Kristiana sa tsy kristiana no ho vonjenao?

101. ikaretsaka ( 03/07/2007 22:24)
ary raha any aminao iry ry diams no midodododo mangata-bola.
fa tsy voavahan'izy mivady intsony?
102. gasynamana ( 03/07/2007 22:36)
ary raha any aminao iry ry diams no midodododo mangata-bola.
fa tsy voavahan'izy mivady intsony?

Tsy diamondra aho an!

Ilaina foana ny mandanjalanja amin'izay atao e. Ny mamonjy dia ny manalana ilay olona ao anatin'ny olana manjo azy mba hahafahany mahita masoandro mirana. Fa tsy hoe hampiditra azy amin'ny kizo hafa indray.
Ohatra: tsy famonjena mihitsy amiko ny fanomezana vola lava ny mpangataka afa-miasa, famonona azy aza izany.
Tsy vahaolana mihitsy ny fampindramam-bola tsy misy farany satria vao maika mampidi-kizo azy isam-bola amin'ny zana-bola.

Ny tranga tsirairay dia samy manana izay vahaolana sahaza azy avy, ary tsy misy ny olana tsy ahitam-bahaolana.
103. ikaretsaka ( 03/07/2007 23:48)
misokatra ho an'ny rehetra ilay izy fa i diams irery fa diso aho ka.
gasynamana, amin'iny fotsiny kosa fa tsy heo isak'izay mangataka izy de omena ka
104. pissoa ( 03/07/2007 23:54)
Kota, raha azoko tsara ny soratrao dia izaho niteny hoe miteniteny foana no tena tsy aritrao :-D Ka 'zay no fahitako azy ka hihatsaravelatsihy zany za maneho hevitra ? :-D:-D:-D

Mbola vao dingana voalohany iny ! Ianao milaza fa mitovy mantsy ilay fitiavana ... dia hoy fotsiny aho aloha hoe tsy voatery mitovy. Izaho tsy niresaka karazam-pitiavana. Raha nomarihinao dia ianao no nampiditra "fitiavan-janaka" aloha, dia avy eo nivoana tamin'ny ray amandreny sns ! Za niresaka ny fitiavako ny "namako" (heveriko fa samy fitiava-namana izany aminao) miankina amin'ny mahaizy azy fotsiny. Hoy ianao hoe mitovy ny fitiavana rehefa samy tsy omena ny mahafady azy izy ireo : izaho tsy nijanona tamin'ny zavatra macroscopika toy izay ! Rehefa tsy mitovy ny "reaction"-ko miaraka amin'izy roa rehefa te hihinana hena kisoa aho ohatra, dia tsy mitovy izany amiko ! rehefa tsy mitovy koa rehefa te hihinana garlic dia tsy mitovy koa izany ! Ianao angamba mihevitra hoe mifameno ilay izy ... izaho tsia satria amiko ny hena kisoa dia tsy garlic ! :-D:-D:-D

Ilay situation, raha vola fotsiny no dinihana dia mety heverina hoe exageree. Izaho aloha mahita hoe possible ny situation hoe tsisy dikany raha antsasak'ilay vola ohatra no omena (mitovy izaho sy ny tsy nanome satria tsisy ilany azy akory raha tsy feno na tsy hamonjy azy fa lanilany foana satria tsy nahazo izay tena hilany vonjy). Saingy hita amin'ny lafim-piainana hafa koa ny tranga toy io.
105. diamondra27 ( 04/07/2007 00:25)
ikaretsaka:

ary raha any aminao izy ry diams no midodododo mangata-bola.
fa tsy voavahan'izy mivady intsony?

______________________

zay aloha no nampianarina fa ny pratika de c'est autre chose
raha resa-bola zany amiko de mila dinika lalina sy fakafaina tsara wa
raha manana de manome fa raha hoe: mampindrana tena tsy voan'ny saiko mihintsy.
Matoa za manome de mahafoy zay après reflexion +++.



106. niryna ( 06/07/2007 04:26)
xxx:


Izaho aloha de tsoriko fa tsy ilay xxx etsy ambony ireo.

Efa lava ny dinika vita teto ary efa novakiko ihany saingy tsy voavakiko daholo. Ka raha zavatra efa voalaza no ambarako dia fanamafisana fotsiny izany ny ahy sisa.

1 - Somary ambigue ilay lohahevitra ary normal raha nilaza i marozevo fa misy fandrika (mety tsy ianao no mamandrika ry niryna fa mety ilay olona nametraka ny fanontaniana taminao). Tsy olana anefa na mamandrika na tsia fa hovaliana araka izay azo atao.

2 - Ny hevitra voalohany entina ary dia izao: Misy ny olona manao asa soa tsy mijery mihitsy hoe iza no handray izay zavatra atolony, fa omeny izay avy aminy satria fantany fa hahavonjy ny hafa izany. Ny zava-dehibe dia ny fahafoizana tsy mila tambiny. Ohatra amin'izany ireo olona manao don d'organe, don de sang... Misy koa ny manolotra vola hanampiana ny hafa izay mila azy. Fa ao koa anefa ireo mametraka fepetra, toy ny hoe: ity vola omeko ity dia atolotro mba hanampiana ireo olona manorina fiangonana, na sekoly, na trano fitsabona, sns...

2 - Ny faharoa kosa dia izao: momba ny hevitr'i diamondra27 aho amin'ilay hoe: tokony ho fantarina ny antony ilain'ilay olona vola, raha olona mila vonjy mivantana amin'ny tena izy. Ny anton'izay dia mba hahafahana manao discernement tsara. Voalohany dia hafahana mamantatra marina izay tena fanampiana ilain'ilay olona, satria mety vola no tadiavina nefa mety tsy vola no tena mahavonjy azy fa zavatra hafa: soso-kevitra ohatra, na zavatra hafa mihitsy.

Raha misy olona roa kosa mila vonjy mitovy (vola ohatra) dia eo no ilaina ny discernement de prioritaire, izay voalazain'i xxx io ambony io (izay inoako fa tsy azon'i niryna raha ny famaliny azy no jerena).
Eto dia tsy ny maha kristiana na tsia ilay olona no jerena fa ny hoe: iza no maika kokoa, iza no tena mety tsy hahita vonjy intsony, sns... Tsy hitovy mihitsy ny situation izy roa ireo na dia olana iray mitovy aza no samy sedrainy. Ny filazana fa kristiana ny iray, ary tsy izy ny iray ohatra dia efa ampy hafantarana hoe samihafa izy. Tontolo aiza no misy azy ireo? Ahoana ny fifandraisany amin'ny olona? sns... Izany rehetra izany dia manmpy amin'ny fanaovana fandanjalanjana daholo ka mila fantarina.

Amiko dia tsy miankina velively amin'ny mahakristiana na tsy mahakristiana ilay olona ny famonjena azy, fa miankina amin'ny feon'ny eritreritro, izay inoako fa bitsik'Andriamanitra miresaka amiko. Mila vavaka fandinihana na discernement lehibe ny toe-javatra sahala amin'izao fa tsy mety kosa no milaza avy hatrany hoe: ity no ampiako satria izao na izao. Fa manampy ny iray amin'izy roa ireo aho satria izay no tratrako ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery ihany.

Hampianatra antsika handanjalanja hatrany anie ny Fanahin'izy Tompo. Amen!



Misaotra anao nandray anjara.Marina izany fa samy jerena izay tokony omena.
Raha nisy nanontany tato hoe kristiana aloha ilay olona sa tsy kristiana hanome vola.
Valiny hoy aho kristiana ilay izy ary izany no nametrahako azy ato anatin'ny dinika fivavahana.
107. niryna ( 06/07/2007 04:45)
marozevo:

Ny olana amion'ity dia ny sujet no diso eh... Raha 100 tsirairay no ilain'izy roa ireo, ka izaho manana 200 dia samy omena 100 izy dia vita.


Alefaso ary ny sujet-nao marina raha izany e!:D:D
Io no fanontaniana koa diso ahoana.Toy ny olona rehetra manontany sy mamaly ihany anie io nalefany ho antsika io e.
108. niryna ( 06/07/2007 04:46)
gasynamana:

Efa nolazaiko anie i niryna fa tsy mety loatra ny fiheveran-tena ho mpampianatra e. Azo lazaina ho fanambonian-tena izany ka tsy hanaiky ho diso amin'ny zavatra tsy marina mihitsy. Porofo lehibe ireo voalazan'ny namana ireo.

Isany nametrahako fanontaniana ary ambadika ary ny hoe: angaha i niryna infaillible rehefa miteny? Rehefa hahitsy mantsy izay lazainy dia ambarany foana fa tsy mino ny olona, na mbola tsy nandray an'i Jesosy.


=))=))=))=))
109. niryna ( 06/07/2007 04:48)
gasynamana:

ary raha any aminao iry ry diams no midodododo mangata-bola.
fa tsy voavahan'izy mivady intsony?

Tsy diamondra aho an!

Ilaina foana ny mandanjalanja amin'izay atao e. Ny mamonjy dia ny manalana ilay olona ao anatin'ny olana manjo azy mba hahafahany mahita masoandro mirana. Fa tsy hoe hampiditra azy amin'ny kizo hafa indray.
Ohatra: tsy famonjena mihitsy amiko ny fanomezana vola lava ny mpangataka afa-miasa, famonona azy aza izany.
Tsy vahaolana mihitsy ny fampindramam-bola tsy misy farany satria vao maika mampidi-kizo azy isam-bola amin'ny zana-bola.

Ny tranga tsirairay dia samy manana izay vahaolana sahaza azy avy, ary tsy misy ny olana tsy ahitam-bahaolana.



HS indray i gasy tamin'ity indray mitoraka ity.Indray mandeha fotsiny no mila vonjy ilay olona fa tsy hoe foana foana.
110. niryna ( 06/07/2007 04:51)
marylou:


xtiana zah dia le xtiana to aahy aloha no vonjeko!:°)

Ilay fanazavanao no tsy ampy fa io no nomen'ilay mpanome ny sujet.:D

111. fahamarinana ( 06/07/2007 05:12)
diamondra27:

Raha zatra mahazo tsinona ireo olona ireo dia tsy hiala @ fahazaran-dratsiny sy tsy mampivoatra azy izany.

:arrow:Marina izany,"tànana zatra mitsotra hono tsy mety mivonkina intsony" e,:-D:-D.
:arrow:Na izany aza d'accord aho hoe jerena tsara aloha,kanefa ny kristianina mbola manana an'i Jesosy hifikirana fa ny tsy kristianina hifikitra amin'ny inona.Zay anie ilay tombony miaraka amin'ny Jesosy e...(l)

112. niryna ( 06/07/2007 05:24)
Misaotra ny rehetra nandray anjara.
Samy manana izay mahafinaritra sy izay tiany omena daholo ny tsirairay.
Raha ny ahy dia nisy nitovy ny namana hoe omeko ilay tsy kristiana amin'izay izy mety mba hiova ka manantona an'Atra.:D
Hoy ilay mpametraka ny fanontaniana(ilay sujet)hoe raha omenao volabe aza izy rehefa tsy te-hiova izy dia tsy miova.:roll:
Nomeny ohatra aho hoe raha misy pasitera na olona lohan'ny fiangonana hoy izy mangataka aminao indray mandeha izany ka mitovy ny zavatra tadiaviny sy ny iray tam-po aminao(tsy kristiana),iza no omenao?
Dia hoy aho hoe ny iray tam-po amiko.
Hoy izy,ny mpirahalahy na mpirahavavy ao amin'ny Tompo no vonjena voalohany.

Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovantsoa isika;fa amin'ny fotoan'andro no hijinjan-tsika raha tsy reraka isika.Koa araka ny ananantsika andro hanaovana,dia aoka isika hanaosoa amin'ny olona rehetra,indrindra fa amin'ny mpianankavin'ny finoana. Gal 6:9-10

[I].....vraiment donc,tant que nous disposons pour cela d'un temps favorable,faisons le bien a l'egard de tous,mais surtout envers ceux qui sont[nos] parents dans la foi[/i] Gal 6:.10

...Therefore,as we have opportunity ,let us do good to all people,especiallyto those who belong to the family of believers.

Io hono no valiny amin'ny maha-kristiana.
113. xxx ( 06/07/2007 08:48)
Fa mbola ampiako ilay fanontaniana hoe : tsara fanahy ve sa ratsy fanahy ilay olona ( tsy miankina @ maha Xtiana io na tsia )
Fa hoy JESOA hoe : " raha izay tia anareo ihany no tiavinareo, inona no valimpitia ho azonareo ? Ary raha izay manampy anareo ihany no ampianareo, dia efa azonareo sahady ny valimpitianareo ka tsy hamaly soa anreo ny Rainareo izay any an-danitra ". Arakeviny araka ny toriteny henoko io an ! fa tsy hoe arabakiteny arak'izay voasoratra.
114. marozevo ( 06/07/2007 18:42)
Hay mazava ny valiny nomen'ilay mpanontany :

Nomeny ohatra aho hoe raha misy pasitera na olona lohan'ny fiangonana hoy izy mangataka aminao indray mandeha izany ka mitovy ny zavatra tadiaviny sy ny iray tam-po aminao(tsy kristiana),iza no omenao?
Dia hoy aho hoe ny iray tam-po amiko.
Hoy izy,ny mpirahalahy na mpirahavavy ao amin'ny Tompo no vonjena voalohany.


Azy irery io fa tsy azony terena hitovy amin'io na ianao na izaho na ny olona hafa. Eny eh... tsy manery rahateo moa ilay olona.

Fa raha izay tianareo ihany no tiavinareo, inona no mahasamihafa anareo amin'ny Jentily !.... Hoy ny Baiboly.
115. niryna ( 11/07/2007 06:08)
xxx:

Fa mbola ampiako ilay fanontaniana hoe : tsara fanahy ve sa ratsy fanahy ilay olona ( tsy miankina @ maha Xtiana io na tsia )
Fa hoy JESOA hoe : " raha izay tia anareo ihany no tiavinareo, inona no valimpitia ho azonareo ? Ary raha izay manampy anareo ihany no ampianareo, dia efa azonareo sahady ny valimpitianareo ka tsy hamaly soa anreo ny Rainareo izay any an-danitra ". Arakeviny araka ny toriteny henoko io an ! fa tsy hoe arabakiteny arak'izay voasoratra.

Izay mitovy ny tenenintsika izay izy,izay tiantsika omena no omena,fa io andininy ao anaty baiboly io hoy izy no fehiny.
Ilay tsara fanahy indray aloha dia matoa manome ny olona dia manana fanahy tsara izy hizara.Raha tsy manana fo tsara izy tsy hizara,asa aloha fa amiko izany .

116. marozevo ( 13/07/2007 18:00)
Kay kosa lava be ilay resaka nifanaovanao sy ilay Pastera kooo.... fa tapany kely fotsiny no nolazainao tany am-boalohany mba hisian'ny fifanakalozan-kevitra sy ny vela-pandrika samihafa. Nony nivoaka ny hevitra rehetra dia hita ùmisy marina ihany izay voalazan'ny namana rehetra....
117. ikaretsaka ( 17/07/2007 07:07)
Nomeny ohatra aho hoe raha misy pasitera na olona lohan'ny fiangonana hoy izy mangataka aminao indray mandeha izany ka mitovy ny zavatra tadiaviny sy ny iray tam-po aminao(tsy kristiana),iza no omenao?
Dia hoy aho hoe ny iray tam-po amiko.
Hoy izy,ny mpirahalahy na mpirahavavy ao amin'ny Tompo no vonjena voalohany
.
anontaniako aloha i pasitera sy i mompera sy ny iray tam-po amiko hoe inona no anaovanao azy ka!
118. niryna ( 19/07/2007 05:02)
marozevo:

Kay kosa lava be ilay resaka nifanaovanao sy ilay Pastera kooo.... fa tapany kely fotsiny no nolazainao tany am-boalohany mba hisian'ny fifanakalozan-kevitra sy ny vela-pandrika samihafa. Nony nivoaka ny hevitra rehetra dia hita ùmisy marina ihany izay voalazan'ny namana rehetra....



=))=)) angaha aloha ianao ity tia mamelam-pandrika sa voajono lava no miteny an'izany foana e8-)
119. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:45)
ka izany no nataon'i niryna teto ko.
voajono lava i marozevo! efa ariary 10 hono izao izy fa tsy amidinao @ ariary 2 intsony ka aleo hazava ny resaka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.571