Tsy azo disona ny Baiboly, nefa ve tena marina????

101. ikaretsaka ( 23/06/2007 17:28)
ampio ihany ny recherche anao, dia jereo ireo voasoratra bedebe momba an'io ao amin'ny articlen'ny taonjato faha 13
dia io lazain;i Gasynamana io tokoa
102. gasynamana ( 24/06/2007 15:21)
niryna: hanampy anao hanao fikarohana dia mba vakio kely izay zavatra nolazan'ireto olona ireto. Marihana fa tsy katolika daholo izy ireo fa misy protestanta, ary protestanta no nanomboka ny fikarohana voalohany.

1- Ibn Esra: tany amin'ny taonjato faha 11 tany ranama io no nilaza voalohany fa tsy i Moizy no nanoratra ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly

2- A.B. Karlstadt (1541): izy ity indray dia nanao affirmation mihitsy fa tsy i Moizy no nanoratra ireo boky ireo

3- A. Masius(1573): nanamafy fa tsy i Moizy no nanoratra ireo.

4- Richard Simon (1638-1722).
103. gasynamana ( 24/06/2007 16:47)
Manampy ireo dia ny daty nanoratana ireo boky rehetra ireo. Ohatra fotsiny: Ny bokin'ny Jenezy toko voalohany dia nosoratana taty aorinan'ny exil tany babilona. I Moizy anefa ve mbola velona tamin'izany? Vondrona mpisorona no nanoratra azy io, izany hoe avy amin'ny loharano saserdotaly. Ny fomba fanoratr'izy ireo dia mora fantatra satria efa lasa lavitra kokoa. Jereo ao amin'ireo boky dimy ireo fa ny fomba fanoratr'ireo dia misy fiandohana ary misy fihafarana lalandava. Ohatra ny bokin'ny Jenezy toko voalohany.
104. ikaretsaka ( 28/06/2007 12:17)
misaotra an'i gasynamana sy i hery...
105. xxx ( 28/06/2007 15:47)

Misy fanontaniana maromaro mipetraka moa ato ka hovaliana araka izay mba tratra.

1 - Ny fanamarihana voalohany dia izao: tsy misy ny zavatra tena voasoratra hoe: objectif, fa tsy maintsy hita ao foana ny maha izy ilay mpanoratra izany hoe: subjectif.

1 - Marihana avy hatrany fa marina ny filazana hoe: tsy Moizy no nanoratra ny Boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly. Vondron'olona samihafa tokoa no nanoratra ireo. Hanampiako izay fanazavana efa nataon'ireo namana teo aloha dia izao: raha jerena ny dikan-teny amin'ny teny Hebraika dia hita fa misy anarana roa samihafa iantsona an'Andriamanitra ao: Iaveh sy Jehovah. Raha olona iray no nanoratra ireo boky ireo dia ho anarana iray ihany no niantsony an'Andriamanitra fa tsy ho roa toa izany.

2 - gasynamana: Ny filazanao fa tsy nisy io tantara fanovana anarana an'i Jakoba io dia diso. Ny fanamarihana nataonao kosa dia marina. Tsy misy ny zava-marina roa fa na miara-diso izy, na diso ny iray.

Fanazavana: Ilay ao amin'ny Jenezy 32, 23-33. Mitantara ny adin'i Jakoba tamin'Andriamanitra dia izao:

a - Io tondroina hoe andriamanitra eto io dia tsy andriamanitra no sady tsy irak'andriamanitra koa. Raha atao ny fandinihana dia demony io. Ny demony no miady amin'ny olona, ny demony no mety resin'ny olona. Raha Andriamanitra dia tsy hiady amin'ny olombelona mihitsy, ary tsy ho resin'ny olombelona koa.

b - Ny nampisy ny olana dia izao: efa nisy ny tantara fototra nipetraka, avy eo ireo vondron'olona taty aoriana samy nanovana araka izay fiainany sy fahitany azy, ka ireo soratra notovanana taty aorina ireo no tena nampisy ny olana. Ohatra ireo antsoina hoe etiologie (aitiologia amin'ny greka, aitia = causa ary ny logos = parole/discours). Izy ireo dia te hanamarina sy hanamafy fa nisy tokoa ny zavatra iray amin'ny alalan'ny fanomezana famaritana. Betsaka ny ohatra azo raisina ao amin'ny Baiboly ao. Nefa mazana no diso ireny, na mandiso ny hevitra tiana hampitaina: ohatra, eto ny fanatovanany ny hoe: ary natao hoe Panuela ilay toerana satria teo izy no nahita an'Andriamanitra mivantana. Io izao dia zavatra notovanana taty aorina. Ohatra hafa koa: ny anaran'i Moizy dia lazain'izy ireo fa natsoina hoe Moizy izy satria tamin'ny rano no nangalana azy, Exodus 2:10 : “ Il devint pour elle un fils et elle lui donna le nom de Moïse, «car, dit-elle, je l'ai tiré des eaux» . Io izao dia azo lazaina hoe diso koa, satria ireo zanak'i Faraona rehetra dia nantsoina hoe Motsé avokoa. Ny anaran’i faraona moa dia hoe Tut-Motsé, ary ireo zanany kosa Ahi-motsé, Ptah-motsé,... Ny dikan'ny hoe motsé dia hoe: "né" (teraka) misy ifandraisany amin'ny hoe divinité. Ny hoe Tut-Motsé dia midika hoe: incarnation de la divinité Tut. Noho izany tsy mitombina ilay famaritana ny anarany ao amin'ny baiboly.

Tsao-kevitra: tsy teto amin'ity Jenezy 32, 23-33 ity io fanovana ny anaran'i Jakoba io fa any amin'ny Jenezy 33, satria Andriamanitra no nanova ny anarany fa tsy ny demony akory.
Ilay famindrana io fanovana ny anaran'i Jakoba io ao amin'ny Jenezy 32 dia tsy haiko aloha ny antony, fa ilay nanovanana ny hoe Panuela dia entina hanamafisana fotsiny hoe: tena nihaona mivantana tamin'Andriamanitra teo tokoa izy, nefa izay diso.

Ataoko fa mety mba nanampy anao sy ny hafa izay zavatra voalaza izay.

Ho amintsika rehetra anie ny fahasoavan'Andriamanitra! Amen.
106. ikaretsaka ( 29/06/2007 11:33)
Tsy misy ny zava-marina roa fa na miara-diso izy, na diso ny iray.

ampiako kely fotsiny ilay fomba fiteny so tsy mazava

tsy misy ny zavatra mifanohitra nefa samy lazaina hoe marina fa na miara diso , na diso ny iray!
107. niryna ( 11/07/2007 04:12)
gasynamana:

Misy ny olona no milaza fa izay voasoratra ao anaty Baiboly ihany no marina sy izy. Nefa ve izay voasotra de marina daholo?
Misy tantara maromaro mampametraka fanontaniana ao amin'ny testamenta taloha ao amin'ny Baiboly. Ohatra ireto:
1 - Ovina no nanovana marina ny anaran'i Jakoba ho Israely? Sa tantara noforonina fotsiny iny fa tsy nisy an'izany akory?
2 - Ilay fiampitana ny ranomasina mena ve nisy sa tsy nisy, satria misy zavatra roa nolazaina fa nampisaraka ny rano, ary rehefa mijery carte mampiseho ny dian'ny vahoaka Israely avy any Ejipta dia tsy misy an'io fiampitana ny ranomasina mena io?
3 - Iza amin'ny tantaran'ny fahariana no tena marina, ilay voalohany sa ilay faharoa? Sa tsy nisy koa io?



Izay voasoratra dia voasoratra,matoa tsy mino izay ao anaty baiboly ny olona dia manana fisalasalana izy izany hoe misy tokoa ve ilay Atra sa tsia.
Vakio ary ezaho izay vitanao Testamenta Taloha,dia maka koa ny Testamenta Vaovao fa misy hifandraisany ary tsy afaka misaraka ireo.
Mazoto ary mangataha ny Fanahy Masina hanome hery anao ahafantaranao izay teny tian'Atra omena anao.
108. ikaretsaka ( 15/07/2007 20:09)
izay voasoratra dia voasoratra,ny voadika vilana dia voadika vilana, ny famoizana hevitra tiana voizina dia famoizana hevitra izay tiana voizina ...
fa izay tsy voasoratra nefa inoana sy misy fahamarinana ko no tena izy. ilay mino fa na izao tontolo izao aza tsy ampy hanoratana azy rehetra! fa miseho @ lafiny rehetra ilay izy..
"jereo @ alalan'ny zavatra rehetra Andriamanitra dia hitanao fa eo akaikinao lalandava Izy"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2653