ao amboniko sy ao ambaniko, ary nanontaniako azy tsara io ary efa nanontaniako tany am-pianarana ... fa io no iombonany hevitra

"how to get there, not what's going on over there"
"comment arriver la haut, fa tsy hoe qu'est ce qui se passe la haut"!

efa nasehoko io .. ka asehoy ny anthitese-nao ... io no niangaviako anao mba aseho!

Mba hahatsotra azy...izao eritreretina: Misy Ravinkininina sy akondro sy chocolat ve any an-danitra araka ny hevitrao? raha misy dia satria nahoana, sy satria ho'iza?..
raha t'sisy dia satria nahoana.. dia ho'iza?

dia eritrereto ny conclusion-ko ary ambony ary rehefa voavalinao ireo : inona ary no hivakiana loha @ izany ?
95. ikaretsaka ( 03/12/2007 20:52)
rehefa miady hevitra amiko @ manaraka dia ny arguments entina fa tsy ny maha zao sy ny maha zao... fombany'ny tsy manan-kevitra izany!
tsy arguments ny hoe "satria hoe zanak'i anona sy anona dia tsy manao an izao"
fa antony mazava avoaka..
arguments mipetraka mazava tsara , ary ataovy aloha izay haha azo ny teneniko izay vao mamaly!
ary rehefa tsy mahita alahatra dia manaiky!
azon'i Fody?
96. Fody ( 04/12/2007 07:27)


Ilay momba ny hasambarana valo dia tsy miresaka lalana hahatongava any velively rakoto fa mba vakio tsara. Tsy misy milaza ao hoe: manaovana an'izao sy izao... Na hoe raha manao izao.. dia izao...
Ny voalaza ao dia hoe: sambatra ianareo... satria... Milaza valisoa izy. Ary raha olona mandinika tokoa dia hiezaka hamatatra aloha hoe: inona izany valisoa izany, fa tsy hanaiky be fahatany fotsiny hoe: marina izany. Izay no anton'ny fanontaniana tsy misy valiny hoe: ho anao inona ilay lanitra?

Misy fanoharana iray hafa koa ao amin'ny Lioka16, 16-31. Mba vakio sy diniho. Rehefa izany dia valio hoe: Inona no voaresaka ao? Miresaka ny hahatongavana any ve Jesoa sa miresaka ny any koa? Raha lazaina fa angano sy nofinofy izay voalaza ao dia hoy aho hoe: hay koa na Jesoa aza nanofinofy. Raha hiteny kosa hoe: fanoharana fotsiny io dia hoy aho hoe: inona no antony ilaina ny hanaovana fanoharana?



De mba valio koa ireto:
Aiza no misy ny Trinite Masina?
Manofy ve ny olona miresaka ny momba azy io?

Ivereno vakina kely ny teolojia natao raha ohatra ka tsy mahita lazaina.

Mba zavatra voadinika lazaina amiko rehefa miady hevitra fa tsy hevitra manidina fotsiny.
97. ikaretsaka ( 04/12/2007 17:22)
ka ilay valisoa ve... milaza ny any ambadiky ny lanitra, midika ve fa misy tour eiffel vita @ volamena voaravaka safira sy diamondra any sa ahoana?
Ny faha samihafan'ny teny aza dia efa samihafa!
Ary tsy nisy mihitsy ao teny hoe ireo valisoa ireo dia ho azonao "any ambadiky ny lanitra" fa mety azonao izao dia izao ireo! raha niteny i Jesoa hoe "hotanteraka na hatao aminao irep rehefa any ambadiky ny lanitra dia hafa izay"

ny teny hoe " valisoa " samihafa @ ny hoe " ambadiky ny lanitra".. sa aminao mitovy ny lobaka sy ny pataloha?:wink:!

dia averiko @ fody foana... samihafa ny "ahazoana" sy ny hoe "ao ambadika"

vao miala eo @ 16 dia misy hoe hatramin'i Joany kosa dia ny fanjakan'Andriamanitra no torina, ka samy mikezaka hiditra ao ny olona.

samy mikezaka hiditra ao... fa tsy hoe inona sahady ny ao!

ary ts'isy tantara ao nanambara hoe hoe niteny t@ ilay Ngetroka i Abrahama, na i Lazara hoe misy an zao lety aty an-danitra na misy an zao an! tsy nisy niteny hoe menamena lety ny lokon'ny rano aty na manga ny lokon'ny gorodona aty na ohatran'izany!

tsy hitako izay hifandraisan'ny trinitology @ io resaka io!
diniho!
98. piste ( 04/12/2007 17:26)
O ry zalahy ajanony @ izay ity resaka ifamaliana ity fa tsy hihinanan-kanina à!
Jereo fa mihataka be any 100km @ ilay sujet ny resakareo, satria lasa fifamaliana fotsiny.


99. rabilabila ( 04/12/2007 17:35)
Ndao ary hihira :

Any an-danitra any no fonenako.
Any aho no mody raha vao miala ety iiii
Vetivety (vetivety ) foana dia ho hitako
Ilay tanàna soa .............


Na koa ilay hoe :

Tsara lova ry Jesoa ô!
Ny mpanota voahavotrao
Fa fonenana soa
Namboarinao ao
...................

Na ity e!!

Nous irons tous au paradis
toi et moi
nananinana nanani
.....................

:)
100. Fody ( 04/12/2007 17:44)
tsy hitako izay hifandraisan'ny trinitology @ io resaka io!

Satria ianao tsy mivakl eritreritra izay any an-danitra any an!

Rehefa maty vao mieritretra sy mahita an'izany!

Mba mandinika rehefa manoratra fa aza dia maika ny hanohitra fotsiny e!

Izay aloha fa mbola booooobaka be ato amin'ny forum ny zavatra tsy voadinika nolazainao, saingy tsy ho tsikofona eto daholo sao lazaina fa manenjika eo indray.

Misaotra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1441