Natokana ho an'iza ilay Famonjena nentin'i Kristy

61. niryna ( 29/11/2007 15:04)
ikaretsaka:

ary tsy misy resaka mihitsy @ spirirualite zezoita NA .1 AZA milaza anao mba hijery sy hanofinofy izay ambadiky ny lanitra any

Na zany na tsy izany, ny fazahoako ny tenin'i Ika dia hoe mikatsaka ny "lanitra" izy, saingy amin'izao fotoana izao dia tsy mieritreritra hoe maitso ve ny ravin-kininina any dia mavo ve ny akondro masaka sns


vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika

62. ikaretsaka ( 29/11/2007 15:22)
izay..mantsy fa tsy laozana manofy izay ambadika any...
manomboka ety an-tany ny paradisa e
63. Fody ( 29/11/2007 16:01)

Ekena àry fa izaho no votsa sy tsy mahatakatra zavatra, ary ianao ry Ika no mandinika sy mandanjalanaja. Roa minitra dia azonao hoy, ianao ny zavatra iray, ary ny ahy kosa dia telo andro. Tsy olana izany.

Fa izao: moa mba tena azonao tokoa ve izay volaza?
Sa dika vilana, na fandraisana vila no ataonao?

Ianao moa manontany hoe: iza aho? Dia hoy aho hoe: jereo izay voasoratro ao amin'ny momba ahy fa tsy misy lainga na fisandohana izay voalazako ao na kely aza. Ny hanampiko azy dia hoe: kristiana aho ary miezaka miaina ny finoako isan'andro.

Manaraka an'io dia izao: tsy hoe tsy mifanaraka amin'ny hevitro dia diso, fa vakio ramose ny zavatra voasoratrao hatramin'izay dia ho hitanao ny hadisoanao. Ny ambom-po sisa no nampiziriry anao milaza fa marina sy mety izay voalazanao, ary voalanjalanja.

Fanamarihana: ny teny hoe: manofy dia ianao no namorina azy, na ny marina kokoa dia i fijo, noho izy tsy te ho resy lahatra.
Fa mba aiza amin'izay zavatra voalazako àry no miteny fa manofinofy fotsiny aho?

Ary araka ny lazainao dia ny hoe: mpanonofy aho, mpifoka rogony koa angamba (satria izay no ao ambadin'io andin-kira io) dia tsy olana amiko izany.
Nefa hoy ny Malagasy: "aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpandainga". Ny antony amotsipotserako ny marina andrematoa dia tsy ho ahy, ary ny antony hitsikerako ny zavatra tsy mamely dia tsy noho ny tombon-tsoako fa ho an'ny kristiana madinika toa anay (Tsy kinga saina, tsy mahatakatra zava-dalina, fa mandray an-tendrony). Ary izay ambaranareo olo-mahay sy mpandika ary mpitondra fivavahana ireny no mba raisinay.
Ka raha ianareo no milaza fa tsy mivakl amin'izay any an-danitra any raha tsy ao aorinan'ny fahafatesana dia ataonay fa manohitra izay voalazanareo ianareo, satria raha efa maty vao eritreritra izay hiafarana (tanjona=lanitra ho anao io) dia izay no dokotera après la mort.
Dia misaotra amin'ny adjectifs qualificatifs maro nomenao ahy, fa raisoko ho fahasoavana daholo izany rehetra izany.

64. ikaretsaka ( 29/11/2007 16:07)
eo @ le tiako ahatongavana mihitsy no tsy azonao fa any aloha no tsara jerena sy dinihina ... mamakia Rahner, Tetlow, kolvenbach, Arrupe, Leo rock
ary indrindra Tony de Mello. (jesuites malaza aby ireny)
Dia mba maka sopapa... ampitahao amin'ny fijerin'ireny ny fijerinao
samy nanao ES aby ry zalahy ireo ary jereo ny fijeriny!
dia jereo ny anao
Tsy maninona na 10 taona aza ianao (raha velon'aina) mieritreritra azy.. tsy maninona fa ny ahitanao ilay izy no tanjona
65. Fody ( 29/11/2007 16:32)

Inona no tianao hatongavana?

66. rabilabila ( 29/11/2007 16:36)
Fehiny:

"Chacun interprète à sa manière la musique des cieux."
(Proverbe chinois)

"Il vaut mieux ... s'unir pour obtenir le bonheur sur la terre que de se disputer sur l'existence d'un paradis dans le ciel."
(Maurice Thorez / 1900-1964 / Fils du peuple).



"Si Dieu ne pardonnait pas, le Ciel serait vide."
(Proverbe berbère)

67. ikaretsaka ( 29/11/2007 16:45)
fody> aza miheritreritra sahady ny any ambadiky ny zavatra tsy hita...
manantenà aloha ilay zavatra !
ny ahatongavana eo @ ilay zavatra antenaina aloha no atao sy katsahina sy ifantohana fatratra( diatombohan'ny principe de fondement=ny tanjon'ny fiainantsika dia....) , dia rehefa tonga eo mieritreritra ny any ambadika any!

fa tsy hoe ilay zavatra tsy voakatsaka akory dia ny ao ambadiny no mahavaky loha.
ohatran'ny lazain'i pissoa hoe ,
maintso ve ny ravin-kininina any sa mavo ny akondro any sa

izay ahatongavana eo @ varavarana aloha atao, izay vao mijery ny hoe misy inona aby ao anaty tanàna ao !

tsy haiko indray na firy andro io vao ho azonao!:roll:
68. Fody ( 29/11/2007 17:01)


Dia ivereno vakina ity ry ika. dia manontania tena hoe: izaho (fody) ve no tsy mahazo, sa ianao no diso fandray zavatra, na efa diso hatramin'ny voalohany?

Ika: Angaha moa tsy hitanao koa ity: Ny hoe: Fanantenana dia tsy nofinofy araka ny fiheveranao. Mitaky engagement io, ary tsoriko fa raha acte tsy misy Fanantenana dia toy ny asa jamba rafozana fotsiny, on le fait pour rien!Sa maika handa izay volaza dia miteny hoe: manonofy fotsiny aho.

Ny filazanao koa hoe: rehefa manao baolina dia ny hahafaty baolina ao anaty But no tanjona, fa tsy ny hoe ahoana sahady no ataoko rehefa maty ny baolina!
rehefa maty ny baolina dia ho hita eo!
Izany koa ve tsy midika fa ataoko ny fomba rehetra hahazoko izay tiako ho azo, dia ny famonona baolina, ka na aiza ny but hampidirako azy na aiza dia tsy olana, fa ny zava-dehibe dia ny mahafaty baolina. Ho hita eo ny ambiny avy eo. Asio fandinihana ihany rehefa manoratra e!

Ampiko kely ny fanazavana: Raha manao match ry namana dia ny handresy no tanjona fa tsy hamono baolina fotsiny. Ny famonona baolina dia dingana.

Voalaza teo fa ny fanantenana ny handresy no manosika hiezaka mafy, hamono baolina. Io dia midika fa ny Fanantenana dia mitaky acte (ka tsy haiko ny dikan'ny acte ho anao: na hoe nofy)

Manaraka an'io hanampiko azy dia izao: Raha manao baolina dia tsy ny hamono ihany no atao eny ambonin'ny kianja fa miaro tena koa, Noho izany raha tsy manana fahatokisan-tena sy fahatokisana izay miara-milalao amin'ny tena dia tsy tokony hanantena fandresena koa, satria ny tena dia tsy ho afaka sady defense, no mpiandry tsato-kazo, no irakiraka, sns... Toerana iray ihany no azon'ny tena tanana eny ambonin'ny kianja.

Misy an'izay fahatokisana izay ve anefa ao amin'izay voalazanao? Ivereno vakina azafady.

Marihako fa ny hoe: mahatoky dia tsy midika velively hoe: mipetrapetraka fotsiny, na mononofy (sao adika vilana indray), fa ny hoe mahatoky, araka ny maha kristiana, dia ny manao izay fara tratran'ny tena, ary izay tsy efa kosa dia anjaran'Andriamanitra.

Aza adino fa ny resaka hazavaina eto dia ny hoe:
4. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 25-11-2007
amiko aloha rehefa convoqué dia convoque fa tsy misy ifikirana izany eo e!
fa rehefa eto an-tany koa tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha.


Izay nadikanao hoe:
Ny dikan'io de hoe rehefa tapitra ny fe-trandro hiainako eto ka maty aho (convoque) dia voa antso dia izay aho vao mieritreritra sy mahita ny any ambadiky ny lanitra any! izany hoe ny mety ho paozin'ny any, ny endriky ny any sy ny hoe manao ahoana ny any... fa tsy izao

Ary novainao hoe:
tanjoko ny lanitra fa @ zao fotoana izao dia tsy ny ao ambadiky ny lanitra sy nyzavatra mety hiseho any (izany hoe misy inona any dia inona no mitranga any) akory no andeha hivakiako loha fa izay hahatongavana any

Ka izay no nahalalan'i pisso fa ny tanjona ho anao dia ny lanitra, saingy tsy nidirany lalina kosa ny hevitra voalaza tery ambony.
69. ikaretsaka ( 29/11/2007 17:32)
niverenako novakiana.. fa vao mainka aza manamafy ny point ko:wink:
jereo koa ny nosoratako hafa fa aza ireo fotsiny
70. Fody ( 29/11/2007 17:43)

Manamafy ny point-nao? Ka ahona no nilaza hoe:
mbola tsy azo fona


Dia mba asehoy kely hoe: izay hevitra milaza fa manofinofy aho?

Raha hevitra tsy mitehan-tany io ary nolavinao hatramin'ny voalohany, ahoana indray no lazaina fa manamafy ny point-nao. Sa votsotra io teny ambony io fa tsy voadinika, sa izay nolazaina hatramin'izay no tsy izy.

Ivereno vakina indray mandeha izay voalazanao ry ika dia saintsaino tsara fa matoa aho nanohitra azy, ary nilaza ny hevitro dia satria tsy mitohaka no sady tsy mitombina izay voalazanao.

Raha tena mandinika tokoa ianao dia izay voalazako no tohero, fa aza maika hanaratsy fotsiny amin'ny zavatra tsy misy porofo mazava, na raha misy dia lazao hoe: ity no milaza fa mpanonofy sy mpifoka rongony ramose.

71. ikaretsaka ( 29/11/2007 18:02)
ianoa no nataoko an'io hoe..
tsy mbola azon'i fody foana ve izany fanazavako lava be izany?

Hevitra manofinofy tiako lazaina aminao dia ilay hoe mieritreritra sahady ny any ambadiky ny lanitra nefa tsy mbola tonga any akory!

araka ny nolazain'i pissoa hoe tsy izao akory dia hieritreritra sahady hoe maintso ve ny ravin-kininina any na mavo ve ny akondro any?
Amiko dia tsy izany ny tena fanantenana raha te hiteny hoe manana fanantenana!

ny tena fanantenana dia ny hahatongavana any fa tsy ny hisaina izany zavatra any izany sahady!
ka a ataovy aloha izay hahatongavana any @ alalan'ny fanantenana fa ho anylazaiko io sy ny fanatontosana ny andraikitra eto an-tany...
nohon'ny manofinofy sy mamisavisa izay zava mitranga any
--> eo ianao no lazaiko hoe manofinofy!

io no tiako hazavaina aminao izay elabe izay, fa nahodikodinao ohatran'ny sovaly de bois moa
ilay izy ko!

Azonao hatreo?

NB: dia rehefa miady hevitra amiko dia miangavy anao aho mba tsy hitsimpona izay lazaiko ka metimety aminao ihany, fa raiso @ ilay concepts rehetra tiako hahatongavana..
Efa fantatro ianao fa mety zatra nampiasa ilay marker fluo ireny, fa na izany aza!
72. Fody ( 29/11/2007 19:11)

Oadray! Hay ianao milaza fa kinga sy mahiran-tsaina no tena tsy mahazo resaka koa. Soa aho fa bado sy votsa saina.

Aza adino fa ny hevitra nolazainao ka notoheriko zato isan-jato dia ny hoe:
amiko aloha rehefa convoqué dia convoque fa tsy misy ifikirana izany eo e!
fa rehefa eto an-tany koa tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha.


Izay nadikanao hoe:
Ny dikan'io de hoe rehefa tapitra ny fe-trandro hiainako eto ka maty aho (convoque) dia voa antso dia izay aho vao mieritreritra sy mahita ny any ambadiky ny lanitra any! izany hoe ny mety ho paozin'ny any, ny endriky ny any sy ny hoe manao ahoana ny any... fa tsy izao

Ary izaho raha niresaka momba ny fanantenana hatramin'ny voalohany dia nilaza mandrakariva fa mitaky acte io. Io no manosika hanantateraka hanao ny asa hoy aho. Ivereno vakina ny zavatra rehetra nolazaiko.

Fa ny anao kosa dia hoe: "rehefa maty vao mieritreritra sy mahita.... Fa amin'izao dia tsy mivakl izay any an-danitra any aloha za..."

Dia izay no nahatonga ireo fanontaniana miverimberina ary tsy voavalinao, na ninina tsy valina mitovitovy amin'ny hoe: "raha ny lanitra no tanjona ho anao, ahoana no rehefa maty ianao vao mieritreritra azy?"
Milaza fa tsy mivakl eritreritra izay any an-danitra any aloha za, nefa ahoana no asahinao manonona ilay vavaka nampianarin'ny Tompo hoe: hotanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra?...

Sa rehefa manonona an'io vavaka io dia manofy kely aloha?

Tsy misy maha kristiana ny olona tsy manana fanantenana ry namana! (dia jereo kely ny hamaritako ny hoe fanantenana ery ambony)

Dia jereo koa any amin'ny taratasin'i Md Paoly any fa misy milaza hoe: "rehefa tonga amin'ny tanjona isika dia foana ny fanantenana satria efa hita izay nantenaina". Io dia manohitra ny hevitrao milaza fa rehefa maty vao mieritreritra, sy ny hoe: tsy mivakl eritreritra ...

Ary matoa misy ny fanantenana dia satria nisy ny fahafantarana, na fampafantarana mialoha ny amboara ho azo. Ny fantenana fa hahazo an'io no manosika hiady mafy, ary hahatoky izay miaraka amin'ny tena koa (raha baolina no resahana dia ireo mpiara-milalao, ary raha finoana kosa dia i Kristy sy ny fahasoavany)

Fa ny anao kosa dia vide ilay lanitra andrandrainao, ka rehefa maty ianao vao mieritreritra azy, fa izao dia manao izay mahametimety ny fiainana aloha, ary tsy mivakl eritreritra ny amin'izany.
73. ikaretsaka ( 29/11/2007 20:23)
Aza adino fa ny hevitra nolazainao ka notoheriko zato isan-jato dia ny hoe:
amiko aloha rehefa convoqué dia convoque fa tsy misy ifikirana izany eo e!
fa rehefa eto an-tany koa tsy hivakl hieritreritra izay any an-danitra any aloha za, ny tena aza aty koa ny paozin'ny any sahady no hivakiana loha.

dia efa nazavaiko ombieny ombieny ny anton'io fa tsy haiko ny fomba fahazoanao azy...
ivereno vakiana aby izay fanazavana nomeko anay izao
74. fijo ( 29/11/2007 23:50)
"Saingy noho io fototra tsy mitovy io kosa dia misy izay manatombo ao amin'ny kristianisma"

io dia efa fanambonian tenan'ny kristianina koa

"Fanamarihana: Ny tenako dia tsy miady na amin'iza na amin'iza, saingy mitsikera ny hevitra hitako fa hafahafa na diso kosa."

eto dia fanambonian tena no taratra.fa ahoana no ilazanao fa ianao no mahalala ny marina?ady hevitra no eto fa tsy hoe ny ahy no marina


56. Mpandefa : pissoa [ Valio ] 29-11-2007 11:17:09
Lohateny : Re : Natokana ho an'iza ilay Famonjena nentin'i Kristy
Fijo : mila mianatra mamaky teny angamba i Fijo, dia takonana ilay PS hoe Fody fa toa izay no mahatonga ny famakafakanao mivoaka ny vala toy io. I Fody angaha niteny hoe aza mieritreritra ny ety an-tany ?!

Na zany na tsy izany, ny fazahoako ny tenin'i Ika dia hoe mikatsaka ny "lanitra" izy, saingy amin'izao fotoana izao dia tsy mieritreritra hoe maitso ve ny ravin-kininina any dia mazo ve ny akondro masaka sns

tena io voalazanao io no tian'ika lazaina,ary efa ela izy no efa nanazava an'io.

io anefa no tsikeran'i fody azy hoe"tsy misaina ny any an danitra"
75. fijo ( 30/11/2007 00:06)
"Katsaho aloha ny fanjakan'ny lanitra sy ny fahamarinany dia omena anao ho fanampiny ny zavatra rehetra".

amin'i pissoa inoa no dikan'io,tsy hoe ny any andanitra aloha no ambony kokoa???

Ny filazanao koa hoe: rehefa manao baolina dia ny hahafaty baolina ao anaty But no tanjona, fa tsy ny hoe ahoana sahady no ataoko rehefa maty ny baolina!
rehefa maty ny baolina dia ho hita eo! Izany koa ve tsy midika fa ataoko ny fomba rehetra hahazoko izay tiako ho azo, dia ny famonona baolina, ka na aiza ny but hampidirako azy na aiza dia tsy olana, fa ny zava-dehibe dia ny mahafaty baolina. Ho hita eo ny ambiny avy eo. Asio fandinihana ihany rehefa manoratra e!

eto dia ilay mpamaly no tena mila mandinika tsara ny tokony hosoratany aloha;
raha hanoa baolin aianao,dia efa mahalala hoe aty ny but ako ary ary ny an'ny ekipa ilany,ka any aho no mamono baolina,

pissoa sy fody nilaza hoe mianara mamaky teny,

jereo ity
Voalaza teo :
Na zany na tsy izany, ny fazahoako ny tenin'i Ika dia hoe mikatsaka ny "lanitra" izy, saingy amin'izao fotoana izao dia tsy mieritreritra hoe maitso ve ny ravin-kininina any dia mavo ve ny akondro masaka sns

Izay! dia mila fanazavana be ve izany vo azon'i fody? sa ny anao ny sofina lasa vava?


jereo fa izay namaky azy avy dia nahazo le resaka hafatsy izay tsy nahay namaky teny ngamba.

"@ saina farak'izay ety!"
soa fa tsy za no niteny an'io teny marina io ry pissoa

ary ity ry pissoa efa nolazaiko foana fa eto tsy za no hiteny azy
"Ary iz ano niteny anao fa hadisoana ny tsy mifanitsy @ izay conviction anao? satria ianao no iza?"
satria tsapa loatra le fanambonian tena ampiasaina sy aseo eto
76. fijo ( 30/11/2007 00:24)
"Ekena àry fa izaho no votsa sy tsy mahatakatra zavatra"

rahany eto an tany aloha dia io voalazanao io ny tenanao.tsy za no nilaza azy an

Fanamarihana: ny teny hoe: manofy dia ianao no namorina azy, na ny marina kokoa dia i fijo, noho izy tsy te ho resy lahatra.
Fa mba aiza amin'izay zavatra voalazako àry no miteny fa manofinofy fotsiny aho?

hoadary,hay tsy mahatsiaro tena mihintsy?????hoe manonofy?

Ny antony amotsipotserako ny marina andrematoa dia tsy ho ahy, ary ny antony hitsikerako ny zavatra tsy mamely dia tsy noho ny tombon-tsoako fa ho an'ny kristiana madinika toa anay

manjary madinika ilay nilaza hoe "raha ny teny nanoratana aza tsy hay aza miady hevitra??????

Ka raha ianareo no milaza fa tsy mivakl amin'izay any an-danitra any raha tsy ao aorinan'ny fahafatesana dia ataonay fa manohitra izay voalazanareo ianareo

mbola asesika amboletra ihany le tsy fahazoana le resaka.hummm io ry pissoa mba ahitsio fa tsssss ndry sipa mety mba hoenoiny ngamba raha....

Ny dikan'io de hoe rehefa tapitra ny fe-trandro hiainako eto ka maty aho (convoque) dia voa antso dia izay aho vao mieritreritra sy mahita ny any ambadiky ny lanitra any! izany hoe ny mety ho paozin'ny any, ny endriky

satria ny sasany eto an tany dia efa mahita sahady ny any ve????izay le manofy(fantaro fa tsy hoazony indray ity)

eto le mitsimpona "Dia jereo koa any amin'ny taratasin'i Md Paoly any fa misy milaza hoe: "rehefa tonga amin'ny tanjona isika dia foana ny fanantenana satria efa hita izay nantenaina". Io dia manohitra ny hevitrao milaza fa rehefa maty vao mieritreritra, sy ny hoe: tsy mivakl eritreritra "
ny mpanao gazety no mpanao to aio rehefa hanaratsy mpanao politika

fehiny:
rehefa voafefy ny saina diana ny mora indrindra aza lasa lavitra be
77. ikaretsaka ( 30/11/2007 03:40)
eto le mitsimpona
"Dia jereo koa any amin'ny taratasin'i Md Paoly any fa misy milaza hoe: "rehefa tonga amin'ny tanjona isika dia foana ny fanantenana satria efa hita izay nantenaina". Io dia manohitra ny hevitrao milaza fa rehefa maty vao mieritreritra, sy ny hoe: tsy mivakl eritreritra "

voilaaaa..tonga @ tanjona!
fa tsy hieritreritra ny ambadiky ny tanjona! ny tanjona dia hankany an-danitra.. fa tsy mieritreritra izay any ambadiky ny lanitra sahady nefa mbola tsy tonga any akory
mahay mamaky teny anie ty fody ity fa tsy mahazo fotsiny indraindray e


Na zany na tsy izany, ny fazahoako ny tenin'i Ika dia hoe mikatsaka ny "lanitra" izy, saingy amin'izao fotoana izao dia tsy mieritreritra hoe maitso ve ny ravin-kininina any dia mazo ve ny akondro masaka sns

tena io voalazanao io no tian'ika lazaina,ary efa ela izy no efa nanazava an'io.

io anefa no tsikeran'i fody azy hoe"tsy misaina ny any an danitra"

sarotra be mihitsy ny mahazo an'io ho an'ny mamaky teny @ vavany:-D
78. pissoa ( 30/11/2007 06:43)
Fijo:
amin'i pissoa inoa no dikan'io,tsy hoe ny any andanitra aloha no ambony kokoa???

Dia inona ny dikan'ny hoe ny any andanitra aloha no ambony amin'i Fijo ? Tonga ve dia mivadika hoe tsisy dikany, na tsy rarahina ny ety an-tany ? Izay anie le nanontaniako fa tsy hoe iza no ambony sy ambany e ! :lol:

Anyway, efa nolazaina imbetsaka teto fa ny fikatsahana ny any an-danitra dia tsy resaka misavoana fa maniteraka amin'ny fiainana andavanandro ety an-tany ! Saingy ny sasany moa tsy mba mahay mamaky teny angamba na kely fitadidiana ka ny "manonofy" ihany no mba masaka ao antsainy. :-D:-D:-D
79. pissoa ( 30/11/2007 06:51)
Ikaretsaka:
sarotra be mihitsy ny mahazo an'io ho an'ny mamaky teny @ vavany

Izao angamba no tokony hosoratan'i Ika dia tapitra ity resakareo miral ity :

[center]Teny diso ilay noteniko hoe tsy mivakl amin'izay any an-danitra any !
Tena mivakl tokoa aho, ary tanjoko ny any ...
Saingy mbola tsy noeritreretiko fotsiny ny lokon'ny ravin-kininina.[/center]
:-P:-D:-D:-D
80. Fody ( 30/11/2007 11:34)

Hamaranako azy dia izao:

Nahoana no tsy noraisina daholo izy rehetra?

Ary misy fanontaniana ao, nahoana no tsy valina?

"Dia jereo koa any amin'ny taratasin'i Md Paoly any fa misy milaza hoe: "rehefa tonga amin'ny tanjona isika dia foana ny fanantenana satria efa hita izay nantenaina". Io dia manohitra ny hevitrao milaza fa rehefa maty vao mieritreritra, sy ny hoe: tsy mivakl eritreritra "

voilaaaa..tonga @ tanjona!
fa tsy hieritreritra ny ambadiky ny tanjona! ny tanjona dia hankany an-danitra.. fa tsy mieritreritra izay any ambadiky ny lanitra sahady nefa mbola tsy tonga any akory
mahay mamaky teny anie ty fody ity fa tsy mahazo fotsiny indraindray e


Dia efa nsy fanontaniana koa tary aloha tary hoe: inona ilay lanitra ho anao, satria raha ny fahitana ny zavatra lazainao dia conception ambigue io?

Dia ahoana koa moa no tsy vakina tsara izay voasoratra fa maika ny hilaza fotsiny hoe: "voilà..." nefa ny zavatra voalazanao dia manohitra ny zavatra lazaiko?

Misy an'ity koa voalaza teo, angamba tsy hitanao ka io averiko ataoko matavy:
Ary matoa misy ny fanantenana dia satria nisy ny fahafantarana, na fampafantarana mialoha ny amboara ho azo. Ny fantenana fa hahazo an'io no manosika hiady mafy, ary hahatoky izay miaraka amin'ny tena koa (raha baolina no resahana dia ireo mpiara-milalao, ary raha finoana kosa dia i Kristy sy ny fahasoavany)

Ny anao dia tsy misy an'io fahafatarana mialoha io, satria rehefa maty vao mieritreritra azy ianao. Donk zavatra "vide" no ilofosanao hamonon-tena. "Vide" ny fanantenana lazainao.



Farany: Raha handeha ho an'ny Pole sud aho, nefa tsy mbola tany mihitsy, dia tsy maintsy fantariko aloha hoe: ohatra ny ahoana ny any, inona aby ny zavatra mety ho hitako any, tena mahasoa ahy ve sa tsia... Ny anton'io dia hahafahako mihomana sy manomana izay ilaina, ary indrindra indrindra hananako zoto-po sy fanirina mafy ny ho any. Ary io fanirina mafy io no manosika ahy ho any.

Fa tsy ohatra ny anao hoe: atao aloha izay atongavana any, de any vao mieritreritra! Ka raha ohatra ka any vao mahita hoe: tsy mamely izy izany dia ahoana? Hiverin-dalana ve?.....

Ataoko fa mazava!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087