Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?

1. niryna ( 26/07/2007 05:52)
Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra ,raha mamaky,mijery,mianatra ary mamerimberina ny teniny.Ny tenin'Atra no mampiseho antsika ny zavatra tsy mety ataontsika ary ny fampiasana azy sy ny fianarana azy dia manampy antsika ny hanao ny marina,hiala amin'ny tsy mety.
Indraindray ny olona dia miresaka,miresaka ny tenin'Atra kanefa tsy mampiasa izany ary Jesosy efa nanao fanoharana fa aza miantsaravela-tsihy toy ny fariseo.Izay hafa ny teneniny kanefa lalan-kafa no hizorany.

Ity misy tantara kely iray:Mijery ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy fa tsy mahita.
Rehefa nijoro teo amin'ny fitaratra iho dia gaga fa tsy nahita ny tenako.Namaky soratra izahay nahatonga ahy ahita ny momba ahy aho ka tsy tiako ilay izy.Nitanondrika aho,tsy niteny no tsy nivavaka akory.Nibitsika ahy mangina Atra"tokony hivavaka io olona eo amin'ny fitaratra io ianao."toy izy mivavaka ny hafa.Fantatro ny tiany no tenenina satria nisy namako iray izay naniry ny mba hivavaka olona toy ny ataoko."tokony hiresaka teny fampaherezana @ io olona io ianao ,hoy Izy izay toy ny firesahany amin'ny hafa.".Toa tsapako ny tanany nihazona ny soroko ary niteny indray hoe"tokony ho tia an'io olona io ianao,tahaka ny itiavako azy".Nijery niatrika aho ary nijery ny tenako teo amin'ilay fitaratra.
novalian'i niryna ny 15/08/2007 12:49
2. niryna ( 26/07/2007 06:00)
Sarotra ny mitia ny tenantsika,kanefa na izany aza dia Atra dia tia antsika,manoro antsika,ary momba antsika .Mampitraka ny lahantsika izy mba ahitantsika ny voninahiny.
[i]Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo,fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.Fa raha misy mpihaino ny teny ,nefa tsy mpankato dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy,fa mijery ny tenany ziy dia lsa,ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny,dia ny lalan'ny fahafahana,ka maharitra amin'izany ,raha tsy mpihaino manadino,fa mpanao ny asa,dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany [i] Jakoba 1:22-25
(l)niryna
3. ikaretsaka ( 26/07/2007 06:02)
ny saple koa ohatran'izany, rehefa manao raozery! tsy azonao raha tsy ataonao elaela eo, avy eo mivoaka eo aby toy ny fitaratra
ny examen de conscience koa!
4. niryna ( 26/07/2007 06:08)
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.Ny fiainan-tsi hita sy ny fandringana na tsy mety voky,dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona Ohab 27:19-20

Ary hoy Jesosy taminy :Mihevera ,ka mitandrema hianareo,fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo
Sadoseo.
Mat 16:6

5. fahamarinana ( 26/07/2007 11:52)
Misaotra fa misy ho saintsaina e,mahafinaritra ny partage ataona reo ato(l)
6. boraingy ( 26/07/2007 12:18)
Ny fandraisako ity loha-hevitra ity dia izao:
- Ny Tenin'Andriamanitra dia Fitaratra: tena marina io satria Endrik'Andriamanitra no namoronany ny olombelona ary raha mandefa hafatra Izy dia mazava fa manapasapasaka ny momba ny toe-pon'ny olona. Tiany ho hitantsika tokoa isika eo amin'ilay fitaratra ao amin'ny hafatra rehetra nomeny.

Mila mitandrina anefa isika satria raha tena mijery fitaratra dia tsy isika loatra no eo fa sary mifamadika havia sy havanana (miverina kely eo amin'ny toetra ara-pizika aho eto izay tsipalotry ny nofontsika) ary io dia mamitaka raha ny ara-panahy no jerena. Ilay "examen de conscience" izany no tena tokony hotarafina raha mamaky ny Tenin'Andriamanitra.

Misaotra amin'ny loha-hevitra dia mazotoa mitaratra ny tena amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra.
7. vol ( 26/07/2007 13:44)
Tena marina izany satria ny Tenin'Andriamanitra dia Fiainana. Ohatry ny sakafo maraina atoandro hariva no tokony hiainantsina io,fa raha tsy izany dia noana ny fanahintsika ka tsy fantatsika intsony zay tokony hitondrantsika ny fiainantsika,sy ny tenantsika.

Tohizo fa tena tsara ny lohahevitra tahaka itony satria mizara ho an'ireo mbola tsy mahalala ihany koa.
8. ikaretsaka ( 26/07/2007 14:24)
dia ilay tenin'andriamanitra dia vakiana...
dia ilay fitaratra koa uzany vakiana?
ko lazaina hoe mitovy koa!
9. boraingy ( 26/07/2007 15:10)
ikaretsaka:

dia ilay tenin'andriamanitra dia vakiana...
dia ilay fitaratra koa uzany vakiana?
ko lazaina hoe mitovy koa!


Mandresy hatrany Satana rehefa jerena amin'ny lafiny ivelan'ny olombelona ny momba an'Andriamanitra ka tsy mampiray hevitra ny rehetra ary tsy mampivondrona ny rehetra. Raha ny ivelan'ny tsirairay avy dia tsy mitovy tokoa ka raha izay no nahatonga ny fivakisana dia mazava be fa samy very amin'ny tsy fahafenoana avy ireo vakiny ireo.
Ny Conception Divine mihitsy no mila azon'ny tsirairay ahafahany miresaka amin'ny Teny Marina tsy mandratra ny mpiara-mibanjina an'Andriamanitra Tokana sady Marina.

Tsapako tokoa ny fanenenanao Ikaretsaka amin'ny nahavaky ny Fiangonana fa hoy aho hoe tokony mbola ho tratran'io fandrika avelatr'i Satana io ve ny Kristiana? Ny fadrika eto dia ny fanitrikitrihany hatrany amintsika Kristiana fa hafa izatsy, ary hafa izaroa ary mifanipaka tanteraka ny asan'ireo fa tsy mifameno.

Mila mandinika tsara ihany isika fa voahozongozona raha vao tsy mahay Mitana sy Tazonin'ny Tompo an!
10. niryna ( 26/07/2007 16:55)
ikaretsaka:

dia ilay tenin'andriamanitra dia vakiana...
dia ilay fitaratra koa uzany vakiana?
ko lazaina hoe mitovy koa!



:roll:
Raha manaiky ampiasan'ny satana isika dia vaky ilay fitaratra.Tsy vakivaky foana mantsy izy io raha tsy nisy antony.
Fa raha manantona Azy isika,mitaratra izay teneniny dia hizara izany ny hafa izay mbola tsy mahalala dia ho faly Izy hitazana antsika eo amin'ny fitaratra miaraka amintsika:D
11. niryna ( 26/07/2007 16:57)
ikaretsaka:

ny saple koa ohatran'izany, rehefa manao raozery! tsy azonao raha tsy ataonao elaela eo, avy eo mivoaka eo aby toy ny fitaratra
ny examen de conscience koa!

Mba afaka ny hanazava an'izany saplet izany ve ianao?Misaotra mialoha

12. niryna ( 26/07/2007 16:59)
niryna:

Sarotra ny mitia ny tenantsika,kanefa na izany aza dia Atra dia tia antsika,manoro antsika,ary momba antsika .Mampitraka ny lahantsika izy mba ahitantsika ny voninahiny.
[i]Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo,fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.Fa raha misy mpihaino ny teny ,nefa tsy mpankato dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy,fa mijery ny tenany ziy dia lsa,ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny,dia ny lalan'ny fahafahana,ka maharitra amin'izany ,raha tsy mpihaino manadino,fa mpanao ny asa,dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany [i] Jakoba 1:22-25
(l)niryna

Raha mahafantatra ny tenin'Atra isika kanefa tsy mampiasa azy amin'ny fiainana dia very maina fotsiny.Makato ny teniny,mihaino sy manaraka ny didiny ary mampiantra sy mizara izany ho an'ireo izay nivily lalana sy tsy mbola mahalala an'ny Tompo
13. niryna ( 26/07/2007 17:07)
niryna:

Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra ,raha mamaky,mijery,mianatra ary mamerimberina ny teniny.Ny tenin'Atra no mampiseho antsika ny zavatra tsy mety ataontsika ary ny fampiasana azy sy ny fianarana azy dia manampy antsika ny hanao ny marina,hiala amin'ny tsy mety.

Isika izany dia ambassador-n'i Jesosy,toy ny olona mpisolontenan'ny firenena.Mampahafantatra fa misy ny fanantenana(hope)raha miaraka aminy isika,manantena fa hiara-dia aminy amin'ny andro farany raha manolotra sy manaiky azy ho mpamonjy sy mpanavotra antsika Izy.
Mampahery ireo olona tsy manana fanantenana na very fanantenana,mampitraka sy mampahery ireo lavo sy tsy manana fifaliana eo amin'ny fiainana sns.
Miantso sy miezaka ny hitory ny teniny amin'ireo izay ondry very mba hiverina ny vala,ireo izay mbola tsy mahalala Azy.
14. ikaretsaka ( 26/07/2007 17:24)
mba tsetsatsetra ny ahy ko!

Misy tenin\'izay mompera malaza be atao heo Pedro Arrupe izay manao hoe
Voalaza i Jesoa tokoa dia nampianatra antsika hifaly sy hiravo ao @ fiadadan\'Andriamanitra ,dia mba manontany aho:... Izy iny tokoa ve tsy mba nitsiky sy nihomehy mihitsy t@ asa fitoriana nataony fa nataony fa serieux be foana?

izay manko no mahatonga ny fiatsaram-belatsihy matetika, sy ilay mahatonga ho gaga rehefa mahita an\'ireny olona (mompera masitera, sns ireny hoe milalao baolina, tsy manao voaly, sns...) dia lasa manao toetra tafintohina sy tohina be ohatran\'ny fariseo, le manana fihevitra hoe rehefa voatokana izany dia izao fa tsy izao!

dia ny namaranan\'ilay mompera io ny teniny dia hoe
\"Araho i Kristy raha malala tsaina ianao, raha misokatra tsara ny fanahinao, ary manana fo ngeza afaka mifandray @ izao tontolo izao ianao.
Araho i Kristy raha sady hainao ny miresaka sy mivazivazy, miaraka mihomehy @ rehetra, ... ary indraindray mihomehy amin\'ny tenanao koa\"


I Piera raha jerena ny zavatra nataony sy ny zavatra nosoratany dia hita fa mpanao an\'iznay izy.. nefa aiza ny toerany sy ny fanakinam-pitokisana nomen\'ny Tompo azy @ izao?
15. boraingy ( 27/07/2007 08:44)
niryna:

ikaretsaka:

ny saple koa ohatran'izany, rehefa manao raozery! tsy azonao raha tsy ataonao elaela eo, avy eo mivoaka eo aby toy ny fitaratra
ny examen de conscience koa!

Mba afaka ny hanazava an'izany saplet izany ve ianao?Misaotra mialoha




Misy fanontaniana ho anao ity Ikaretsaka a! mba valio fa mba liana koa aho hitantaranao azy!

Raiso ho sedra amin'ny Hazavana azonao fa aza misalasala mihitsy!

16. ikaretsaka ( 27/07/2007 14:44)
Efa voazava teto ombieny ombieny ny resaka saple/raozery sns... io fa valin'ny fanontanian'i boraingy dia ampiako ombieny indray:

Ny Raozery dia fomba fivavaka nomen'i Jesoa antsika t@ alalan'i Masina Maria. Ny antony anaovana ny raozery dia hanampy antsika hahatsiaro ny tantaram-pamonjena, sy ny fitiavana misy amin' Andriamanitra sy isika ary fisaoraan azy amin'ny alalan'ny fandinihina ireo "Misitery"
Ireo misitery ireo dia nalaina t@ fotokevitry ny tantara ao amin'ny Evanjely.

Efa nanao izany foana ireo kristianina voalohany, hatramin'i Maria mbola niaraka t@ ndry zareo, fa t@ 13 eme sciecle dia nalamin'i Md Dominique tahaka io fanaovantsika azy io, rehefa nisehoan'i Masina maria izy

Misy 4 ny misitery: Ny mahafaly, ny manazava, mampalahelo, ary be Voninahitra.
Ny mahavita azy 4 no atao heo mahavita "chelem" anankiray!
Dia lasa fomba fiteny moa izy io,( Grand chelem @ tennis, baseball) rehefa mahafeno efatra

Marihiko entoana koa fa tsy mivavaka @ Masina Maria akory rehefa manao raozery fa mivavaka amin'Andriamanitra sy mandinika ny tenantsika miaraka amin'i Masina Maria.
Samihafa ny:
miankohoka sy mivavaka (worship) sy ny manaja (venerer, devotion)

Maninona no manaja an'i Masina Masina Maria?
Masina Maria dia Renin'Andriamanitra,ary zanany naterany i Jesoa, izay sady Andriamanitra no Olombelona. Renintsika koa izy rehefa nataon'i Jesoa ho zandriny sy mpianany isika, tahaka ny nilazan'i Jesoa azy t@ Joany (indro ny Reninao)

Tsy misy olombelona mahalala an'i Jesoa betsaka indrindra koa mihoatra noho i Maria nohon' ny maha reniny azy, satria nanomboka t@ anjely niarahaba azy ka i jesoa niforona tao an-kibony ka hatrany ambohoka ka hatr@ izy 12 taona tany antempoly ka tany kana ka teo am-pototry ny azo fijaliana ka t@ pentekosta ka hatramin'ny assomption ( izay ankalazaintsika @ 15 aout) ka hantramin'izao! Tsisy mahalala sy akaiky toy izany!

Zavatra tsotra io. Mora kokoa ny miresaka, mahazo rendez vous sy mahazo sitraka amin'olo-mana kaja (tahaka an'i Jesoa) raha ny Reniny no atonina sy asaina miresaka aminy! noho ianao mbola handeha protocole be...
Jereo ny ohatra tao Cana!

ny Saple, no karazana Aide memoire manampy antsika hanao ny fandinihan-tena @ alalan'ny Raozery, sy hahafahantsika manaraka ilay lalan'ny raozery! Hazavaiko io amin'ny manaraka, raha tsy efa voazavan'ny namana sasany

17. boraingy ( 27/07/2007 15:00)
Misaotra anao nanazava. Fa tsy azoko ny idiran'ilay izy amin'ny loha-hevitra hoe "Ny Tenin'Andriamanitra dia toy ny fitaratra"
18. ikaretsaka ( 27/07/2007 15:09)
samy mampandinin-tena... sy itarafana ny asan'andriamanitra amin'ny tena
fa ilay fitaratra sy tenin'andriamanitra "vakiana" fa ny raozery tsy mila vakiana no tsy mety vaky!

izany akory tsy miteny hoe misy tombo sy hala an.. sao indray ratsy eritreritra sy masiatsia-poana eo
19. boraingy ( 27/07/2007 15:32)
Tsy hoe masiaka r'ise fa ilay resaka tsy mety vaky no hitako hoe anisan'ny mampiroaroa ny fisainana eto. Etsy ambony ise miresaka fa nisy namaky ny fitaratra, eto indray ise miresaka fa ny raozery dia tsy mety vaky.

Iza marina no tsy mety vaky e! Ny Tenin'i Jesoa ve sa ny fangatahana amin'ny Reniny?
20. ikaretsaka ( 27/07/2007 15:40)
izy 2 mitambatra
ankoatran'ny fitaratra.
(fa na izany aza: aza atao ise izany aho le.. ohatran'ny pelapelaka be izany le, aleoko lavitra manao ialahy le)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3471