Tsy azo disona ny Baiboly, nefa ve tena marina????

41. gasynamana ( 18/06/2007 23:33)
Angaha tsy iray ihany Andriamanitra e! Ianao anie no tena manafangaro voraka ny zavatra e. Resaka Jakoba no resahana, jereo io ambony io, resaka tantaran'i Madagascar no lazainao, sy resaka ady tamin'ny 47.

Tsy haiko hoe izaho ve no tsy misy lojika sa ianao? Izaho miresaka dia baiboly no raisiko ary tsy nandray zavatra hafa aho fa io ihany.
42. marozevo ( 18/06/2007 23:36)
Ohatra ireo ka... Rehefa manao exemple dia zavatra mora takatra no resahina.
Fa ilay Jenezy sy Evanjely raisinao, tsy amin'ny maha ohatra azy tsinona koo...
43. gasynamana ( 18/06/2007 23:37)
Raha testamenta taloha indray ary no raisina dia izao: Araka ny testamenta taloha, moa azo tsapain-tanana ve Andriamanitra? Moa azo atao ve ny mahita azy face à face?
Hitarina kely ny fandinihana: inona no nanamelohan'ny Jody an'i Jesoa moa tsy ny filazany ny tenany ho Andriamanitra ve? Ny dikan'izany ho an'ny Jody sy araka ny testamenta taloha dia tsy azo atao ny mifanatri-tava amin'Andriamanitra. Ka ahoana?
44. marozevo ( 18/06/2007 23:43)
Na ao amin'ny TT na ao amin'ny TV, dia misy ny atao hoe "Théophanie", izany hoe Andriamanitra maneho ny tenany amin'ny olona amin'ny endri-javatra takatry ny sain'ny olona....
Ohatra hoe ilay olona telolahy niseho tamin'i Abrahama... ohatra koa hoe i Moizy sy ilay afo niredareda....

Miezaka mi-comprendre ny Jody tamin'izany isika... Raha ity tokoa ary ankehitriny ka misy olona tonga mandom-baravarana ao aminao, dia milaza fa Jesoa izy. Tonga dia hino ve ianao ? Tsy hino ianao satria efa vita sary ao an-tsainao sy ao am-ponao ilay Jesoa inoanao, izay tsy mitovy amin'io olona mandondona io....
45. gasynamana ( 18/06/2007 23:44)
Ohatra ireo ka... Rehefa manao exemple dia zavatra mora takatra no resahina.
Fa ilay Jenezy sy Evanjely raisinao, tsy amin'ny maha ohatra azy tsinona koo...

Jereo kely azafady, moa ve diso raha miteny fa ilay Andriamanitra Mpahary ao amin'ny Jenezy dia ilay Andriamanitr'i Jesoa Kristy ihany, izay ao amin'ny Evanjely? Ilay trinite Masina lazaina fa nahary ny tany aman-danitra moa tsy ilay Trinite Masina ao amin'ny Evanjely ihany: Ray, Zanaka, Fanahy Masina?
46. marozevo ( 18/06/2007 23:46)
ie... marina izany... Fa ny olana tsy hoe miova izy ao amin'ny TV, fa ny fomba anambarany ny tenany dia tsy indray mitoraka fa tsikelikely.... Izany no mahasamihafa ny fomba fanaovana analysen'ny TT sy TV.
47. marozevo ( 18/06/2007 23:48)
Eh... aoka izay aloha ny anio r'ise ah... Ny resaka tsa mba matsigny, ka rahampitso indray hanina eh...
48. gasynamana ( 18/06/2007 23:50)
Ka izay: Andriamanitra no nolazaina fa niady taminy ary resiny. Mbola Andriamanitra ve izy raha resin'ny olombelona? Izay no fanontaniana.
49. LazaDaddy ( 19/06/2007 00:02)
ikaretsaka:
misy zava diso bedebe ao anaty baibol
-ny daty tsy mifandraika ohatra, voalaza ao @ asa sy ny epistilin'i paoly, satria samihafa ny mpanoratra dia mifandiso daty
Daty inona avy izany lazainao izany mba omeo ohatra iray monja amin'izany be dia be izany hoe azafady :)

gasynamana> azoko an-tsaina tsara ny ahiahinao fa andao ary ho dinihintsika miaraka ilay voasoratra fa samy mianatra moa isika eto.

Toy izao ny voalaza ao @ ilay lahatsoratra notsongainao:
"25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro. 26 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy. 27 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho. 28 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anara­nao? dia hoy izy: Jakoba. 29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anara­nao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona hianao ka nahery."

1) Toa tsy Andriamanitra io resiny io fa olona sa ahoana ny hevitr'i Gasynamana? Raha tsy diso aho dia toa tao amin'i Jesoa irery ihany Andriamanitra no tonga "olona" sa misy teny mifanohitra amin'izany ao amin'ny Baiboly hoy ianao? Raha izaho no mamaky an'io izao dia irak'Andriamanitra io olona nitolona tamin'i Jakoba io.

2) Ilay hoe "nitolona tamin'Andriamanitra" indray amiko misy hevi-dalina mifono "persistence". Vakio anie ilay fanoharana nataon'i Jesoa momba ilay mpitsara sy vehivavy mananotena e. Namifandraisiny amin'Andriamanitra Ray io tantara io t@ namaranany azy.

Sa ahoana hoy i Gasynamana?
50. LazaDaddy ( 19/06/2007 00:10)
gasynamana> lioka 18:1-8 io fa adinoko ny nanome azy.
Toy izao ny fanombohany:
"Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka, dia nanao hoe:..."
51. ikaretsaka ( 19/06/2007 01:50)
laza: io efa a sasany io ambony io aby angamba fa ny anao no mety maso hafa no nijery azy toy ny mahazatra!
52. naritsimba ( 19/06/2007 05:22)
Miarahaba antsika rehetra!
Raha ny Baiboly no resahina dia finoana io, famonjena no resahin'ny Baiboly anjaran'ny tsirairay no hino na tsy hino.
53. rakaroka ( 19/06/2007 05:35)
naritsimba:

Miarahaba antsika rehetra!
Raha ny Baiboly no resahina dia finoana io, famonjena no resahin'ny Baiboly anjaran'ny tsirairay no hino na tsy hino.


Ny "finoana" sy "famonjena" tsy à la portén'ny saina
amam-panahin'ny "terrien" kosa tokony ivela any @ domaine sahaza izany!:roll::roll:8O
54. majesty ( 19/06/2007 05:51)
ôtran'ny fantapantatro izany i Gasynamana amin'ilay fomba firesany,fa mbola mandalo fotsiny aloha fa refaveo miverina fa mbola ts'isy fotoana:D
55. nathie86 ( 19/06/2007 06:45)
d aôna ra mbola misy diso ny Baiboly, d tsy hisy manana ny marina intsony zany sa:roll::?
56. hery ( 19/06/2007 08:06)
Nandritra ny alina fotsiny aho no tsy namaky dia lasa lava be ilay izy :-)

gasynamana> Inona no itompoanao teny fatratra hoe marina ara-tantara sa diso ara-tantara? Ny heviny no raisina. Fantatrao ve ny hevitry ny hoe manova anarana ao amin'ny baiboly? (ohatra hoe Abrama natao Abrahama)
Na nisy ara-tantara na tsy nisy ara-tantara dia tiana haseho fa nomena charge vaovao, nomena identité vaovao (toy ny hoe natao batemy nomena anarana, na relijiozy manao voady omena anarana) i Jakoba dia lasa Israely. Tsy important ny fomba itantarana izany fanovana anarana izany. Raha taty aoriana dia mety hisy hitantara hoe "Nisy rayon laser avy any andanitra dia tonga dia ni-se metamorphoser i Jakoba dia lasa Israely :-)". Ka izay no ilazana hoe tsy ny tantara no ifikiro. Azo lazaina hoe natsangan'Andriamanitra ho vahoakany Jakoba teto.
Ka ny tantara hoe niady t@ Andriamanitra ka nandresy (izay mety azo adika ara-kevitra fa tsy ara-tantara hoe nampiseho ny heriny ka azon'Andriamanitra itokisana) sy ny hoe nitenenan'Andriamanitra hoe izao indray no anaranao... dia "mety" tsy ho nisy ara-tantara. Ny zavatra nisy dia hoe nomena anarana vaovao izy fa hiova pejy. Afaka manoratra izay heverinao hifanaraka amin'izay tantara izay koa ianao :-)

LazaDaddy> tsy lahatsoratra IRAY no nalain'i gasynamana fa lahatsoratra ROA tsy mifandray kanefa mitantara zavatra iray. Normal raha tsy mitovy tanteraka na dia zavatra iray aza no tantarainy satria siècles maromaro no manelanelana ny fotoana nanoratana azy. Noho izany tsy azonao raisina hoe iza no marina ara-tantara. Ary betsaka ny zavatra ao anaty baiboly no toa izany... fa tsy izany akory no hampiova ny finoanao. Raha tsy hoe nifantoka t@ voasoratra ara-bakiteny ianao :-)
57. LazaDaddy ( 19/06/2007 08:20)
Tsy manohitra ilay fanazavako mihitsy ireo lahatsoratra roa ireo fa vao maika manamafy azy :).
58. gasynamana ( 19/06/2007 12:26)
LazaDaddy: raha lazainao ary fa olona io ao amin'ny jenezy32 io, irak'Andriamanitra. Nahoana no sahy milaza hoe: efa niady tamin'Andriamanitra ianao ka nandresy? Sa diso ny soratra masina nilaza an'izay fa tokony hoe: efa niady tamin'ny irak'Andriamanitra ianao ka nandresy?
Raha tsy andriamanitra io hoy ianao. Nahoana no afaka manova anarana, izany hoe afaka manome charge vaovao araka izay nolazain'i Hery eo ambony?
De misy tantara iray koa ao amin'ny jenezy 35: milaza fa tamin'izay fotoana izay indray no nanovana ny anarany.
Aiza amin'ireo izany no izy? Sa tsy nisy io fa tsy sahy lazaina satria scandale be araky ny hevitr'i marozevo ny mandiso izay voasoratra?
Hatreo aloha
59. gasynamana ( 19/06/2007 16:33)
LazaDaddy: jereo kely koa fa mbola misy tsy de tena izy loatra ny zavatra ambaranao:
Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.

io voasoratrao io ve no izy sa hoe: tsy avelako handeha ianao raha tsy mitsodrano ahy?

60. marozevo ( 19/06/2007 18:41)
Sa tsy nisy io fa tsy sahy lazaina satria scandale be araky ny hevitr'i marozevo ny mandiso izay voasoratra?


Izany tokoa ve moa no voalazako ao ambony ao ?... Toa tsy izany ka !

Izao no lazaiko ao ambony ao :

Izao ary, io ohatra nasaiko noraisinao io, dia tantara niseho teo ho eo amin'ny 1960, (Izany hoe vao 50 ans lasa eo ho eo)hoy isika, ary ny olona manoratra azy (roa) dia olona mitovy andro iainana na dia samihafa toerana onenanana aza. Dia io lazainao io no vokany, misy ifandraisany fa tsy mitovy tanteraka nefa...
Dia ivereno amin'izay ilay tena izy momba ny voalazanao ao ambony ao : Zava-nitranga taon-jato maro talohan'ny nanoratan'olona roa azy, ary ireo olona roa nanoratra ireo dia nisy elanelam-potoana be koa...

Dia gaga ve ianao raha samihafa ny vokatry ny asany.

Ity indray mbola ohatra iray : Makà olona roa, ka ny iray Malagasy efa zokinjokiny ary ny iray vazaha efa zokinjokiny koa, asaivo manao mémoire mikasika ny 29 mars 1947 izy ireo, dia ho hitanao fa mifanohitra be ny zavatra hambarany. Nisy ve anefa ilay 29 mars 1947 ?
gasynamana ah > Tsoriko fa tena passionant be ilay resaka ifanaovantsika, ary hita fa tena samy miezaka isika. Izaho angamba no tsy mahay manazava eh...

Dia ovako amin'izay ny fomba filaza azy, rehefa avy nilaza ireo ohatra be dia be ireo isika. Ovako, nefa mamerina ny efa voalaza any ho any ihany. Rehefa mamaky zavatra ohatr'ireny an, dia aza ny détail na ny fahasamihafany, izay tena miharihary no ifotorana, fa ilay finiavan'ilay nanoratra azy. Nizara ny lovam-pinoany izy, izay no fomba nahafantaran'ilay nanoratra azy tamin'ireo fotoana samihafa be voalaza ireo. Temoignage ny azy, tsy tantara fa toe-panahy. Ary ny tanjony dia hampita zavatra amin'ny taranaka mifandimby.

Misy fomba hafa ahafahana mandalina bebe kokoa io voalaza io, fa mihoatra loatran'ny sehatra eto, ka sao hampivadika ati-doha ahy eto ianao. Ka ialàko tsiny raha tsy ho voatanisa eto.

Misaotra anao indrindra.


Za tsy miantoka 100% hoe nisy io, nefa za koa tsy sahy milaza hoe tsy nisy io.

Nisy io, fa tena hafa mihitsy fa sady tsy ilay voalohany no tsy ilay faharoa. Sao dia heverinao fa mananihany aho fa tena izay le izy... Heveriko fa ho afaka ho discret ianao matoa nilazako an'izay, raha malemy finoana manko dia scandalisé amin'io.

Ohatra iray koa, voalaza, ary eken'ny rehetra fa I Abrahama niteraka an'i Issaka, Isaaka niteraka an'i Jakoba, ary i Jakoba niteraka an'i Jodà 12 lahy. Samy nisy daholo na Isaaka na Jakoba na Jodà 12 lahy, fa olona samihafa mihitsy fa tsy nifampiteraka araka io voalaza io.

Aza manontany Porofo momba izany fa tsy ho voavaly eto akory izany....
Misaotra.


Toa misy itovizany amin'ilay lazain'i Hery ireo raha tsy diso aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1183