Tsy azo disona ny Baiboly, nefa ve tena marina????
21. gasynamana
(
18/06/2007 19:05)
De mba azavao àry e! Izay mantsy no hitako ao. Raha somary hazavaina kely dia hoe: tantara roa samihafa, fotoana roa samihafa, ilazana zavatra iray natao tamin'ny olona iray. Io no voalohany. Donc tsy nisy fa nampisina izany, dia mifandipatra be ihany
Avy eo dia lazaina fa niady tamin'andriamanitra izy. Ary lazaina fa nandresy an'Andriamanitra sy ny olona izy. Nefa lazaina ery aloha fa olona iray no niady taminy. Andriamanitra koa ve de mety ho resin'olombelona?

23. marozevo
(
18/06/2007 21:08)
Izao ary ohatra no lazaiko anao. Mandraisa evenement iray nitranga tamin'ny 1960 eo ho eo, nefa tsy ahitana tahirin-kevitra. Dia mangalà olona roa samihafa sady mifanalavitra toerana onenana, dia samy asaivo manoratra ilay evenement izy ireo mandritra ny iray andro maninjitra. Avy eo ampitahao ny vokatry ny asany. Dia ho azonao amin'izay.
24. gasynamana
(
18/06/2007 22:11)
marozevo: De jereo fa tsy maintsy hisy fitoviana ireo fa tsy mifandaka atsimo sy avaratra ohatra an'ity.
25. marozevo
(
18/06/2007 22:14)
ie... misy fitoviany koa iretsy ka... fara faharatsiny ny hevi-dehibe tiany hampitaina.
Azonao ve aloha ny tiana hambara amin'io e ?

27. marozevo
(
18/06/2007 22:27)
Izao ary, io ohatra nasaiko noraisinao io, dia tantara niseho teo ho eo amin'ny 1960, (Izany hoe vao 50 ans lasa eo ho eo)hoy isika, ary ny olona manoratra azy (roa) dia olona mitovy andro iainana na dia samihafa toerana onenanana aza. Dia io lazainao io no vokany, misy ifandraisany fa tsy mitovy tanteraka nefa...
Dia ivereno amin'izay ilay tena izy momba ny voalazanao ao ambony ao : Zava-nitranga taon-jato maro talohan'ny nanoratan'olona roa azy, ary ireo olona roa nanoratra ireo dia nisy elanelam-potoana be koa...
Dia gaga ve ianao raha samihafa ny vokatry ny asany.
Ity indray mbola ohatra iray : Makà olona roa, ka ny iray Malagasy efa zokinjokiny ary ny iray vazaha efa zokinjokiny koa, asaivo manao mémoire mikasika ny 29 mars 1947 izy ireo, dia ho hitanao fa mifanohitra be ny zavatra hambarany. Nisy ve anefa ilay 29 mars 1947 ?

28. gasynamana
(
18/06/2007 22:32)
ny zavatra nitranga no mety samy hafa ny filazany azy, fa izy rehetra kosa dia samy hilaza fa tamin'ny fotoana toy izao sy tamin'ny toerana toy izao no nitrangan'io.
Jereo ao amin'ny evanjelin'i Lioka sy Matio fa samy mitantara ny nahaterahan'i Jesoa. Misy ny tsy fitoviana fa ny zavatra nitranga kosa dia nifameno fa tsy mifanipaka. Donc tsy nisy ity tantara mikasika an'i Jakoba ity fa noforonina.

29. marozevo
(
18/06/2007 22:37)
Izao ho'aho : Ny Evanjely Lioka sy Matio dia nosoratana 65 na 80 ans taorian'ilay evenement, ary samy Apostoly izy ireo no manoratra, izany hoe mitovy kolon-tsaina.
NB : Marihina fa tsy anisan'ny 12 i Lioka, fa Apostoly niaraka tamin'i Paoly.
Fa ilay Jakoba voalazanao dia nosoratana 1200 taona taorian'ilay evenement ny iray, ary ny iray 1600 taoriana. Ity faharoa dia tsy nahita ny voasoratr'ilay voalohany.

30. gasynamana
(
18/06/2007 22:45)
Ka eo indrindra. Araka io voalazako eo ambony io dia tsy misy hevitra mifandaka ireo evanjely roa ireo raha mikasika ny nahaterahan'i Jesoa, eny fa na dia olona roa samihafa sy tamin'ny fotoana roa samihafa aza no naoratana azy.
Fa jereo kely ilay jenezy 32 sy 35. Tantara roa samihafa ireo, toerana roa samihafa ary fotoana roa samihafa koa nefa olona iray no lazaina fa novaina anarana ao amin'ireo fotoana roa ireo. Donc tsy nisy io.

31. marozevo
(
18/06/2007 22:53)
gasynamana ah > Tsoriko fa tena passionant be ilay resaka ifanaovantsika, ary hita fa tena samy miezaka isika. Izaho angamba no tsy mahay manazava eh...
Dia ovako amin'izay ny fomba filaza azy, rehefa avy nilaza ireo ohatra be dia be ireo isika. Ovako, nefa mamerina ny efa voalaza any ho any ihany. Rehefa mamaky zavatra ohatr'ireny an, dia aza ny détail na ny fahasamihafany, izay tena miharihary no ifotorana, fa ilay finiavan'ilay nanoratra azy. Nizara ny lovam-pinoany izy, izay no fomba nahafantaran'ilay nanoratra azy tamin'ireo fotoana samihafa be voalaza ireo. Temoignage ny azy, tsy tantara fa toe-panahy. Ary ny tanjony dia hampita zavatra amin'ny taranaka mifandimby.
Misy fomba hafa ahafahana mandalina bebe kokoa io voalaza io, fa mihoatra loatran'ny sehatra eto, ka sao hampivadika ati-doha ahy eto ianao. Ka ialàko tsiny raha tsy ho voatanisa eto.
Misaotra anao indrindra.

33. marozevo
(
18/06/2007 23:01)
Za tsy miantoka 100% hoe nisy io, nefa za koa tsy sahy milaza hoe tsy nisy io.
Nisy io, fa tena hafa mihitsy fa sady tsy ilay voalohany no tsy ilay faharoa. Sao dia heverinao fa mananihany aho fa tena izay le izy... Heveriko fa ho afaka ho discret ianao matoa nilazako an'izay, raha malemy finoana manko dia scandalisé amin'io.
Ohatra iray koa, voalaza, ary eken'ny rehetra fa I Abrahama niteraka an'i Issaka, Isaaka niteraka an'i Jakoba, ary i Jakoba niteraka an'i Jodà 12 lahy. Samy nisy daholo na Isaaka na Jakoba na Jodà 12 lahy, fa olona samihafa mihitsy fa tsy nifampiteraka araka io voalaza io.
Aza manontany Porofo momba izany fa tsy ho voavaly eto akory izany....
Misaotra.

34. gasynamana
(
18/06/2007 23:08)
Za tsy miantoka 100% hoe nisy io, nefa za koa tsy sahy milaza hoe tsy nisy io.
Ny filazana fa tsy afaka miantoka 100 isan-jato ny fisiany dia efa marika iray ilazana koa fa azo antoka fa tsy nisy izy.
Ny hoe tsy sahy milaza fa tsy nisy izy: dia mbola manamafy koa fa tsy nisy izy izany.
Halalina ny fanadihadina: misy olona afaka mandresy an'Andriamanitra ve? Raha resin'ny olombelona ve izy dia mbola Andriamanitra?
Eo indray ary!
36. gasynamana
(
18/06/2007 23:13)
:lol::lol::lol:
Ka ahoana no tsy voasoratra ao zany. Sa misy an'izay ao fa tsy hitako? Mba asehoy kely hoe jerena.

37. marozevo
(
18/06/2007 23:16)
Hosoratana ao daholo koa ve izao zavatra rehetra izao e.... Tsy voasoratra ao izany.
Hevero kely fotsiny ireny raim-pianakaviana mody mifanala hazakazaka amin'ny zanany ireny, dia hoe resy... nefa raha tena nihazakazaka ve izy dia izay zazakely iny hahomby azy...
Tsarovy fa Ray Andriamanitra, ary zanaka ny vahoakany. Io indrindra no itarafana fa tsy mifanohitra amin'ny kolon-tsain'olombelona akory ny fampianarana sy ny fitantanan'Andriamanitra.

38. gasynamana
(
18/06/2007 23:23)
Ny voasoratrao izay tsy azonao lavina ry marozevo de hoe: niady tamin'andriamanitra izy ka nandresy. Tsy fomban'andriamanitra ny manao sarin'ady. I jesoa maty dia tena maty fa tsy mody maty akory.
Donc ny zavatra lazainao de manohitra ny hevitra voasoratra ao amin'io bokin'i Jenezy io.

39. gasynamana
(
18/06/2007 23:25)
Ny voasoratra ao izay tsy azonao lavina ry marozevo de hoe: niady tamin'andriamanitra izy ka nandresy. Tsy fomban'andriamanitra ny manao sarin'ady. I jesoa maty dia tena maty fa tsy mody maty akory.
Donc ny zavatra lazainao de manohitra ny hevitra voasoratra ao amin'io bokin'i Jenezy io.
Donc ny zavatra lazainao de manohitra ny hevitra voasoratra ao amin'io bokin'i Jenezy io.
40. marozevo
(
18/06/2007 23:25)
Mifangaro voraka izy izany ry havako....
Jenezy sa Evanjely....
Ny pedagogie divine dia progressive, ka tsy mety raha atao mitovy ny analysen'ireo.