tsetratsetra tsy aritra

1. diamondra27 ( 01/06/2007 12:49)
mba te-hahafantatra inona avy ireo fombafomba katolika

mangataka ho an'izay tsy katolika mba tsy hanaratsy

maninona no manao @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina raha vao miditra , dia mandohalika kely vao mipetraka ao am-piangonana iray?

novalian'i mangakely ny 29/05/2012 10:52
2. ari.malala ( 01/06/2007 13:12)
Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina= Famantarana ny Hazo Fijaliana

Ilay mandohalika dia mivavaka, fa ilay hoe mandohalika kely tsy azoko
3. johnnyandri ( 01/06/2007 13:44)
Mandohalika kely: fanajana, satria miditra ao anaty tranon'Andriamanitra. Ery amin'ny Otely misy jiro mena mirehitra lalandava famantarana fa ao i Jesoa> Karazan'ny fampatsiahivana hoe efa tsy eny an-tokontany intsony fa ao an-tranon'Andriamanitra ka tokony hanaja. Toy ny rehefa mifanena amin'ny Ray aman-dreny dia miarahaba. Izay no fahalalako azy aloha fa tsy fantatro raha misy dikany hafa.
4. ikaretsaka ( 01/06/2007 13:57)
ohatranao manao sy miantso hoe Andriamanitra io:
Andriamanitra= tokana olona telo.
Antsoina aby izy telo mba hihaino ny vavakao
Ny mandoalika kely: ny Katolika mino fa ao anaty mofo ao anatyTabernakla( ilay toerana misy jiro menamena mirehitra foana) ao i Jesoa Kristy satria ao no tehirizina ny ambin'ny kominio sisa tsy lany rehefa avy nozaraina nandritra ny fandraisana ny kominio.
Ny Katolika dia tena mino fa i Jesoa no ao anatin'iny dia manaja an'ilay Jesoa ao iny no mahatonga azy mandohalika mitsaoka (mitsaoka mankalaza sy manaja) ny Tompo.
5. booboo ( 01/06/2007 15:17)
misaotra.
ary lay rano kely ery am-baravarana vao hiditra iny ?
6. ikaretsaka ( 01/06/2007 15:20)
ilay rano indray dia manambara fanasana, fanavaozana, aina vaovao, fitsofan-drano!
7. LazaDaddy ( 01/06/2007 15:31)
ikaretsaka:
Ny Katolika dia tena mino fa i Jesoa no ao anatin'iny dia manaja an'ilay Jesoa ao iny no mahatonga azy mandohalika mitsaoka (mitsaoka mankalaza sy manaja) ny Tompo.
Ilay tapa-mofo iny izany ve tompoina sy omen-danja kokoa mihoatra ny Baiboly raha tsy diso ny fazahoako azy satria araka ny finoany dia ao anatin'iny i Jesoa?

Manitikitika be ahy io voalazan'ikaretsaka io fa mampahatsiahy ny voalazan'i Jesoa hoe:

Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, atỳ Kristy, na: Indro, arỳ; aza mino hianareo Matio 24:23
8. LazaDaddy ( 01/06/2007 15:35)
Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, aty Kristy, na: Indro, ary; aza mino hianareo Matio 24:23
9. LazaDaddy ( 01/06/2007 15:41)
tena mila fanazavana misimisy kokoa izaho ry ikaretsaka fa sao diso ny fazahoako ny tianao ambara ah. Tsy atao anaty "boaty kely" araka ny fiteny fanesoesoana mahazatra ny olona izany i Jesoa fa atao anaty "kapoaka" araka ny finoany? Tena tsy azoko fa mba azavao azafady.
10. ikaretsaka ( 01/06/2007 15:54)
Joany toko faha 6 dia manazava be mihitsy ny momban'io!
laza: Ie.. ity tapa mofo iny no omena lanja satria iny efa voaova ho vatan'i kristy!
tsy ny teniny voalaza tao anaty baiboly intsony fa ny Izy mihitsy @ alalan'ny Vatany tafiditra ao am-ponao no itsahona sy ankalazaina azy sy handoalihana eo anatrehany!

Izay koa ry laza ilay hoe ny fiangonana dia Ratsambatan'i Kristy, ary ao anatin'iny "boaty kely" sy "kapoaka kely" iny izy... tranon'omby aza nisy azy tokoa ...mainka fa boaty volamena?
11. rebecca ( 01/06/2007 16:08)
Tohin'izay nolazain'Ikaretsaka, santionany kely fotsiny amin'ilay voalaza ao amin'ny Jaona toko faha 6:

54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.

Dikan-teny protestanta io
12. xxx ( 01/06/2007 16:31)

Dia mbola hoy koa izy: "Raiso ary hano fa vatako ity atolotro ho anareo, ataovy izao ho fahatsiarovana ahy!
Samia mandray sy misotro amin'ity kalisy ity ianareo fa kalisy misy ny rako ity, rà iorenan'ny fanenkem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, alatsaka ho anareo sy ho an'ny be sy ny maro. Ataovy izao ho fahatsiarovana ahy."

Aorinan'ny fankamasinana dia tena tonga vatana sy ràn'i Kristy tokoa ny mofo sy ny Divay.

Omeo anay isan'andro ry Tompo ilay sakafo mahavelona mandrakizay, dia ilay vatana sy rànao. Amen
13. diamondra27 ( 01/06/2007 17:10)
ari.malala:

Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina= Famantarana ny Hazo Fijaliana

Ilay mandohalika dia mivavaka, fa ilay hoe mandohalika kely tsy azoko

________________________

ilay plier le genou iray akia ry ari.malala a!

14. pissoa ( 01/06/2007 17:13)
Efa io nolazain'ny namana io hoe fanajana iny !
15. diamondra27 ( 01/06/2007 17:17)
yeee refa alohan'ny hiditra de misy maka ratsan-kazo ihany koa dia maka le rano iny de manao signe croix, de inona le dikan'iny?


Fony mbola kely zaho de nandalo tany @ fiangonana katolika de zokinay mihinana kominio , de miteny le pretra de mamaly razoky.
Hatr@izao za mbola tsy nanontany olona hoe: inona ilay teny tenenin'i pretra alohan'ny hanome mofo dia inona ilay teny havalin'ilay hihinana mofo

Misy olona tonga dia atao any am-bavany ilay mofo dia misy omena @ tanana vao haniny
Mba omeo fanazavana an'ireo raha azo atao.
16. diamondra27 ( 01/06/2007 17:21)
De hono ho' aho : olona firy taona kay no mahazo mihinana iny mofo iny? De ahoana ny condition raha misy conditions

misaotra an'izay namaly aloha hatreto fa miha-mazava ilay fanontaniana manitikitika t@ mbola kely e!

De maninona koa kay le mampaneno lakolosy kely iny , mandehandeha ao @ fiangonana le olona sady misy manaraka.

Miala tsiny fa tena be question an!
17. xxx ( 01/06/2007 17:33)
LazaDaddy:

tena mila fanazavana misimisy kokoa izaho ry ikaretsaka fa sao diso ny fazahoako ny tianao ambara ah. Tsy atao anaty "boaty kely" araka ny fiteny fanesoesoana mahazatra ny olona izany i Jesoa fa atao anaty "kapoaka" araka ny finoany? Tena tsy azoko fa mba azavao azafady.

:roll:Maninona koa no miantsoantso an'i Maria kanefa hoy ny didy folo hoe aza miankohoka amin'izay sarin-javatra nataon'ny olona,ahona no mitoraka salut sady mandohalika foana isaky ny mahita ireny olomasina sary vongana eny amin'ny arabe ireny.Jesosy irery ihany no andoalihana sy iakohofana.Rehefa manodikodina iny saplet iny dia inona no ataoanareo?Aza manao vavaka lavareny koa fa nahoana no iny vavaka iny ihany no averimberina?

18. ramhors ( 01/06/2007 17:47)
Mahafinaritra ilay adihevitra ary mba te hitondra fanazavana mikasika ireo fanontaniana ireo. Rehefa miditra ao @ fiangonana Katolika ianao dia matetika misy rano voahasina eo @ varavarana fidirana. Mandalo eo ny olona, dia manatsoboka ny tanany ary manao ny famatarana ny hazofijaliana. Ilay Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no teny fampiasa rehefa mandray ny batemy. Ary ny rano voahasina dia fampahatsahivana fa avy @ alalan'ny batemy izay noraisintsika no hidirana ao am-piangonana. Ireo tsy mbola vita batemy koa anefa dia afaka manao izany, fa maniry ao am-po mba handray ny sakramentan'ny batemy.
19. pissoa ( 01/06/2007 17:50)
diamondra27:

yeee refa alohan'ny hiditra de misy maka ratsan-kazo ihany koa dia maka le rano iny de manao signe croix, de inona le dikan'iny?

Ny rano dia efa io nazavain'i Ika io.
Raha atao teny tsotra dia mampatsiaro ny Batemy noraisina ny rano. Mazava ho azy, tsy voatery mila an'iny --- fa tsy voatery tsy mila koa !

Diamondra27:
Fony mbola kely zaho de nandalo tany @ fiangonana katolika de zokinay mihinana kominio , de miteny le pretra de mamaly razoky.
Hatr@izao za mbola tsy nanontany olona hoe: inona ilay teny tenenin'i pretra alohan'ny hanome mofo dia inona ilay teny havalin'ilay hihinana mofo

Ny tenenin'ny mpizara Komonio (izay tsy voatery ho Pretra) dia hoe Vatan'i Kristy ! Amen no avaly azy !

Diamondra27:

Misy olona tonga dia atao any am-bavany ilay mofo dia misy omena @ tanana vao haniny
Mba omeo fanazavana an'ireo raha azo atao.

Hi hi ! tsy haiko indray aloha io e, heveriko fa karazana fomba "handraisana" Azy fotsiny iny !
20. xxx ( 01/06/2007 18:02)
yeee refa alohan'ny hiditra de misy maka ratsan-kazo ihany koa dia maka le rano iny de manao signe croix, de inona le dikan'iny?

Ny rano afafy amin'ny olona dia rano voahasina. Tso-drano no atao amin'ny famafazana rano. Raha andron'ny Paka no anaovana azy dia fanavaozana ny Batemy noraisin'ny tsirairay io.
Rehefa mahazo ny tso-drano ny olona dia misaotsa ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina, izay no antony hanaovany famataran'ny hazofijaliana.
Fony mbola kely zaho de nandalo tany @ fiangonana katolika de zokinay mihinana kominio , de miteny le pretra de mamaly razoky.
Hatr@izao za mbola tsy nanontany olona hoe: inona ilay teny tenenin'i pretra alohan'ny hanome mofo dia inona ilay teny havalin'ilay hihinana mofo

Ny teny lazain'ny Pretra eo am-panomezana ny kominio dia hoe: vatan'i Kristy. Ny avaly azy, raha mino tokoa ianao: Amen.
Misy olona tonga dia atao any am-bavany ilay mofo dia misy omena @ tanana vao haniny
Mba omeo fanazavana an'ireo raha azo atao.

Ny fomba fandraisana ny kominio indray dia misy isan-karazany, arakaraka izay mahazatra ny tsirairay. Ny zava-dehibe dia ny finoana sy ny fanajana azy.
De hono ho' aho : olona firy taona kay no mahazo mihinana iny mofo iny? De ahoana ny condition raha misy conditions

Tsy tena misy taona voafaritra loatra aloha e. Ny hany fepetra dia ny hoe: Efa mahalala tsara ilay raisiny ao aminy ilay olona. Izany hoe mino sy tia an'i Kristy, ilay Eokaristia raisiny.
Ny fepetra mialohan'io koa dia tsy maintsy efa nandray ny sakramentan'ny Batemy vao mahazo miroso amin'io sakramenta manaraka io (ny eokaristia).
De maninona koa kay le mampaneno lakolosy kely iny , mandehandeha ao @ fiangonana le olona sady misy manaraka.

Tsy tena azoko ilay zavatra lazainao. Miezaka ihany aho maka sary an-tsaina hoe: fotoana inona no nandehananao tany amin'ny fiangonana katolika? Fa raha mikasika ny lakolosy kely aloha dia izao ny tantarany e: Taloha ny Pretra dia tsy mitodika any amin'ny olona toy ny amin'izao fotoana izao. Nampiasaina ny lakolosy kely tamin'izany mba ilazana amin'ny olona ny fanombohana sy ny famaranana ny fankamasinana.
Amin'izao dia mbola ampiasaina izy: voalohany iantsona ny olona hidera sy hitsaoka an'Andriamanitra (mialohan'ny fankamasinana), ary ampiasaina ihany koa hiderana an'i Kristy nandresy ny fahafatesana, tafatsangan-ko velona, ary mbola ho avy, izay ao amin'ny Eokaristia(aorinan'ny fankamasinana).
Miala tsiny fa tena be question an!

Tsy misy tsiny fa aleo manontany toy izay miteniteny foana.

Ho amintsika hatrany anie ny Fahasoavan'Andriamanitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2441