Famonjena na salvation.

21. niryna ( 18/06/2007 02:26)
gasynamana:

De inona ro ambaranao io zao raha lazaiko fa mirediredy ianao fa tsary misy an'izany?

Tsy azoko,tsy misy ny famonjena?Ny atao hoe zanak'Atra sa ny atao hoe fiainana mandrakizay?
Raha ohatra ka mbola tsy nanatona an'i Tompo i gasynamana ary tsy mbola nanaiky an'i Kristy ho mpamonjy anao dia afaka mamaky ireo tenin'ny namana maro ireo ianao fa tena hanampy anao tokoa izany:*
Afaka manome ny fiainanao sy manankina izany Aminy fa ahita fifaliana sy fahasambarana ianao raha miaraka Aminy.Na ny olana eo amin'ny fiainanao aza dia maivana satria manana fanantenana Azy ianao.Andramo ka zahao fa tsara Izy.:D
22. niryna ( 18/06/2007 02:32)
xxx:

Ka io foana no tendance-n'ilay mpametraka sujet. Na toriteny kely, na fijoroana vavolombelona, dia io fanadinana katesizy io no fahatelo.
Valin-teny efa hainy io fa tsy maintsy hanadinana ny mpianatra aloha vao mamaly izy avy eo( mety hanitsy koa angamba)

Aiza kosa e,mifampianatra izahay ato.Izaho koa mianatra sy maka izay tandrifiko.Mivavaha hatrany mba ahafantatra izay voalazan'ny namana fa tena manampy amin'ny fiainana.Ny fihainoana dia manampy izay kely fantatra,ny fandraisana anjara dia mamerina ny efa nianarana,ny famakianao ny hevitry ny namana rehetra dia manome hery fa misy ny fanantenana,ny fahalalana ny zavatra mitranga sy hitranga dia hanampy antsika hiroso lalindalina @ny fivavahana ka ahafantatra be dia be ny tokony atao sy ny tsia8).

23. niryna ( 18/06/2007 02:36)
xxx:

fa izy no iza?

Olombelona toy ny namana rehetra mizara izay kely fantatro ho an'ny mpiray tanindrazana amiko aho.Eny nijoro vavolombelona aho ary mbola tsy mitsahatra ny mijoro manambara ireo havana,namana,mpiray tanindrazana ,tsy mba manana fanantenana amin'ny fiainana.Raha miaraka sy mino an'i Kristy tokoa mantsy isika dia ahita izany fifaliana sy fitiavana tsy voavidy vola izany.:D

24. niryna ( 18/06/2007 02:40)
LazaDaddy:

4- Ahoana no fomba atao mba ahazoana famonjena,ho tonga zanak'Andriamanitra ary mba ahazoana ny fiainana mandrakizay?
Tsy misy fomba azo atao mba ahazoana famonjena raha tsy izany dia matimaty foana i Kristy nanolo-tena teo @ hazo fijaliana.

"Salvation belongs to our God, who sits upon the throne and unto The Lamb...."

Raha te-ho voavonjy ny fanahy dia ahoana?Tsy afaka manao na inona na inona izany?

25. cutie ( 18/06/2007 04:02)
- Inona no atao hoe famonjena (salvation)?

Fandraisana sy fanekena an'i jesoa namonjy anao
2- Inona no atao hoe zanak'Andriamanitra(children of God)?

Ny oul rehetra tsy an-kanavaka:lol:
- Inona no atao hoe fiainana mandrakizay(eternal life)?

Ny fankatoavana an;i jesoa ho mpamonjy anao @fiainanao
Ahoana no fomba atao mba ahazoana famonjena,ho tonga zanak'Andriamanitra ary mba ahazoana ny fiainana mandrakizay?

Mivavaka:lol:
5- Ahoana no fampiarana ireo amin'ny
fiainanantsika

cf Ika:lol:
26. niryna ( 18/06/2007 04:39)
cutie>=D=D
27. gasynamana ( 18/06/2007 08:24)
marozevo sy ny namana: Jereo amin'izay fa efa nandalo teo ilay mpanadina katesizy anareo. Efa nitsara ny marina sy ny diso izy, ary nanome fanamarihana ho an'izay hitany fa tsy de ao loatra.:-D:-D:-D
28. sakaizakely ( 18/06/2007 08:51)
tsy efa resaka nalefan'i nyrina teto ve io resaka io ?
29. cutie ( 18/06/2007 12:07)
Mpandefa : gasynamana [ Valio ] 18-06-2007 10:24:44
Lohateny : Re : Famonjena na salvation.
marozevo sy ny namana: Jereo amin'izay fa efa nandalo teo ilay mpanadina katesizy anareo. Efa nitsara ny marina sy ny diso izy, ary nanome fanamarihana ho an'izay hitany fa tsy de ao loatra.

ka in aza ny olana @ zany zao :roll:
30. xxx ( 18/06/2007 12:14)
Dia mahazo tehaka na Bravo izay "mahavaly ny marina". Aleo kosa ry Cutie mba hianatra katesizy ry Gasynamana fa sitrany ahay mba manao recyclage.
31. cutie ( 18/06/2007 12:16)
Aleo kosa ry Cutie mba hianatra katesizy ry Gasynamana fa sitrany ahay mba manao recyclage.

:-D:-D:-D:-D:-D
32. marozevo ( 18/06/2007 16:24)
2 - Kristy, zoky maro zandry, no zanak'Andriamanitra.


Kristy dia Zanak'Andriamanitra, nateraka fa tsy natao. Tena Andriamanitra sy tena olombelona. Tamin'ny Batemy (Batisa) dia natsangan'Andriamanitra ho zanany ny olombelona. Zandrin'i Kristy noho izany, izay rehetra vita batemy ary tena be dia be izy ireo.
NB 1 : Mitovy ihany na Batemy na Batisa ilazana azy.
NB 2 : Io hoe "Zoky (na lahimatoa) maro zandry io dia tsy avy amiko fa ao amin'ny Baiboly, fa tsy haiko ny referansy.
33. xxx ( 18/06/2007 16:57)
2- Inona no atao hoe zanak'Andriamanitra(children of God)?

Fanontaniana diso fipetraka ity fanontaniana ity ka mila ahitsy kely. Tsy hoe : inona ny zanak'Andriamanitra, satria raha izay dia milaza fa zavatra (chose) ny zanak'Andriamanitra.
Efa mazava anefa fa Olona ny zanak'Andriamanitra noho izany, ny fanontaniana tokony hipetraka dia hoe: Iza no Zanak'Andriamanitra?
Raha io no fanontaniana dia misy valiny roa mazava. Raha au singulier ny fanontaniana dia i Kristy no tondroiny: Tamin'ny fiharaban'ny Anjely an'i Masina Maria dia manamafy izany.
Raha au pluriel kosa ny fanontaniana, dia izay rehetra nandray ny Fanahy maha Zanaka rehetra, tamin'ny alalan'ny Batemy, no zanak'Andriamanitra.
"Endrey ity habean'ny fitiavan'Andriamanitra antsika amin'ny iantsona antsika hoe zanany, sady izany tokoa isika".

Fanamarihana: ny olona rehetra tsy ankanavaka dia afaka ho tonga zanak'Andriamanitra daholo satria efa tonga olombelona ilay Zanak'Andriamanitra mba hahatonga antsika olombelona ho Zanak'Andrimanitra.

Ho tena zanaka mankanto azy Ray tokoa anie, ka ho mendrika ny handova ny fiainana mandrakizay! Amen.
34. niryna ( 18/06/2007 17:46)
cutie:

Mpandefa : gasynamana [ Valio ] 18-06-2007 10:24:44
Lohateny : Re : Famonjena na salvation.
marozevo sy ny namana: Jereo amin'izay fa efa nandalo teo ilay mpanadina katesizy anareo. Efa nitsara ny marina sy ny diso izy, ary nanome fanamarihana ho an'izay hitany fa tsy de ao loatra.

ka in aza ny olana @ zany zao :roll:

Misaotra aky cutie a,manana fahasoavana manome hery olona foana ianao.Tazomy fa tsara izany.(l)niryna

35. niryna ( 18/06/2007 17:48)
Mora ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra tena hoy ny dadabeanay.Mamaly ny olona mahazo tsiny ,tsy mamaly mahazo tsiny.:D
36. gasynamana ( 18/06/2007 18:04)
cutie: ny olana ve? tsy misy fivelarana mihitsy fa ny eo ihany no eo. Manazaza toetra loatra ny hafa. Izay no olana.
37. cutie ( 18/06/2007 18:11)
Mpandefa : gasynamana [ Valio ] 18-06-2007 20:04:53
Lohateny : Re : Famonjena na salvation.
cutie: ny olana ve? tsy misy fivelarana mihitsy fa ny eo ihany no eo. Manazaza toetra loatra ny hafa. Izay no olana.

ka fantaro koa fa tsy ny oul efa mahay katesizy daholo akory ny mamaky forum eto:lol:
38. gasynamana ( 18/06/2007 18:25)
cutie: tsy misy fivelarana amiko ny zavatra toy izao na inona lazainao na inona. Manazaza olona loatra. Raha hainy tsy tokony hanontaniany.
Izy milaza fa tsy hainy hoe: nefa jereo fa raha tsy misora-tena ho mahay izy tsy mitsara ny hafa. Manome bravo sy manisy remarques.
39. cutie ( 18/06/2007 18:32)
tsy hitako izy nilaza we tsy hainy zany :roll:
40. gasynamana ( 18/06/2007 18:37)
Cutie: Vakio io ambony io, ny valin-teny nomeny an'i xxx.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0092