Kristiana sa tsy kristiana no ho vonjenao?

1. niryna ( 01/07/2007 06:29)
Nisy fanontaniana ity nomen'ny olona ahy ka mba zaraiko amintsika rehetra eto.
Raha manana namana ianao:ny iray kristiana,ny iray tsy kristiana.
Samy sahirana be izy ireo ka mila vonjy.Ataovy hoe ara-bola.Mila vonjy izany tsy hoe mbola averina ny volanao an.Iray ihany ho izy no ho vonjenao,tsy azo zaraina izany ilay vola.
Iza amin'ireo namanao roa ireo hoy izy no ho vonjenao?
Dia mba omeo hoe ny antony raha azo atao8)
Misaotra mialoha:D
2. Ralay ( 01/07/2007 06:52)
Arakarak'ilay namana io fa zah tsy mijery hoe kristianina na tsia fa raha tena hoe io ny kritera dia ilay tsy kristianina no vonjeko satria ny kristianina manantena ny ho voavonjy foana :-D
3. pissoa ( 01/07/2007 07:37)
ze tiko kokoa !
ary tsy ny Kristianina foana no tiko kokoa amy namako :-D:-D:-D
4. marozevo ( 01/07/2007 07:38)
Fanontaniana fandrika fotsiny no fandraisako an'ity. Raha vao mihoatran'ny ariary dia azo zaraina foana. Sady raha ariary tsy hahavita na inona na inona rahateo.

Samy namako, samy vonjeko.... Na tsy namako aza ka hitako fa mila vonjy dia vonjeko foana, araka izay azoko atao sy tratry ny fetrako.
5. pissoa ( 01/07/2007 07:39)
Oops, enga za anie ka tsisy hiteny hoe mitovy ny fitiavana azy ... holazaiko mantsy hoe miteniteny foana :oops::lol:
6. diamondra27 ( 01/07/2007 09:23)
atao inona ilay vola aloha?
hanofàna trosa sa entina hanefàna ny rançon sa hividianana drogy, sa hamitàna fiangonana natsangana etc...
samy maha-maika daholo ihany ireo ara-bola
raha ny namanao drogué no ampiana de mampieritreritra satria raha tsy maahazo vola hividianany drogy izy de mey hamono olona nefa @zay fotoana zay mety ho namany ankolaka ihany ianao satria ni-participer tamin'ny fahazoany le drogy...
Raha hanefana rançon: manome alalana ho an'ny ratsy saina nefa te-hanavotra le olona voatazona ianao
raha hamitàna fiangonana na asa fanasoavana sns...???
Raha hamonjena olona marary eny amin'ny hopitaly hividianana fanafody ...

de sarotra be izany manao choix zany fa aleo aloha za hieritreritra tsara.

Ny olona hovonjeko aloha na kristiana na tsia ilay olona dia: mandinika tsara aho aloha amin'ny tranga ilainy an'ilay vola ary izay fanapahan-kevitro eo dia tsy hanenenako satria efa navadibadiko tsara ambony ambany daholo ny lafy tsarany sy lafy ratsiny de ampiako le olona nofidiko.
Izay mandresy lahatra ahy no ampiako na iza izy na izy.

Ary le olona manome ilay vola ve aloha Xna sa tsia e!
raha Xna manko izy de tokony hivavaka ihany koa alohan' ny fanapahan-kevitra e!
7. pissoa ( 01/07/2007 09:51)
Ka "ianao" ze mamaly no antaniana koa ! Kristian njy ry Diams sa tsia ? :-D:-D:-D
8. marozevo ( 01/07/2007 10:16)
Fandrika ho aho io.

Raha milaza ianao hoe ilay Kristianina no ampiako, dia lazainy fa manao an-trano an-trano ianareo samy Kristianina.

Raha milaza ianao hoe ilay tsy Kristianina no ampiako, dia hoy izy hoe ny kristianina mitovy aminao aza tsy ampianao, ka inona no maha kristianina anao.

Aza fandrihana ny olona eh... Tsy ampy anao ve ry Nyrina ny efa midongy tsy mamaly ny resaka tokony hiekenao hadisoana, no mbola fandrihana ihany ny olona ah....
9. ikaretsaka ( 01/07/2007 11:11)
Ny ahy koa dia mitovy @ marozevo
Raha vao mihoatran'ny ariary dia azo zaraina foana. Sady raha ariary tsy hahavita na inona na inona rahateo.

Samy namako, samy vonjeko.... Na tsy namako aza ka hitako fa mila vonjy dia vonjeko foana, araka izay azoko atao sy tratry ny fetrako.


Misy tenin'i Mompera Pedro ( Somary jeu de mots kely) izay manao hoe
"tsy amin'ny maha- Kristianina Anao, fa amin'ny maha-Kristianina anay"
"C'est pas parce que vous etes Chretiens, mais parce que nous sommes Chretiens"
"It's not because you are Christians, but because we are Christians"
10. Kota ( 01/07/2007 11:12)
pissoa:

Oops, enga za anie ka tsisy hiteny hoe mitovy ny fitiavana azy ... holazaiko mantsy hoe miteniteny foana :oops::lol:


Iee, izaho hiteny hoe mitovy ny fitiavako azy ! tsy mipetraka amiko akory ilay fanontaniana rehefa efa namako izy fa zaraiko araka izay azo atao ny famonjena azy.
Fa maninona no hoe miteniteny foana ? ny ahy aloha tsy ny maha kristiana azy na tsia no hitiavako azy bebe kokoa na tsia ! ny maha kristiana angaha moa marque ka hoe rehefa mitondra io dia maha-te ho tia ? ny ahy ny toetran\'ilay olona no mahatonga azy namako na tsia. Avy eo rehefa namako izy, satriko raha mba lasa kristiana izy ! fa tsy izay moa ilay resaka eto...




11. marylou ( 01/07/2007 12:15)
niryna:

Nisy fanontaniana ity nomen'ny olona ahy ka mba zaraiko amintsika rehetra eto.
Raha manana namana ianao:ny iray kristiana,ny iray tsy kristiana.
Samy sahirana be izy ireo ka mila vonjy.Ataovy hoe ara-bola.Mila vonjy izany tsy hoe mbola averina ny volanao an.Iray ihany ho izy no ho vonjenao,tsy azo zaraina izany ilay vola.
Iza amin'ireo namanao roa ireo hoy izy no ho vonjenao?
Dia mba omeo hoe ny antony raha azo atao8)
Misaotra mialoha:D
xtiana zah dia le xtiana to aahy aloha no vonjeko!:°)


12. marylou ( 01/07/2007 12:17)
cf ikaretsaka: @ maha xtiana "Anay" no hamonjena ilay olona, fa ilay xtiana aloha no vonjena voalohany.:°)
13. ikaretsaka ( 01/07/2007 12:21)
dia misy indray koa tenina mompera ao analamahitsy ao manao hoe "samy zanak'Andriamanitra daholo letsy a"
14. vale ( 01/07/2007 12:32)
resa-bola ve sa resaka fanahy ilay hamonjena..eto toa resa-bola koa!:lol::oops::oops::oops:
15. marozevo ( 01/07/2007 13:10)
Ka na kristianina na tsy kristianina dia samy mila vola daholo koo... Ka tokony ho samy omena, raha afaka manome.

Ka na namako na tsy namako, na fahavaloko aza, dia samy mila vola koO... ka tokony samy omena raha afaka manome.

Io izany ny hevitr'i Marylou... ny anay sy ikaretsaka koa efa voalaza ao... Ahoana ny an'ny hafa ?
16. soanja ( 01/07/2007 13:30)
Tiavo ny namanao, ny mpifanolo bodorindrina aminao, ny fahavalonao sy ny rehetra fantatrao sy tsy fantatrao. Mitovy tsy misy valaka ny tokony ho zavatra tsapa zany hoe "ezaka io" fa sarotra tanterahina raha toa ka kristianina ianao.

Ny hoe iza no hovonjena sy ny tsy hovonjena izany dia tsy miankina amin'ny finoany akory no tokony hipetraka ny fanontaniana fa ny mahamaika sy mahazava-dehibe ny famonjena olona iray.

Amiko ny vonjy aina no fanampiana voalohany atolotro ny hafa. Ankaotr'izay dia mila alalinina tsara vao manampy sao fanampiana vao maika manimba ny hafa no mitranga.

Tsy voatery hanampy koa anie isika raha toa ka hitarika fikorontanana ny fanampiana ny iray: Na aminao mpanome na aminy mpandray na amin'ny hafa tsy nahazo. Mila lanjalanjaina lalandava vokatry ny asa (action) atao.
17. xxx ( 01/07/2007 15:43)
fanontaniana ho an'i Niryna :


Iza no mila fanampiana bebe kokoa @ iza roa ?
Iza no mila vola maika kokoa ?

Jereo àry ny hiérarchie de valeur sy ny urgence ihany koa
18. marozevo ( 01/07/2007 16:20)
:):)
Ndao tokoa ary hoe apetraka amin'i Nyrina ny fanontaniana.... na hoe iangaviana i Nyrina mba hilaza ny heviny amin'ny fanontaniana napetrak'ilay olona taminy.
19. ikaretsaka ( 01/07/2007 16:36)
eny tokoa :idea: hevitra mety
20. pissoa ( 01/07/2007 17:12)
Iee, izaho hiteny hoe mitovy ny fitiavako azy ! tsy mipetraka amiko akory ilay fanontaniana rehefa efa namako izy fa zaraiko araka izay azo atao ny famonjena azy.
Fa maninona no hoe miteniteny foana ? ny ahy aloha tsy ny maha kristiana azy na tsia no hitiavako azy bebe kokoa na tsia ! ny maha kristiana angaha moa marque ka hoe rehefa mitondra io dia maha-te ho tia ? ny ahy ny toetran'ilay olona no mahatonga azy namako na tsia. Avy eo rehefa namako izy, satriko raha mba lasa kristiana izy ! fa tsy izay moa ilay resaka eto...

tsisy teoria be hoe Kristianina na tsia ka, fa tsy hay fotsiny ny mandrefy/mandanja sns fitiavana donc ... tsy ho afaka miteny hoe mitovy ! mitovy ahoana ? :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103