Famonjena na salvation.

161. diamondra27 ( 19/06/2007 23:01)
fantanao @izay izany izao ny atao hoe: ota sy ny tokony hatao mba hahazoana ilay famojena:

Miaiky fa mpanota
Mandray an'i Kristy ao am-ponao Apokalypsy 3:20
" Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko."
Manaiky tarihiny @ fiainanao rehetra

vita ny fanontaniana voalohany
162. marozevo ( 19/06/2007 23:03)
Efa ela be aza no vita koo...
163. diamondra27 ( 19/06/2007 23:18)
Ny atao hoe: zanak'Atra dia

Jaona 1:12
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Atra dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona fa naterak'Atra

mila mino an'Andriamanitra (izay mino Ahy ny asa ataoko no hataony koa),
tsy manao ny sitrapon'ny nofo sy ny olona galatiana 5:19-21

Mila mandeha araky ny fanahy galatiana 5:22-25
164. diamondra27 ( 19/06/2007 23:19)
marozevo:

Efa ela be aza no vita koo...

:-D
165. marozevo ( 20/06/2007 00:02)
Diso angaha io ry Diamondra ?:oops::}:oops::oops::oops:
166. niryna ( 20/06/2007 04:53)
diamondra27:

fantanao @izay izany izao ny atao hoe: ota sy ny tokony hatao mba hahazoana ilay famojena:

Miaiky fa mpanota
Mandray an'i Kristy ao am-ponao Apokalypsy 3:20
" Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko."
Manaiky tarihiny @ fiainanao rehetra

vita ny fanontaniana voalohany

Misaotra diamondra27 nanazava a.

167. niryna ( 20/06/2007 05:42)
Hanohizako ny tenin'ny namana dia afaka manontany tena isika hoe efa nandray famonjena ve aho?Moa ve aho mino fa ho an'ny an-danitra ?

Ny Jaona 3:7 manambara amintsika fa tsy maintsy ateraka indray isika(must be born again)Rehefa niteny an'i Jesosy i Nikodemosy fa tsy misy olona mahay ny famantarana ataony raha tsy Atra no momba Azy.Hoy Jesosy hoe Raha tsy ateraka indray ny olona,dia tsy mahazo miditra ny fanjakan'Andriamanitra.

Toy izany ihany koa ny mpiambina ny figadrana raha nahita ny varavarana nivoha ary dia resy lahitra ka nanontany an'i Paoly sy Sila hoe Tompoko inona no mety ataoko mba ho vonjena aho?
Dia hoy izy roa lahy mino an'i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.Asa 16:30-31

Jesosy irery ihany izany no lalana sy fahamarinana ary fiainana.

Tsy misy afaka mankany amin'ny Rainy raha tsy avy amin'ny alalan'i Jesosy irery ihany.

Voavonjy izay rehetra mino an'i Kristy.
Tsy nisy ny famonjena raha tsy nanolotra ny rany ho antsika Izy(Lev 17:11)
Ny fanekena fa meloka isika ka mila mibebaka sy mifona amin'Atra(Asa 17:30)
Ny famonjena omen'Atra dia:Raha mpanota ka tsy mino an'i Kristy izay maty noho ny otantsika,dia ho very any amin'ny afobe mandrakizay isika.Raha mino kosa anefa isika fa nijaly ka maty,ary nitsangana ho mpanavotra antsika Izy dia ho voavela ny elontsika ary dia ahazo ny fiainana mandrakizay any an-danitra isika.
168. diamondra27 ( 20/06/2007 08:58)
niryna:

_____________________________________

dia mipetraka indray ny fanontaniana izany hoe: azo antoka ve ny fananana fiainana mandrakizay (fiainana be de be... tsy voafetra)

169. diamondra27 ( 20/06/2007 09:04)
azon'ny olona fantarina tsara na manana fiainana mandrakizay izy na tsia
I Jaona 5:13

170. gasynamana ( 20/06/2007 09:11)
Manana fiainana mandrakizay? Angaha moa zany fanana?
171. diamondra27 ( 20/06/2007 09:19)
Rehefa nandray an'i JK de tonga zanak'Atra Jao 1:12
ary voavonjy @ zavatra maro

Misy santionany ireto:
mIsy fanjakana ara-panahy 2 eto an-tany
Matio 12:26 fanjakan'ny satana
Matio 12:28 fanjakan'Atra

Ao @ Kolosiana 1:13 raha manaiky an'i JK dia manafaka @ fahefan'ny maizina Izy ary mamindra antsika @ fanjakan'ny Zanany Malalany

II Korintiana 4:3-4 Atra izao tontolo izao sy
satana II Kort 11:14 no mihazona ny sain'ny olona tsy hahitany ny fahazavan'ny filazantsara

zany we afaka @ fanjakan'ny satana, niala tao anaty aizina,tsy ho heloina intsony, tafafindra niala t@ fahafatesana ho any @ fiainana Jaona 5:24
172. gasynamana ( 20/06/2007 10:16)
Tsy misy afaka hanana ny fanjakan'Andriamanitra izany raha ny fandinihako azy, satria tsy fanana io. Izany hoe harena. Raha izay de aleo ihany mikatsaka harena dieny izao.

Ny maha zanak'Andriamanitra dia "etat" fa tsy hoe "avoir". Azafady fa tsy hitako izay ilazana azy amin'ny teny hafa.

Ny fahatongavana amin'izay "etat" maha zanaka izay no maha sambatra tokoa. Io fahasambarana io tsy fahasambarana miankina amin'ny "avoir" intsony, satria ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy fanana.

Izay raha hazavaina. Miandry ny namana afaka hanazava azy amin'ny fomba teolojika na fomba hafa.
173. xxx ( 20/06/2007 10:40)
Manamafy an'io dia jereo ny Mt 19. Raha nanontany an'i Jesoa ilay tovolahy mpanan-karena : " ahoana no ataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay ? "
Dia hoy Jesoa : " Raha tianao ny hiditra @ fiainana..."

Izay angamba ho'aho no tsy naharaikitra ny baolina t@ ity indray nitoraka ity. Ny iray nihevitra fa fananana ho rombahina ilay izy. I Jesoa anefa ni-désarmer azy tanteraka hoe : amidio izay anananao, dia avia fa izao izao no hitondra ny baolina fa tsy ialahy intsony.
Bon tsy toriteny moa io fa eritreritra nandalo. Fa ny tiako ahatongavana dia manamafy ilay voalaza eo ambony fotsiny : tsy fananana io fa fiainana idirana.
174. diamondra27 ( 20/06/2007 10:45)
gasynamana:

Tsy misy afaka hanana ny fanjakan'Andriamanitra izany raha ny fandinihako azy, satria tsy fanana io. Izany hoe harena. Raha izay de aleo ihany mikatsaka harena dieny izao.

Ny maha zanak'Andriamanitra dia "etat" fa tsy hoe "avoir". Azafady fa tsy hitako izay ilazana azy amin'ny teny hafa.

Ny fahatongavana amin'izay "etat" maha zanaka izay no maha sambatra tokoa. Io fahasambarana io tsy fahasambarana miankina amin'ny "avoir" intsony, satria ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy fanana.

Izay raha hazavaina. Miandry ny namana afaka hanazava azy amin'ny fomba teolojika na fomba hafa.

__________________________

avereno vakiana tsara aloha e!
tonga zanak'Atra no lazaina

fa ilay fiainana mandrakizay dia rehefa miala eto an-tany.

resaka vie éternelle no lazaina fa tsy fanjakan'Atra
175. gasynamana ( 20/06/2007 12:01)
Fanazava iray io ambony io, raha misy fahadisoana de lazao.

Manaraka: Vie eternelle?
Misy sahy milaza koa ary ve hoe: ahy ny aiko? Moa misy afaka mitompo teny fatratra ho manana ny aina, eny fa na dia fiteny mahazatra aza ny hoe: manan'aina? Raha fanana ny aina de azo zaraina, azo omena ny hafa. Iza anefa no capable hanome izany ho an'ny hafa? Raha jerena ny zava-misy ianana de tsy misy. Ny hany misy de ny hoe: manoro lalana mba hahatonga ilay olona ho velona mandrakizay.

Ny aina tsy zavatra ka azo raisina. Azo omena. Mety hisy hiteny hoe de ahoana ireny manome taova ireny. Ny valiny de tsotra: ao amin'iny taova iny ve izany ny aina?

Izay mbola afa-miaina no atao hoe velona. Ny fahavelomana koa de "etat" fa tsy "avoir" akory. Izay mino ahy hoy Jesoa no velona mandrakizay. Donc, tsy misy izany manana ny fiainana mandrakizay izany, ny velona mandrakizay no misy, satria miray aina amin'ilay Aina tsy mety levona de ilay Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Ny fampianaran'i Jesoa mikasika an'ilay Fotoboaloboka de manamafy an'io. Izay miray amin'ny fotoboaloboka de izy Andriamanitra no ho velona sy hamokatra.
176. diamondra27 ( 21/06/2007 09:25)
Atra no tompon'ny fanjakana fa ny antsika dia ilay fiainana mandrakizay

4- Ahoana no fomba atao mba ahazoana famonjena,ho tonga zanak'Andriamanitra ary mba ahazoana ny fiainana mandrakizay?

Jao 1:12 Fa izay rehetra nadray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra dia izay mino ny anarany

Jao 3:16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Jao 3:36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

Jao 5:24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.

Jao 6:47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.

Jao 6:54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.

Jao 10: 27-28 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako.
177. diamondra27 ( 21/06/2007 09:31)
ireo izany no voalazan'ny SM dia action arakan'ny voalazan'ny namana atsy ambadika

raha te-hanana ilay fiainana mandrakizay dia tsy maintsy manaraka ny voalazanireo SM ireo
Mbola misy hafa ihany koa fa santionany ireo...

gasynamana: an'Atra irery ihany ny aina, ny devoly dia tsy manana fahefana @ aintsika olombelona ary voalazan'ny SM ihany izany
jereo ilay tantara voasoratra ao @ Joba fony izy nandia fahoriana
nalàna t@ daholo ny rehetra ary Atra nilaza t@ satana fa hoe: azonao atao daholo izay tianao atao @ joba AFA-tsy NY AINY ihany no tsy azonao kitihina
178. gasynamana ( 21/06/2007 10:50)
diamondra27: Misaotra amin'ilay andalan-tsoratra masina.
Nefa mba efa novakianao tsara koa ve izay nosoratako?
Izaho mantsy tsy milaza fa an'ny demony ny aina. Ny marihako eo dia ny hoe: La vie n'est pas un "avoir", elle fait parti de l'"etre".
Jereo izay nambaran'i Jesoa hoe: "Izaho no lalana sy fahamarinana, ary fiainana". "Je suis... La vie".
Io no tiako marihana. Noho izany tsy hoe manana ny fiainana mandrakizay no izy, fa velona mandrakizay. Io dia vokatry ny firaisan'aina amin'Izy Andriamanitra (Ilay aina tsy mety levona, mamelona antsika mianakavy).
Manamafy an'izay izay nolazan'i Paoly hoe: tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko.

Izay alou
179. ikaretsaka ( 21/06/2007 15:53)
Mba sira kely fotsiny:
io "Je suis" sy ny "J'ai" io no betsaka tsy mahazo sy mampifamadika na mampitovy tokoa (tsy haiko na niniana na tsy fantatra tokoa) satria ilay "Izaho no..." tsy mahafehy azy loatra @ teny gasy!
dia misy betsaka ny diso fijery sy mandika hoe "Izaho no...manana. . . lalana sy fahamarinana ary fiainana"
180. niryna ( 23/06/2007 03:15)
Diamondra sy gasinamana>misaotra tamin'ny fanazavana:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5418