Kristiana sa tsy kristiana no ho vonjenao?

81. niryna ( 03/07/2007 05:09)
ikaretsaka:

Ny ahy koa dia mitovy @ marozevo
Raha vao mihoatran'ny ariary dia azo zaraina foana. Sady raha ariary tsy hahavita na inona na inona rahateo.

Samy namako, samy vonjeko.... Na tsy namako aza ka hitako fa mila vonjy dia vonjeko foana, araka izay azoko atao sy tratry ny fetrako.


Misy tenin'i Mompera Pedro ( Somary jeu de mots kely) izay manao hoe
"tsy amin'ny maha- Kristianina Anao, fa amin'ny maha-Kristianina anay"
"C'est pas parce que vous etes Chretiens, mais parce que nous sommes Chretiens"
"It's not because you are Christians, but because we are Christians"



Efa hoe ny iray ihany no azo ampiana fa tsy izy roa.Azo zaraina kanefa dia tsy ampy ilay izy raha zaraina.
82. niryna ( 03/07/2007 05:12)
marozevo:

Tsy ilay resaka fangatahana kosa ry Diamondra no resaka eto ah... ilay resaka manome. Tsy ny moralitén'ilay omena ny fanontaniana apetrak'i Nyrina fa ny moralitén'ilmay mpanome. Vakio tsara.



Marina aloha izany e.Ilay hoe iza no omenao amin'izy roa.Raha zaraina dia tsy mety fa ny iray ihany no omena.
83. niryna ( 03/07/2007 05:15)
marozevo:

Angamba ny fanontaniana tsy hoe iza no tianao, fa hoe iza no hovonjenao voalohany raha misy ilàna izany ?

Ie ,samy tiana daholo fa namana,fa ilay hoe iza amin'ireo no tokony hovonjena.

84. niryna ( 03/07/2007 05:18)
marozevo:

Io asainy tsy maintsy hisafidy io ilay fandrika koa... Raha vao mamaly an'io ianao dia tafiditra ao anatin'ny vela-pandrik'i Nyrina....

Fa nahoana no tsy maintsy hoe misafidy ? Ho an'i Nyrina ity fanontaniana farany ity.

Aiza isika sy marovezo no hividy fitana raha izany fa toa andeha hanjono hono ianao .Dia ataonao kakanjila sa toto-boanjo.

85. niryna ( 03/07/2007 05:28)
ikaretsaka:

Avadiko kely ary ilay fanontaniana fa inoako fa mifantoka @ ilay hevi dehibe ihany.
Aleo atao hoe
Manan-janaka mianadahy ianao, Nony samy lehibe ireo ka samy nanana ny tiany dia samy nandeha nanambady avy. Ilay vavy nanambady silamo (na izay tianao fa tsy Kristianina) ary nisafidy ny hanaraka ny finoam-badiny(Fitiavana io ko)
ilay lahy dia nanambady kristianina . Sendra tojo olana kely aza ilay vehivavy, dia mba misambotra vola any aminao, ahoana no hataonao?

Dia amiko dia samy zanako daholo izy,samy naharary,samy nandaniana ny fahatanorana sy ny hery rehetra vao lehibe izy roa ireo.Mazava ho azy fa ny zanako zanako ihany.Samy tiako daholo.Ny fitaizana azy no mety tsy mitovy satria olona tsy mitovy izy,izany akory tsy midika fa ny iray mitombo kely ny fitiavana ny iray ambaniana.Fitiavana izany no tianao resahina eto ary resaka zanaka.
Ilay fanontaniana dia tsy misy resaka fitiavana satria samy namana ary samy tiany,ilay hoe iza no omena iza no tsy omena no mipetraka ary inona no antony nahatonga anao na ny tsirairay nanome.:D

86. niryna ( 03/07/2007 05:30)
cutie:

Mpandefa : marozevo [ Valio ] 02-07-2007 00:53:01
Lohateny : Re : Kristiana sa tsy kristiana no ho vonjenao?
Io asainy tsy maintsy hisafidy io ilay fandrika koa... Raha vao mamaly an'io ianao dia tafiditra ao anatin'ny vela-pandrik'i Nyrina....

fa manin moa no lazaina fa tonga de mamela-pandrika i Nyrina :roll:

Izaho koa aza mba gaga aky ry cutie:roll:

87. niryna ( 03/07/2007 05:37)
xxx:

fanontaniana ho an'i Niryna :
Iza no mila fanampiana bebe kokoa @ iza roa ?
Iza no mila vola maika kokoa ?

Efa hoe samy mila fanampiana daholo izy roa.Ataovy hoe hofantrano no samy ilainy.Resaka ara-bola.
Raha atao ihany koa hoe 100 no ilain'ny tsirairay avy.
Azo zaraina araka ny teninareo roa lahy io ,saingy raha omenareo 50 avy izy roa dia samy mbola tsy ampy ihany ilay nomena azy.
Izay angamba no azoko hanazavana azy aminao,asa indray raha misy fanontaniana hafa dia lasa mivoana amin'ny farany.:*:*

88. niryna ( 03/07/2007 05:39)
ikaretsaka:

cutie:

refa tojo olana nga misy fijerena ze finoany any ?:roll:

Izay mantsy
ka mahatonga anay sy i marozevo hanontany ny tena tian'i Niryna hahatongavana sy miteny hoe inona ary ity fanontaniana kidaladala ity



Dia azonao valina kidaladala koa izany fa tsy maninona ka.=))=))

89. niryna ( 03/07/2007 05:47)
tslem:

Raha izaho dia tsy hanao mizàna tsindrian'ila aho fa zaraiko roa mitovy ilay vola eo am-pelatanako azoko hamonjena azy ireo dia samy omeko dia any an-kafa indray izy mitady ny hamenoana azy raha tsy ampy.Tsy @ maha-kristianina azy na tsia na @ maha kristianina anao na tsia no tokony hamonjena olona fa @ maha-ianao anao afaka hamonjy olona.

Izay tokony no tokony ho izy.Ary isika koa efa nampianarina hoe tiava ny namana tahaka ny tenanao.Ny dikany tsy tokony hijery hoe kristiana na tsy rehefa namana dia tiana daholo.
Mbola misy ihany koa aza hoe tiava koa ny fahavalonao.
Ary raha resaka fanampiana dia hoe Aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.
Dia iza tokony ary no tokony ho ampiana?:roll:kanefa samy tiana8-)

90. niryna ( 03/07/2007 06:02)
marozevo:

Ho an'i Nyrina :

Misaotra namaly, ary tena lava dia lava ny valiny. Aza manahy ianao fa vovakiko tsara ilay izy.

Izao no tsy azoko, ka nahatonga ahy hilaza hoe fandrika io :

Nahoana no tsy maintsy iray ihany no omena ilay fanampiana. Raha afaka mizara ho azy roa ve aho dia ferana tsy hanampy ny iray ?

Sanatria tsy mitsara anaop mihitsy aho, ary tsy mankahala anao koa.... Fa eo anatrehan'ny marina tsy azo lavina kosa dia adidiko, amin'ny maha namana anao, no milaza fa dios io. Ohatra, ilay Genezy nolazainao fa nosoratana tamin'ny 1445. Io dia tena diso be mihitsy. Jereo any ho any ny porofo. Tsy ianao no tsaraiko raha milaza aho fa diso io, fa ilay source ianteheranao no diso. Nefa ianao tsy mety miaky tsinona koo....

En tout cas :*


Efa hoe olona iray ihany no omena fanampiana.Izay ilay fanontaniany dia izay no omeko ny namana.
Misaotra anao ihany koa aho.Tsy mbola nomenao porofo aho fa diso ny filazako fa Genesisy dia Mosesy no nanoratra azy.Atra no niresaka taminy.Vakio ny antsony maro taminy.Omeo porofo aho fa diso ny tenikoa dia tsy mbola nomenao porofo aho hatramin'izay.Aza ny olona no jerena fa ianao milaza fa diso ny filazako azy.
Averiko indray
Genesisy
Mpanoratra na author Moses
Ny fotonkevitra:Ny fiandohana(io samy manana ny filazany azy satria fiandohan'ny zavatra rehetra,sns)
Daty nanoratana azy:1445-1405 B.C(before Christ)
Tsy mino ianao dia aza mino fa io no voasoratra,tsy afaka ny anome information tsy mitovy aho.Inona koa moa no tombotsoa handangaina e,maninona no andany fotoana ato kanefa andainga ny olona?
Aza mety ho fitahina hianareo,Atra tsy azo vazivaziana,fa izay afafin'ny olona ho hojinjaina
Gal 6:7
:*
91. soanja ( 03/07/2007 11:48)
niryna:

soanja:

Tiavo ny namanao, ny mpifanolo bodorindrina aminao, ny fahavalonao sy ny rehetra fantatrao sy tsy fantatrao. Mitovy tsy misy valaka ny tokony ho zavatra tsapa zany hoe "ezaka io" fa sarotra tanterahina raha toa ka kristianina ianao.

Ny hoe iza no hovonjena sy ny tsy hovonjena izany dia tsy miankina amin'ny finoany akory no tokony hipetraka ny fanontaniana fa ny mahamaika sy mahazava-dehibe ny famonjena olona iray.

Amiko ny vonjy aina no fanampiana voalohany atolotro ny hafa. Ankaotr'izay dia mila alalinina tsara vao manampy sao fanampiana vao maika manimba ny hafa no mitranga.

Tsy voatery hanampy koa anie isika raha toa ka hitarika fikorontanana ny fanampiana ny iray: Na aminao mpanome na aminy mpandray na amin'ny hafa tsy nahazo. Mila lanjalanjaina lalandava vokatry ny asa (action) atao.



Marina aloha izany e.Tsy vonjy aina fa mila vola fotsiny.Ataovy hoe handoavana hofantrano ohatra ka samy tsy manana ireo.Raha ny fitiavana ilay namana roa dia zaraina ilay vola kanefa dia mbola tsy ampy ihany na ny an'ny iray na ny an'ny ankilany.Iray ihany no omena fanampiana.
Ka ilay zavatra


Raha tsy vonjy aina dia tsy voatery manampy ka!
Ny fanampiana olona dia mila fandanjalanjana foana hoe inona no vokany amin'ny fitandrovana ny ara-piara-monina. Raha mahita indry dia de hoe vao miainga avy aty Amerika ireo misionera Amerikanina mpikarakara ny asan'Andriamanitra sy ny ondriny ireo dia efa misy manomana ny sainy hoe "Aza manampy olona manokana mihitsy fa manimba ny toeram-piasana raha tsy hoe vonjy aina angaha."

Satria amiko raha toa ka hofatrano no resahina ohatra dia aleoko tsy misy omena toy izay manome ny iray nefa ny iray tsy mahazo. Tsy misy zavatra tsy azo zaraina izany koa mihitsy raha resaka fanampiana ara-bola. Na ila-voamena aza dia azo zaraina ho an'ny namanao raha mahafoy ianao.
Ny fanampiana manko tsy azo atao forcer fa "avy amin'ny fo " fa tsy tokony hisy "politika".

Fa raha toa kosa misy manambana basy ahy hoe tsy maintsy manome ny iray ianao, izay hitako toa ho fitrangany amin'izao satria TSY MAINTSY ny resaka eto dia aleoko manome ilay tsy Kristianina. Amin'izay afaka manao vavolombelona ilay nanambana basy ahy fa mahafoy na ho an'ny tsy Kristianina aza aho ary vavaka no atolotro ho an'ilay tsy nahazo Kristianina satria fantatro sy fantany fa i Jesoa dia afaka manao fahagagana.


92. xxx ( 03/07/2007 12:31)

Izaho aloha de tsoriko fa tsy ilay xxx etsy ambony ireo.

Efa lava ny dinika vita teto ary efa novakiko ihany saingy tsy voavakiko daholo. Ka raha zavatra efa voalaza no ambarako dia fanamafisana fotsiny izany ny ahy sisa.

1 - Somary ambigue ilay lohahevitra ary normal raha nilaza i marozevo fa misy fandrika (mety tsy ianao no mamandrika ry niryna fa mety ilay olona nametraka ny fanontaniana taminao). Tsy olana anefa na mamandrika na tsia fa hovaliana araka izay azo atao.

2 - Ny hevitra voalohany entina ary dia izao: Misy ny olona manao asa soa tsy mijery mihitsy hoe iza no handray izay zavatra atolony, fa omeny izay avy aminy satria fantany fa hahavonjy ny hafa izany. Ny zava-dehibe dia ny fahafoizana tsy mila tambiny. Ohatra amin'izany ireo olona manao don d'organe, don de sang... Misy koa ny manolotra vola hanampiana ny hafa izay mila azy. Fa ao koa anefa ireo mametraka fepetra, toy ny hoe: ity vola omeko ity dia atolotro mba hanampiana ireo olona manorina fiangonana, na sekoly, na trano fitsabona, sns...

2 - Ny faharoa kosa dia izao: momba ny hevitr'i diamondra27 aho amin'ilay hoe: tokony ho fantarina ny antony ilain'ilay olona vola, raha olona mila vonjy mivantana amin'ny tena izy. Ny anton'izay dia mba hahafahana manao discernement tsara. Voalohany dia hafahana mamantatra marina izay tena fanampiana ilain'ilay olona, satria mety vola no tadiavina nefa mety tsy vola no tena mahavonjy azy fa zavatra hafa: soso-kevitra ohatra, na zavatra hafa mihitsy.

Raha misy olona roa kosa mila vonjy mitovy (vola ohatra) dia eo no ilaina ny discernement de prioritaire, izay voalazain'i xxx io ambony io (izay inoako fa tsy azon'i niryna raha ny famaliny azy no jerena).
Eto dia tsy ny maha kristiana na tsia ilay olona no jerena fa ny hoe: iza no maika kokoa, iza no tena mety tsy hahita vonjy intsony, sns... Tsy hitovy mihitsy ny situation izy roa ireo na dia olana iray mitovy aza no samy sedrainy. Ny filazana fa kristiana ny iray, ary tsy izy ny iray ohatra dia efa ampy hafantarana hoe samihafa izy. Tontolo aiza no misy azy ireo? Ahoana ny fifandraisany amin'ny olona? sns... Izany rehetra izany dia manmpy amin'ny fanaovana fandanjalanjana daholo ka mila fantarina.

Amiko dia tsy miankina velively amin'ny mahakristiana na tsy mahakristiana ilay olona ny famonjena azy, fa miankina amin'ny feon'ny eritreritro, izay inoako fa bitsik'Andriamanitra miresaka amiko. Mila vavaka fandinihana na discernement lehibe ny toe-javatra sahala amin'izao fa tsy mety kosa no milaza avy hatrany hoe: ity no ampiako satria izao na izao. Fa manampy ny iray amin'izy roa ireo aho satria izay no tratrako ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery ihany.

Hampianatra antsika handanjalanja hatrany anie ny Fanahin'izy Tompo. Amen!
93. xxx ( 03/07/2007 15:55)
hoy Niryna :
Efa hoe samy mila fanampiana daholo izy roa.Ataovy hoe hofantrano no samy ilainy.Resaka ara-bola.
Raha atao ihany koa hoe 100 no ilain'ny tsirairay avy.
Azo zaraina araka ny teninareo roa lahy io ,saingy raha omenareo 50 avy izy roa dia samy mbola tsy ampy ihany ilay nomena azy.
Izay angamba no azoko hanazavana azy aminao,asa indray raha misy fanontaniana hafa dia lasa mivoana amin'ny farany.


Raha valim-panontaniana nomenao ahy hatrizay dia tsy mamaly ny tiako hanontaniana, satria tsy misy resaka hoe zaraina roa izany eto fa ny iray ihany no tsy maintsy omena.
Ka io XXX ambony io no namaly azy. Marihina fa tsy izaho io.

Raha tonga teto an-tany i Kristy dia ireo mpanota no tena anton-diany voalohany fa tsy ireo milaza azy ho marina. Izany hoe, izay mila fibebahana bebe kokoa sy maika.

Fehiny, diso fipetraka hatrany am-boalohany ilay fanontaniana satria noterenao any @ "kristianina" "tsy kristianina" ny critère isafidianana.
94. Kota ( 03/07/2007 17:55)
[quote=pissoa]

Raha Silamo ilay iray (ie, misy namana silamo za) dia tsy proposer-ko restau tsisy sakafo halal aminy ! :-D:-D:-D

=> ie, raha jiosy (zah manana namana jiosy) dia tsy proposer-ko sakafo mampifangaro ronono sy hena izy : inona no hidiran'ny tsy fitovian'ny fitiavana amin'izany. Raha eo ilay namanao silamo miampy jiosy dia samy tsy omenao izay mahafady azy izy dia midika ve izany fa tsy mitovy ny fitiavanao azy ? amiko mitovy ny fitiavana azy amin'izay. Raha tsy rarahinao ny mahafady an'ilay jiosy fa ny an'ilay silamo ihany no jerenao dia amiko mitanila ny fitiavanao ! dia toa izay ilay resaka teto. Iza no omenao famonjenaa: ilay kristiana sa ilay tsy kristiana !


Ie, za koa tsy ny finoana mihitsy no critere nomeko hanomezako ny vola na tsia ! Fa tsy namaly ny fanontaniko ianao : mitovy ve ny reaction-nao amin'ilay tranga ? :-D:-D:-D

=> tsy namaly mivantana aho angamba tamin'ny voalohany satria ianao ilay nilaza hoe "holazaiko hoe miteniteny foana izay hilaza hoe mitovy ny fitiavany..." no tena tiako novaliana satria mitovy amin'ny hevitry izay namaly ihany ny hevitro!

Raha hoy ianao hoe tafiditra amin'ny fitiavana azy ny vavaka atao, dia tsy mitovy izany amiko ny fitiavana azy satria tsy mitovy ilay vavaka !

=> ny ahy ilay hoe fitiavana tsy mitovy dia hoe : tiako kokoa ny iray fa hafa indray ny karazam-pitiavana : ny fitiavana RAR tsy mitovy amin'ny fitiavana zanaka na fiatiavam-bady nefa samy tiako tsy misy iangarako ireo eo amin'ny fiainana.
Ka ilay fanontaniana niantombohan'ny resaka amiko dia ohatran'izay hoe hitanila any amin'iza ny fanomezanao ?


Raha sahy milaza ianao fa mitovy daholo ny zavatra ataonao amin'ny olona roa samy namanao dia mpandainga ianao zay !!!

=> amin'ny tranga iray no noresahina ary niampy hoe kristiana sy tsy kristiana.
Raha dinihako dia ny zavatra resahintsika mihitsy no tsy mitovy. Ny ahy ny lanjan'ny fitiavana no resahiko, ny anao karazam-pitiavana izay mivoana amin'ny resaka!

Tsy manery ahy hanaraka ny hevitrao aho angamba fa tsy hitako izay hitenenanao hoe miteniteny foana rehefa tsy mitovy amin'ny hevitrao !



95. marozevo ( 03/07/2007 19:09)
Ny olana amion'ity dia ny sujet no diso eh... Raha 100 tsirairay no ilain'izy roa ireo, ka izaho manana 200 dia samy omena 100 izy dia vita.
96. cutie ( 03/07/2007 19:11)
jerena ze vo mafy kokoa de iny no omena, fa tsy mijery we kristiana na tsia le oul :)
97. marozevo ( 03/07/2007 19:13)
Hoy i marozevo:

Porofon'izany, tsy hita mamaly an'io mihitsy i Nyrina.



Fa angaha tsy maitsy mamaly amin'ny fotoana mampalalaka anao foana ny olona e.Tsy misy porofo azonao omena izany raha izay no hitondranao azy.Mbola tsy tonga ny olona dia miandry toy ny tena miandry fa tsy hoe tsy maintsy valiana.Fahafinaretana no tadiavina ka raha tsy mbola manam-potoana hamaliana ny olona dia aza tonga dia tsaraina.
Ianao ve tsy mba reraka tsy manana fifaliana sy mahita zavatra ratsy amin'ny hafa foana e8



Dia valio amin'izay ary eh... Tsy ny fotoana mampalalaka anao na ny mampalalaka ahy no jereko, fa efa impiry teto ianao, nefa efa namaly an'ity manaraka ity ve ?

Genezy nosoratana tamin'ny 1445.

Io dia diso tanteraka, na iza hilaza na iza hilaza.

Valio io raha tena IZY ianao, satria ianao no nilaza an'io, fa tsy olona hafa akory. Valio dia ampy izay. Tsy voatery hamaly ianao....
98. gasynamana ( 03/07/2007 21:48)
Izaho aloha de tsoriko fa tsy ilay xxx etsy ambony ireo.

Efa lava ny dinika vita teto ary efa novakiko ihany saingy tsy voavakiko daholo. Ka raha zavatra efa voalaza no ambarako dia fanamafisana fotsiny izany ny ahy sisa.

1 - Somary ambigue ilay lohahevitra ary normal raha nilaza i marozevo fa misy fandrika (mety tsy ianao no mamandrika ry niryna fa mety ilay olona nametraka ny fanontaniana taminao). Tsy olana anefa na mamandrika na tsia fa hovaliana araka izay azo atao.

2 - Ny hevitra voalohany entina ary dia izao: Misy ny olona manao asa soa tsy mijery mihitsy hoe iza no handray izay zavatra atolony, fa omeny izay avy aminy satria fantany fa hahavonjy ny hafa izany. Ny zava-dehibe dia ny fahafoizana tsy mila tambiny. Ohatra amin'izany ireo olona manao don d'organe, don de sang... Misy koa ny manolotra vola hanampiana ny hafa izay mila azy. Fa ao koa anefa ireo mametraka fepetra, toy ny hoe: ity vola omeko ity dia atolotro mba hanampiana ireo olona manorina fiangonana, na sekoly, na trano fitsabona, sns...

2 - Ny faharoa kosa dia izao: momba ny hevitr'i diamondra27 aho amin'ilay hoe: tokony ho fantarina ny antony ilain'ilay olona vola, raha olona mila vonjy mivantana amin'ny tena izy. Ny anton'izay dia mba hahafahana manao discernement tsara. Voalohany dia hafahana mamantatra marina izay tena fanampiana ilain'ilay olona, satria mety vola no tadiavina nefa mety tsy vola no tena mahavonjy azy fa zavatra hafa: soso-kevitra ohatra, na zavatra hafa mihitsy.

Raha misy olona roa kosa mila vonjy mitovy (vola ohatra) dia eo no ilaina ny discernement de prioritaire, izay voalazain'i xxx io ambony io (izay inoako fa tsy azon'i niryna raha ny famaliny azy no jerena).
Eto dia tsy ny maha kristiana na tsia ilay olona no jerena fa ny hoe: iza no maika kokoa, iza no tena mety tsy hahita vonjy intsony, sns... Tsy hitovy mihitsy ny situation izy roa ireo na dia olana iray mitovy aza no samy sedrainy. Ny filazana fa kristiana ny iray, ary tsy izy ny iray ohatra dia efa ampy hafantarana hoe samihafa izy. Tontolo aiza no misy azy ireo? Ahoana ny fifandraisany amin'ny olona? sns... Izany rehetra izany dia manmpy amin'ny fanaovana fandanjalanjana daholo ka mila fantarina.

Amiko dia tsy miankina velively amin'ny mahakristiana na tsy mahakristiana ilay olona ny famonjena azy, fa miankina amin'ny feon'ny eritreritro, izay inoako fa bitsik'Andriamanitra miresaka amiko. Mila vavaka fandinihana na discernement lehibe ny toe-javatra sahala amin'izao fa tsy mety kosa no milaza avy hatrany hoe: ity no ampiako satria izao na izao. Fa manampy ny iray amin'izy roa ireo aho satria izay no tratrako ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery ihany.

Hampianatra antsika handanjalanja hatrany anie ny Fanahin'izy Tompo. Amen!

Ekena e!
99. gasynamana ( 03/07/2007 21:55)
Efa nolazaiko anie i niryna fa tsy mety loatra ny fiheveran-tena ho mpampianatra e. Azo lazaina ho fanambonian-tena izany ka tsy hanaiky ho diso amin'ny zavatra tsy marina mihitsy. Porofo lehibe ireo voalazan'ny namana ireo.

Isany nametrahako fanontaniana ary ambadika ary ny hoe: angaha i niryna infaillible rehefa miteny? Rehefa hahitsy mantsy izay lazainy dia ambarany foana fa tsy mino ny olona, na mbola tsy nandray an'i Jesosy.
100. diamondra27 ( 03/07/2007 22:15)
xxx, gasynamana : mitovy hevitra aminareo za!

aza manao hafanampo refa manao zavatra e!

tsy we ranona mila vola de manambola enao de we 'ty ary de omena
na we: plouf plouf iza no omeko vola @nareo 2?
_______________________________________

nisy seminera narahako zay de we: tokony tsy hisy hitsabaka ny tokantranonao na iza na iza; y compris zany ny resa-bola...
matoa manambady de mizaka sy indépendant zay @ zavatra rehetra.
Raha misy ny olana de vahanareo 2 mpivady



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2351