Famonjena na salvation.
181. niryna
(
23/06/2007 04:02)
Hanampiko ny tenin'ny namana dia ny hiafaran-tsika izany dia Atra irery ihany no mahafantatra azy.Isika ihany koa anefa efa nomena fahafahana(free will).Na fifaliana na fahoriana izany no hiafarantsika dia miankina ny tsirairay io.Efa nandray an'i Jesosy ve ianao?Efa voavoanjy ve ianao(Are you saved?)
Tsy hoe fanontaniana mikasika ny hoe nanao zavatra tsara ve,na hoe nandeha nanao izao sy izao aho na hoe efa mpiangona aho.
Mino ve ianao fa hiaraka amin'i Jesosy any an-danitra rehefa hatrizay hiala ety?Are you sure you will go to heaven with Jesus when you die?
Hoy ny Tompo hoe raha te-ho any an-danitra isika dia mila hateraka indray.Jaona 3:7( in order to go to heaven,you must be born again)
Ny Baiboly no manambara sy mampianatra antsika ny fomba tokony atao mba ho voavonjy ny fanahitsika rahatrizay.
Ny faniriana,ny sitrapony,ny fitiavany antsika dia ny ho voavonjy daholo isika .Eny fa na samy mahafantatra aza isika fa tsy misy marina na iray aza.Rom 3:23.
Jesosy izany no teteza-mita handehanantsika mankany amin'ny Ray.
Tsy mora kanefa afaka manantanteraka izany isika raha manana finoana fa Izy irery ihany no lalana mankany aminy.Mino an'i Jesosy irery ihany dia ho vonjena ianaoAsa 16:30-31
Ny didin'Atra dia ny hibebahan'ny tsirairay,ny hanantonana Azy,ary ny ahafantarana fa tsy mendrika ny ho zanany akory kanefa dia manaiky fa Jesosy no nanavotra antsika noho izany tsy fahamarinan-tsika izany(ny fahotana).
Mino fotsiny ihany hoy Izy dia ho vonjena ianao,mino fa Izy no nitondra ny helokao,maty noho izany ota izany .Ny fitsanganany naharesy ilay satana fahavalo efa resy dia endrika iray lehibe hilazana antsika ny famonjena izay nomeny ho antsika izay mino Azy.
Efa nosoratan'i diamondra io fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Atra(But as many as received Him,to them He gave power to become the sons of God)Jaona 1:12
Izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no ho vonjena (For whosoever shall call upon the name of the Lord shall be saved)Rom 10:13
Shall be saved means not maybe,nor can,but shall be saved.
Ho vonjena dia hoe tsy hoe angamba mety ho voavonjy na mety ho vonjena angamba, fa ho vonjena tokoa.
Raiso ny teny izay nomeny antsika ary tsy mbola namitaka antsika Izy.Raiso ny famonjeny ,ny lalana tiany hizorantsika rahatrizay.
Ny famonjena tsotra omen'Atra antsika dia:Mpanota isika,kanefa raha tsy mandray sy mino an'i Jesosy izay maty nisolo antsika,dia hanohy ny fiainantsika any amin'ny afo fahaverezana isika.
Raha mino Azy kosa anefa isika fa maty ,nalevina,ary nitsangana indray ny Mpamonjy antsika(Jesosy),dia ahazo famelan-keloka tamin'ny ota rehetra isika ary dia ahazo fahasoavana tsy inona akory izany fa ny fiainana mandrakizay noho ny finoana Azy ary dia ho voasoratra ao anaty boky ny fiainana ny anarantsika.:*
** Na inona na inona ny fahotantsika dia ho voavela daholo raha manantona sy mibebaka ary mangataka famelankeloka aminy isika:Na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy hy horam-panala.Fampanantenana nomeny antsika io ka tanterao.
Ho Azy irery ihany anie ny voninahitra.
Raha mbola tsy nandray Azy tao am-ponao ianao,dia afaka mandray Azy androany:Mino Azy.raisy ao am-ponao Izy,omeo Azy ho tantanany ny fiainanao ary maneke Azy ho Mpanavotra anao.Andramo ka zahao fa tsara Izy:D
(l)niryna

182. ikaretsaka
(
23/06/2007 04:18)
ary ahoana indray kay ny momban'ilay voalaza lavabe ao @ Joany 6, 53-58 hoe:
Hoy mantsy izy:
"Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Ra-ko no hahazo ny fiainana mandrakizay ary Izaho hanangana azy any @ Andro farany"?
dixit ergo eis Iesus amen amen dico vobis nisi manducaveritis carnem Filii hominis et biberitis eius sanguinem non habetis vitam in vobis
sy ilay hoe:
"tena fisotro ny Rako ary tena fihinana ny vatako"?
caro enim mea vere est cibus et sanguis meus vere est potus
"ary izay Misotro sy mihinana dia Izaho ao aminy ary Izy ato Amiko"?
qui manducat meam carnem et bibit meum sanguinem in me manet et ego in illo
sy ny Ity no vatako ity no rako! (dia nitodika tany @ apostoly izy) ataovy izao ho fahatsiarovana ahy
Amiko aloha dia io ilay TENY sy TENA, tsy afaka misaraka ireo.

183. niryna
(
28/06/2007 04:24)
gasynamana:
cutie: tsara izay. Izay no fahendrena. Ary avelao anay hilaza izay tsy mety fa aza sakana.
Mandehana jereo sy diniho ilay lohahevitra hoe: anjely, dia ho hitanao sy ho tsapanao.
Inona no tianao ho tenenina amin'izany?
Raiso izay azo raisina fa raha fantatrao fa tsy misy dikany dia avelao eo fa tsy mahafaty atoka akory e.
184. niryna
(
28/06/2007 04:37)
ikaretsaka:
ary ahoana indray kay ny momban'ilay voalaza lavabe ao @ Joany 6, 53-58 hoe:
Hoy mantsy izy:
"Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Ra-ko no hahazo ny fiainana mandrakizay ary Izaho hanangana azy any @ Andro farany"?
dixit ergo eis Iesus amen amen dico vobis nisi manducaveritis carnem Filii hominis et biberitis eius sanguinem non habetis vitam in vobis
Ny fahalalako azy dia izay mino Azy no ahazo ny fanahy mandrakizay(spiritual life).Izy izay nizara sy namonjy antsika tamin'ny fahotana teo amin'ny hazofijaliana.(Romana 3:24-25)sy ny I Jaona 1:7.Jesosy izany no teny velona(living word):Izay voasoratra ao anatin'ny II Ti 3:16.Ary ihany koa no efa niantso ny tenany ho mofon'aina(bread of life).Noho ny fanomezam-pahasoavana(by God's grace)inoana Azy dia voavonjy isika ary mbola mitohy izany raha manaradia Azy hatrany isika.Izay mino azy no ho vonjena ka hanana fiainana ho mandrakizay.
185. ikaretsaka
(
28/06/2007 12:03)
ka inona ny idiran'ilay mofo sy ra raha resaka teny?
samihafa ange ny hoe mofo, ra, ary ny hoe teny
e!
ary ilay hoe fanomezam-mahasoavana, Jakoba 2, 24 dia manao hoe
"Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany."

186. marozevo
(
29/06/2007 19:19)
Oay kosa ikaretsaka eh...
Fa angaha moa tsy hoe :
Teny tonga nofo,
nofo tonga mofo,
mofo zary aina no zaraina hiveloman'izay rehetra mandre ny Teny.
Io tsy ao amin'ny baiboly fa ao amin'ny fampianaran'olomasina iray, asa na St Justin izy izay na St Cyprien....

187. niryna
(
01/07/2007 06:03)
ikaretsaka:
ary ahoana indray kay ny momban'ilay voalaza lavabe ao @ Joany 6, 53-58 hoe:
Hoy mantsy izy:
"Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Ra-ko no hahazo ny fiainana mandrakizay ary Izaho hanangana azy any @ Andro farany"?
Ho Jesosy taminy;Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa:Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo dia tsy manana fiaianana ao aminareo....Fa ny nofoko no tena fihinana ary ny rako no tena fisotro.....Ity ny mofo izay nidina avy tany an-danitra,tsy tahaka ny razana izay nihinana anefa maty ihany,fa izay mihinana ny mofo ity dia ho velona mandrakizay.
Ny fahazoako an'io dia resaka ara-pinoana ho an'izay mino an'i Kristy sy izay manambara ny nahafantesana teo amin'ny hazofijaliana.
Ireo efa voalazako ireo ambony ireo ny fanazavako azy.Araka io nomenao azy io dia ny tenany sy ny mofo dia iray ihany no dikany.
Izany hoe ny vatany sy ny fanahiny izany no nanavotany antsika.Ny rany dia nasolony ny fahotantsika,izay nataony sorona hanavotana antsika.Izay atao hoe zanak'ondry tsy nisy kilema.:D
188. ikaretsaka
(
01/07/2007 12:13)
dia tohiziko ary @ alakamisy masina indray ary
naninona izy no naka mofo dia nanao hoe vatako ity atolotra ho anareo
dia nanao koa izy hoe ity no ra-ko .. atolotra ho anareo?

191. ikaretsaka
(
02/07/2007 20:43)
marozevo:
Oay kosa ikaretsaka eh...
Fa angaha moa tsy hoe :
Teny tonga nofo,
nofo tonga mofo,
mofo zary aina no zaraina hiveloman'izay rehetra mandre ny Teny.
Io tsy ao amin'ny baiboly fa ao amin'ny fampianaran'olomasina iray, asa na St Justin izy izay na St Cyprien....
st justin...
marina ny an'i marozevo..
io ilay lazaiko hoe tsy ny TENY ihany fa ny TENA koa
fa saingy besaka no mianona @ teny
192. niryna
(
11/07/2007 03:18)
Ireto misy fanazava kely mikasika ny fanasan'ny Tompo
Ny fanasan'ny Tompo(Lord supper)
Ny fanasana dia maneho amintsika ny zavatra nitranga, ,ny ankehitriny ary ny ho avy izay fampanantenana ho an'izay rehetra mino an'i Kristy,izay hitantsika ao @ Mat 26:26-29,Mk 14:22-25,Lk 22:15 ary I kor 11:23-25 ny fanazava mikasika ny fanasan'ny Tompo.
1- Ny nitranga:Maneho ny fahatsiarovana ny famonjena izay nomen'i Kristy ,izay maty noho ny otantsika Izy Lk 22:19
-Ny fisaorana an'Atra noho ny famonjeny antsika avy amin'ny alalan'ny Zanany .izay maty teo amin'ny hazofijaliana Mt 26:27.
2-Ny ankehitriny:fandraisana ny fanasan'ny Tompo dia endrika iray hiarahan'ny samy kristiana mahatsiaro ny soa nataon'i Kristy antsika dia ny namoizany ny tenany noho ny elontsika.Ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fanarahana ny sitrapony.Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika ,tsy firaisana amin'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika,tsy firaisina amin'ny tenan'i kristy va izany?Satria iray ihany isika na dia maro aza;fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa. I kor 10:16-17
3-Ny ho avy:Ny fiarahan'ireo izay mpino sy mpanaradia azy amin'ny andro farany izay hiverenany.Ny finoana izany Ny didy vaovao izay nomeny dia ny hifankatiavantsika rehetra toy ny mpirahalahy.Ary raha mbola nihinana izy,Jesosy nandray mofo;ka nony efa nisaotra,dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso ,ity no tenako.
Dia nandray kapoaka Izy .ka nony efa nisaotra,dia natolony azy;ka dia nisotroan'izy rehetra izany.Ary hoy Izy,ity ny rako amin'ny fanekena izay alatsako hamonjy ny maro.Lazaiko aminareo marina tokoa:tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pihavian'ny andro hisotroaka izay vaovao amin'ny fanjakan'Atra. Mk 14:24-25

193. niryna
(
11/07/2007 04:08)
gasynamana:
Tsy misy afaka hanana ny fanjakan'Andriamanitra izany raha ny fandinihako azy, satria tsy fanana io. Izany hoe harena. Raha izay de aleo ihany mikatsaka harena dieny izao.
Ny arena anie azo katsahina araka izay hitiavanao sy ahazoanao azy saingy tsy afaka mitondra isika na ariary aza.
Asa aloha ry gasynamana fa Jesosy nilaza fa tsy mahita ny fanjakan'ny lanitra isika raha tsy ateraka indray.Vakio anie ilay tantaran'i Nikodemosy nanontany an'i Jesosy hoe ataon'ny olona ahoana no ahateraka rehefa lehibe ;moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?Ary Jesosy namaly hoe:Lazaiko aminao marina dia marina tokoa :Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ,dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Atra izy.Izay ateraky ny nofo dia nofo,izay ateraky ny Fanahy dia fanahy Jaona 3:4-7
Saingy nanazava kosa izy fa izay olona ao amin'i Kristy dia lasa olom-baovao.
[i]Koa raha misy olona ao amin'i Kristy dia olom-baovao izy;efa lasa ny zavatra taloha,indreo ,efa tonga vaovao ireo....Atra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany;ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana II Kor 5:17,19
Izay rehetra mino an'i Kristy dia lasa olom-baovao, lasa zanak'Atra.Fa izay rehetra nandray Azy dia dia nomeny hery ho tonga zanak'Atra,dia izay mino ny anarany.dia ireo izay tsy nateraky ny ra na ny sitrapon'ny nofo,na ny sitrapon'ny olona fa naterak'Atra. Jaona 1:12-13
194. ikaretsaka
(
11/07/2007 12:50)
niryna.. fa ny tokony ho izy anie tsy fanasana tsy fanasana fotsiny e..
fa novainy tokoa ho vatany sy rany ilay izy ary nataony ny apostoly hoe manaova izao ho fahatsiarovana azy
tsy fahatsiarovana fotsiny, fa ny fandraisana azy tanteraka ho sakafom-po sy fanahy.

195. niryna
(
12/07/2007 04:48)
ikaretsaka:
niryna.. fa ny tokony ho izy anie tsy fanasana tsy fanasana fotsiny e..
fa novainy tokoa ho vatany sy rany ilay izy ary nataony ny apostoly hoe manaova izao ho fahatsiarovana azy
tsy fahatsiarovana fotsiny, fa ny fandraisana azy tanteraka ho sakafom-po sy fanahy.
Marina izany fa izaho angaha moa manipaka,fanasana no filaza azy.:D